Niantso anao ho amin’ny fiadanana ve Andriamanitra?
“Fa raha tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ny fihavanana [ho amin’ny fiadanana, MN ].” — 1 KORINTIANA 7:15.
1. Inona moa no fiheverana araka ny Baiboly momba ny fanambadiana?
TSY tafiditra tao anatin’ny fikasan’i Jehovah mihitsy ny hoe hiafaran’ny fanambadiana amin’ny fisarahan-toerana na ny fisarahana tanteraka mampalahelo. Tokony haharitra ny fatoram-panambadiana, hahatonga olona roa ho “nofo iray ihany” ka hitondra fifaliana sy fialan-tsasatra ary fiadanana ho azy ireo (Genesisy 2:24; Rota 1:9). Raha tsy amin’ny toe-javatra mihoa-pampana ihany, ny Soratra masina dia manoro hevitra ny mpivady mba hiara-monina, na dia ny anankiray aminy ihany aza no kristiana (1 Korintiana 7:12-16). Ambonin’izany, izay rehetra mamorona tetika mba hanapahana ny fatoram-panambadiana dia tompon’andraikitra ara-pitondrantena ny amin’izany eo anatrehan’Andriamanitra izay ‘mankahala ny fisaoram-bady’. — Malakia 2:13-16.
2. Ahoana moa no fiheveran’ny kristiana ny fisarahan-toerana sy ny fisarahan-panambadiana?
2 Ny tsy fahatanterahan’olombelona mbamin’ny anton-javatra hafa indraindray dia nitarika na dia mpanompon’Andriamanitra vita batisa aza hisara-toerana na hisara-panambadiana. Kanefa, noho ny kristiana mihevitra ho zava-dehibe ny fanambadiana, dia tsy tonga amin’izany zavatra farany izany izy raha tsy rehefa avy nanao fiezahana mafy mba hiarovana ny fanambadian’izy ireo. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanome ny ohatra tsara indrindra ny amin’izany. Izy izay ‘tompo sady vady’ ho an’ny Isiraely fahizay, dia nizaka nandritra ny taonjato maro ny hamafian-katoka, ny fikomiana ary ny fijangajangana ara-panahy nasehon’io firenena io (Isaia 54:1-5, MN; Jeremia 3:14-17; Hosea 2:1, 2; 3:1-5). Rehefa tonga teo amin’ny faritra tsy niverenana intsony ireo mpanompony vao nolavin’i Jehovah tamin’ny naha-firenena azy. — Matio 23:37, 38.
3. a) Antony inona avy moa no anomezan’ny Baiboly lalana ny kristiana iray hisara-toerana amin’ny vadiny? b) Araka ny Soratra masina, amin’ny toe-javatra inona moa no azo atao ny misara-panambadiana?
3 Indraindray dia nisy kristiana nangataka ireo loholona tao amin’ny kongregasionany mba hanampy azy ireny handamina fahasahirana ara-panambadiana lehibe. Marina fa tsy manana fahefana hanoro hevitra olona mba hisara-toerana na hisara-panambadiana ireo loholona, nefa azony atao ny mampahatsiahy azy izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’ireo raharaha ireo. Araka ny nasehon’ny lahatsoratra teo aloha, ny Baiboly dia manome lalana ny kristiana hisara-toerana amin’ny vadiny rehefa tsy mety mamelona ny ankohonany izy io, mampihatra herisetra ara-batana mafy aminy na tena mampidi-doza ny fahasalamany ara-panahy. Hitantsika koa fa ny Baiboly dia manome lalana ny kristiana iray hisara-panambadiana avy eo dia hanambady olon-kafa fa tsy ilay vadiny taloha, raha nisy “fijangajangana”, teny manondro karazam-piraisana maloto samihafa (Matio 19:9). Hita avy hatrany fa tsy hoe tsy azo sorohina akory na ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana, satria azo atao indraindray ny manorina indray ny fihavanana eo amin’ny mpivady, ary na dia ny fanitsakitsaham-bady na karazam-pijangajangana hafa aza dia mety havelan’ilay vady tsy diso. — Matio 5:31, 32; Jereo Hosea 3:1-3.
4. a) Fintino ny torohevitra omen’ny apostoly Paoly ny kristiana manambady ao amin’ny 1 Korintiana 7:10-16. b) Amin’ny fotoana toy inona moa no azo atao ny milaza hoe: ‘Niantso anao ho amin’ny fiadanana Andriamanitra’?
4 Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nananatra ireo kristiana manambady ny apostoly Paoly mba tsy hisaraka amin’ny vadiny (1 Korintiana 7:10-16). Asehon’ny tenin’i Paoly fa raha tapa-kevitra ny hiara-hitoetra amin’ny vadiny kristiana ny tsy mpino, dia tokony hanandrana hanampy azy eo amin’ny lafiny ara-panahy ilay kristiana (1 Petera 3:1-4). Ny fiovan’ilay tsy mpino dia hanampy be dia be amin’ny fanaovana izay hahatonga ny tokantrano ho fialofana ahitana fiadanana. Nefa raha manohitra amin-kery ny finoan’ny vadiny mpino izy ka tapa-kevitra ny hisara-toerana, inona no azon’ilay kristiana atao? Raha manandrana manery ny vadiny hiara-hitoetra aminy izy, dia mety hahatonga ny tarehin-javatra ho ratsy aoka izany io, hany ka tsy hahita fiadanana intsony mihitsy ilay kristiana. Mba hanalavirana izany, dia azon’ilay mpino atao àry ny mamela ilay tsy mpino handeha (Matio 5:9, MN). Rehefa misaraka ny vady tsy mpino vao azo atao ny milaza toy izao: ‘Andriamanitra efa niantso anao ho amin’ny fiadanana.’ Tsy azo atao ara-drariny ny mampiasa ireo teny ireo mba hanamarinana ny fanapahan-kevitry ny mpivady kristiana izay misara-toerana tsy amin’ny antony na noho ny antony tsy araka ny Baiboly.
5. Fanontaniana inona avy izao no mendrika ny fiheverantsika?
5 Ny fisarahan-toerana rehetra, ny fisaraham-panambadiana rehetra dia avy amin’ny anton-javatra manokana, ary tsy misy mihitsy “filazana fohy” azo ampiharina amin’ny toe-javatra rehetra. Fa inona avy no fahasahiranana mety ho hitan’ny kristiana iray nisara-toerana na nisara-panambadiana? Inona no azony atao mba handresena izany? Ary inona no fanampiana azo entina ho azy?
Izay ilaina ara-pihetseham-po na eo amin’ny lahy sy ny vavy
6. Azo atao ve ny milaza fa mamarana izay rehetra mety ho fahasahiranana ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana?
6 Manafoana fahasahiranana sasany ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana anomezan’ny Soratra masina lalana, nefa kosa mandrakariva dia mamorona hafa. Araka izany, dia nilaza toy izao ny vehivavy kristiana nisara-panambadiana iray: “Tsy azoko atao ny tsy hisaotra an’i Jehovah noho ny fiadanana tsapako ankehitriny.” Niaiky toy izao anefa izy: “Tsy mora akory ny mitaiza irery ny zanaky ny tena. Mahatsiaro ho irery sy ketraka tokoa aho indraindray. Na dia amin’ny lafiny mahakasika ny lahy sy ny vavy aza, dia tsy mora akory. Ilaina ny mizatra amin’ny fiainana hafa tanterakaa.”
7. Nahoana moa ny kristiana iray no tokony hieritreritra amim-pitandremana ny mety ho vokatry ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana?
7 Raha afaka misafidy àry ny kristiana iray dia tokony hoeritreretiny amim-pitandremana ny mety ho vokatry ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana. Azony atao, ohatra, ny mihevitra ny zavatra ilainy ara-piraiketam-po; ho an’ny vehivavy, izany angamba dia ho ny faniriana hanana namana lahy (jereo Genesisy 3:16). Indraindray ny vehivavy nisara-panambadiana dia manantena mafy ny hanambady indray. Ny sasany maniry ho afaka amin’ny fanambadiana misedra, nefa moa ve izy ireny vonona ny hanaiky ny mety tsy hahafahana hanambady fanindroany?
8. a) Araka ny teny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 7:11, inona moa no tokony hoeritreretin’ny mpivady kristiana misara-toerana ao amin’ny vavaka? b) Zavatra ilaina inona moa no tsy tokony hohamaivanin’izay rehetra mikasa ny hisara-toerana na hisara-panambadiana?
8 Izao no nosoratan’i Paoly: “Nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin’ny lahy.” (1 Korintiana 7:11). Amin’ny fanaovana fiezahana sasany, dia azon’ny vehivavy iray atao indraindray ny ‘mody’ amin’ny vadiny. Raha misy mpivady kristiana misara-toerana, dia tokony hieritreritra tsara tokoa ny hifampody izy ireo, hanao izany raharaha izany ho antom-bavaka. Tsy tokony hohadinoin’izy ireo koa fa mety hahitan-doza ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ahoana no ho fiheveran’Andriamanitra azy ireo raha toa ny fandavany tsy hifampody ka mitarika azy ireo hanana fitondrantena maloto? Izay nitranga tamin’ny vehivavy kristiana iray dia manazava tsara io loza io. Taorian’ny nisarahany fanambadiana, dia nanomboka nifanerasera tamin-dehilahy iray tsy Vavolombelona izy. Tsy ela tatỳ aoriana, dia bevohoka izy ary voaroaka. Na dia tafaverina indray aza izy tatỳ aoriana, izay nitranga taminy dia manamafy ny ilàna hitandreman-tena sy ny hametrahana ny fitokisana amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka, mba tsy ‘hanotana amin’Andriamanitra’. (Genesisy 39:7-12.) Miharihary koa fa izay rehetra mikasa ny hisara-panambadiana dia tsy tokony hanamaivana izay ilainy ara-piraiketam-po sy eo amin’ny lahy sy ny vavy.
Azo atao ny mampihena ny fahatsiarovana ho manirery
9. Ahoana no azo anampiana ireo kristiana misara-toerana na misara-panambadiana mba hiady amin’ny fahatsiarovana ho manirery?
9 Rehefa tsy azo sorohina ny fisarahan-toerana ny fisaraham-panambadiana, dia tokony hosetraina ireo fahasahiranana aterak’izany. Tsy ny kely indrindra amin’izany akory ny fahatsiarovana ho manirery. Inona no azo atao mba hanampiana ireo kristiana nisara-toerana na nisara-panambadiana izay mijaly noho izany? Afaka mihevitra izay hahasoa ireny olona ireny ara-panahy sy manandrana mampahery azy ireo loholona sy ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona (jereo 1 Tesaloniana 5:14). Azontsika atao, ohatra, ny manasa azy ireny indraindray miaraka amin’ireo zanany hiara-misakafo tsotra amintsika sy handany fotoana mampandroso miaraka amin’ny fianakaviantsika. Tsy ilaina ny manomana fanasana, satria “aleo anana iray lovia misy fitiavana toy izay omby mifahy misy fankahalana”. (Ohabolana 15:17, MN.) Azo atao ao anatin’ilay takariva ny mitantara zavatra hita tamin’ny fitoriana na miara-manomana fivoriana kristiana.
10, 11. a) Amin’ny fomba hafa inona koa moa no azo anampiana kristiana iray misara-toerana na misara-panambadiana? b) Nahoana moa no ilaina ny ho malina?
10 Azontsika atao koa ny manampy kristiana iray nisara-panambadiana na nisara-toerana sy ireo zanany, handroaka ny fahatsiarovana ho manirery amin’ny fanasana azy ireo handray anjara amin’ny fanompoana miaraka amin’ny fianakaviantsika. Marina fa tsy misy mahasolo ny ray na ny reny mihitsy, kanefa nilaza toy izao ny vehivavy kristiana iray nisara-panambadiana: “Ny fanampiana azo nampiharina nandraman’ireo loholona sy ireo mpikarakara tao amin’ny kongregasiona nentina ho ahy dia nanampy ahy be dia be tamin’ny asa sarotra fitaizana ny zanako tsy misy fanohanan’ny vady.”
