FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Namaly ny Vavaka Nataoko i Jehovah!”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 15 Oktobra
    • “Namaly ny Vavaka Nataoko i Jehovah!”

      MANERAN-TANY, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantranon’olona efa ho dimy tapitrisa, izay liana hahazo fahalalana araka ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany mahatalanjona ho an’ny olombelona. Na dia ireo ankizy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza dia mandray anjara amin’io asa io. Diniho, ohatra, ny zazalahy iray atao hoe Joel. Nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah izy ary natao batisa teo amin’ny fahasivy taonany. Herintaona tatỳ aoriana, dia nanana izao fanandraman-javatra izao izy:

      “Raha teny amin’ny fanompoana aho, dia nihaona tamin’ny vehivavy iray atao hoe Candy. Nanolotra taminy ilay bokikely hoe “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra” aho. Efa nanana azy io izy, koa ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no natolotro azy. Efa nanana azy io koa izy. Avy eo dia nieritreritra aho: ‘Hotolorako fampianarana Baiboly itỳ vehivavy itỳ.’ Nanaiky izy!

      “Ny rahavavin’i Candy, izay nijaly noho ny kansera, dia nanjary niara-nipetraka taminy. Fanampin’izany, dia nianatra ho mpitsabo mpanampy i Candy. Koa nandritra ny fotoana kelikely dia natsahatra ny fianarana Baiboly. Nihazona fifandraisana taminy anefa izaho sy ny ray aman-dreniko tamin’ny famelana ireo gazety taminy na tamin’i Dick vadiny. Hoy i Dick taminay hoe nataon’i Candy teo akaikin’ny fandrianany ireo gazety ary namaky azy ireny izy tamin’ny alina.

      “Tatỳ aoriana dia maty ny rahavavin’i Candy. Niresaka tamin’i Candy momba ny toetran’ireo maty i Dada sy i Neny. Nanapa-kevitra izy fa hanomboka indray ny fianarany Baiboly. Tamin’ny andro hafa iray, dia nanontany an’i Dick izahay raha ho tiany ny hianatra miaraka amin’i Candy, ka hanao izany ho fianaram-pianakaviana. Nihevitra izy fa hevitra tsara izany. Koa izao àry, dia miara-mianatra aminay sy i Dada i Dick sy i Candy. Manao fandrosoana tsara dia tsara izy ireo ary milaza ny fankasitrahany ny fianarana Baiboly.

      “Nivavaka aho mba hahazo fampianarana Baiboly, ary namaly ny vavaka nataoko i Jehovah!”

  • Irinao ve ny Hahazo Fitsidihana?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 15 Oktobra
    • Irinao ve ny Hahazo Fitsidihana?

      Na dia eto amin’itỳ tontolo mikorontana itỳ aza, dia afaka mahita fahasambarana ianao avy amin’ny fahalalana marina ara-baiboly momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany mahatalanjona ho an’ny olombelona. Raha irinao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao ao an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara