FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 1 Aprily
    • Fanontanian’ny Mpamaky

      Inona no tokony hataon’ny Kristiana iray rehefa antsoina hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy izy?

      Any amin’ny tany sasany, dia mampiasa mpitsara mpanampy nofantenana avy amin’ny olom-pirenena tsy vaky volo, ny fitsarana. Any amin’izay isian’izany, dia tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay ho fihetsiny ny Kristiana iray rehefa asaina ho tonga mba hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy izy. Kristiana maro no nanatsoaka hevitra tamim-pieritreretana madio fa tsy mandrara azy tsy ho tonga akory ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, tsy misy hafa amin’ny nanarahan’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ny baikon’ny fitondram-panjakana babyloniana mba ho tonga teo amin’ny lemak’i Dora, sy tahaka an’i Josefa sy i Maria izay nankany Betlehema noho ny baikon’ny manam-pahefana romana. (Daniela 3:1-12; Lioka 2:1-4). Misy anefa lafin-javatra azon’ny Kristiana tso-po dinihina.

      Tsy hoe misy hatraiza hatraiza akory ny fampiasana mpitsara mpanampy. Any amin’ny tany sasany, dia ny mpitsara matihanina na fitambarana mpitsara no mitsara ny ady madio sy ny ady heloka. Any an-toeran-kafa, dia izay fantatra hoe lalàna araka ny fomban-drazana no misy, ary ny mpitsara mpanampy dia anisan’ny mitsara. Tsy vitan’izany ihany fa manjavozavo ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona ny fomba ifantenana ny mpitsara mpanampy sy ny zavatra ataony. Koa hitondra fanampiana àry ny fanadihadiana ankapobe, na miatrika ny raharahan’ny mpitsara mpanampy ianao na tsia.

      Manaiky an’i Jehovah ho Mpitsara Fara Tampony ny vahoakan’Andriamanitra. (Isaia 33:22). Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia nisy lehilahy za-draharaha izay nahitsy sy tsy nizaha tavan’olona, nanao ny asan’ny mpitsara mba handamina fifandirana sy handray fanapahan-kevitra ny amin’ny raharaha momba ny lalàna. (Eksodosy 18:13-22; Levitikosy 19:15; Deoteronomia 21:18-21). Tamin’ny fotoana naha-teto an-tany an’i Jesosy, dia ny Synedriona, fitsarana avo jiosy, no nanao ny anjara asan’ny fitsarana. (Marka 15:1; Asan’ny Apostoly 5:27-34). Tsy nisy fandaharana natao mba hahatonga ny sarambaben’ny Jiosy ho mpitsara mpanampy.

      Ny tany hafa dia nampiasa mpitsara mpanampy, izay olom-pirenena no mpikambana tao anatiny. Notsarain’ny mpitsara mpanampy 501, i Socrate. Nisy tany amin’ny Repoblika Romana koa ny fitsarana nataon’ny mpitsara mpanampy, na dia nofoanana aza izy io teo ambany fanapahan’ireo emperora. Tatỳ aoriana, dia nandray fepetra ny Mpanjakan’i Angletera Henri III mba ho ny mpiara-monina amin’ny voampanga no hitsara azy. Noheverina mantsy fa noho izy ireo nahafantatra ilay voampanga, dia ho ara-drariny kokoa ny fitsaran’izy ireo raha oharina amin’ilay fomba hoe ny voampanga no niezaka hanaporofo ny tsy fananany tsiny, tamin’ny alalan’ny fiadiana tamin’olona na ny fahatafitana velona tamin’ny loza nasaina nosetrainy. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ilay rafitra nampiasana mpitsara mpanampy dia niova ho fandaharana iray izay nihainoan’ny olom-pirenena vitsivitsy ny raharaha ara-pitsarana iray ka namoahany didim-pitsarana miorina amin’ny porofo. Mpitsara matihanina iray no nitari-dalana azy ireo ny amin’ny porofo.

      Samihafa ny karazana mpitsara mpanampy, ny isany, ary izay tafiditra amin’ny famoahany didim-pitsarana. Ohatra, any Etazonia, ny fitambarana mpitsara mpanampy atao hoe grand jury dia misy mpikambana 12 ka hatramin’ny 23. Izy io no manapa-kevitra raha misy porofo ampy hiampangana olona iray ho nanao heloka bevava; tsy mamaritra izy io hoe meloka na tsy meloka ilay olona. Mitovy amin’izany ihany, ny mpitsara mpanampy mpanao famotorana, dia mandinika amim-pitandremana ny porofo mba hanapahan-kevitra raha nisy heloka bevava natao.

