-
Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah: Mampiasa azy io ve ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 1 Janoary
-
-
Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah: Mampiasa azy io ve ianao?
ILAY BOKIKELY hoe L’école et les Témoins de Jéhovah dia natao mba hanampiana ireo mpampianatra hahatakatra hoe nahoana ireo mpianany izay Vavolombelona no tsy mandray anjara amin’ny fombafomba sy asa sasany any an-tsekoly. Mila azy io koa ireo Vavolombelon’i Jehovah izay maniry hanazava hoe nahoana ny zavatra inoany no mitarika azy ireny handray toerana toy izao na izao.
Na dia izany aza, mba hahatratraran’ilay bokikely ny zava-kendreny, dia ny “hanamora ny fifanarahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo mpampianatra”, ireo Vavolombelona dia tokony handinika azy io ao anatin’ny fianakaviana aloha; rehefa avy eo, dia ho tiany ny hanao izay hahazoan’ny mpampianatra tsirairay azy io. Ireo izay nampiasa tsara ilay bokikely hoe L’école dia nahazo vokatra tsara dia tsara.
Ohatra, ny 6 may 1983, ny minisiteran’ny Fanabeazana any Bahamas dia nanonta taratasy nifehy ireo fombafomba amin’ny fiantsoana anarana isa-maraina any amin’ny sekoly rehetra. Nilaza toy izao ny fehezanteny farany amin’io taratasy io: “Mariho kely fa tsy hisy tsy fanarahan-dalàna holeferina mihitsy raha ny amin’ireo fombafomba fampisehoana fitiavan-tanindrazana.”
Tao anatin’ny lohataona 1983 anefa, ilay bokikely hoe L’école dia naseho tamin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka natomboka ny fampiasana azy tany Bahamas. Miharihary fa ho vokatr’izany mivantana, tao amin’ny taratasy vaovao iray nalefa ho an’ireo talen’ny sekoly ny 18 janoary 1984, ilay teny niresaka ny amin’ny fombafomba fampisehoana fitiavan-tanindrazana dia novana tanteraka. Tao amin’ny fehintsoratra farany, teo ambanin’ny lohateny hoe “NY FANDRAISAN’NY MPIANATRA ANJARA AMIN’IREO ASA FAMPISEHOANA FITIAVAN-TANINDRAZANA ANY AN-TSEKOLY”, dia izao no novakina:
Ny hiram-pirenena sy ny fiarahabana saina dia natao hamohazana ny fireharehana noho ny firenen’ny tena sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny olom-pirenena rehetra. Raha mbola hisy tany samy hafa koa, ny saina sy ny hiram-pitiavan-tanindrazana dia hanana ny toerany ao amin’ny fitambaran’olona voalamina rehetra. Kanefa, mety hisy antokom-pivavahana manokana iray hihevitra ny fanaovana ny hiram-pirenena sy ny fiarahabana saina ho fanaon’ny mpanompo sampy ka noho izany dia heveriny ho voarara izany. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, ny lalàm-panorenana dia mitaky ny hamelana ireo anisan’izany antokon’olona izany hanana fahafahana hihevitra sy hampianatra izany.”
Tian’ny mpampianatra izy io
Ankasitrahan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly aoka izany ny fahafantarana hoe amin’ny ahoana ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah no misy vokany eo amin’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny asa any an-tsekoly. Tany Québec (Canada), ny bokikely iray dia nomena an’Atoa André Lemieux, talen’ny sekoly any Chibougamau. Taty aoriana, dia namboraka ny tao am-pony toy izao tamin’ilay Vavolombelona nanome azy an’io izy: “Manery anay hanafaka ny zanakareo amin’ny fankalazana ireo fety ny foto-pampianaranareo. Na dia nanazava taminay ny antony aza izy ireo, dia tsy tena azonay ny antony. Noho io bokikely io anefa, dia ho takatray tsara lavitra ny hevitry ny zanakareo ka hihevitra ireo fotopoto-pitsipikareo ara-pitondrantena izahay.”
Nanontany toy izao izy nony avy eo: “Ho azoko atao ve ny hahazo valo amboniny ho an’ireo sekoly rehetra, iray isaky ny trano fara fahakeliny?” Rehefa reny fa tsy nisy nanahirana mihitsy tamin’izany, dia hoy izy: “Raha izany no izy, dia haka efapolo aho aloha”, ary dia nampiany hoe: “Raha nanazava ny anton’izay ampianariny ny fivavahana tsirairay avy, dia ho kely lavitra ny zava-manahirana hitanay amin’ireo ankizy. Misaotra be dia be.”
Ny vehivavy kristiana iray tany amin’ny fanjakan’i Kentucky (Etazonia) dia nitantara fa rehefa niova ny talen’ny sekolin’ireo zanany, dia nangataka mba hihaona taminy izy. Tonga tamin’io fihaonana io izy tamin’ny fanaovana izay hitondrana niaraka taminy ny bokikely L’école. “Nodinihiny tamim-pitandremana ilay izy, hoy ilay vehivavy, avy eo dia tiany ny hahafantatra raha afaka nahazo hafa tamin’izany izy. Gaga aho satria nanafatra dimy amby roapolo tamin’izany izy. Hizarako anankiray isaky ny mpampianatra, hoy izy tamiko.”
Niara-nidinika tamin’ireo mpampianatra ny zanany koa io renim-pianakaviana io. Nilaza taminy ireo fa tsy hitany izay naha-ratsy ny nananana mpianatra Vavolombelon’i Jehovah, nefa indraindray dia sarotra taminy ny nahatakatra ny anton’ny fihetsik’izy ireo. Afaka nanoratra taminay izao andalan-tsoratra vitsivitsy izao anefa io vehivavy kristiana io: “Nahavaly maro tamin’ny fanontanian’izy ireo ilay bokikely, ka izany dia nanamora kokoa ny fiainana ho an’ireo zanako sy ny an’ny Vavolombelona hafa tao amin’io sekoly io koa.”
Ny vehivavy kristiana iray tany New York dia nitantara taminay tao amin’ny taratasy iray fa ireo zanany vavy roa kambana dia nahita fahasahiranana nampahafantatra ny zavatra ninoany tamin’ireo mpampianatra azy. “Ny mpampianatra mozika indrindra no sosotra aoka izany ny amin’ireo hiram-pitiavan-tanindrazana sy ireo fety, hoy izy. Niezaka hanamarina ny toerany ireo zanako vavy ka nanome azy an’io bokikely io.” Inona no vokany? Nisaotra azy ireo ny mpampianatra azy ary taty aoriana dia nanoratra izao taminy, ny amin’ilay bokikely:
“Voazavany tsara tokoa ny fiheveran’ny Vavolombelona ny fety samihafa sy ny antony tsy andraisan’izy ireo anjara amin’izany. Efa fantatro teo aloha ny fanazavana sasany, nefa be dia be no vao hitako. Amin’ny maha-mpampianatra ahy, dia heveriko fa arakaraka ny hahafantarako tsaratsara kokoa ny fivavahan’ireo mpianatro no hahafahako mahatakatra kokoa ny fiheviny.”
Tian’ny Vavolombelona tanora izy io
Nankamamy indrindra an’io bokikely io ireo tanora. “Ny anankiray tamin’ireo vokany nanorina dia ny fihetsik’ireo zanako”, hoy ny nosoratan’ny renim-pianakaviana iray izay nonina tany Colombie britanika, provansa iray any Kanada. “Tsy mpino ny vadiko, noho izany antony izany dia sarotra tamiko indraindray ny nampiditra tao an-tsain’ireo zanako vavy ny fiheveran’i Jehovah momba ny fety, ny saina, ets. Nefa noho ny fahafantarany fa hatramin’izao ny mpampianatra azy ireo dia nanantena ny haha-hafa azy ary fantany ny hoe amin’ny fotoana toy inona izy ireo no ho toy izany, dia nanamora ny adidiny izany. Amin’izao fotoana izao, rehefa mody ao an-trano izy ireo, dia miresaka amiko ny amin’ireo tarehin-javatra tsy maintsy nijoroany, kanefa teo aloha izy ireo dia saro-tahotra. Notantarainy tamiko koa ny toe-javatra sasany nanampian’ny mpampianatra azy ireo moramora hahavita izany tamin’ny filazana teny iray na roa mampiseho fahatsaram-panahy.”
Tanora maro mihitsy koa no nanoratra mba hampahafantatra anay ny fomba nanampian’ilay bokikely azy ireo. Ny zazavavy iray tany Chicago (Etazonia) dia nanonona taminay ny amin’ny mpampianatra azy izay nanantitrantitra mba handraisany anjara tamin’ny fifaninanana iray momba ny hatsaran-tarehy. “Ny andro nanaraka, dia nitondrako ilay bokikely ny mpampianatra ahy, hoy izy. Raha vantany vao voavakiny ilay andalan-teny nahakasika ny fifaninanana momba ny hatsaran-tarehy, dia nanome toky ahy izy fa tsy handray anjara amin’io fifaninanana io aho. Tsy sarotra kokoa noho izany.”
Ny zazavavy kristiana hafa iray tany Géorgie (Etazonia) dia nitantara fa rehefa avy namaky ilay bokikely nomeny azy ny mpampianatra azy, dia namela azy tamim-pahalemem-panahy tsy handray anjara tamin’ny asa sasany. “Sarobidy tokoa ilay bokikely ho an’ny tanora mankany an-tsekoly, hoy ny nosoratan’io zazavavy io, ka tiako ny hisaotra anareo noho izany. Mampahery ny mahafantatra fa ny Fikambanana dia mieritreritra ireo tanora izay tsy maintsy misetra zava-manahirana toy izany.”
Tsy isalasalana mihitsy fa ilay bokikely hoe L’école dia fiasana sarobidy hanamora ny fifanarahana sy ny fiaraha-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo mpampianatra. Mampiasa azy io ve ianao?
-
-
Fanontanian’ny mpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1986 | 1 Janoary
-
-
Fanontanian’ny mpamaky
◼ Lazain’ny Baiboly fa i Samsona dia nanasamatsamaka roa ny liona iray “hoatra ny fanasamaka zanak’osy”. Tokony horaisina avy amin’izany va fa fanao tamin’izany fotoana izany ny manasamatsamaka zanak’osy toy izany?
Tsia, azo inoana fa fanoharana fotsiny ireo teny ireo. Ny dikany dia hoe nahafaty moramora liona tamin’ny tanana fotsiny i Samsona, toy ny hoe zanak’osy tsy nanam-piarovana ilay izy.
Samsona izay mpitsara teo amin’ny Isiraely tamin’izany fotoana izany, dia nidina tany Timna mba hitady izay “hiadiany tamin’ny Filistina”. Teny an-dalana izy dia tonga teo anoloan’ny liona tanora sy natanjaka nierona iray izay namely azy angamba. Lazain’ny filazana ara-tantara amintsika fa tonga tamin’i Samsona tamin’izay ny hery miasan’Andriamanitra, hany ka ‘nosamatsamahiny [roa, MN ] hoatra ny fanasamaka zanak’osy ilay liona tanora, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany’. — Mpitsara 14:4-6.
Nisy olona roa hafa koa voalazan’ny Baiboly fa namono liona, nefa i Samsona ihany no nanao izany tamin’ny tanana fotsiny (I Samoela 17:36; II Samoela 23:20). Ambonin’izany, dia “nosamatsamahiny roa ilay izy”. Raha toa ny tiana holazaina amin’izany dia hoe nosamahiny ny valanorano matanjaky ny liona iray, dia azo atao ny mieritreritra fa ampy fahatanjahana ny Isiraelita sasany mba hanaovana toy izany tamin’ny zanak’osy. Tsy misy na inona na inona mahatonga antsika ho afaka hilaza anefa fa nanao zavatra toy izany izy ireo ary tsy hitantsika mihitsy izay antony tokony ho nanandramany nanao toy izany. Nefa kosa, raha nanasamaka ilay liona na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana i Samsona, dia vao mainka tsy azo inoana kokoa fa ny firesahana ny amin’ny zanak’osy dia zavatra hafa ankoatra ny fanoharana. Ny hevitra lehibe dia ny hoe ny fanahin’Andriamanitra dia nanome an’i Samsona hery ara-batana niavaka. Noho io hery io, ny liona mahery sy masiaka iray dia tsy naharaiki-tahotra an’i Samsona tsy nanam-piadiana akory, toy ny tsy naha-toy izany ny zanak’osy tsy nanam-piarovana ho an’ny olona tsotra iray.
Taty aoriana, ny fatin’ny liona iray dia fototry ny ankamantatra iray izay taorian’izany no nanomezan’Andriamanitra indray hery nahatalanjona ho an’i Samsona izay, tamin’io indray mandeha io, dia nahafaty fahavalo telopolo. — Mpitsara 14:8-19.
-