11 Ilaina anefa ny ho malina. Niaiky toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Koa satria tsy nanan-dray intsony ny zanako lahy, dia nihevitra azy ny anadahy iray tsara fanahy tokoa. (...) Tsapako fa niseho ho sakaizan’ilay zanako sady nalala-tanana izy, ka nanomboka nitsiry tao amiko ny fanirian-dratsy. Tonga tao anatin’ny tarehin-javatra tsy nisy hafa tamin’ny hitan’i Davida fony izy namelona faniriana izay tsy azy nahameloka aho.” (2 Samoela 11:1-4). Na dia tsy nahavita zavatra maloto aza io vehivavy kristiana io, dia menatra noho ny eritreriny sy ny fihetsiny maizimaizina, ka nitady ny famelan’i Jehovah ary nanapaka ny fifandraisana tamin’ilay Vavolombelona resahina. Io zava-nitranga io dia manazava tsara ny ilàna hanosika ny fanirian-dratsy ka ‘hifady na dia ny endriky ny ratsy fotsiny’ aza. — 1 Tesaloniana 5:22, Kuen; Galatiana 5:24.
12. Amin’ny fanaovana inona moa no azo ampihenana ny fahatsiarovana ho manirery?
12 Azo atao ny mampihena ny fahatsiarovana ho manirery amin’ny fanampiana ny hafa. “Rehefa mihamalalaka ny tena ka manampy ny hafa, dia tsy manam-potoana hitseran-tena na hahatsiarovana ho irery”, hoy ny vehivavy kristiana iray izay tapaka ny fanambadiany. Afaka ‘mihamalalaka’ ny olona misara-toerana na misara-panambadiana amin’ny fanasana fianakaviana iray hiara-misakafo aminy na hiara-mandany fotoana mampandroso aminy. Raha mahalana vao afaka manao izany ianao noho ny antony ara-bola na hafa, dia azonao atao ny mitsidika marary na olon-kafa mba hampahery azy ireny. Afaka manampy olona be taona koa ianao amin’ny fiantsenana ho azy na amin’ny fanaovana asa samihafa ho azy. Mandania hery ho an’ny hafa, dia ho tsapanao kokoa ihany fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. — Asa. 20:35.
13. Inona koa moa no mety hanampy handresy ny fahatsiarovana ho manirery?
13 Mora zaka koa ny fitoerana irery rehefa mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana miaraka amin’ny kristiana hafa. “Mahatsiaro ho irery tsy manambady aho indraindray, hoy ny fiaiken’ny vehivavy kristiana iray, kanefa satria mandray anjara misimisy kokoa amin’ny fitoriana aho izao ka afaka mifanerasera amin’ireo anadahiko sy rahavaviko kristiana, dia vitsy sy tsy maharitra ireny vanim-potoana ahatsiarovana ho manirery ireny.” Rehefa mitory tsy tapaka isan-trano ny tena, dia matetika no mahita fahafinaretana manao fiverenana mitsidika ny olona maneho fahalianana, manomboka fianarana ny Baiboly miaraka amin’izy ireny ka mahita ny sasany manolo-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy. Marina fa tsy hoe mba handroahana ny fahatsiarovana ho manirery akory no andraisantsika anjara amin’ny fanompoana, nefa mety hanampy amin’izany io asa mahafaly sy voatahy io. — Ohabolana 10:22.
14. Fanaovan-javatra inona avy moa no mahasoa indrindra ireo kristiana misara-toerana na misara-panambadiana?
14 Mahazo soa ara-panahy ny mpanompon’i Jehovah rehetra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana sy ireo fivoriana kristiana ary amin’ny ‘fikatsahana ilay Fanjakana aloha’. (Matio 6:33.) Ireo asa mahasoa ireo, izay mampandroso ny mpanompon’i Jehovah amin’ny ankapobeny, dia mety hampandroso kristiana misara-toerana na misara-panambadiana koa. Marina fa tsy mahalamina ny fahasahiranany rehetra akory izany, nefa kosa mahatonga azy ho afaka hijery ny lafitsaran-javatra kokoa.