      Rehefa mieritreritra ny amin’ny mpitsara mpanampy ny ankamaroan’ny olona, ny ao an-tsainy dia olom-pirenena 12 izay voantso ho amin’ny fitsarana iray — na ady madio izany na ady heloka — izay mihaino ny fanambarana ataon’ny vavolombelona ka manapa-kevitra hoe meloka na tsy meloka ny olona iray. Io no atao hoe petit jury, raha oharina amin’ny grand jury. Amin’ny ankapobeny, ny fitsarana dia mandefa filazana ho an’ny isam-batan’olona mba ho tonga hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy, ka avy amin’ny lisitry ny mpifidy, na ny mpamily manana fahazoan-dalana hitondra fiara, na ny toy izany, no ifantenany azy ireo. Mety tsy hahafeno fepetra avy hatrany ny sasany, toy ny olona meloka ho nanao heloka bevava sy ny tsy ampy fahaizana ara-tsaina. Arakaraka ny lalàna eo an-toerana, dia mahazo mitaky ny ho afaka amin’izy io ny hafa — toy ny dokotera, ny anisan’ny klerjy, ny mpahay lalàna, na ny tompon’ny fandraharahana madinika. (Mety ho afaka ny sasany noho izy mandà mafy tsy hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy noho ny feon’ny fieritreretany manokana.) Kanefa, ireo manam-pahefana dia mihamanaisotra ny fahafahana tsy hanao azy io, hany ka tsy maintsy tonga manao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy ny rehetra, angamba imbetsaka ao anatin’ny taona maromaro.

      Tsy ny rehetra tonga hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy akory dia voatery handray anjara amin’ny fitsarana iray. Amin’ireo olona atao fiandry izay voantso hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy, ny sasany dia voafantina kisendrasendra ho mety ho mpitsara mpanampy amin’ny ady ara-pitsarana manokana iray. Avy eo, ilay mpitsara dia mampahafantatra ny mpitory sy ny torina ary ny mpisolovavan’izy ireo, ary milazalaza ny mombamomba ilay raharaha ara-pitsarana. Ilay mpitsara sy ireo mpisolovava no mandinika izay mety ho mpitsara mpanampy tsirairay. Eo no fotoana hanehoan-kevitra raha toa ny tena ka manana antony araka ny feon’ny fieritreretana tsy hanaovana azy io, noho ny karazan’ilay raharaha ara-pitsarana.

      Ilaina hahena ilay antokon’olona mandra-pahatratrarany ny isan’olona tena handray anjara mandritra ny fitsarana an’io raharaha ara-pitsarana io. Ilay mpitsara dia hanala izay olona mety hampisalasala ny tsy fizahany tavan’olona, noho izy mety ho liana manokana amin’ilay raharaha ara-pitsarana. Afa-tsy izany koa, ireo mpisolovavan’ny andaniny avy dia manana zo hanala mpitsara mpanampy vitsivitsy. Na iza na iza alana amin’ireo mpitsara mpanampy ireo dia miverina ho mpitsara mpanampy atao fiandry, ka hiandry sao sendra voafantina ho amin’ny ady ara-pitsarana hafa. Nampiasa io fotoana io mba hanaovana fanambarana tsy ara-potoana ny Kristiana sasany tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany. Rehefa afaka andro maromaro, dia vita ny raharahan’ny olona iray nanao mpitsara mpanampy, na tena nitsara izy na tsia.

      Ny Kristiana dia miezaka ‘hitandrina ny raharahany’, fa tsy hitsabaka amin’ny ‘raharahan’olona’. (1 Tesaloniana 4:11; 1 Petera 4:15). Rehefa nisy Jiosy iray nangataka an’i Jesosy hitsara raharaha iray momba ny lova, dia hoy ny navaliny: “Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?” (Lioka 12:13, 14). Tonga hanambara ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana i Jesosy, fa tsy hitsara raharaha nahakasika ny lalàna. (Lioka 4:18, 43). Ny valin-tenin’i Jesosy dia mety ho nanosika an’ilay lehilahy hampiasa ny fomba fandamina fifandirana, izay voalazalaza tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra. (Deoteronomia 1:16, 17). Na dia marim-pototra aza izany hevitra izany, ny fanarahana ny baiko mba ho tonga hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy dia samy hafa amin’ny fitsabahan’ny tena amin’ny raharahan’ny hafa. Mitovitovy amin’ny tarehin-javatra nisy an’ireo naman’i Daniela telo lahy izy io. Nandidy azy ireo ho tonga teo amin’ny lemak’i Dora ny fitondram-panjakana babyloniana, ary tsy nandika ny Lalàn’Andriamanitra ny nanaovany izany. Raharaha hafa ny zavatra nataon’izy ireo nony avy eo, araka ny asehon’ny Baiboly. — Daniela 3:16-18.

      Rehefa tsy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony ny mpanompon’Andriamanitra, dia tsy maintsy nifampiraharaha tamin’ny fitsarana tsy ara-pivavahana tany amin’ny tany maro samihafa izy ireo. Nampirisika “ny olona masina” tany Korinto ny apostoly Paoly mba ho ao anatin’ny kongregasiona no handaminan’izy ireo tsy fitovian-kevitra. Rehefa niresaka ny amin’ny mpitsara ao amin’ny fitsarana tsy ara-pivavahana ho “olona tsy marina” i Paoly, dia tsy nanda izy akory fa nanana ny anjara toerana sahaza azy izy io teo amin’ny fandaminana raharaha tsy ara-pivavahana. (1 Korintiana 6:1). Niaro tena teo anatrehan’ny fitsarana romana izy, nampiakatra ny raharahany tany amin’i Kaisara mihitsy aza izy. Tsy hoe ratsy hatrany am-potony akory ny fitsarana tsy ara-pivavahana. — Asan’ny Apostoly 24:10; 25:10, 11.

      Anjara asan’“ny fahefana lehibe” ny fitsarana tsy ara-pivavahana. “Voatendrin’Andriamanitra” izy io, ary manao sy mampihatra ny lalàna. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Mpanompon’Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora, fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy.” Ny Kristiana dia tsy “manohitra ny fahefana” manatanteraka izany anjara asany araka ny lalàna izany, satria tsy maniry ‘hanohitra azy io’ izy ireo ka hahazo fanamelohana noho izany. — Romana 13:1-4; Titosy 3:1.

      Amin’ny fampifandanjana ireo lafin-javatra tafiditra, ny Kristiana dia tokony handinika raha afaka manaiky ny zavatra sasany takin’i Kaisara izy ireo. Hoy ny torohevitr’i Paoly: “Mandoava amin’izy rehetra [ny fahefana lehibe] izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana”. (Romana 13:7). Mazava izany raha ny amin’ny hetra ara-bola. (Matio 22:17-21). Raha milaza i Kaisara hoe ny olom-pirenena dia tsy maintsy manome amin’ny fotoanany sy ny fiezahany mba hanadiovana lalana na hanatanterahana asa hafa izay anisan’ny anjara asan’i Kaisara, dia tsy maintsy manapa-kevitra ny Kristiana tsirairay raha hanaiky izy na tsia. — Matio 5:41.

      Nihevitra ny raharahan’ny mpitsara mpanampy ho fanomezana an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ny Kristiana sasany. (Lioka 20:25). Ny asa atao rehefa mpitsara mpanampy, dia ny mihaino ny porofo sy manome ny hevitry ny tena araka ny marina, miorina amin’ny zava-misy na ny lalàna. Ohatra, amin’ny grand jury, ireo mpitsara mpanampy dia manapa-kevitra raha manome lalana ny hitondrana olona iray any amin’ny fitsarana ny porofo; tsy mamaritra izy ireo hoe meloka ny olona iray na tsia. Ahoana ny amin’ny fitsarana mahazatra? Amin’ny ady madio, ny mpitsara mpanampy dia mety hampandoa onitra. Amin’ny ady heloka, dia hamaritra izy ireo raha tohanan’ny porofo ho marim-pototra ny didim-pitsarana fanamelohana. Indraindray izy ireo dia manolo-kevitra hoe sazy inona faritan’ny lalàna no tokony hampiharina. Avy eo, ny fitondram-panjakana dia mampiasa ny fahefany “handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy”, na “hamaly izay manao ratsy”. — 1 Petera 2:14.

      Ahoana raha tsy mihevitra ny Kristiana iray fa mamela azy hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy manokana iray ny feon’ny fieritreretany? Tsy miresaka ny raharahan’ny mpitsara mpanampy ny Baiboly, koa tsy afaka milaza izy hoe: ‘Mifanohitra amin’ny fivavahako ny hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy na inona na inona.’ Arakaraka ilay raharaha ara-pitsarana, dia ho azony atao ny hanambara fa mifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretany manokana ny hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy, amin’ny raharaha ara-pitsarana manokana iray. Mety ho izany no izy raha toa ka tafiditra amin’ny raharaha ara-pitsarana iray ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanalana zaza, ny vonoan’olona, na ny raharaha hafa. Volavolain’ny fahalalana araka ny Baiboly, fa tsy ny lalàna tsy ara-pivavahana fotsiny, ny fomba fisainany ny amin’izany. Raha ny tena izy anefa, dia tena mety hitranga ny hoe tsy tafiditra amin’ilay fitsarana nifantenana azy ny raharaha toy izany.

