Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Famakiana Isan’andro ny Baiboly
“Sambatra ny olona (...) [izay] ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no [vakiny amin’ny feo iva, NW ] andro aman-alina.” — SALAMO 1:1, 2.
1. a) Soratra misongadina inona no miseho eo amin’ny lafiny iray amin’ny orinasa iray any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower? b) Ahoana no handraisantsika soa raha mandray am-po ilay fananarana ny tenantsika?
“VAKIO ISAN’ANDRO NY TENIN’ANDRIAMANITRA, NY BAIBOLY MASINA”. Ireo teny ireo dia miseho amin’ny sora-baventy, eo amin’ny lafiny iray amin’ny orinasa iray any Brooklyn, any New York, izay anaovan’ny Watchtower Bible and Tract Society pirinty Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Tsy natao ho an’ny olona eo amin’izao tontolo izao ihany izay mahita ilay soratra io fananarana io. Tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ilain’izy ireo koa ny mandray azy io am-po. Ireo izay mamaky tsy tapaka ny Baiboly ka mampihatra manokana azy io dia mandray soa avy amin’ny fampianarana sy ny fananarana sy ny fanitsiana ary ny fifehezana amin’ny rariny omeny. — 2 Timoty 3:16, 17, NW.
2. Ahoana no nanantitranteran’ny Rahalahy Russell ny maha-zava-dehibe ny famakiana ny Baiboly?
2 Ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah be dia be ireo fitaovana fianarana Baiboly, anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana, ary ampiasainy tsy tapaka izy ireny. Kanefa, fantany fa tsy misy amin’izy ireny maka ny toeran’ny Baiboly mihitsy. Tamin’ny 1909, i Charles Taze Russell, prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, dia nanoratra toy izao ho an’ireo mpamaky ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana: “Aza hadinoina na oviana na oviana fa ny Baiboly no Fari-pitsipika mifehy antsika ary na dia mety ho nomen’Andriamanitra aza ireo fanampiana atolotray, dia ‘fanampiana’ izy ireny fa tsy solon’ny Baiboly.”
3. a) Inona no hery ananan’ny “tenin’Andriamanitra” eo amin’ireo izay iharan’ny fitaomany? b) Impiry moa ireo olona tany Beria no namaky sy nianatra ny Soratra Masina?
3 Manana halalina sy hery izay tsy ananan’ny boky hafa ny Soratra Masina ara-tsindrimandry. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12). Noderain’i Lioka mpianatra tamin-kafanana ny olona tany Beria, tamin’ny fiantsoana azy ireo ho ‘tsara toe-panahy’. Tsy vitan’ny hoe nandray tamin-jotom-po ny teny izay notorin’ny apostoly Paoly sy i Silasy mpiara-miasa taminy izy ireo, fa “nandinika ny Soratra Masina isan-andro” koa mba hamantarana ny fototra araka ny Soratra Masina ny amin’izay nampianarina. — Asan’ny Apostoly 17:11.
Famakiana isan’andro azy io
4. Inona no asehon’ny Soratra Masina raha ny amin’ny hoe impiry isika no tokony hamaky ny Baiboly?
4 Tsy milaza amin’ny fomba voafaritra tsara ny Baiboly hoe impiry isika no tokony hamaky azy. Kanefa, izy io dia mirakitra tokoa ny torohevitr’i Jehovah ho an’i Josoa mba ‘hamaky ny bokin’ny lalàna amin’ny feo iva andro aman’alina’, mba hanaovany zavatra amim-pahendrena sy hahombiazany amin’ny fanatanterahana ny fanendrena nomen’Andriamanitra azy. (Josoa 1:8, NW ). Milaza amintsika ny Baiboly fa na iza na iza nanapaka tamin’ny naha-mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny dia tokony ho namaky ny Soratra Masina ‘tamin’ny andro rehetra niainany’ izy. (Deoteronomia 17:19). Izao no teny anampiny: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, (...) fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no [vakiny amin’ny feo iva, NW ] andro aman-alina.” (Salamo 1:1, 2). Fanampin’izany, dia milaza amintsika ny Filazantsara noraketin’i Matio an-tsoratra fa rehefa nanda ireo fiezahan’i Satana haka fanahy Azy i Jesosy Kristy, dia naka teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry Izy, ka nanao hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.’ ” (Matio 4:4). Impiry moa isika no mila sakafo ara-nofo? Isan’andro! Mbola zava-dehibe kokoa mihitsy aza ny fandraisana sakafo ara-panahy isan’andro satria misy fiantraikany eo amin’ny fahatsinjovantsika fiainana mandrakizay izany. — Deoteronomia 8:3; Jaona 17:3.
