Ambara any Japon ny fianjeran’i Babylona
“NIANJERA! Nianjera Babylona Lehibe, dia izy izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany!” Ny apostoly Jaona no nandre voalohany io fanambarana manaitra nataon’anjely io, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. Mandritra ny androntsika anefa, ao anatin’ny “Andron’ny Tompo”, dia mampanakoako izany eo an-tsofin’ny olon-drehetra ny Vavolombelona kristian’i Jehovah. — Apokalypsy 1:10; 14:8, MN.
Fandehan-javatra maneran-tanin’ny fivavahan-diso i Babylona Lehibe, ka ny fivavahana lazaina fa kristiana no tapany azo tsinina indrindra aminy. Mandritra ny “andro farany”, dia ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany amin-kerim-po ny fitsaran’i Jehovah manohitra azy (Daniela 12:4). Ohatra, ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana volana aprily sy may (malagasy: jolay sy aogositra) tamin’ny herintaona, dia nirakitra lahatsoratra mahery nampiharihary ny heloky ny fivavahan-diso sy ny fandravana azy ho avy. Gazety maherin’ny 50 tapitrisa amin’ireo nomerao ireo no nozaraina maneran-tany — fanambarana miezinezina ny amin’ny fiafarana mahatsiravina hanjo an’i Babylona Lehibe!
Mampitombo ny fiezahany i Japon
Ohatra ny amin’ny zotom-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo nomerao manokana ireo ny hita tany Japon, foiben’ny tapany bodista sy shintoista amin’i Babylona Lehibe. Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana volana desambra 1988 (ho an’i Japon) dia nampahafantatra ny kongregasiona ny amin’ny fandaharana manokana amin’ny fitoriana nokasaina hatao tamin’ny volana aprily sy may 1989. Nalefa tao amin’ireo Fanompoantsika ilay Fanjakana nanaraka sy tao amin’ny taratasy ho an’ny kongregasiona sy ho an’ny kolejin’ny loholona ny antso ho fanohanana an’io asa fanelezana gazety manokana io. Niavaka ny valiny. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia nahazo fanambarana tsy mbola nisy toy izany i Japon nandritra ireo volana roa ireo.
Asan’ny mpitory maharitra mpanampy
Nisy izao teny izao tao amin’ny fampandrenesana volana desambra 1988: “Mampirisika anareo izahay mba hanao ho zava-kendrena ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny aprily sy may, indrindra fa ny aprily.” Naverina tao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana volana febroary 1989 io hevitra io izay nampirisika ireo rahalahy mba “handamina ny fandaharam-potoanany isan’andro mba hisian’ny minisitra vita fanoloran-tena faran’izay betsaka hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny aprily”.
Nandatsaka am-po ireo fampahatsiarovana ireo ny Vavolombelona. Inona no vokany? Tampon’isa tsy mbola nisy toy izany teo amin’ny mpitory maharitra mpanampy. Tamin’ny martsa 1989, ny isan’ny mpitory maharitra mpanampy dia nahatratra sahady tampon’isa vaovao 24 115. Tamin’ny aprily anefa, dia tafakatra efa ho avo roa heny izany tamin’ny isa 41 055. Tena fiezahana niavaka tokoa!
Tany amin’ny kongregasiona maro, dia nandray anjara tamin’ny endrika iray amin’ny fanompoana manontolo andro ny mpitory rehetra na ny maro taminy. Nitaky fandaminan-javatra betsaka izany indraindray. Nisalasala ny hahavita izany ny vehivavy mpikarakara tokantrano iray satria nipetraka tany an-tendrombohitra saika nahatratra 900 metatra ny haambony, toerana izay sarotra ahitana fitaterana. Na dia izany aza, dia naniry tokoa hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy izy. Nanao fandaharana mba hanampiana azy amin’ny fitaterana àry ireo loholona. Noho izany, dia afaka nifaly tamin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra nandritra ny iray volana niaraka tamin’ireo mpitory hafa tao amin’ny kongregasiona izy.
Nanome ohatra ny fitarihana tsara nataon’ireo loholona tao amin’ny tanànan’i Takatsuki (fivondronan’i Osaka), kongregasionan’i Otsuka izay misy mpitory 77. Anisan’ireo 73 nandray anjara tamin’ny asan’ny mpitory maharitra tao amin’io kongregasiona io ny loholona sy mpikarakara momba ny asa rehetra. Tafiditra amin’ireo mpitory maharitra ireo koa ny mpitory tanora vita batisa rehetra mbola mianatra. Mitovy amin’izay hita any amin’ny kongregasiona maro ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra nasehon’ireo Vavolombelona tanora ireo. Ohatra, tamin’ireo zatovo vita batisa 23 tao amin’ny kongregasionan’i Heiwadai (fivondronan’i Tokyo), dia mpitory maharitra mandavantaona ny 11 ary mpitory maharitra mpanampy ny 11 hafa tamin’ny aprily. Mpitory 93 no nanao ny asan’ny mpitory maharitra tamin’io volana io tao amin’io kongregasiona io.
Andro fiasana manokana
Nampirisika ireo rahalahy tamin’izao teny izao Ny fanompoantsika ilay Fanjakana fanontana japone tamin’ny volana janoary: “Tsy isaky ny asabotsy faharoa sy fahefatry ny volana ihany no nanohanana ny asa fanelezana gazety fa isaky ny asabotsy amin’ny volana koa. Mendri-piderana ny zotom-po nasehon’ireo rahalahy. Alamina isaky ny asabotsy koa ny fanelezana gazety amin’ny aprily; aoka anefa ianareo hanao fiezahana manokana mba hahatonga ny 8 aprily ho andro fanelezana gazety hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’izany asa izany amin’io andro io. Mba hampandrenesana ny fampitandremana amin’izay rehetra hihaino, dia ilaina ny mizara hatraiza hatraiza ireo gazety tonga amin’ny fotoana ilàna azy ireo.” — Isaia 61:2; Apokalypsy 18:4, 5.
Nanantitrantitra indray ny amin’io asa iankinan’ny aina io ny Fanompoantsika ilay Fanjakana volana febroary amin’ny fanontana japone. Izao no nolazainy: “Amin’ny asabotsy faharoa, ny 8 aprily, enga anie ny tsirairay amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Japon — maherin’ny 130 000 izao — handray anjara amin’ny asa fanelezana gazety.” Nampirisihina ireo loholona mba handamina fomba samy hafa fizarana gazety mandritra ilay andro manontolo mba hahafahan’ny olona faran’izay betsaka mandray anjara. Noho ny fihetsika manorina nananan’ireo loholona sy ny fanohanan’ireo mpitory sisa tamin’ny fo manontolo, dia nahitana fahombiazana nanakoako ilay andro. Afaka milaza izahay fa nahatratra ny fara tampony ny fanambarana ny fitsaran’i Jehovah an’i Babylona Lehibe tamin’io andro io.
Ohatra, tany amin’ny kongregasionan’i Ushoda any amin’ny tanànan’i Yokohama, dia nalamin’ireo loholona izay hitohizan’ny asa fanompoana nandritra ny 13 ora, nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 8 ora hariva. Voafaoka tamin’izany ny fe-potoana roa ho an’ny fitoriana eny amin’ny arabe, toy izany koa ny fotoana nitsidihana ny olona tsy tratra an-trano teo aloha ary ny fitoriana isan-trano mahazatra. Afaka nandray anjara, fara faharatsiny tamin’ny iray amin’ireo endri-panompoana nalamina, ny ankamaroan’ny mpitory, ary maromaro no afaka nandray anjara saika tamin’ny asa rehetra nalamina.
Nandamina fitoriana nitohy nandritra ny andro koa ny kongregasionan’i Jonan any amin’ny tanànan’i Fukuoka. Tany, dia nisy fandaharana natao nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora alina, nisy fiatoana kely tamin’ny mitataovovonana. Voafaoka tamin’izany ny fotoana nitoriana isan-trano, nitsidihana faritany be toeram-piasana sy be fivarotana ary ny fiverenana tany amin’ireo tsy tratra teo aloha. Tamin’io andro io, dia nahavita hatramin’ny 8 ora teo amin’ny asa fitoriana ny Vavolombelona sasany tao amin’io kongregasiona io.
Nahitana fihetsika feno hafanam-pon’ireo rahalahy tany amin’ny fivondronan’i Wakayama, izay nandraisan’ireo mpitory 55 rehetra tao amin’ny kongregasionan’i Kainan anjara tamin’io andro manokana ho amin’ny asa io. Niteraka tamin’ny 7 aprily ny anabavy mpitory maharitra mandavantaona iray tany. Nanakana azy tsy hitory ny 8 aprily ve izany? Tsia. Nanolotra ireo gazety tao amin’ny hôpitaly avy hatrany izy. Naneho toe-tsaina sahala amin’izany ny rahalahy iray tany amin’ny fivondronan’i Osaka izay voatery nanao raharaha tany amin’ny toeram-piasany ny 8 aprily. Ahoana no nahafahany nandray anjara tamin’ilay asa manokana? Noraisiny ho faritaniny ny toeram-piasany ary nahazo famandrihana 5 izy.