      Handinika koa ny Kristiana matotra iray raha hiombona andraikitra amin’ny sazy ampiharin’ireo mpitsara. (Ampitahao amin’ny Genesisy 39:17-20; 1 Timoty 5:22.) Raha fahadisoana ny namoahana didim-pitsarana fanamelohana ka nampiharina ny fanamelohana ho faty, hiombona trosan-dra ve ny Kristiana iray mpitsara mpanampy? (Eksodosy 22:1; Deoteronomia 21:8; 22:8; Jeremia 2:34; Matio 23:35; Asan’ny Apostoly 18:6). Tamin’ny fitsarana an’i Jesosy, dia naniry ‘ho afaka tamin’ny ran’io lehilahy io’ i Pilato. Tonga dia nilaza ny Jiosy hoe: “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay.” — Matio 27:24, 25.

      Raha tonga hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy ny Kristiana iray, araka ny nanasan’ny fitondram-panjakana azy, kanefa noho ny feon’ny fieritreretany manokana dia nanda tsy hanao izany izy tamin’ny ady ara-pitsarana manokana iray, na dia teo aza ny fanantitranteran’ny mpitsara, ilay Kristiana dia tokony ho vonona hiatrika ny vokany — na lamandy izany na fampidirana am-ponja. — 1 Petera 2:19.

      Rehefa dinihina, dia tsy maintsy mamaritra ny lalan-karahiny, miorina amin’ny fahatakarany ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretany manokana ny Kristiana tsirairay miatrika ny raharahan’ny mpitsara mpanampy. Tonga mba hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy ny Kristiana sasany ary efa nanao ny asan’ny mpitsara mpanampy sasantsasany. Ny hafa dia nahatsiaro ho voatosika handa na dia teo aza ny sazy. Ny Kristiana tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay hataony, ary tsy tokony hitsikera ny fanapahan-keviny ny hafa. — Galatiana 6:5.

  • Hanao Fivoriambe Hiraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 1 Aprily
    • Hanao Fivoriambe Hiraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah

      Eo am-pamolavolana ny hanaovana fivoriambe iraisam-pirenena mandritra ny 1998 ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noraisina tamin-kafanam-po io fampandrenesana io tamin’ny fivorian’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, fanao isan-taona, izay natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tao Jersey City, tamin’ny asabotsy 5 Oktobra 1996.

      Miaraka amin’ireo fivoriamben’ny distrika mahazatra, dia hisy fivoriambe hiraisam-pirenena maromaro hatao any Amerika Avaratra mandritra ny antenatenan’ny taona 1998. Antenaina fa hamory Vavolombelona ana hetsiny maro, avy any amin’ny faritra maro amin’ny tany, ireny fihaonam-be ireny. Mba hisian’ny tany maro araka izay azo atao hanana solontena, ny tsirairay amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower miisa 100 mahery, dia hanana anjara solontena avy, ho amin’ny fivoriambe hiraisam-pirenena voatondro iray, any Amerika Avaratra.

      Mazava ho azy fa tsy izay rehetra ta handeha any Amerika Avaratra akory dia ho afaka hanao izany. Kanefa, mety ho azon’ny olona an’arivony maro atao ny hanatrika fivoriambe hiraisam-pirenena iray, akaiky kokoa ny misy azy. Efa misy fandaharana atao mba hanaovana fivoriambe hiraisam-pirenena any amin’ny tany roa na telo any Eoropa, mbamin’ny hafa any Afrika, Azia, Amerika Latina, Pasifika Atsimo, sy Caraïbes.

      Amin’ny fotoana mety, ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana dia hampahafantatra ireo kongregasiona ao amin’ny faritanin’izy ireo avy, ny amin’ny tanàna hanaovana ny fivoriambe izay hanasana azy ireo. Hisy fanazavana homena momba ny daty hanaovana ny fivoriambe sy ireo fandaharana natao mba hifantenana ireo solontena. Ireo mieritreritra ny hameno fangatahana mba ho anisan’ny solontena voafantina dia mety haniry hanomboka hanangona ny sasany amin’ny volany, ho fitsinjovana an’ireny fisehoan-javatra manokana ireny.

      Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra maneran-tany dia afaka miandrandra ny zavatra tahirizina ho azy ireo amin’ireny fihaonam-be hiraisam-pirenena ho an’ny taona 1998 ireny. Hanana fandaharana mitovy amin’io ny fivoriamben’ny distrika any amin’ny tany rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara