Aoka isika hanompo ny Mpamorona fa tsy ny zavatra noforonina
“Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao [amin’ny fanompoana masina, MN ].” — LIOKA 4:8.
1. Ahoana no azo ilazana ny hevitry ny matoanteny hoe “mivavaka”, ary amin’ny fomba ahoana no tokony hivavahana amin’ilay Andriamanitra marina?
NY HOE “mivavaka” dia “fahehoana fanajana, voninahitra na fifikirana lehibe, tafahoatra mihitsy aza”. Iza moa no tokony hivavahana toy izany? Jesosy Kristy dia namaly hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37). Rehefa nanolotra azy ny fanjakana rehetra teo amin’izao tontolo izao Satana raha ‘hiankohoka’ teo anatrehany fotsiny izy, Jesosy dia nanda ny fanolorany sady nanambara hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, Izy irery ihany no hotompoinao.” (Lioka 4:7, 8). Na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony, dia nasehon’i Jesosy mazava fa Jehovah Andriamanitra irery ihany no tokony hivavahana. Ny hoe mivavaka aminy dia midika, ankoatra ny zavatra hafa, fanolorana ho azy “fanompoana masina”, satria “maty (...) ny finoana raha tsy misy asa”. — Jakoba 2:26.
2. Nahoana no mety ny tsy hivavahana afa-tsy amin’ilay Mpamorona ihany?
2 Mety ny hanompoana an’i Jehovah, satria Tompom-piandrianana tampony eo amin’izao rehetra izao izy, Mpamorona ny lanitra mahatalanjona sy ny tany, miaraka amin’ireo endri-piainana rehetra monina eo amboniny. Noho izany, dia izy irery no mendrika ny hanehoan’ny olombelona “fanajana, voninahitra na fifikirana lehibe, tafahoatra mihitsy aza.” Hoy ny Baiboly: “Hianao, tomponay [Jehovah, MN ] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” (Apokalypsy 4:11). Tsy azo lavina fa tsy mety hisy mihitsy olona na biby na zavatra ho mendrika ny hanehoana “fanajana, voninahitra na fifikirana” tahaka izany. Jehovah irery ihany no mendrika “fifikirana aminy irery ihany.” — Eksodosy 20:3-6.
Ilaina maika dia maika izany!
3. Nahoana no ilaina maika dia maika indrindra ny hivavahana amin’Andriamanitra?
3 Amin’izao androntsika izao dia ilaina maika dia maika ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba mety, satria miaina amin’ny vanim-potoam-pitsarana isika. Ny hoavintsika mandrakizay no voakasika. Mampahafantatra antsika ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra fa mandritra ny ‘andro faran’izao fandehan-javatra ankehitriny izao’, dia tonga tao amin’ny voninahiny any an-danitra Jesosy Kristy “arahin’ny anjely rehetra”. Noho ny fikendrena inona? Nolazain’ny tenan’i Jesosy mihitsy izany rehefa niteny izy hoe: “Ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” Ny ondry dia ho any amin’ny “fiainana mandrakizay”, fa ny osy kosa ho any amin’ny “fampijaliana [fanesorana, MN ] mandrakizay.” — 2 Timoty 3:1-5; Matio 25:31, 32, 46.
4. a) Ahoana no teny ilazalazan’i Paoly an’ireo izay hanjavona mandrakizay miaraka amin’izao tontolo izao ankehitriny? b) Fihetsika manao ahoana no asehon’ireo izay hahazo ny fiainana mandrakizay?
4 Tetsy an-kilany, ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ny fisehoan’i Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay’. (2 Tesaloniana 1:7-9). Ny mikiribiby, ny “osy”, ireo izay tsy mety hihaino ny fikasan’Andriamanitra na mandà ny hampifanaraka ny fiainany amin’izany raha mbola fotoanany izao, dia hiharan’ny fandringanana mandrakizay. Ny manetry tena kosa, ny “ondry”, ireo izay maniry hahafantatra an’i Jehovah, ka mihaino ny toromariny ary avy eo manao ny sitrapony, dia hahazo “ny fiainana mandrakizay”. Izany no ilazan’ny Baiboly hoe: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17; jereo koa 2 Petera 2:12.
5, 6. a) Inona no tokony hatao mba hahitana ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ny fikasany? b) Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa hahita ny fahamarinana ireo izay mikaroka izany, na inona na inona tarehin-javatra misy azy?
5 Ny “ondry” dia vonona handany ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany ara-nofo mba hitadiavana ny fahamarinana. Manaraka izao torohevitra omena ao amin’ny Ohabolana 2:1-5 izao izy ireo: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”
6 Miavaka amin’ny “osy” ny “ondry” noho izy vonona hitady an’i Jehovah. “Raha mitady Azy hianao, dia hahita Azy, fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.” (1 Tantara 28:9). Araka izany, na inona firazanany sy fireneny, fahaizany na toerany ara-tsosialy, raha misy olona mitady ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, dia hahita izany izy. Avy amin’ny toerany misy tombontsoa any an-danitra, Kristy sy ny anjeliny dia hiahy ny hahafahany mahafantatra ny fahamarinana na aiza na aiza toerana iainany. Soa inona avy no mety ho azony avy amin’izany? Mamaly i Jesosy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3; jereo koa Ezekiela 9:4.
Aoka holavintsika ny fanompoam-pivavahana amin’ny zavatra noforonina
7, 8. a) Loza inona no entin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny olombelona? b) Ahoana no anehoan’ny betsaka “fanajana, voninahitra na fifikirana lehibe, tafahoatra mihitsy aza” ho an’i Maria?
7 Manerana an’izao tontolo izao dia maro no maneho amin’olombelona — velona na maty — “fanajana, voninahitra na fifikirana lehibe, tafahoatra mihitsy aza”. Mihevitra izy ireny fa izany fankamasinana izany dia anisan’ny fanompoam-pivavahana atolony ho an’Andriamanitra, nefa raha ny marina dia mampiala azy amin’ny fanompoam-pivavahana marina izany. Mitarika azy ireny hino fampianaran-diso sy hanaraka fomba fanao mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany. Mahita ohatra iray ny amin’izany isika, amin’ny fomba fiheveran’ny olona an-tapitrisany maro an’i Maria, renin’i Jesosy, any amin’ireo tany katolika sy ortodoksa.
8 Ireny olona ireny dia mivavaka amin’ny fiankohofana eo anoloan’ny sary sy sary hosodoko mampiseho an’i Maria izay, araka ny fampianarana ofisialin’ny Eglizy dia “ny Virijina Masina Théotokos”. Ny teny hoe théotokos dia midika hoe “izay miteraka an’Andriamanitra”, na “renin’Andriamanitra”. Ny Firaketana Vaovao katolika (anglisy) dia manambara hoe: “Maria dia renin’Andriamanitra. (...) Raha toa ka tsy renin’Andriamanitra marina Maria, dia tsy tena Andriamanitra na tena olona Kristy.” Noho izany, mifanaraka amin’ny fampianarana momba ny Trinite izay ampianariny, ireny fivavahana ireny dia milaza fa Jesosy dia ilay Andriamanitra Tsitoha naka endrik’olombelona ary ataony ho “renin’Andriamanitra” Maria araka izany. Ilay boky voalaza tetsy aloha dia manampy fa ny fanompoam-pivavahana amin’i Maria dia mahafaoka: “1) ny fankamasinana, na fankasitrahana amim-panajana ny voninahitry ny Virijina Masina, renin’Andriamanitra; 2) ny fiantsoana na fitalahoana amin’i Maria Virijina mba hanaovany ny fifonana amin’ny maha-reny sy mpanjakavavy; (...) ary vavaka manokana [atao amin’i Maria].”
9. Moa ve mampianatra ny Baiboly fa “renin’Andriamanitra” Maria?
9 Kanefa dia tsy hita ao amin’ny Soratra azo tamin’ny tsindrimandry ny fitenenana hoe théotokos, ary tsy milaza na aiza na aiza mihitsy ny Baiboly fa “renin’Andriamanitra” Maria. Na i Jesosy na ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia samy tsy nanome izany fampianarana izany. Ankoatra izany, ny Baiboly dia mampiseho mazava fa tsy ilay Andriamanitra Tsitoha tonga olona akory Jesosy, fa ny Zanak’Andriamanitraa. Rehefa nanambara tamin’i Maria tokoa ny anjely iray fa hiteraka zazalahy izy, dia hoy izy: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe zanak’Andriamanitra.” (Lioka 1:35). Jesosy àry dia Zanak’Andriamanitra fa tsy ny tenan’Andriamanitra mihitsy tonga olona. Noho izany, Maria dia renin’ny Zanak’Andriamanitra, Jesosy fa tsy renin’Andriamanitra natao olona akory. Izany no antony tsy niantsoan’i Jesosy na ny mpianany mihitsy an’i Maria ho “renin’Andriamanitra”.
10, 11. a) Ohatra inona avy no mampiseho ny fomba niheveran’i Jesosy ny reniny? b) Ahoana no niheveran’ny apostoly sy ny mpianatr’i Jesosy an’i Maria?
10 Ny fomba nandraisan’i Jesosy ny reniny dia manondro ny toerana notanany raha oharina aminy. Milaza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa tamin’ny fampakaram-bady tao Kana, “rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao?” Ny fandikan-teny katolika dia mandika toy izao ireo tenin’i Jesosy ireo: “Izaho sy hianao moa no ahoana amin’izany ravehivavy?” (Joany 2:3, 4) Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia nisy olona nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.” Moa ve tamin’izay tsy nanana fahafahana tsara dia tsara i Jesosy hanomezana voninahitra manokana ny reniny sady hampiseho amin’ny hafa fa tokony hanao toy izany izy ireo? Kanefa dia hoy ny navaliny: “Mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.” — Lioka 11:27, 28.
11 Miharihary amin’ireo andinin-teny ireo fa nitandrina mba tsy hanolotra fankamasinana ho an’i Maria i Jesosy, na voninahitra izay tsy azy, na hanome azy anaram-boninahitra manokana. Tsy namela ny fatoram-pianakaviana izay nampiray azy taminy hanan-kery teo aminy izy. Nanaraka ny ohatra nomeny ny apostoly sy ny mpianatra, satria na aiza na aiza ao amin’ireo soratra ara-tsindrimandry nataony, dia tsy manome voninahitra, na anaram-boninahitra na hery izay tsy azy izy ireo. Nanaja azy ho toy ny renin’i Jesosy izy ireo, izay ihany. Tsy niresaka ny aminy velively ho toy ny “renin’Andriamanitra” izy ireo. Fantany fa tsy ilay Andriamanitra Tsitoha natao olona akory Jesosy ary noho izany dia tsy nety ho ny renin’Andriamanitra, toerana ambony lavitra noho izay omen’ny Tenin’Andriamanitra azy, Maria.
Ny fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamanibavy reny
12. Taiza ary oviana no nitomboan’ny fiheverana an’i Maria ho “renin’Andriamanitra”?
12 Avy aiza àry izany fampianarana izany? Niely tsikelikely tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadi-pinoana izany tamin’ny taonjato faha-3 sy faha-4, indrindra indrindra taorian’ny 325, taona izay naneken’ny konsilin’i Nicée ny fampianarana tsy araka ny Baiboly ilazana fa Kristy dia Andriamanitra. Rehefa nekena izany hevitra izany, dia tonga moramora kokoa ny nampianatra fa “renin’Andriamanitra” i Maria. Izao no azo novakina momba izany tao amin’ny Firaketana Vaovao britanika: “Toa tamin’ny taonjato faha-3 na faha-4 tany, angamba tao Aleksandria, no nampidirana tao amin’ny fiteny ara-pivavahana ilay anaram-boninahitra [‘renin’Andriamanitra’]. (...) Tany amin’ny faran’ny taonjato faha-4, ny Théotokos dia tafatsofoka tao amin’ny sampana samihafan’ny Eglizy.” Ny Firaketana Vaovao katolika dia manamarika fa nekena tamin’ny fomba ofisialy io fampianarana io “hatramin’ny konsily tany Efesosy tamin’ny 431”.
13. Inona no toa nanosika ny konsilin’i Efesosy nivory tamin’ny 431 amin’ny fanisan-taona iraisana, hanambara fa “renin’Andriamanitra” Maria?
13 Homarihina amim-pahalianana ny hoe taiza no nivorian’io konsily io ary nahoana. Tao amin’ny bokiny hoe Ny fanompoam-pivavahana amin’ilay andriamanibavy reny (anglisy) dia nanoratra toy izao i E. James. “Nivory tao amin’ny eglizy lehiben’ny Théotokos ny konsilin’i Efesosy tamin’ny 431. Tao, mihoatra noho ny tany an-toeran-kafa, tao amin’ilay tanàna izay nalaza erỳ noho ny fanompoam-pivavahana natao tamin’i Artemisy (Diana ho an’ny Romana) sady toerana lazaina ho nianjeran’ny sarin’io andriamanibavy io avy tany an-danitra, tao amin’ny alokaloky ny tempoly lehibe voatokana ho an’ny Magna Mater [Reny Lehibe] efa hatramin’ny 330 talohan’ny fanisan-taona iraisana, tanàna izay, araka ny lovantsofina, dia nisy fonenana fandalovan’i Maria, tao dia sarotsarotra ihany ny tsy hanolotra azy ny anaram-boninahitra hoe ‘renin’Andriamanitra’.”
14. Zava-niseho ara-tantara inona avy no manamafy ny maha-avy amin’ny mpanompo sampy an’io fampianarana io?
14 Tahaka ny Trinite, ny fampianarana izay manao an’i Maria ho renin’Andriamanitra” dia fampianarana avy amin’ny fanompoan-tsampy novana ho zavatra inoana kristiana. Nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahana mpanompo sampy nisy talohan’i Jesosy Kristy io fampianarana io. Momba izany dia izao no vakina ao amin’ny Firaketana Vaovao britanika eo amin’ny lohateny hoe “andriamanibavy reny”: “Izay mety ho anankiray amin’ireo andriamanibavy samihafa sy fampisehoana amin’ny endriky ny reny ho anankiray ny famoronana, ny fiterahana, ny fahavokarana, ny firaisan’ny lahy sy ny vavy sy ny fihodinkodinana ny amin’ny fitomboana. Io fitenenana io koa dia nentina nanondro olona samihafa toa an’ireo Vénus lazaina fa tamin’ny fotoan’ny vato sy Maria Virjina. (...) Tsy nisy mihitsy kolon-tsaina izay tsy nampiasa ny sarin’ny reny hilazalazana ireo andriamaniny. (...) Izy no mpiaro sady mpamelona ny zanak’andriamanitra sy, tamin’ny fitarany, ny olombelona rehetra.” Izany no nahatonga ilay pretra katolika atao hoe Andrew Greely hanoratra (ao amin’ny bokiny hoe The Making of the Popes 1978) hoe: “Ny fampisehoana ny amin’i Maria dia tsipipanohizana teo amin’ny kristianisma sy ireo fivavahana [mpanompo sampy] tranainy ny amin’ny andriamanibavy reny.”
Fanompoam-pivavahana tsy mendrika
15. a) Fihetsika inona momba an’i Maria moa no nitombo teo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? b) Araka ny Baiboly, iza irery ihany no afaka hifona ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra?
15 Ny filazana an’i Maria ho “renin’Andriamanitra” dia fampiakarana azy amin’ny toerana izay hahatonga ny olona hivavaka aminy. Izany tokoa no miseho hatramin’ny taonjato maro. Any amin’ny tany maro, dia olona an-jatony tapitrisa maro no mivavaka amin’i Maria na mangataka aminy hifona ho azy, ary mivavaka amin’ny sary sy ny sary hosodoko mampiseho azy. Na dia manandrana manamarina ireny fanao ireny aza ny teolojiana amin’ny filazana fa ny fankalazana an’i Maria dia fomba iray tsy mivantana fotsiny hanompoana an’Andriamanitra, dia tsy izany kosa no heveriny. “Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona.” (1 Timoty 2:5; 1 Jaona 2:1, 2). Ny tenan’i Jesosy mihitsy no niteny hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” — Jaona 14:6.