5. Ahoana no ahafahan’ny famakiana isan’andro ny Baiboly manampy antsika mba ‘handeha mendrika an’i Jehovah’ rehefa mianjady amintsika ireo fitsapam-pinoana?
5 Ilain’ny tsirairay avy amintsika ny hohatanjahina isan’andro amin’ny Tenin’Andriamanitra. Isan’andro — ao an-trano, any am-piasana, any an-tsekoly, eny amin’ny arabe, rehefa miantsena, eny amin’ny fanompoantsika — dia mianjady amintsika ny fitsapana ny finoantsika. Ahoana no hiatrehantsika azy ireny? Ho tonga avy hatrany ao an-tsaina ve ireo didy sy fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly? Tsy mampirisika ny hananana fahatsapana fianteherana amin’ny tena ny Baiboly, fa mampitandrina toy izao kosa: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:12). Ny famakiana isan’andro ny Baiboly dia hanampy antsika ‘handeha mendrika an’i Jehovah, hanao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra’, toy izay hamela izao tontolo izao hanery antsika hiditra ao anaty lasiny. — Kolosiana 1:9, 10; Romana 12:2.
Ny ilana hamakiana miverimberina ny Baiboly
6. Nahoana no mahasoa ny hamakiana miverimberina ny Baiboly?
6 Tena samy hafa amin’ny famakiana boky misy tantara noforonina ny famakiana Baiboly. Natao hovakina indray mandeha ny ankamaroan’ny tantara noforonina tiam-bahoaka; rehefa fantatry ny olona iray ilay tantara sy ny fomba iafarany, dia izay no izy. Mifanohitra amin’izany, fa tsy maninona na impiry na impiry isika no efa namaky ny Baiboly, fa mandray soa be dia be avy amin’ny fanaovana izany indray isika. (Ohabolana 9:9). Ho an’ny olona mahay manavaka iray, ny Soratra Masina dia manana heviny fanampiny foana hatrany. Manjary manaitra ny sainy kokoa mihitsy aza ireo faminaniana mikasika ny andro farany, rehefa hazavain’izay hitany sy reny ary tsapan’ny tenany manokana tao anatin’ny volana faramparany izany. (Daniela 12:4). Arakaraka ny ampitomboan’ilay mpamaky ny Baiboly mahay manavaka ny fanandraman-javatra hitany manokana eo amin’ny fiainana sy iezahany mandresy ireo zava-manahirana, no ahatakarany amin’ny fomba feno kokoa ny torohevitra izay mety ho efa novakiny kisendrasendra fotsiny teo aloha. (Ohabolana 4:18). Raha azon’ny aretina mafy izy, dia mihalalina kokoa mbola tsy nisy toy izany aminy ny hevitry ny fampanantenan’ny Baiboly mikasika ny fanesorana ny fanaintainana sy ny famerenana ny fahasalamana. Rehefa misy namana akaiky sy mpianakavy maty, dia manjary mbola sarobidy kokoa mihitsy aza ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty.
7. Inona no hanampy antsika rehefa miantsoroka andraikitra vaovao iray eo amin’ny fiainana isika, ary nahoana?
7 Mety ho efa namaky ny Baiboly ka nampihatra ny torohevitra raketiny nandritra ny taona maro ny tenanao manokana. Kanefa, angamba miantsoroka andraikitra vaovao eo amin’ny fiainana ianao ankehitriny. Mikasa ny hanambady ve ianao? Ho tonga ray na renim-pianakaviana ve ianao? Nanankinana andraikitra ao amin’ny kongregasiona amin’ny maha-loholona na mpikarakara momba ny asa ve ianao? Tonga mpitory ny filazantsara manontolo andro miaraka amin’ny fahafahana fanampiny hitory sy hampianatra ve ianao? Hahasoa toy inona moa ny hamakiana ny Baiboly manontolo indray, amin’ny fieritreretana ireny andraikitra vaovao ireny! — Efesiana 5:24, 25; 6:4; 2 Timoty 4:1, 2.
8. Ahoana no mety hampihariharian’ny toe-javatra miova ny ilana hianatra misimisy kokoa momba ireo zavatra izay noheverintsika fa efa fantatsika?
8 Tamin’ny lasa dia mety ho tsara ny nataonao tamin’ny fanehoana ireo vokatry ny fanahy. (Galatiana 5:22, 23). Kanefa, mety hatrehinao ny tarehin-javatra miova izay ilanao hianatra be lavitra momba ireny toetra tsara araka an’Andriamanitra ireny. (Ampitahao amin’ny Hebreo 5:8.) Izao no nolazain’ny mpiandraikitra mpitety faritany taloha iray izay nahita fa tena nilaina ny nandaozany ny fanompoany manokana mba hikarakarana ny ray aman-dreniny be taona: “Nihevitra aho taloha fa tsara sy araka ny antonona ny nataoko tamin’ny fanehoana ireo vokatry ny fanahy. Ankehitriny dia tsapako ho toy ny vao manomboka ny zava-drehetra indray aho.” Toy izany koa, ny lehilahy sy vehivavy manambady izay marary mafy ara-batana na ara-pihetseham-po ny vadiny dia mety hahita fa amin’ny fanomezany fikarakarana manokana, indraindray ny fihenjanana dia miteraka fihetsika mahakivy azy ireo. Ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly dia loharanom-pampiononana sy fanampiana lehibe.
Ny fotoana mety hanaovana ny famakiana ny Baiboly
9. a) Inona no afaka manampy ny olona iray tena sahirana mba hahitana fotoana ho amin’ny famakiana isan’andro ny Baiboly? b) Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo loholona indrindra indrindra ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra?
9 Mazava ho azy fa ho an’ny olona efa tena sahirana, dia zava-tsarotra ny fahitana fotoana hanaovan-javatra fanampiny tsy tapaka. Kanefa, afaka mandray soa avy amin’ny ohatra navelan’i Jehovah isika. Mampiharihary ny Baiboly fa manao zavatra amin’ny “fotoana voatondro” izy. (Genesisy 21:2, NW; Eksodosy 9:5, NW; Lioka 21:24, NW; Galatiana 4:4). Ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia afaka manampy antsika hanondro fotoana hanaovana izany ao anatin’ny fandaharam-potoanantsika isan’andro. (Efesiana 5:15-17). Ireo loholona indrindra no mila manokana fotoana ho amin’ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly mba hiorina marina tokoa eo amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny torohevitra homen’izy ireo ary mba hanome taratry ny “fahendrena izay avy any ambony” ny toe-tsaina asehon’izy ireo. — Jakoba 3:17; Titosy 1:9.
10. Amin’ny fotoana toy inona no afaka mamaky ireo mpamaky ny Baiboly isan’andro?
10 Olona maro izay mahomby amin’ny fandaharam-pamakiana manokana ny Baiboly no manao izany vao maraina alohan’ny anombohan’izy ireo ny asa aman-draharaha mandritra ny andro. Mahita ny hafa fa afaka manao izany tsara kokoa amin’ny fomba tsy miovaova amin’ny fotoana hafa izy ireo. Manampy an’ireo mpivezivezy eo amin’ny tanàna roa samy hafa mba hampiasa tsara ny fotoana hanaovany dia ireo cassettes mirakitra famakiana ny Baiboly (any amin’izay misy izany), ary mihaino azy ireny ny Vavolombelona sasany eo am-pikarakarana ireo raharaha ao an-tokantrano mahazatra. Aseho eo amin’ny pejy 20 sy 21, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fotoana Amakian’izy Ireo Azy Io sy ny Fomba Andraisany Soa”, ireo fandaharana izay nandaitra ho an’ny Vavolombelona maro samihafa any Eoropa, Afrika, Amerika Avaratra, Amerika Atsimo, sy any Orient.
11. Ahoana no azo amitana ny famakiana isan’andro ny Baiboly na dia tena voafetra aza ny fotoana azo ampiasaina?
11 Tsy ny habetsahan’ny fotoana atokana ho amin’ny famakianao ny Baiboly, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, no tena zava-dehibe, fa ny tsy fahatapatapahan’ny fanaovana izany. Mety ho hitanao fa mitondra valisoa ny mamaky mandritra ny adiny iray na mahery amin’ny fipetrahana sady manao fikarohana fanampiny ary mifantoka tanteraka amin’ilay fianarana. Kanefa mamela ny hanaovana izany tsy tapaka ve ny fandaharam-potoananao? Tsy aleo ve mamaky mandritra ny 15 minitra na 5 minitra mihitsy aza isan’andro, toy izay hamela ireo andro handalo tsy misy famakiana Baiboly velively? Ataovy ho fahatapahan-kevitrao ny hanao famakiana isan’andro ny Baiboly. Avy eo dia ampio fikarohana lalina kokoa izany famakiana izany rehefa azo atao.
Fomba samihafa entina hamakiana ny Baiboly
12. Inona no fandaharam-pamakiana ny Baiboly arahin’ireo mpianakavy vaovaon’ny Betela sy ireo mpianatra ao amin’i Gileada?
12 Misy fomba maro azo amakiana ny Baiboly. Mahasoa ny hamakiana azy io manomboka amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Takina amin’ny mpianakavin’ny Betela rehetra maneran-tany izay manompo any amin’ny foibe maneran-tany na any amin’ny iray amin’ireo sampan’ny Fikambanana ny hamakiana ny Baiboly manontolo mandritra ny taona voalohany anompoany ao amin’ny Betela. (Mazàna izany dia mahafaoka famakiana toko telo ka hatramin’ny dimy, miankina amin’ny halavany, na pejy efatra ka hatramin’ny dimy, isan’andro.) Tsy maintsy mamaky ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany koa ireo mpianatra ao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower alohan’ny hahazoany ny diplaomany. Antenaina fa hanampy azy ireo izany mba hanaovana ny famakiana isan’andro ny Baiboly ho tapany amin’ny fiainany.
13. Inona no tanjona anoroana hevitra an’ireo Vavolombelona vao vita batisa?
13 Mahasoa an’ireo Vavolombelona vao vita batisa ny mametra eo anoloany ny tanjona hamaky ny Baiboly manontolo. Tamin’ny 1975, tamin’ny fotoana niomanany ho amin’ny batisa, dia nanontanian’ny loholona iray ny tovolahy iray tany Frantsa raha nanana fandaharana mazava tsara ho amin’ny famakiana ny Baiboly. Hatramin’izay dia mamaky ny Baiboly manontolo isan-taona foana izy, mazàna dia manao izany famakiany izany amin’ny maraina alohan’ny handehanany hiasa. Raha ny amin’ny vokany, dia hoy izy: “Nanjary nahafantatra tsara lavitra an’i Jehovah aho. Afaka mahita ny fomba ifandraisan’ny zava-drehetra ataony amin’ny fikasany aho, sy ny fomba amaliany rehefa mipoitra ireo vato misakana. Hitako fa i Jehovah dia marina sy tsara koa amin’ny asany rehetra.”
14. a) Mba hanombohana fandaharam-pamakiana manokana ny Baiboly izay hitohy, inona no tena ilaina? b) Inona no mety hanampy antsika mba hitadidiana ny drafitra ankapoben’ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly, arakaraka ny amakiantsika izany?
14 Efa namaky ny Baiboly manontolo ve ianao? Raha tsia, dia izao no fotoana tsara hanombohana. Manorita fandaharana mazava tsara, ary avy eo dia hazony izany. Farito hoe pejy firy na toko firy no hovakinao isan’andro, na farito fotsiny hoe fotoana toy inona no holaninao ary rahoviana. Tsy ny rehetra no hahavita ny Baiboly ao anatin’ny herintaona, kanefa ny zava-dehibe dia ny hamakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fanaovana izany isan’andro, raha mbola azo atao koa. Arakaraka ny amakianao hatramin’ny farany ny Baiboly, dia mety ho hitanao fa manampy amin’ny fandentehana ao an-tsainao ny drafitra ankapoben’ilay fianarana ny fampiasana boky misy fakan-teny sasany. Raha misy amin’ny fiteninao ny Insight on the Scriptures, dia diniho indray, alohan’ny hanombohanao hamaky boky iray ao amin’ny Baiboly, ilay drafitra fohy momba ireo hevitra misongadina ao amin’ilay boky ao amin’ny Baiboly hita ao amin’ny Insight.a Mariho manokana ireo lohateny amin’ny sora-matevina ao amin’ilay drafitra. Na ampiasao toy izany koa ny famintinana lava kokoa hita ao amin’ilay boky hoe “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”.b
15. a) Fanipazan-kevitra inona avy, atolotra eo amin’ny pejy faha-16 sy 17, no afaka manampy mba hanatsarana ny famakianao ny Baiboly? b) Tsy manao ho fombafomba ny famakiana pejy maromaro isika, fa tokony hanisy fiheverana bebe kokoa ny amin’ny zava-dehibe inona kosa?
15 Mahasoa ny famakiana misesy ny Baiboly, kanefa aoka ianao tsy ho tonga mpamaky manaraka fombafomba fotsiny. Aza mamaky pejy maromaro isan’andro mba hahafahanao hilaza fotsiny fa namaky ny Baiboly hatramin’ny farany isan-taona ianao. Araka ny aseho eo amin’ny faritra voafefy hoe “Fanipazan-kevitra mba Hanatsarana ny Famakianao ny Baiboly”, (pejy faha-16 sy 17), dia misy fomba maro azonao amakiana sy ankamamiana ny Baiboly. Tsy maninona izay fomba ampiasainao, fa ataovy izay hahazoana antoka fa mamahana ny sainao sy ny fonao ianao.
Aoka ho azonao ny hevitr’izay vakinao
16. Nahoana no zava-dehibe ny hakana fotoana hisaintsainana ny amin’izay vakintsika?
16 Rehefa nampianatra ny mpianany i Jesosy, dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny hahatakaran’izy ireo izay nolazainy. Ny zava-dehibe dia, tsy ny fahatakaran’ny saina fotsiny, fa ny fahazoan’izy ireo koa ‘ny hevitr’izany tamin’ny fony’ mba hampiharan’izy ireo izany teo amin’ny fiainany. (Matio 13:14, 15, 19, 23, NW ). Izay misy vidiny amin’Andriamanitra dia izay tena maha-izy tokoa ny olona iray ao anaty ary izany no asehon’ny fo. (1 Samoela 16:7; Ohabolana 4:23). Araka izany, ho fanampin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa takatsika izay lazain’ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly, dia ilaintsika ny misaintsaina ny amin’izy ireny, mandinika ny maha-tafiditra azy ireny eo amin’ny fiainantsika manokana. — Salamo 48:9; 1 Timoty 4:15.
17. Inona avy no lafin-javatra sasany izay mety hisaintsainantsika ny amin’izay vakintsika ao amin’ny Soratra Masina?
17 Miezaha mamantatra ireo fotopoto-pitsipika fototra ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly mba hahafahanao hampihatra azy ireny amin’ny tarehin-javatra atrehinao. (Ampitahao amin’ny Matio 9:13; 19:3-6.) Rehefa mamaky momba ireo toetra mahatalanjon’i Jehovah sy misaintsaina ny amin’izy ireny ianao, dia ampiasao izany fahafahana izany mba hanatanjahana ny fifandraisanao manokana aminy, mba hampitomboana ao anatinao fahatsapana mafy fifikirana amin’Andriamanitra. Rehefa mamaky filazana momba ireo fikasan’i Jehovah ianao, dia diniho izay azonao atao mba hiasana mifanaraka amin’izy ireny. Rehefa mamaky torohevitra mivantana ianao, dia aza milaza anakampo fotsiny hoe: ‘Fantatro izany’, fa manontania tena kosa hoe: ‘Manao izay lazainy ve aho?’ Raha izany no izy, dia manontania tena hoe: ‘Amin’ny fomba ahoana avy no azoko anaovana izany “bebe kokoa”?’ (1 Tesaloniana 4:1). Rehefa mianatra momba ireo zavatra takin’Andriamanitra ianao, dia mariho koa ireo ohatra tena nisy ao amin’ny Baiboly ny amin’ireo olona izay niaina nifanaraka tamin’ireny zavatra notakina ireny sy ireo izay tsy nanao izany. Diniho ny antony nanarahan’izy ireo ny lalana narahiny sy ny fiafarany. (Romana 15:4; 1 Korintiana 10:11). Rehefa mamaky momba ny fiainan’i Jesosy Kristy ianao, dia tadidio fa i Jesosy no ilay nanankinan’i Jehovah fanjakana manerana ny tany manontolo; ampiasao io fahafahana io mba hanatanjahana ao anatinao ny faniriana fatratra ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Fanampin’izany, dia fakafakao ireo fomba azonao anahafana bebe kokoa ny Zanak’Andriamanitra. — 1 Petera 2:21.
18. Ahoana no azontsika ampifandanjana ny famakiana ny Baiboly amin’ny fampiasantsika ny fitaovana fianarana nomena tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”?
18 Mazava ho azy fa ny famakiana ny Baiboly dia tsy tokony hisolo ny fampiasanao ny fitaovana fianarana faran’izay tsara izay natolotra tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. Anisan’ny fandaharana nataon’i Jehovah — fandaharana tena sarobidy — koa izany. (Matio 24:45-47, NW ). Ataovy izay hahazoana antoka fa manana toerana misongadina eo amin’ny fiainanao ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra mihitsy. Raha mbola azo atao koa, dia “VAKIO ISAN’ANDRO NY TENIN’ANDRIAMANITRA, NY BAIBOLY MASINA”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no mahasoa ny manao famakiana ny Baiboly isan’andro?
◻ Nahoana no ilaintsika ny mamerimberina mamaky ny Baiboly?
◻ Ao amin’ny fandaharam-potoananao manokana, inona no fotoana tsara hanaovana famakiana isan’andro ny Baiboly?
◻ Rehefa mamerimberina mamaky ny Baiboly ianao, inona no afaka mitondra fiovaovana eo amin’ny fandaharanao?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny hisaintsainana ny amin’izay vakintsika?
[Efajoro, pejy 16, 17]
Fanipazan-kevitra mba hanatsarana ny famakianao ny Baiboly
1) Olona maro no mamaky ireo boky ao amin’ny Baiboly araka ny filaharan’ny nanaovana pirinty azy ireny mahazatra, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Azonao atao koa ny mamaky azy ireny araka ny filaharan’ny nanoratana azy tany am-boalohany. Tadidio fa ny Baiboly dia fitambaran’ny boky ara-tsindrimandry 66, tahirim-bokin’Andriamanitra. Mba hanovaovana, dia mety ho tianao ny hamaky boky sasany izay manasongadina tantara, avy eo dia ny sasany izay mirakitra faminaniana indrindra indrindra, arahin’ny sasany izay taratasy mirakitra torohevitra, toy izay hanaraka fotsiny ny filaharan’ny pejy. Fantaro izay efa novakinao, ary ataovy azo antoka fa voavaky ny Baiboly manontolo.
2) Rehefa avy mamaky ampahany amin’ny Soratra Masina ianao, dia manontania tena ny amin’izay ahariharin’izany momba an’i Jehovah sy ny fikasany ary ny fomba fanaovany zavatra; ny amin’ny fomba tokony hananan’izany heriny eo amin’ny fiainanao manokana; ny amin’ny fomba mety hampiasanao izany mba hanampiana olon-kafa.
3) Amin’ny fampiasana ho mpitari-dalana ilay tabilao hoe “Ireo Fisehoan-javatra Lehibe Indrindra teo Amin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany”, navoaka eo ambanin’ny lohateny hoe “Jesosy Kristy”, ao amin’ny Insight on the Scriptures (ary koa ao amin’ny “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”), dia vakio misesy ireo fitantarana mifanitsy ao amin’ny ampahany tsirairay ao amin’ireo Filazantsara. Anampio izany ny fijerena ireo fizarana mifanandrify ao amin’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany.
4) Rehefa mamaky avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny fitantarana ny amin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Paoly ianao, dia vakio koa ireo taratasy ara-tsindrimandry mifandray amin’izany. Araka izany, rehefa misy firesahana ny amin’ireo tanàna na faritra samihafa izay nitorian’i Paoly, dia miatoa ka vakio ireo taratasy izay nosoratany tatỳ aoriana ho an’ireo Kristiana namany tany amin’ireny toerana ireny. Manampy koa ny manaraka ireo diany eo amin’ny sarintany iray, toy ilay eo amin’ny atin’ny fonony ao aoriana amin’ny New World Translation (Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao).
5) Miaraka amin’ny famakianao ny Eksodosy ka hatramin’ny Deoteronomia, dia vakio ny taratasy ho an’ny Hebreo mba hahazoana fanazavana ny amin’ireo tandindona ara-paminaniana maro. Eo ambanin’ny hoe “Lalàna” ao amin’ny Insight on the Scriptures, dia jereo ilay tabilao hoe “Lafin-javatra Misongadina Sasany Amin’ny Faneken’ny Lalàna”.
6) Rehefa mamaky an’ireo boky ara-paminaniana, dia makà fotoana mba hijerena indray ny fototra ara-tantara mifandray amin’izany ao amin’ny Baiboly. Ohatra, rehefa mamaky ny bokin’i Isaia, dia jereo indray izay lazaina any an-toeran-kafa momba an’i Ozia, i Jotama, i Ahaza, sy i Hezekia mpanjaka, izay voatonona ao amin’ny Isaia 1:1. (2 Mpanjaka, toko faha-15-20; 2 Tantara, toko faha-26-32). Na rehefa mamaky ny Hagay sy Zakaria, dia makà fotoana mba hijerena indray izay hita ao amin’ny bokin’i Ezra.
7) Mifidiana boky iray ao amin’ny Baiboly, vakio ny ampahany amin’izy io (angamba toko iray), avy eo dia manaova fikarohana, amin’ny fampiasana ny Index des Publications de la Société Watch Tower, na ny Watchtower Library (Fitahirizam-bokin’ny Watchtower) azo jerena ao amin’ny ordinatera, raha misy amin’ny fiteninao. Ampiharo eo amin’ny fiainanao manokana ilay zavatra vakina. Ampiasao amin’ny lahateny sy eny amin’ny asa fanompoana izany. Avy eo dia mifindrà amin’ny fizarana hafa.
8) Raha misy zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower manome fanazavana momba ny boky iray ao amin’ny Baiboly na ny ampahany amin’izy io, dia jereo matetika izany raha mbola mamaky io tapany amin’ny Baiboly io ianao. (Ohatra: momba ny Tonon-kiran’i Solomona: Ny Tilikambo Fiambenana [frantsay], 15 May 1958, pejy faha-148-154; momba ny Ezekiela: “Les nations sauront que je suis Jéhovah” — Comment?; momba ny Daniela: “Que ta volonté soit faite sur la terre” na Le futur gouvernement universel — le Royaume de Dieu; momba ny Hagay sy Zakaria: Le Paradis rétabli parmi les hommes — grâce à la Théocracie!; momba ny Apokalypsy [Fanambarana]: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!)
9) Rehefa mamaky ianao, dia karohy ny sasany amin’ireo fanoroana andininy mifanandrify. Mariho ireo andalan-teny 320 avy ao amin’ny Soratra Hebreo izay tononina mivantana ao amin’ny Soratra Grika Kristiana sy ireo andalan-teny an-jatony maro hafa izay asiana firesahana ao, ary koa ny amin’ny fampiharana omena. Ireo fanoroana andininy mifanandrify dia manondro ny fahatanterahan’ny faminaniana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, ireo tsipiriany momba ny tantaram-piainana sy tsipiriany ara-jeografia, sy ireo hevitra mitovy izay mety hanazava fitenenena hitanao ho saro-takarina angamba.
10) Amin’ny fampiasana ny Fanontana Misy Fakan-teny amin’ny New World Translation, raha misy amin’ny fiteninao, dia jereo ireo fanamarihana ambany pejy sy ireo lahatsoratra ao amin’ny appendice izay mifandray amin’izay vakinao. Mampiseho ny fototra ho an’ireo dika teny ampiasaina sy ireo fomba hafa azo andikana ireo fitenenana lehibe, izy ireny. Mety ho tianao koa ny hampitaha ny dika tenin’ny andininy sasany ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa.
11) Rehefa avy mamaky ny toko tsirairay ianao, dia soraty ny famintinana tena fohy ny hevi-dehibe ao amin’io toko io. Ampiasao ho fototry ny famerenana sy ny fisaintsainana amin’ny fotoana aoriana izany.
12) Rehefa mamaky ny Baiboly ianao, dia mariho ireo andininy nofidina izay tianao hotadidina indrindra indrindra, na adikao eo amin’ny taratasy matevina iray izy ireny ka apetraho eo amin’ny toerana izay hahitanao azy isan’andro. Ianaro tsy an-jery izy ireny; saintsaino izy ireny; ampiasao izy ireny. Aza manandrana ny hanao tsy an-jery maro loatra indray mandeha, fa angamba iray na roa monja isan-kerinandro; avy eo dia mifidiana hafa amin’ny fotoana manaraka hamakianao ny Baiboly.
[Sary, pejy 15]
Mamaky ny Baiboly na mihaino cassettes misy famakiana ny Baiboly isan’andro ve ianao?