Ny maha-zava-dehibe ny vavaka
15. Soa inona avy moa no entin’ny vavaka ho an’ireo izay tsy maintsy mianatra miaina irery indray?
15 Ny vehivavy kristiana iray voatery nianatra niaina irery indray dia tonga mora kokoa tamin’izany, araka ny filazany, ‘rehefa nandray anjara tamim-paharisihana tamin’ny fitoriana (...) ka nitsidika ireo rahalahy marary, be taona sy tsy niasa”. Nanampy teny toy izao anefa izy: “Raha vao mahatsiaro ho manirery aho, dia lasa mitsidika olona ary mivavaka amin’i Jehovah mba hanatanjaka ahy, satria fantatro fa mikendry ahy Satana.” Eny, zava-dehibe tokoa ny hivavahana amim-pahatsorana amin’Andriamanitra mba tsy hivadihana hatrany eo anatrehany. Ao amin’ireo vavaka ataony, ny kristiana misara-toerana na misara-panambadiana dia afaka mangataka amin’i Jehovah mba hanomezany azy ireo ny fanahiny izay ny anankiray amin’ny vokany dia ny fahononam-po na fifehezan-tena, mba hahafahana mifehy ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23; Kolosiana 3:5, 6). Afa-tsy izany koa, koa satria nisy vehivavy nisara-panambadiana nahita fahasahiranana rehefa hanao fanapahan-kevitra fanaon’ny vadiny teo aloha, dia azon’izy ireny atao koa ny mivavaka amin’Andriamanitra mba hanampy azy hahazo ny fahendrena ilaina mba handaminana fahasahiranana samihafa. — Jakoba 1:2-8.
16. Inona no holazaina ny amin’ny fahatsiarovana ho meloka ateraky ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana?
16 Ny sasany itambesaran’ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Niaiky toy izao ny lehilahy kristiana iray: “Na dia rehefa tsy ny tena aza no diso, dia mety hahazo ny fahatsiarovan-tena ho meloka amin’ny fisaraham-panambadiana.” Marina fa takatra ny fihetseham-po toy izany raha toa ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana ka vokatry ny fandavan’ny anankiray amin’ny mpivady tsy ara-drariny tsy hanatanteraka ireo adidiny ara-panambadiana (1 Korintiana 7:3-5). Nefa raha toa ny kristiana iray ka tapa-kevitra ny hisara-toerana na hisara-panambadiana noho ny antony araka ny Baiboly rehefa avy nieritreritra ilay raharaha tao amin’ny vavaka, dia tena azony atao ny mivavaka amin’i Jehovah mba hanampiany azy hanary izay rehetra mety ho fahatsiarovana ho meloka tsy voamarina. Aoka hampiantsika fa tokony hitandrina ireo loholona ao amin’ny kongregasiona mba hanome torohevitra miorina amin’ny Baiboly ka tsy hampiseho ny zavatra amin’ny fomba hahatonga kristiana iray hahatsiaro ho meloka satria nahazo na nanaiky fisarahan-toerana na fisaraham-panambadiana anomezan’ny Baiboly lalana.
Arovan’ny “fiadanan’Andriamanitra”
17. Inona moa no manampy ny kristiana rehetra ho sambatra sy hiorina tsara eo amin’izao tontolo izao mikorontana manodidina azy?
17 Matetika ireo kristiana misara-toerana na misara-panambadiana no tojo fahasahiranana manokana tanteraka. Amin’ny fetra sasany anefa dia ‘manjo ny rahalahintsika rehetra eran’izao tontolo izao izany zavatra izany’. (1 Petera 5:6-11.) Ohatra, izay rehetra manompo an’i Jehovah dia iharam-panenjehana, ary ny ankamaroan’ny kristiana dia manana fanahiana ara-bola, fahasahiranana ara-pahasalamana, fahadisoam-panantenana, asian’ny fakam-panahy, sns. Sahala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa, ireo kristiana misara-toerana na misara-panambadiana àry dia tokony hanohy hanome fahafahampo amin’izay ilainy ara-panahy amin’ny fianarana ny Baiboly, amin’ny famonjena tsy tapaka ireo fivoriana, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana, amin’ny fanomezana ny toerana voalohany ho an’ny asa masina eo amin’ny fiainany sy amin’ny fivavahana tsy tapaka mba hampanakaiky hatrany an’i Jehovah (Matio 5:3, MN). Ny kristiana rehetra izay tsy manao toy izany dia manimba ny fahasalamany ara-panahy. Nefa kosa, raha ‘mikatsaka ny Fanjakana aloha’ ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky iray dia mahita fahasambarana sy fiorenana mafy tsy azo atao tsirambina eo amin’izao tontolo izao mikorontana manodidina antsika.
18. Inona avy moa no fanontaniana mendrika ny hodinihin’ireo kristiana misara-toerana amin’ny vadiny amim-pitandremana?
18 Mba hitanana fahasalamana ara-panahy tsara, dia tokony hampihatra ny Tenin’Andriamanitra isika. Noho izany, raha kristiana ianao ka nisara-toerana tamin’ny vadinao vita fanoloran-tena ho an’Andriamanitra koa, afaka milaza ve ianao fa alatsakao am-po ny torohevitra omen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:10-16? Tokony hataonao antom-bavaka amim-pahatsorana ny fifampodianareo indrindra fa raha efa elaela no nisara-toerana tamin’ny vadinao ianao. Manontania tena toy izao koa: Inona no antenain’i Jehovah amiko, dia izaho izay manambady? Moa ve ny mpivady kristiana tsy tokony hampifanaraka ny fiainany amin’ireo fepetra takin’Andriamanitra mihatra amin’ny olona manambady? Mety tsy hotahin’i Jehovah ve izaho sy ny vadiko satria tsy manaja ny voady nataonay tamin’ny fampakaram-bady izahay? Hevero ny soa mety ho azonareo amin’ny fandinihana amim-panetren-tena ireo fanontaniana ireo, amin’ny fivavahana amim-pahatsorana sy amin’ny fiezahana amim-paharisihana mba hampihatra ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Hahasoa anareo tokoa ny fandaminana ireo fahasahirananareo ara-panambadiana ka hanana fahasambarana indray hiara-hiaina ao anatin’ny tokantrano iray izay ho fialofana ahitana fiadanana!
19. Araka ny Filipiana 4:6, 7, afaka manandrana zava-tsarobidy inona moa ireo mpanompon’i Jehovah?
19 Mila zavatra sarobidy ny mpanompo mahatokin’i Jehovah rehetra, izany dia: “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” ary afaka manandrana izany izy ireo. Isika izay kristiana, dia hahita izany fiadanana izany isika raha manaraka ity torohevitr’i Paoly ity: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:6, 7.
20. a) Inona moa “ny fiadanan’Andriamanitra”? b) Inona moa no tokony hataontsika, na manao ahoana na manao ahoana toerantsika ara-pianakaviana?
20 Tsy inona izany fiadanana izany fa ny filaminana sy ny fahatoniana avy amin’Andriamanitra, na dia ao anatin’ny toe-piainana sarotra indrindra aza. Izany dia avy amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy ny fahazoana antoka ananantsika fa manao izay ankasitrahany isika. Ireo izay manana “ny fiadanan’Andriamanitra” dia manaiky hotarihin’ny fanahy masina ary tsy mba kikisan’ny fanahiana? Satria fantany fa tsy misy na inona na inona mety hitranga amin’izy ireo raha tsy avelan’Andriamanitra hisy (Efesiana 4:30; jereo Asa. 11:26, MN). Noho izany antony izany, na mpitovo isika na manambady, na misara-toerana na misara-panambadiana, dia aoka isika rehetra hihevitra ho sarobidy “ny fiadanan’Andriamanitra”. Enga anie isika hatoky tahaka an’i Davida izay nanambara hoe: “Handry amin’ny fiadanana aho ary dia hatory, satria ianao irery ihany, Jehovah ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy.” — Salamo 4:8, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana fanazavana ny amin’ny toeran’ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1981, pejy faha-15-28.
Ahoana no havalinao?
◻ Amin’ny toe-javatra manao ahoana moa no azo atao ny milaza hoe: ‘Niantso anao ho amin’ny fiadanana Andriamanitra?
◻ Ahoana no azo ampihenana ny fahatsiarovana ho manirery?
◻ Inona moa no toerana tokony hotanan’ny vavaka eo amin’ny fiainan’ny kristiana iray misara-toerana na misara-panambadiana?
◻ Ahoana no hilazalazanao “ny fiadanan’Andriamanitra” izay miaro ny fon’ireo mpanompon’i Jehovah, na mpitovo izy, na manambady, na misara-toerana na misara-panambadiana?
[Sary, pejy 29]
Noho ny vavaka, dia afaka manandrana “ny fiadanan’Andriamanitra” izay hiaro ny fony sy ny sainy ny kristiana mahatoky rehetra.