16. Tamin’ny fomba mazava ahoana no nampisehoan’i Petera sy Jaona fa Jehovah irery ihany no tokony hivavahana?
16 Ny fankalazana an’i Maria amin’ny fomba mivantana na tsia, ny fiankohofana eo anoloan’ny sary sy sary hosodoko mampiseho azy dia mitovy amin’ny fanompoana ny zavatra noforonina fa tsy ilay Mpahary. Fanompoan-tsampy izany; ny kristiana anefa dia tsy maintsy ‘mandositra ny fanompoan-tsampy’. (1 Korintiana 10:14). Mariho ny fihetsiky ny apostoly Petera rehefa niankohoka teo aminy i Kornelio, tsy Jiosy anankiray: “Raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy. Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.” (Asa. 10:25, 26). Tsy mety raha hiankohoka eo anoloan’ny olona iray Kornelio ho fankasitrahana azy, ary tsy nanaiky izany i Petera. Tetsy an-daniny, rehefa avy nahazo fahitana avy amin’ny anjely iray ny apostoly Jaona dia nitantara hoe: “Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ny tongotr’ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo. Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.” (Apokalypsy 22:8, 9). Raha anjelin’Andriamanitra iray aza tsy azo ivavahana, mainka fa olombelona na sarin’olona!
17. Araka ny aneken’ny firaketana katolika azy, mety hitondra ho amin’inona ny fankalazana an’i Maria?
17 Miaiky ny Firaketana katolika fa ny fivavahana amin’i Maria dia mety hahatonga fanompoam-pivavahana tsy mendrika. Izao no vakina ao amin’ny fanontana teo aloha amin’io boky io: “Tsy azo lavina fa ny fitiavam-pivavahana nananan’ny vahoaka tamin’ny Virijina Masina dia matetika no nahatonga fanaovan-javatra hafahafa sy fanao tsy mety.”
18. Inona no niandohan’izany fampianarana tsy araka ny Baiboly izany?
18 Inona no niandohan’izany fampianarana tsy ao amin’ny Baiboly izany? Ny mpanao azy tsy hita maso dia tsy iza fa ilay Mpanohitra an’Andriamanitra, Satana Devoly (Jaona 8:44). Noho ny fikendrena inona no namporisihany fampianarana toy izany? Tiany ny hanambany an’i Jehovah Mpanjaka Tompo ho tombontsoan’ny olona ka hiteraka fisafotofotoana. Nampiala ny olona tamin’ny fanompoam-pivavahana marina izany fampianarana izany sady nanosika azy hitady ny famonjena teo amin’ny zavatra noforonina fotsiny. Nandritra ny taonjato maro koa izany dia nampitombo ny fahefan’ny klerjy teo amin’ny vahoaka, izay nampianarina hanaiky tanteraka ireo filoham-pivavahany, ny hany afaka mahafantatra teolojia sarotra tahaka izany.
19, 20. a) Nahoana isika no mahazo antoka fa ny “ondry” dia hahita ny fahamarinana alohan’ny hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra? b) Fanontaniana inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Nanambara toy izao anefa i Jesosy: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Ankoatra izany, Jehovah dia nampanantena fa, amin’ny alalan’ny fitoriana ny Fanjakana, dia hanangona ny “ondry” rehetra izy mba ‘hampianatra azy ny amin’ny làlany ka handehanany amin’ny atorony’. (Isaia 2:2-4.) Raha niresaka ny amin’ireny “ondry nangonina mba hanaraka ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah ireny i Jesosy, dia hoy izy: “Ka ho fantatrareo ny marina; ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Noho izany, ireo izay mitady ny fahamarinana dia hahita izany ka hafahana amin’ny fampianaran-diso ara-pivavahana izay manakana ny olona tsy hanao ny sitrapon’ny Mpamorona.
20 Ny fampianarana sy fanao hafa ara-pivavahana mazàna eken’ny maro dia mampiala ny olona amin’ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny Mpamorona satria mamporisika azy ireny hankalaza ny zavatra noforonina. Inona avy ny sasany amin’izy ireny ary vokatra inona no nentiny? Inona no takin’ny fanompoam-pivavahana marina? Ny lahatsoratra manaraka dia hamaly ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 septambra 1988, pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-20.
Ahoana no havalinao?
◻ Tamin’ny fomba mazava ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa Jehovah irery ihany no tokony hivavahana?
◻ Amin’izao androntsika izao, nahoana no ilaina maika dia maika ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba mety?
◻ Nahoana no tsy tokony hotolorana voninahitra tsy azy Maria?
◻ Ahoana no niandohan’ny fampianarana izay ilazana an’i Maria ho “renin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no nanamafisan’ny apostoly Petera sy Jaona fa Jehovah ihany no tokony hivavahana?