Naniry mafy ny handray anjara tamin’io asa manokana io ny anabavy iray tany amin’ny fivondronan’i Saitama, nefa tsy maintsy nanao dia teo amin’ny 640 kilaometatra hatrany amin’ny tanànan’i Asahikawa niaraka tamin’ny vadiny tsy mpino izy. Tsy kivy anefa izy na dia izany aza. Tany Asahikawa, dia nankany amin’ny garan-damasinina niaraka tamin’ny ankizy kely roa izy, ary teo, tatỳ ivelan’ny gara dia nahita izay nantenainy izy: vahoaka voaforon’ny mpitory avy ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana niomana ho any amin’ny saha fitoriana. Afaka niara-nandray anjara taminy tamin’ny asa nandritra ilay andro izy.
Fitoriana eny amin’ny arabe
Nampirisika manokana ny loholona mba handamina fitoriana eny amin’ny arabe ny 8 aprily Ny Fanompoana ilay Fanjakana japone, ary nanjary ny endriny lehibe indrindra tamin’io andro manokana io izany. Tamin’io andro io indrindra no nisy oram-be nanerana ilay tany, nefa tsy namono ny hafanam-pon’ireo rahalahy izany. Maro no naneho toe-tsaina mitovy amin’izay hita teo amin’ny anabavy efa zokinjokiny telo tao amin’ny kongregasionan’i Minamata, fivondronan’i Kumamoto. Na dia teo aza ny taonany — 75, 80 ary 85 — dia nisetra ny andro ratsy izy ireo ary tonga ohatra tsara ho an’ny sisa amin’ny kongregasiona; nanintona ny sain’ny mpandalo maro koa izy ireo.
Raha mbola nitory teny amin’ny arabe ny anabavy iray tao amin’ny kongregasionan’i Kashiwa andrefana, dia nanontany lehilahy iray nanao hoe: “Efa nandre firesahana ny amin’i Babylona Lehibe ve ianao?” Rehefa natolony azy ny gazety nivoaka tamin’ny aprily dia hoy ilay lehilahy: “Tsy mahaliana ahy izany”, ary dia lasa izy. Rehefa tonga teo amin’ny hitsadalamby anefa izy dia nimonomonona hoe: “Inona koa izany Babylona Lehibe izany?” Nandre azy ny rahalahy iray izay nanao fitoriana teny amin’ny arabe teo akaiky teo, ary nanaraka azy teo amin’ny arabe sady nanazava taminy ny amin’i Babylona Lehibe. Nandray ireo gazety ilay lehilahy.
Tsy mbola nanao fitoriana teny amin’ny arabe mihitsy ny kongregasiona sasany. Nanomboka tamin’ny 8 aprily anefa, dia nanao izany ho anisan’ny asa fanaony tsy tapaka izy ireo. Tsy mahagaga izany! Ny fitoriana eny amin’ny arabe no fomba tsara indrindra ahitana ireo olona izay tsy azo tratrarina amin’ny fomba hafa. Nanao fitoriana teny amin’ny arabe teo ivelan’ny trano fiasana izay tsy azon’ny Vavolombelon’i Jehovah idirana mba hitoriana ny anabavy iray tany amin’ny tanànan’i Naha, any Okinawa. Nametraka gazety 12 izy tao anatin’ny adiny iray tamin’ny fanatonana ireo izay niditra sy nivoaka avy tao amin’ilay trano.
Nanao fitoriana teny amin’ny arabe teo ivelan’ireo magazay lehibe ny tolakandron’ny 8 aprily ny anabavy iray tany amin’ny tanànan’i Muroran, any Hokkaido. Nilaza tamina lehilahy nandray ireo gazety izy hoe: “raha ta-hahafantatra bebe kokoa ny amin’izany ianao, dia afaka mitsidika anao any an-tranonao izahay.” Nomeny azy ny adiresiny, ny nomeraon’ny telefaonina, sy ny planin’ny toerana misy ny tranony ary ny fotoana maha-ao an-trano azy! Ny herinandro nanaraka dia nitsidika azy niaraka tamina rahalahy izy ary nahita fa ny trano nisy azy dia nikatona foana isaky ny fandalovan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niaiky avy tamin’ny famakiany manokana ny Baiboly ilay tovolahy fa tsy nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nitady ny kristianisma marina izy ary faly nanomboka fianarana Baiboly tsy tapaka tany an-trano.
Nitory teny amin’ny arabe ny mpitory iray tany Kawasaki ny tolakandron’ny 8 aprily. Teo am-pamaranana ny fitoriana dia niresaka tamin’ny olona farany izy, vehivavy tanora izay nilaza fa efa nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah taloha. Nahita fanoherana avy tamin’ny ray aman-dreniny anefa izy, ary nony avy eo dia niditra tany amin’ny oniversite ka nifindra tany amin’ny fonenan’ny mpianatra. Natsahany àry ny fianarany. Noho ny fitoriana teny amin’ny arabe anefa, dia faly niverina nianatra ny Baiboly indray izy ary efa manatrika fivoriana sahady.
Fanelezana gazety
Vokatry ny fanohanana maro be aoka izany natao ho an’io asa manokana io, dia izaitratra ny gazety napetraka — indrindra fa ireo mitondra hafatra fanamelohana ho an’i Babylona Lehibe. Nametraka gazety 205 ny mpitory iray tao amin’ny kongregasionan’ny fivondronan’i Osaka tamin’ny aprily. Tamin’ny aprily, tao amin’ny kongregasiona Atsinanana ao amin’ny tanànan’i Kagoshima, dia gazety maherin’ny zato no napetraky ny tsirairay tamin’ireo mpitory 14, ary 1388 no totalin’ny gazety napetraky ny antokona mpitory nitokana 12 tany amin’ny vohitra kelin’i Ogawa, fivondronan’i Ibaraki!
Raha ny marina, dia gazety 3 293 266 no voapetraka nanerana ny Japon ny aprily tamin’ny taon-dasa — maherin’ny 92% noho ny tamin’ny aprily 1988! Nanakoako tamin-kery tokoa ny hafatra ny amin’ny fitsaran’i Jehovah an’i Babylona Lehibe!
Hery mihoatra noho ny hery fahita
Tsy isalasalana fa toy ny any amin’ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao, ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon dia naneho toe-tsaina manorina sady be zotom-po tamin’ny lohataonan’ny 1989. Nahariharin’ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo mazava tsara fa notahin’i Jehovah ny zotom-pony ary notohanany ny fiezahany hanambara ny fitsarany ny fivavahan-diso. Ho an’ny sasany, dia tsy mora ny fandraisana anjara tamin’izany; na dia izany aza anefa, dia tapa-kevitra izy ireo ary notahin’i Jehovah ny zotom-pony. Maro no mipetraka any amin’ny faritany niasana matetika, nefa dia naneho fahadodonana sy hafanam-po toy ny an’ireo rahalahy any an-toeran-kafa izy ireo. Tamin’ny toe-javatra rehetra, dia niseho ho marina ny tenin’i Isaia hoe: “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be”. — Isaia 40:29.
Tsy isalasalana fa ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo dia nampahatsiaro azy ireo ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery [hery mihoatra noho ny hery fahita, MN ], fa tsy ho avy aminay”. (2 Korintiana 4:7). Eny, rehefa apetraky ny olona eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany ny fanompoana kristiana, “izao rakitra izao”, dia andramany ny fanomezan’Andriamanitra “hery mihoatra noho ny hery fahita”. Enga anie i Jehovah hampiasa hatrany ny mpanompony any Japon sy any amin’ny tany hafa rehetra mba hanao fanambarana feno alohan’ny hahatongavan’ny farany. — Matio 24:14.
Amin’ity taona, ny nomeraon’ny jolay sy aogositra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia hirakitra lahatsoratra mifampitohitohy toy izao: “Iza no hitarika ny olombelona ho amin’ny fiadanana?” “Fiadanana eo amin’izao tontolo izao — Inona no tena ho dikany?” “Olona an-tapitrisany maro maty ankehitriny ho velona indray”, ary “Hara-magedona — Rahoviana?” Nahoana raha miomana mba hizara ireo fahalalana ireo amin’ny mpiara-belona aminao? Ataovy izay hahafantaran’ny olona faran’izay betsaka ny amin’ny vaovao tsara mahatalanjona izay notehirizin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ho amin’ny androntsika.