FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ry Ray Aman-dreny, Inona no Ampianarin’ny Ohatra Omenareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jolay
    • Ry Ray Aman-dreny, Inona no Ampianarin’ny Ohatra Omenareo?

      “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana”. — EFESIANA 5:1, 2.

      1. Karazana toromarika manao ahoana no nomen’i Jehovah ny mpivady olombelona voalohany?

      I JEHOVAH no Loharanon’ny fianakaviana. Avy aminy no nampisy ny fianakaviana rehetra, satria izy no nanorina ny fianakaviana voalohany sy nanome fahafahana hiteraka ho an’ny mpivady olombelona voalohany. (Efesiana 3:14, 15). Nanome an’i Adama sy i Eva toromarika fototra momba ny andraikitr’izy ireo i Jehovah, ary nanome azy ireo koa fahalalahana teo amin’ny fomba hanatanterahany ireny toromarika ireny. (Genesisy 1:28-30; 2:6, 15-22). Taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva, dia nanjary sarotra kokoa ny toe-javatra tsy maintsy natrehin’ny fianakaviana. Na izany aza, dia nanome toro lalana tamim-pitiavana i Jehovah mba hanampiana ny mpanompony hiatrika ny toe-javatra toy izany.

      2. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanamafisan’i Jehovah ny fampianarana an-tsoratra tamin’ny toromarika am-bava? b) Inona no fanontaniana ilain’ny ray aman-dreny hapetraka amin’ny tenany?

      2 Mpampianatra Lehibe antsika i Jehovah, ka tsy nianina tamin’ny fanomezana toromarika an-tsoratra fotsiny, raha ny amin’izay tokony hataontsika sy izay tokony hohalavirintsika. Tamin’ny andro fahiny, ny fampianarana an-tsoratra dia nampiany toromarika am-bava, izay nomeny tamin’ny alalan’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny loham-pianakaviana. Iza no ampiasainy mba hanome izany fampianarana am-bava izany amin’izao androntsika izao? Ny loholona sy ny ray aman-dreny kristianina. Raha ray na reny ianao, moa ve ianao manao ny anjaranao amin’ny fampianarana ny mpianakavinao ny lalan’i Jehovah? — Ohabolana 6:20-23.

      3. Inona no azon’ny loham-pianakaviana ianarana avy amin’i Jehovah, raha ny amin’ny fampianarana mandaitra?

      3 Amin’ny fomba ahoana no tokony hanomezana ny fampianarana toy izany eo anivon’ny mpianakavy? Manome ny modely harahina i Jehovah. Lazainy mazava izay atao hoe tsara sy ratsy, ary tsy sasatry ny mamerimberina izy. (Eksodosy 20:4, 5; Deoteronomia 4:23, 24; 5:8, 9; 6:14, 15; Josoa 24:19, 20). Mampiasa fanontaniana mampisaintsaina izy. (Joba 38:4, 8, 31). Manentana ny fihetseham-pontsika sy mamolavola ny fontsika, amin’ny alalan’ny fanoharana sy ny ohatra navelan’ny olona tena nisy, izy. (Genesisy 15:5; Daniela 3:1-29). Ry ray aman-dreny, moa ve ianareo miezaka hanahaka izany modely izany, rehefa mampianatra ny zanakareo?

      4. Inona no ianarantsika avy amin’i Jehovah, raha ny amin’ny fampiharana famaizana, ary nahoana no zava-dehibe ny famaizana?

      4 Hentitra i Jehovah raha ny amin’izay marina, kanefa takany koa ny vokatry ny tsy fahalavorariana. Koa alohan’ny hanasaziany, dia mampianatra izy, ary mamerimberina mampitandrina sy mampahatsiahy ny olombelona tsy lavorary. (Genesisy 19:15, 16; Jeremia 7:23-26). Rehefa manafay izy, dia ataony araka ny tokony ho izy izany, fa tsy tafahoatra. (Salamo 103:10, 11; Isaia 28:26-29). Raha toy izany no fomba itondrantsika ny zanatsika, dia porofoin’izany fa mahafantatra an’i Jehovah isika, ary ho mora kokoa ho an’ny zanatsika ny hahafantatra an’i Jehovah koa. — Jeremia 22:16; 1 Jaona 4:8.

      5. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Jehovah, raha ny amin’ny fihainoana?

      5 Mahatalanjona fa mihaino i Jehovah, ilay Ray be fitiavana any an-danitra. Tsy mamoaka didy fotsiny izy, fa mampirisika antsika koa mba handoatra ny ao am-pontsika aminy. (Salamo 62:8). Ary raha tsy dia tsara loatra ny fihetseham-po asehontsika, dia tsy mitezitra mafy avy any an-danitra izy. Mampianatra antsika amim-paharetana izy. Mety tokoa àry izao torohevitra nomen’ny apostoly Paoly izao: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”! (Efesiana 4:31–5:1). Ohatra tsara tokoa re izany omen’i Jehovah ny ray aman-dreny izany, eo am-piezahan’izy ireo hampianatra ny zanany! Ohatra manohina ny fontsika izany, ka mahatonga antsika haniry handeha amin’ny lalan’i Jehovah, izay mitarika ho amin’ny fiainana.

      Ny herin’ny ohatra omena

      6. Amin’ny ahoana ny fihetsiky ny ray aman-dreny sy ny ohatra omeny no misy heriny eo amin’ny zanany?

      6 Ankoatra ny toromarika am-bava, dia misy heriny lalina eo amin’ny ankizy koa ny ohatra omena. Na tian’ny ray aman-dreny izany na tsia, dia hanahaka azy ny zanany. Mety ho faly ny ray aman-dreny, ary indraindray mety ho taitra, rehefa mandre ny zanany milaza zavatra izay efa nolazain’izy ray aman-dreniny ihany. Rehefa mampiseho taratry ny fankasitrahana lalina ny zavatra ara-panahy ny fitondran-tenan’ny ray aman-dreny sy ny fihetsiny, dia misy heriny tsara eo amin’ny zanany izany. — Ohabolana 20:7.

      7. Karazana ohatra nanao ahoana no nomen’i Jefta ny zanany vavy, ary inona no vokatr’izany?

      7 Aseho mazava tsara ao amin’ny Baiboly ny herin’ny ohatra omen’ny ray aman-dreny. I Jefta, izay nampiasain’i Jehovah mba hitarika ny Isiraely handresy ny Amonita, dia raim-pianakaviana koa. Asehon’ny fitantarana momba ny valin-tenin’i Jefta tamin’ny mpanjakan’i Amona, fa tsy maintsy efa novakiny imbetsaka ny tantara momba ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraely. Afaka nanonona avy hatrany izany tantara izany izy, ary nampiseho finoana natanjaka an’i Jehovah. Tsy isalasalana fa ny ohatra nomen’i Jefta, dia nanampy ny zanany vavy hamboly ilay finoana sy ilay toe-tsaina feno fahafoizan-tena, izay nasehony fony izy nirotsaka tamin’ny fanompoana iray naharitra nandritra ny androm-piainany. Zazavavy mpitovo natokana ho an’i Jehovah ilay zanany vavy tamin’io fotoana io. — Mpitsara 11:14-27, 34-40; ampitahao amin’ny Josoa 1:8.

      8. a) Fihetsika tsara dia tsara inona no nasehon’ny ray aman-drenin’i Samoela? b) Tamin’ny ahoana izany no nitondra soa ho an’i Samoela?

      8 Fakan-tahaka i Samoela fony izy mbola kely, ary mpaminany nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra izy, nandritra ny androm-piainany. Ho tianao ho toa an’i Samoela ve ny zanakao, rehefa lehibe? Fakafakao ny ohatra navelan’i Elkana sy i Hana, ray aman-drenin’i Samoela. Na dia tsy tonga lafatra aza ny toe-javatra tao an-tokantranon’izy ireo, dia niakatra tsy tapaka nankany Silo izy ireo, mba hanolotra fanompoam-pivavahana tany amin’ilay toerana nisy ny tabernakely masina. (1 Samoela 1:3-8, 21). Mariho ny halalin’ny fihetseham-pon’i Hana, rehefa nivavaka izy. (1 Samoela 1:9-13). Mariho ny fiheveran’izy mivady ny maha zava-dehibe ny hanefana izay voady natao tamin’Andriamanitra. (1 Samoela 1:22-28). Tsy isalasalana fa ny ohatra tsara dia tsara nomen’izy ireo, dia nanampy an’i Samoela hamboly ireo toetra izay nahatonga azy hanaraka lalana marina, na dia rehefa tsy nanaja ny lalan’Andriamanitra aza ny olona nanodidina azy noheverina ho nanompo an’i Jehovah. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanankinan’i Jehovah andraikitra ho mpaminaniny i Samoela. — 1 Samoela 2:11, 12; 3:1-21.

      9. Inona avy no nisy heriny tsara teo amin’i Timoty, tao an-tokantrano? b) Tonga karazan’olona nanao ahoana i Timoty?

      9 Moa ve ny zanakao lahy ho tianao ho tahaka an’i Timoty, izay tonga mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly, raha mbola zatovo? Tsy mpino ny rain’i Timoty, kanefa nanome ohatra tsara dia tsara ny reniny sy ny renibeny, raha ny amin’ny fankasitrahana zavatra ara-panahy. Tsy isalasalana fa nanampy mba hanorenana fototra tsara ho an’ny fiainan’i Timoty tamin’ny naha Kristianina azy, izany. Voalaza fa nanana “finoana tsy mihatsaravelatsihy”, i Eonika reniny sy i Loisa renibeny. Tsy nisy fihatsarambelatsihy ny fiainan’izy mianaka tamin’ny naha Kristianina azy ireo; tena niaina nifanaraka tamin’izay nolazainy fa ninoany izy ireo, ary nampianatra an’i Timoty kely mba hanao toy izany koa. Noporofoin’i Timoty fa azo nianteherana ny tenany sady niahy tamim-pahatsorana izay hahasoa ny hafa. — 2 Timoty 1:5; Filipiana 2:20-22.

      10. a) Ny ohatr’iza avy, any ivelan’ny tokantrano, no mety hisy heriny eo amin’ny zanatsika? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa miseho eo amin’ny fitenin’ny zanatsika na ny fihetsiny ny herin’izy ireny?

      10 Tsy ny ohatra omen’ny ao an-tokantrano ihany anefa no misy heriny eo amin’ny zanatsika. Eo koa ireo ankizy miara-mianatra aminy, ireo mpampianatra manana andraikitra hamolavola ny sain’ny ankizy, ireo olona manizingizina fa ny rehetra dia tokony hanaraka ireo fomba amam-panao efa latsa-paka lalina ao amin’ny foko na ny fiaraha-monina, ireo olo-malaza amin’ny fanatanjahan-tena izay deraina hatraiza hatraiza ny zava-bitany, ary ireo mpitondra fanjakana izay asongadina amin’ny filazam-baovao ny fitondran-tenany. Ankizy an-tapitrisany maro koa no mahita ny habibiana amin’ny ady. Tokony hahagaga antsika ve raha miseho eo amin’ny fitenin’ny zanatsika na ny fihetsiny ny herin’ireo zavatra ireo? Ahoana no fihetsitsika rehefa izany no mitranga? Vahaolana ve ny manao teny maharary na ny mandevilevy? Tsy tokony ho tezitra avy hatrany amin’ny zanatsika isika, fa aleo kosa manontany tena hoe: ‘Misy zavatra mety hanampy antsika hamantatra ny fomba hiatrehana izao toe-javatra izao ve eo amin’ny fifampiraharahan’i Jehovah amintsika?’ — Ampitahao amin’ny Romana 2:4.

      11. Rehefa manao fahadisoana ny ray aman-dreny, amin’ny ahoana izany no mety hisy heriny eo amin’ny fihetsiky ny zanany?

      11 Mazava ho azy fa tsy ny fomba tsara indrindra foana akory no harahin’ny ray aman-dreny tsy lavorary rehefa miatrika ny toe-javatra miseho, fa hanao fahadisoana izy ireo. Rehefa takatry ny zanany izany, moa ve izany hampihena tsikelikely ny fanajan’izy ireo ny ray aman-dreniny? Mety ho izany no hitranga, indrindra fa raha mitady hanarontsarona ny fahadisoany ny ray aman-dreny, amin’ny fanantitranterany mafy ny fahefany. Mety ho tena hafa noho izany kosa anefa ny vokatra ho azo, raha manetry tena sy miaiky amim-pahatsorana ny fahadisoany ny ray aman-dreny. Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny ray aman-dreny manome ohatra sarobidy hotahafin’ny zanany, izay mila mianatra manao toy izany koa. — Jakoba 4:6.

      Izay ampianarin’ny ohatra omentsika

      12, 13. a) Inona no ilain’ny zanaka hianarana momba ny fitiavana, ary ahoana no azo ampianarana izany amin’ny fomba mandaitra indrindra? b) Nahoana no zava-dehibe ny ianaran’ny zanaka momba ny fitiavana?

      12 Misy lesona sarobidy maro izay azo ampianarina amin’ny fomba mandaitra indrindra, rehefa ampiarahina amin’ny ohatra tsara ny toromarika am-bava. Diniho ny vitsivitsy amin’izany:

      13 Fanehoana fitiavana tsy misy fitiavan-tena: Iray amin’ireo lesona lehibe indrindra tokony hohamafisina amin’ny ohatra omena, ny hevitry ny hoe fitiavana. “Isika tia, satria [Andriamanitra] efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:19). Andriamanitra no Loharanon’ny fitiavana sy ohatra fara tampony ny amin’ny fitiavana. Voaresaka in-100 mahery ao amin’ny Baiboly io fitiavana miorina amin’ny foto-pitsipika io — ny fitiavana a·gaʹpe. Toetra iray mampiavaka ny Kristianina marina izy io. (Jaona 13:35). Tokony haseho amin’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy io fitiavana io, ary tokony hasehon’ny olona amin’izy samy izy koa, eny, tokony haseho na dia amin’ny olona mety tsy hiraiketan’ny fontsika aza. (Matio 5:44, 45; 1 Jaona 5:3). Tsy maintsy ao am-pontsika sy miharihary eo amin’ny fiainantsika io fitiavana io, alohan’ny hahafahantsika hampianatra azy io amin’ny fomba mandaitra amin’ny zanatsika. Misy lanjany kokoa noho ny teny mantsy ny atao. Ilain’ny zanaka ny mahita sy ny mahatsapa ny fitiavana sy ireo toetra mifandray amin’izy io, toy ny firaiketam-po, eo anivon’ny mpianakavy. Raha tsy misy an’ireo, dia ho voasakantsakana ny fivelaran’ny zaza iray ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Ilain’ny zanaka koa ny mahita ny fomba tokony hanehoana ny fitiavana sy ny firaiketam-po, amin’ny Kristianina hafa ivelan’ny mpianakavy. — Romana 12:10; 1 Petera 3:8.

      14. a) Ahoana no azo ampianarana ny zanaka hanao asa tsara izay mitondra fahafaham-po? b) Ahoana no azo ampiharana izany eo anivon’ny mpianakavinao?

      14 Fianarana miasa: Lafiny fototra iray amin’ny fiainana ny asa. Mila mianatra ny fomba fanaovana asa tsara ny olona iray, mba hahatsapany tena ho misy vidiny. (Mpitoriteny 2:24; 2 Tesaloniana 3:10). Raha asaina manao zavatra izay tsy nampianarina azy tsara ny ankizy iray, ary avy eo dia bedesina fa tsy nataony tsara ilay izy, dia azo inoana fa tsy hianatra ny hanao asa tsara izy. Rehefa miana-javatra anefa ny zanaka amin’ny fiasana eo anilan’ny ray aman-dreniny, ka mahazo teny fiderana sahaza, dia azo inoana kokoa fa hianatra ny hanao asa izay mitondra fahafaham-po izy. Raha ampiarahina amin’ny fanazavana ny ohatra omen’ny ray aman-dreny, dia mety ho tsy ny fomba famitana asa fotsiny no hianaran’ny zanaka, fa hianarany koa ny fomba fandresena zava-manahirana, ny fomba fikirizana amin’ny asa iray mandra-pahavitany, ary ny fomba fanjohian-kevitra sy fandraisana fanapahan-kevitra. Ao anatin’izany toe-javatra izany no azo anampiana ny ankizy hahatakatra fa miasa koa i Jehovah, manao asa tsara izy, ary manahaka ny Rainy i Jesosy. (Genesisy 1:31; Ohabolana 8:27-31; Jaona 5:17). Raha mamboly na miompy ny fianakaviana iray, na manao raharaham-barotra, dia afaka miara-miasa ny mpianakavy sasany. Na angamba afaka mampianatra ny zanany lahy na ny zanany vavy hahandro sakafo sy hanadio aorian’ny sakafo, ny renim-pianakaviana iray. Afaka manomana asa hiaraha-manao amin’ireo zanany ao an-trano ny raim-pianakaviana iray miasa any ivelan’ny tokantrano. Toy inona moa ny soa ho azo rehefa tsy mikendry ny hahavita izay asa misy eo fotsiny ny ray aman-dreny, fa manomana ny zanany ho amin’ny fiainana koa!

      15. Amin’ny fomba ahoana avy no azo ampianarana momba ny finoana? Hazavao amin’ny ohatra.

      15 Fihazonana finoana ao anatin’ny fahoriana: Lafiny iray tena lehibe amin’ny fiainantsika koa ny finoana. Rehefa dinihina mandritra ny fianaram-pianakaviana ny finoana, dia mety hianatra ny hanome famaritana azy io ny zanaka. Mety hanjary hahafantatra koa ny porofo mahatonga ny finoana hanomboka hitombo ao am-pony ny zanaka. Rehefa hitany anefa fa maneho finoana tsy azo hozongozonina ny ray aman-dreniny ao anatin’ny fisedrana mafy, dia mety haharitra mandritra ny androm-piainana ny vokatr’izany. Ny vehivavy iray nianatra Baiboly tany Panama, dia norahonan’ny vadiny horoahina hiala tao an-trano, raha tsy nijanona nanompo an’i Jehovah. Na izany aza, dia fahazarany tsy tapaka ny nandeha an-tongotra 16 kilaometatra, niaraka tamin’ireo zanany kely efatra, ary avy eo dia nandeha 30 kilaometatra indray tamin’ny aotobisy mba hahatongavana tany amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra. Nahazo fampirisihana avy tamin’izany ohatra nomeny izany ny 20 teo ho eo tamin’ny fianakaviany, ka nanaraka ny lalan’ny fahamarinana.

      Fanomezana ohatra ny amin’ny famakiana Baiboly isan’andro

      16. Nahoana no ampirisihana ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly isan’andro?

      16 Ny famakiana Baiboly tsy tapaka dia iray amin’ireo fanao sarobidy indrindra azon’ny fianakaviana rehetra arahina, izay sady hahasoa ny ray aman-dreny no ho ohatra hotahafin’ny zanaka. Mamakia Baiboly isan’andro, raha mbola azo atao koa. Tsy ny habetsahan’ny toko voavaky akory no zava-dehibe indrindra. Zava-dehibe lavitra ny famakiana tsy tapatapaka sy ny fomba fanaovana izany. Ho an’ny ankizy, ny famakiana Baiboly dia azo ampiana fihainoana cassettes mirakitra Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, raha misy amin’ny fiteninareo izy io. Manampy antsika hanasongadina hatrany ny fomba fihevitr’Andriamanitra, ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. Ary raha tsy ny isam-batan’olona ihany no manao izany famakiana Baiboly izany fa ny mpianakavy koa, dia manampy ny mpianakavy rehetra handeha amin’ny lalan’i Jehovah izany. Izany fahazarana izany no nahazoana fampirisihana, tany amin’ireo Fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” vao haingana izay, tamin’ilay fampisehoana tantara hoe Ry Fianakaviana — Ataovy Fomba Fiainanareo ny Famakiana Baiboly Isan’andro! — Salamo 1:1-3.

      17. Amin’ny ahoana ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly sy ny fanaovana tsianjery andinin-teny fototra no manampy amin’ny fampiharana ny torohevitra ao amin’ny Efesiana 6:4?

      17 Ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly, dia mifanaraka amin’izay nosoratan’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry ho an’ny Kristianina tany Efesosy, manao hoe: “Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Inona no hevitr’izany? Ny hoe “fanabezana ara-tsaina”, dia midika ara-bakiteny hoe “fametrahana ny saina ao amin’ny”. Koa ampirisihina àry ny raim-pianakaviana kristianina mba hametraka ny sain’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ireo zanany, izany hoe hanampy ny zanany hahafantatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Afaka manampy ho amin’izany zava-kendrena izany ny fampirisihana ny ankizy hianatra tsianjery andinin-teny fototra. Ny tanjona dia ny hahatonga ny fomba fihevitr’i Jehovah hitari-dalana ny fisainan’ny zanaka, hany ka hampiseho tsikelikely taratry ny fari-pitsipik’Andriamanitra ny fanirian’izy ireo sy ny fitondran-tenany, na miaraka amin’ny ray aman-dreniny izy na tsia. Ny Baiboly no fototr’izany fisainana izany. — Deoteronomia 6:6, 7.

      18. Rehefa mamaky ny Baiboly isika, inona no mety hilaina mba a) hahazoana mazava ny heviny? b) handraisan-tsoa avy amin’ny torohevitra raketiny? d) hanaovan-javatra mifanaraka amin’izay aharihariny momba ny fikasan’i Jehovah? e) handraisan-tsoa avy amin’izay lazainy momba ny fihetsik’olona sy ny zavatra nataony?

      18 Mazava ho azy fa raha tiantsika hisy heriny eo amin’ny fiainantsika ny Baiboly, dia ilaintsika ny mahazo ny hevitr’izay lazainy. Ho an’ny maro, dia mety hitaky famerimberenana mamaky ampahany ao amin’ny Baiboly izany. Mety hilaintsika ny hijery teny ao amin’ny diksionera, na ao amin’ny Étude perspicace des Écritures, mba hahazoana tsara ny hevitry ny teny sasany. Raha mirakitra torohevitra na didy ilay andinin-teny, dia makà fotoana hiresahana momba ny toe-javatra azo ampiharana izany amin’izao androntsika izao. Azonao atao avy eo ny manontany hoe: ‘Amin’ny ahoana no mitondra soa ho antsika ny fampiharana io torohevitra io?’ (Isaia 48:17, 18). Raha miresaka ny amin’ny lafiny iray amin’ny fikasan’i Jehovah ilay andinin-teny, dia manontania hoe: ‘Amin’ny ahoana izany no misy akony eo amin’ny fiainantsika?’ Angamba mamaky fitantarana momba ny fihetsik’olona sy ny zavatra nataony ianareo. Inona avy no fanerena nihatra tamin’ireo olona ireo teo amin’ny fiainana? Ahoana no niatrehany izany? Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatra navelany? Asio fotoana hatrany handinihana ny hevitr’ilay fitantarana, ho an’ny fiainantsika ankehitriny. — Romana 15:4; 1 Korintiana 10:11.

      19. Rehefa manahaka an’Andriamanitra isika, inona no homentsika ny zanatsika?

      19 Izany ka fomba tsara dia tsara handentehana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika! Amin’izany fomba izany no hanampiana antsika tokoa ‘hanahaka an’Andriamanitra, tahaka ny zanaka malala’. (Efesiana 5:1). Ary hanome ohatra izay tena mendrika ny hotahafin’ny zanatsika tokoa isika.

      Tadidinao Ve?

      ◻ Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mandray soa avy amin’ny ohatra omen’i Jehovah?

      ◻ Nahoana no tsy maintsy ampiarahina amin’ny ohatra tsaran’ny ray aman-dreny ny toromarika am-bava omena ny zanaka?

      ◻ Inona avy no lesona sasantsasany azo ianarana avy amin’ny ohatra omen’ny ray aman-dreny, izay ny fomba fampianatra tsara indrindra?

      ◻ Ahoana no ahafahantsika mandray soa feno avy amin’ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly?

  • Ry Fianakaviana, Mianara Tsy Tapaka ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jolay
    • Ry Fianakaviana, Mianara Tsy Tapaka ny Tenin’Andriamanitra

      “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. — MATIO 4:4.

      1. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny andraikitry ny loham-pianakaviana hampianatra ny zanany ny lalan’i Jehovah?

      MATETIKA i Jehovah Andriamanitra no nampahatsiahy ny loham-pianakaviana ny amin’ny andraikiny hampianatra ny zanany. Sady hanomana ny zanaka ho amin’ny fiainana ankehitriny ny fampianarana toy izany, no afaka manampy azy ireo hiomana ho amin’ny fiainana ho avy. Ny anjely iray nisolo tena an’Andriamanitra dia nisarika ny sain’i Abrahama ho amin’ny andraikiny hampianatra ny ankohonany, mba ‘hitandreman’izy ireo ny làlan’i Jehovah’. (Genesisy 18:19). Nilazana ireo ray aman-dreny isiraelita mba hanazava tamin’ireo zanany ny fomba nanafahan’Andriamanitra ny Isiraely tany Ejipta, sy ny fomba nanomezany azy ireo ny Lalàny teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, tany Horeba. (Eksodosy 13:8, 9; Deoteronomia 4:9, 10; 11:18-21). Toroana hevitra ny loham-pianakaviana kristianina mba hitaiza ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, NW ). Na dia ny ray na ny reny fotsiny aza no manompo an’i Jehovah, dia tokony hiezaka hampianatra ny zanany ny lalan’i Jehovah izy. — 2 Timoty 1:5; 3:14, 15.

      2. Ilaina ve ny fianaram-pianakaviana raha tsy misy zanaka ao an-trano? Hazavao.

      2 Tsy midika akory izany hoe natao ho an’ny tokantrano misy zanaka ihany ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa manao fianaram-pianakaviana ny mpivady, na tsy misy zanaka aza ao an-trano, izany dia mampiseho fankasitrahana tsara dia tsara ny zavatra ara-panahy. — Efesiana 5:25, 26.

      3. Nahoana no zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana tsy tapatapaka?

      3 Mba hahatonga ny fampianarana hitondra soa be indrindra, dia ilaina hatao tsy tapaka izy io, mifanaraka amin’ilay lesona nampianarin’i Jehovah ny Isiraely tany an’efitra, manao hoe: “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” (Deoteronomia 8:3). Mety hanao fandaharana hianatra isan-kerinandro ny fianakaviana sasany, miankina amin’ny tarehin-javatra misy azy; ny hafa kosa mety hanao fianarana fohy kokoa isan’andro. Na inona na inona fandaharana fidinareo, dia aza atao araka ny kisendrasendra ilay fianarana. ‘Makà fotoana’ hanaovana azy io. Tsy mahafaty antoka ny manao sorona mba hananam-potoana ho amin’izany, satria voakasika ny ain’ny mpianakavinao. — Efesiana 5:15-17, NW; Filipiana 3:16.

      Zava-kendrena tokony hotadidina hatrany

      4, 5. a) Tamin’ny alalan’i Mosesy, inona no zava-kendrena lehibe iray napetrak’i Jehovah teo anoloan’ny ray aman-dreny, rehefa nampianatra ny zanany izy ireo? b) Inona no voafaoka amin’izany amin’izao andro izao?

      4 Rehefa mitarika ny fianaram-pianakaviana ianao, dia hitondra soa faran’izay betsaka ny fitadidiana zava-kendrena voafaritra mazava tsara. Diniho ireto zavatra vitsivitsy azo atao ireto:

      5 Isaky ny mianatra, dia miezaha hampitombo fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra. Nivory teo amin’ny tany lemak’i Moaba ny Isiraely, talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tamin’izay i Mosesy dia nampifantoka ny sain’izy ireo ho amin’izay hampahafantarin’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana hoe ‘ny didy lehibe [indrindra] ao amin’ny lalàna’. Inona izany? “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra”. (Matio 22:36, 37; Deoteronomia 6:5). Nampirisihin’i Mosesy ny Isiraelita mba handentika io lalàna io tao am-pon’izy ireo, ka hampianatra azy io ny zanak’izy ireo. Izany dia hitaky famerimberenana, fanintonana ny saina ho amin’ireo antony tokony hitiavana an’i Jehovah, fanitsiana fihetsika sy fitondran-tena nety ho nanakantsakana ny fanehoana izany fitiavana izany, ary fanehoana fitiavana an’i Jehovah teo amin’ny fiainan’izy ireo. Mila karazam-pampianarana toy izany koa ve ny zanatsika? Eny! Ary mila ny hampiana koa izy ireo mba ‘hamora ny fon’izy ireo’, izany hoe mba hanaisotra ny zavatra rehetra izay hanakantsakana ny fitiavany an’Andriamanitra. (Deoteronomia 10:12, 16; Jeremia 4:4). Mety ho anisan’ny zavatra manakantsakana toy izany ny faniriana ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao, sy ny faniriana hahita fahafahana hiditra lalina amin’ireo zavatra ataon’izao tontolo izao. (1 Jaona 2:15, 16). Tsy maintsy arahin’asa sy mampiseho taratry ny fihetseham-pontsika ny fitiavana an’i Jehovah, ka manosika antsika hanao ireo zavatra mampifaly ny Raintsika any an-danitra. (1 Jaona 5:3). Mba handraisan-tsoa maharitra avy amin’ny fianaram-pianakaviana, dia tokony hanatanjaka izany fitiavana izany ny fomba itarihana ny fotoam-pianarana tsirairay.

      6. a) Inona no takina mba hampitana fahalalana araka ny marina? b) Ahoana no anantitranteran’ny Soratra Masina ny maha zava-dehibe ny fahalalana araka ny marina?

      6 Mampità fahalalana araka ny marina momba ireo zavatra takin’Andriamanitra. Inona no voafaoka amin’izany? Tsy ny fahaiza-mamaky valin-teny avy ao amin’ny gazety na boky fotsiny akory no voafaoka amin’izany. Mazàna no mitaky fiaraha-midinika izany mba hahazoana antoka fa azo mazava tsara ireo teny fototra sy ireo hevi-dehibe. Ny fahalalana araka ny marina dia lafin-javatra tena ilaina mba hitafiana ny toetra vaovao, mba hifantohana hatrany amin’ireo zavatra tena lehibe rehefa miatrika olana eo amin’ny fiainana, ary araka izany, dia tena ilaina mba hanaovana izay zavatra mampifaly an’Andriamanitra tokoa. — Filipiana 1:9-11; Kolosiana 1:9, 10; 3:10.

      7. a) Fanontaniana inona avy no mety hanampy ny mpianakavy hampihatra ny zavatra nianarany? b) Ahoana no anantitranteran’ny Soratra Masina ny hasarobidin’ny zava-kendrena toy izany?

      7 Ampio ny mpianakavy mba hampihatra ny zavatra nianarana. Ho fikendrena izany, dia manontania toy izao, mandritra ny fianaram-pianakaviana tsirairay: ‘Amin’ny ahoana no tokony hanan-kery eo amin’ny fiainantsika ity fianarana ity? Moa ve izany mitaky ny hanaovana fiovana eo amin’izay ataontsika ankehitriny? Nahoana isika no tokony haniry hanao fanitsiana?’ (Ohabolana 2:10-15; 9:10; Isaia 48:17, 18). Ny fanehoana fiheverana ampy ny amin’ny fomba hampiharana ireo zavatra nianarana dia mety ho anton-javatra lehibe mahatonga ny fitomboana ara-panahin’ny mpianakavy.

      Ampiasao amim-pahendrena ireo fitaovam-pampianarana

      8. Inona avy ireo fitaovam-pianarana Baiboly omen’ny kilasin’ny mpanompo?

      8 Manome fitaovana be dia be, izay azo ampiasaina amin’ny fianarana, “ny mpanompo mahatoky sy malina”. Misy amin’ny fiteny 131 ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, izay ampiasaina miaraka amin’ny Baiboly. Misy boky fianarana Baiboly amin’ny fiteny 153, bokikely amin’ny fiteny 284, cassettes amin’ny fiteny 61, vidéocassettes amin’ny fiteny 41, ary programa amin’ny ôrdinatera fanaovana fikarohana ara-baiboly mihitsy aza, amin’ny fiteny 9! — Matio 24:45-47, NW.

      9. Ahoana no azontsika ampiharana ny torohevitra ao amin’ireo andinin-teny voatonona eo amin’ity fehintsoratra ity, rehefa miara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ny mpianakavy?

      9 Tokantrano maro no mampiasa ny fotoana fanaovana fianaram-pianakaviana mba hanomanana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana hataon’ny kôngregasiôna. Tena mahasoa tokoa izany! Mirakitra ny sakafo ara-panahy lehibe indrindra nokendrena hampiorenana ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa miara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ny mpianakavy, dia aza mianina amin’ny famakiana ireo fehintsoratra sy ny famaliana ireo fanontaniana fotsiny. Miezaha amim-pahatsorana hahazo hevi-javatra. Makà fotoana hijerena ireo andinin-teny voatonona fa tsy voasoratra. Asao ny mpianakavy hanazava ny fomba ifandraisan’ireo andinin-teny ireo amin’izay voalaza ao amin’ilay fehintsoratra dinihina. Ataovy izay hahatonga ny rehetra hanazava avy amin’ny fony. — Ohabolana 4:7, 23; Asan’ny Apostoly 17:11.

      10. Inona no azo atao mba hampandraisana anjara ny zanaka amin’ilay fianarana, sy mba hahatonga ilay fianarana ho fotoana mahafinaritra azy ireo?

      10 Raha misy ankizy ao an-tokantranonao, inona no azonao atao mba tsy hahatonga ny fianaranareo ho fahazarana fotsiny, fa mba ho fotoana mampahery sy mahaliana ary mahafinaritra kosa? Miezaha hampandray anjara hatrany ny tsirairay, amin’ny fomba mifanentana aminy, mba hifantoka hatrany amin’ilay fianarana ny saina. Raha azo atao, dia iezaho mba samy hanana ny Baiboliny sy ny gazetiny fianarana ny ankizy tsirairay. Azon’ny ray na ny reny atao ny mampipetraka ny zanany kely iray ho eo akaikiny, ka angamba hisakambina azy, ho fanahafana ny firaiketam-po nasehon’i Jesosy. (Ampitahao amin’ny Marka 10:13-16.) Azon’ny loham-pianakaviana asaina manazava sary iray ao amin’ilay fianarana ny ankizy iray. Azo tendrena mialoha hamaky andinin-teny iray ny ankizy kely iray. Azo tendrena hilaza ireo toe-javatra azo ampiharana ilay fianarana kosa ny ankizy zokiny kokoa.

      11. Inona avy ireo fitaovam-pampianarana hafa omena, ary raha misy izy ireo, ahoana no azo ampiasana azy ireo mba handraisan-tsoa avy amin’ny fianaram-pianakaviana?

      11 Na dia mety hampiasa Ny Tilikambo Fiambenana ho fototra iorenan’ny fiaraha-midinika ataonareo aza ianareo, dia aza hadinoina ny fitaovam-pianarana hafa izay misy amin’ny fiteny maro. Raha ilaina ny fanazavana ara-tantara na ny fanazavana ny hevitry ny teny ara-baiboly iray, dia mety hahitana izany ao amin’ny Étude perspicace des Écritures. Mety ho voavaly ny fanontaniana hafa amin’ny fijerena ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower, na amin’ny fampiasana ilay programa amin’ny ôrdinatera fanaovana fikarohana, nomen’ny Fikambanana. Mety ho tapany sarobidy amin’ny fianaram-pianakaviana ny fianarana mampiasa ireo fitaovana ireo, raha misy amin’ny fiteninareo izy ireo. Mba hanairana ny fahalianan’ireo ankizy, dia azonao atao koa ny manokana ny ampahany amin’ilay fotoam-pianaranareo mba hijerena ampahany amin’ny vidéo iray ahitana fianarana navoakan’ny Fikambanana, na mba hihainoana ampahany amin’ny fampisehoana tantara iray amin’ny cassette. Azo atao avy eo ny miara-mandinika ilay zavatra nojerena na nohenoina. Manampy mba hahatonga ny fianaram-pianakavianareo hahaliana sy hahasoa ny mpianakavy rehetra, ny fampiasana tsara ireny fitaovam-pianarana ireny.

      Ampifanaraho amin’izay ilain’ny mpianakavy ny fianaram-pianakavianao

      12. Inona no anjara asan’ny fianaram-pianakaviana, raha ny amin’ny fiatrehana zavatra ilana fikarakarana maika dia maika?

      12 Angamba fahazaran’ny mpianakavinao ny miara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ilay herinandro diavina. Aoka anefa ianao haharaka izay toe-javatra sy olana atrehin’ny mpianakavinao. Raha toa ka tsy voatery miasa ny renim-pianakaviana, dia azony atao ny manokana fotoana iarahana amin’ny zanany isan’andro, rehefa mody avy any an-tsekoly izy ireo. Misy zava-manahirana sasany azo karakaraina amin’izay fotoana izay; ny hafa kosa mety hilana fiheverana bebe kokoa. Rehefa misy zavatra ilana fikarakarana maika dia maika, dia aza odian-tsy hita izany. (Ohabolana 27:12). Tsy ireo olana any an-tsekoly ihany no voakasika amin’izany, fa eo koa ny toe-javatra hafa. Mifantena zavatra ianarana mifanentana amin’ilay toe-javatra, ary ilazao mialoha ny rehetra hoe inona no hianarana.

      13. Nahoana no mety hahasoa ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy mahakasika ny fomba iatrehana ny fahantrana?

      13 Ohatra, gejain’ny fahantrana ny tapany lehibe amin’izao tontolo izao; koa mety ho tena ilaina ny handinihana ny fomba hiatrehana ny fahantrana, any amin’ny toerana maro. Hahasoa ny mpianakavinao ve ny fianaram-pianakaviana miompana amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana sy miompana amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly? — Ohabolana 21:5; Mpitoriteny 9:11; Hebreo 13:5, 6, 18.

      14. Rehefa ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana avy no mety ho amin’ny ilana azy ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy momba ny fiheveran’i Jehovah ny herisetra sy ny ady ary ny fialanalanana kristianina?

      14 Foto-kevitra hafa iray ilaina hodinihina koa ny herisetra. Mila mandentika mafy ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny fomba fihevitr’i Jehovah isika rehetra. (Genesisy 6:13; Salamo 11:5). Ny fianaram-pianakaviana momba io foto-kevitra io, dia azo anaovana fiaraha-midinika momba ny hoe ahoana no hiatrehana mpampijaly kely any an-tsekoly, sy ny hoe tokony hanao karate ve sa tsia, ary ny hoe ahoana no hifantenana fialam-boly sahaza ny Kristianina. Nanjary fahita mahazatra ny fifandonana amin-kerisetra; saika ny tany rehetra no ianjadian’ny ady an-trano, ny adilahy politika na ara-pirazanana, na ny ady ifanaovan’ireo andian-jiolahy. Vokatr’izany, dia mety hilain’ny mpianakavinao ny miara-midinika momba ny fihazonana fitondran-tena kristianina, rehefa voahodidin’ny ankolafiny miady. — Isaia 2:2-4; Jaona 17:16.

      15. Ahoana no fomba tokony hampianarana ny zanaka momba ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny fanambadiana?

      15 Rehefa mihalehibe ny ankizy, dia mila fampianarana momba ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny fanambadiana, araka izay sahaza ny taonany. Tsy miresaka mihitsy momba ny maha lahy sy ny maha vavy amin’ireo zanany, ny ankamaroan’ny ray aman-dreny any amin’ny kolontsaina sasany. Mety hahazo hevitra voaolana avy amin’ny tanora hafa ny ankizy tsy mahazo fanazavana, ka mety ho loza ny vokany. Tsy aleo ve manahaka an’i Jehovah, izay manome torohevitra mivantana nefa tsy manafintohina, momba izany zavatra izany, ao amin’ny Baiboly? Hanampy ny zanatsika hitandro ny hajan’ny tenany sy hitondra amim-pahamendrehana ny tsy lahy na ny tsy vavy tahaka azy, ny torohevitra avy amin’Andriamanitra. (Ohabolana 5:18-20; Kolosiana 3:5; 1 Tesaloniana 4:3-8). Na dia efa niresaka momba ireo zavatra ireo aza ianareo, dia aza misalasala mamerina izany indray. Tena zava-dehibe ny famerimberenana, isaky ny misy toe-javatra vaovao mipoitra.

      16. a) Any amin’ny tokantrano samihafa, inona no fotoana anaovana ny fianaram-pianakaviana? b) Ahoana no nandresenareo ireo vato misakana mba hanaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka?

      16 Inona no fotoana azo anaovana ny fianaram-pianakaviana? Tokantrano maro no maka tahaka ny fianakavian’ny Betela maneran-tany, ka manao ny fianaram-pianakaviany ny alatsinainy hariva. Andro hafa kosa ny an’ny hafa. Tany Arzantina, ny fianakaviana iray nisy 11 mianaka, anisan’izany ny ankizy 9, dia nifoha tsy tapaka tamin’ny dimy ora maraina isan’andro mba hanao ny fianaram-pianakaviany. Tsy nisy fotoana hafa azo nanaovana izany, satria samy hafa ny fotoana niasana. Tsy mora tamin’izy ireo izany, kanefa nandentika tao an-tsain’ireo ankizy sy tao am-pony ny maha zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana izany. Tany Philippines, ny loholona iray dia nanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany telo, mandra-pahalehiben’ireo ankizy. Nanao fianarana manokana niaraka tamin’ny zanany tsirairay koa izy mivady, tao anatin’ny herinandro, mba ho ny tenan’ny zanany tsirairay mihitsy no handray ny fahamarinana. Any Etazonia, ny anabavy iray manam-bady tsy Vavolombelona dia manatitra ireo zanany hatreo amin’ny toerana fandraisana ny aotobisin’ny sekoly, isa-maraina. Mandany folo minitra eo ho eo izy sy ireo zanany, miara-mamaky sy miara-mandinika boky fianarana araka ny Soratra Masina mifanentana amin’ireo ankizy, eo am-piandrasana ilay aotobisy. Avy eo ilay renim-pianakaviana dia manao vavaka fohy, alohan’ny hiakaran’ireo zanany ao amin’ilay aotobisy. Any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ny vehivavy iray nilaozan’ny vadiny tsy mpino dia tsy maintsy manao ezaka mafy rehefa mianatra, satria tsy nandia fianarana firy izy. Tonga manampy ny zanany lahy efa lehibe, ka mamangy isan-kerinandro mba hitarika fianarana miaraka amin’ilay reniny sy ny zandriny telo lahy. Manome ohatra tsara dia tsara ilay renim-pianakaviana, amin’ny fanomanana amim-pahazotoana. Moa ve misy toe-javatra manasarotra ny hanaovanareo fianaram-pianakaviana tsy tapaka? Aza milavo lefona. Mangataha amim-pahatsorana ny fitahian’i Jehovah ny ezaka ataonareo mba hanaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka. — Marka 11:23, 24.

      Valisoa entin’ny fikirizana

      17. a) Inona no takina, mba hanaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka? b) Milazà fitantarana izay mampiseho ny hasarobidin’ny fampianarana tsy tapaka ny mpianakavy ny lalan’i Jehovah.

      17 Ilaina ny fanaovana fandaharana mialoha. Takina koa ny fikirizana. Tena mendrika ny hanaovana izany anefa ireo soa azo avy amin’ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka. (Ohabolana 22:6; 3 Jaona 4). Nitaiza zaza 11 i Franz sy i Hilda, tany Alemaina. Taona maro tatỳ aoriana, dia hoy i Magdalena, zanany vavy: “Izao no heveriko ho zava-dehibe indrindra ankehitriny: Tsy nisy andro iray nandalo tamin’izany ka tsy nahazoanay fampianarana ara-panahy.” Rehefa nihamafy ny fanindrahindram-pirenena teo ambany fitondran’i Adolf Hitler, dia nampiasa ny Baiboly ny rain’i Magdalena mba hanomanana ny mpianakaviny ho amin’ireo fisedrana izay takany fa ho avy. Tatỳ aoriana, dia nalaina an-keriny ireo ankizy madinika ka nalefa tany amin’ny akany fitaizana zaza maditra; ny mpianakavy hafa nosamborina ka natao tany am-ponja sy tany amin’ny toby fitanana. Ny sasany novonoina ho faty. Tsy nihozongozona ny finoan’izy rehetra, tsy nandritra ilay fotoan’ny fanenjehana tamin-kalozana ihany, fa nandritra ireo taona nanaraka koa, ho an’ireo sisa tsy maty.

      18. Tamin’ny ahoana no nandraisana valisoa ny ezaka nataon’ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany?

      18 Maro ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany sy ireo manam-bady tsy mpino, no nanao toy izany koa ka nampianatra Baiboly tsy tapaka ny zanany. Ny renim-pianakaviana iray maty vady, tany Inde, dia niezaka mafy mba handentika tao amin’ny zanany roa ny fitiavana an’i Jehovah. Nalahelo mafy anefa izy, rehefa nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ny vahoakan’i Jehovah ny zanany lahy. Nitalaho tamin’i Jehovah io renim-pianakaviana io mba hamela ny helony, noho izay nety ho lesoka teo amin’ny fampianarany ilay zanany lahy. Tsy nanadino tanteraka izay nianarany anefa ilay zanany. Rehefa afaka folo taona mahery, dia niverina izy io, nanao fandrosoana ara-panahy tsara dia tsara, ary tonga loholona ao amin’ny kôngregasiôna. Mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, izy sy ny vadiny ankehitriny. Velom-pankasitrahana erỳ ireny ray aman-dreny ireny, izay nandray am-po ilay torohevitra avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany mba hampianatra Baiboly tsy tapaka ny mpianakaviny! Mampihatra izany torohevitra izany ao an-tokantranonao ve ianao?

      Hainao Hazavaina Ve?

      ◻ Nahoana no zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka?

      ◻ Inona avy no tokony ho zava-kendrentsika, mandritra ny fianaram-pianakaviana tsirairay?

      ◻ Fitaovam-pampianarana inona avy no azontsika ampiasaina?

      ◻ Ahoana no azo ampifanarahana ilay fianarana amin’izay ilain’ny mpianakavy?

      [Sary, pejy 15]

      Hanatsara ny fianaram-pianakavianao ny zava-kendrena voafaritra mazava

  • Miderà An’Andriamanitra, ry Fianakaviana Anisan’ny Kôngregasiônany
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jolay
    • Miderà An’Andriamanitra, ry Fianakaviana Anisan’ny Kôngregasiônany

      “Eo am-piangonana no isaorako an’i Jehovah.” — SALAMO 26:12.

      1. Inona no tapany lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana marina, ankoatra ny fianarana sy ny vavaka ao an-tokantrano?

      TSY ny vavaka sy ny fianarana Baiboly any an-tokantrano ihany no voafaoka amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, fa eo koa ny asa eo anivon’ny kôngregasiônan’Andriamanitra. Nodidiana mba ‘hamory ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika’ ny Isiraely fahiny, mba hianarany ny lalàn’Andriamanitra ka handehanany amin’ny lalany. (Deoteronomia 31:12; Josoa 8:35). Samy nampirisihina, na ny antitra, na ‘ny zatovolahy sy ny zatovovavy’, mba handray anjara amin’ny fiderana ny anaran’i Jehovah. (Salamo 148:12, 13). Misy fandaharana toy izany koa ampiharina eo anivon’ny kôngregasiôna kristianina. Any amin’ireo Efitrano Fanjakana maneran-tany, dia mandray anjara amin-kalalahana amin’ny fotoam-pivoriana anaovana fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy. Olona maro no finaritra erỳ rehefa mandray anjara. — Hebreo 10:23-25.

      2. a) Nahoana ny fanomanana no anton-javatra fototra iray manampy ny ankizy hankafy ireo fivoriana? b) Ny ohatr’iza no zava-dehibe?

      2 Marina fa mety ho zava-tsarotra ny manampy ny ankizy hanaraka fahazarana mahasoa, raha ny amin’ny asan’ny kôngregasiôna. Raha hita ho tsy mankafy ireo fivoriana ny ankizy sasany miara-manatrika amin’ny ray aman-dreniny, inona no mety ho anton’izany? Mazava ho azy fa tsy mahavita mampifantoka ny sainy maharitra ny ankamaroan’ny ankizy, ary mora very ny fahalianany. Afaka manampy amin’ny fiatrehana izany olana izany ny fanomanana. Raha tsy misy fanomanana, dia tsy afaka ny handray anjara tsara amin’ireo fivoriana ny ankizy. (Ohabolana 15:23). Raha tsy misy fanomanana, dia ho sarotra aminy ny hanao fandrosoana ara-panahy mitondra fahafaham-po. (1 Timoty 4:12, 15). Inona àry no azo atao? Voalohany aloha, dia ilain’ny ray aman-dreny ny manontany tena raha mba manomana fivoriana ny tenany. Misy heriny lehibe mantsy ny ohatra omen’ny ray aman-dreny. (Lioka 6:40). Mety ho anton-javatra lehibe koa ny fandaharana amim-pitandremana ny fianaram-pianakaviana.

      Fampiorenana ny fo

      3. Mandritra ny fianaram-pianakaviana, nahoana no tokony hanaovana ezaka manokana ny hampiorina ny fo, ary inona no takin’izany?

      3 Tsy tokony ho fotoana hamenoana ny loha amin’ny fahalalana fotsiny ny fianaram-pianakaviana, fa tokony ho fotoana hampiorenana ny fo koa. Sady mitaky fahafantarana ireo olana atrehin’ny mpianakavy izany, no mitaky fiahiana amim-pitiavana ny tsirairay. “Mpandinika ny fo” i Jehovah. — 1 Tantara 29:17, NW.

      4. a) Inona no hevitry ny hoe “tsy manana fo”? b) Inona no voafaoka amin’ny hoe “manjary manana fo”?

      4 Inona no hitan’i Jehovah rehefa mandinika ny fon’ireo zanatsika izy? Hilaza ny ankamaroan’izy ireo fa tia an’Andriamanitra ny tenany, ary mendri-piderana izany. Na izany aza anefa, raha vao mianatra momba an’i Jehovah ny ankizy iray na ny olona iray, dia voafetra ihany ny fahalalany ny lalan’i Jehovah. Koa satria zaza vao izy, dia mety ho “tsy manana fo”, araka ny ilazan’ny Baiboly azy. Angamba tsy ratsy avokoa ny antony manosika azy, kanefa mitaky fotoana ny hahatonga ny fony ho tena hampifaly an’Andriamanitra. Voafaoka amin’izany ny fiezahany hahatonga ny eritreriny, ny faniriany, ny firaiketam-pony, ny fihetseham-pony, sy ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana, hifanaraka amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra, araka izay azon’ny olombelona tsy lavorary atao. Rehefa mamolavola toy izany ilay toetra anaty, araka ny fomban’Andriamanitra, ilay olona, dia “manjary manana fo” izy. — Ohabolana 9:4, NW; 19:8, NW.

      5, 6. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany ‘hanjary hanana fo’?

      5 Moa ve ny ray aman-dreny afaka manampy ny zanany ‘hanjary hanana fo’? Marina fa tsy misy olombelona afaka mametraka toe-po tsara ao anatin’ny olon-kafa iray. Nomena safidy malalaka isika tsirairay, ary miankina be dia be amin’izay avelantsika hoeritreretin’ny saintsika ny toe-pontsika. Raha manana fahaiza-manavaka anefa ny ray aman-dreny, dia matetika no afaka mampirisika ny zanany haneho ny heviny, mba hahafantarany izay ao am-pon’ny zanany sy izay ilana fanampiana. Mametraha fanontaniana toy ny hoe: ‘Ahoana no fiheveranao izany?’, sy ny hoe ‘Inona no tena tianao hatao?’ Avy eo dia mihainoa amim-paharetana. Aza mora tezitra. (Ohabolana 20:5). Zava-dehibe ny isian’ny rivo-piainana anjakan’ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana ary ny fahazoana ny fihevitry ny zanaka, raha tianao ny hanohina ny fo.

      6 Mba hanamafisana ny fironana mahasoa, dia miresaha matetika momba ny vokatry ny fanahy — ireo lafiny tsirairay mihitsy — ary aoka hiara-miasa ny mpianakavy mba hamboly azy io. (Galatiana 5:22, 23). Mampiorena fitiavana an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, ka aza mianina amin’ny filazana hoe tokony ho tia azy ireo isika, fa diniho koa ireo antony tokony hitiavantsika azy ireo sy ny fomba azontsika anehoana izany fitiavana izany. (2 Korintiana 5:14, 15). Hatanjaho ny faniriana hanao izay mahitsy, amin’ny fanjohian-kevitra momba ireo soa hoentin’izany. Ampioreno ny faniriana hanalavitra eritreri-dratsy sy fitenenana tsy mety ary fitondran-tena tsy mendrika, amin’ny fandinihana ireo voka-dratsin’izany. (Amosa 5:15; 3 Jaona 11). Asehoy fa mety hisy akony eo amin’ny fifandraisan’ny olona iray amin’i Jehovah, ny eritreritra sy ny fitenenana ary ny fitondran-tena, na tsara izany na ratsy.

      7. Inona no azo atao mba hanampiana ny zanaka hiatrika olana sy handray fanapahan-kevitra tsara izay hahatonga azy ireo hitoetra ho akaiky an’i Jehovah hatrany?

      7 Rehefa manana olana ny ankizy iray, na mila mandray fanapahan-kevitra lehibe, dia azontsika atao ny manontany azy hoe: ‘Aminao, ahoana no fiheveran’i Jehovah izao zavatra izao? Inona no fantatrao momba an’i Jehovah ka mahatonga anao hilaza izany? Efa nivavaka taminy momba ilay izy ve ianao?’ Ampio ny zanakao hanorina fomba fiaina, izay anaovany ezaka amim-pahatsorana hatrany, mba hahafantarana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, ka hanaovana izany, rehefa avy eo. Atombohy aloha araka izay azo atao izany fanampiana izany. Rehefa manjary manana fifandraisana akaiky sady manokana amin’i Jehovah izy ireo, dia ho finaritra handeha amin’ny lalan’i Jehovah. (Salamo 119:34, 35). Izany dia hampitombo ao amin’izy ireo, fankasitrahana ilay tombontsoa hoe anisan’ny kôngregasiônan’ilay Andriamanitra marina.

      Fanomanana ireo fivorian’ny kôngregasiôna

      8. a) Inona no mety hanampy antsika hampiditra ao amin’ny fianaram-pianakaviantsika ny zava-drehetra mila fiheverana? b) Manao ahoana ny maha zava-dehibe io fianarana io?

      8 Misy raharaha maro mila ny hoheverina, mandritra ny fianaram-pianakaviana. Ahoana no azonao ampidirana azy rehetra? Tsy ho vita indray miaraka ny zava-drehetra. Mety ho hitanao anefa fa manampy ny fanaovana lisitra. (Ohabolana 21:5). Avereno jerena tsindraindray ilay lisitra, ka diniho izay mila fiheverana manokana. Manehoa fahalianana mafy amin’ny fandrosoan’ny mpianakavy tsirairay. Tapany lehibe amin’ny fampianarana kristianina io fandaharana ny amin’ny fianaram-pianakaviana io, satria manomana antsika ho amin’ny fiainana ankehitriny sy ho amin’ny fiainana mandrakizay ho avy. — 1 Timoty 4:8.

      9. Mahakasika ny fanomanana fivoriana, tanjona inona avy no azontsika iezahana hotratrarina miandalana, mandritra ireo fianaram-pianakaviantsika?

      9 Moa ve tafiditra ao amin’ny fianaram-pianakavianareo ny fanomanana ireo fivorian’ny kôngregasiôna? Misy zava-kendrena maromaro azonareo iezahana hotratrarina miandalana, rehefa miara-mianatra ianareo. Mety hitaky herinandro, volana, na taona maro mihitsy aza, ny fanatanterahana ny sasany amin’izany. Diniho ireto tanjona ireto: 1) ho vonona hanome valin-teny any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna ny mpianakavy tsirairay; 2) hiezaka hanome valin-teny amin’ny fomba fiteniny manokana ny tsirairay; 3) hampiditra andinin-teny ao amin’ny valin-teny; ary 4) hamakafaka ilay fianarana ho fikendrena ny hampihatra izany. Ireo rehetra ireo dia mety hanampy mba ho ny tenan’ny tsirairay mihitsy no handray ny fahamarinana. — Salamo 25:4, 5.

      10. a) Ahoana no azontsika anehoana fiheverana ny tsirairay amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna? b) Nahoana no mendrika ny hatao izany?

      10 Na dia mahazatra anareo aza ny mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ilay herinandro diavina, mandritra ny fianaram-pianakavianareo, dia aza odian-tsy hita ny maha zava-dehibe ny fanomanan’ny tsirairay, na ny fiarahan’ny mpianakavy manomana ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna, ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, ary ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Tapany lehibe amin’ilay fandaharana hampianarana antsika handeha amin’ny lalan’i Jehovah koa ireo. Angamba afaka ny hiara-manomana ireo fivoriana ny mpianakavy indraindray. Hihatsara ny fahaiza-mianatra, rehefa miara-miasa ianareo. Ho vokany, dia handraisan-tsoa bebe kokoa ireo fivoriana. Ankoatra ny zavatra hafa, dia diniho ireo soa entin’ny fanomanana tsy tapaka ireo fivoriana ireo sy ny maha zava-dehibe ny fanokanana fotoana hentitra hanaovana izany. — Efesiana 5:15-17.

      11, 12. Amin’ny ahoana no hahasoa antsika ny fanomanana ny hiran’ny kôngregasiôna, ary ahoana no azo anaovana izany?

      11 Nampirisihina isika tany amin’ireo Fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, mba hanomana ny lafiny misongadina iray amin’ireo fivoriantsika, dia ny fihirana. Efa nampiharinareo ve izany? Ny fanaovana izany, dia sady manampy mba handentehana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ireo fahamarinana ara-baiboly, no mampitombo ny fankafizantsika ireo fivorian’ny kôngregasiôna.

      12 Manampy antsika hihira avy amin’ny fo, ny fanomanana amakiana sy andinihana ny hevitr’ireo teny ao amin’ny hira sasany ao anatin’ny fandaharana. Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia nitana toerana lehibe teo amin’ny fanompoam-pivavahana ny fampiasana zavamaneno. (1 Tantara 25:1; Salamo 28:7). Misy mahay mitendry zavamaneno ve ny mpianakavinao? Nahoana raha ampiasaina izany zavamaneno izany mba hizarana amin’ny hiran’ilay Fanjakana iray ho an’ilay herinandro diavina, ary avy eo dia miara-mihira ilay izy ny mpianakavy? Azo atao koa ny mampiasa ireo hira noraisim-peo. Any amin’ny tany sasany, dia mahay mihira tsy misy mozika ireo rahalahintsika, ka mahafinaritra erỳ ny fanaovany izany. Matetika izy ireo no mankafy ny fihirana ireo hira ao anatin’ny fandaharana amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna ho an’ilay herinandro diavina, rehefa mandeha eny an-dalana, na rehefa manao ny asany eny an-tsaha. — Efesiana 5:19.

      Fiarahan’ny mpianakavy manomana ny fanompoana eny amin’ny saha

      13, 14. Nahoana no sarobidy ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy, izay manomana ny fontsika ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha?

      13 Tapany lehibe amin’ny fiainantsika ny fanambarana amin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny fikasany. (Isaia 43:10-12; Matio 24:14). Na antitra isika na tanora, dia hankafy bebe kokoa io asa io, ary hahatontosa bebe kokoa, raha manomana. Ahoana no ahafahantsika manao izany eo anivon’ny mpianakavintsika?

      14 Zava-dehibe ny hanomanantsika ny fontsika, toy ny amin’ny raharaha rehetra mahakasika ny fanompoam-pivavahantsika. Tsy ny zavatra hataontsika ihany no ilaintsika hodinihina, fa ny antony hanaovantsika izany koa. Tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka, dia nampianarina ny lalàn’Andriamanitra ny vahoaka, saingy “tsy mbola nampiomana ny fony” izy ireo, araka ny lazain’ny Baiboly amintsika. Nahatonga azy ireo ho mora voataona hiala tamin’ny fanompoam-pivavahana marina izany. (2 Tantara 20:33; 21:11). Ny zava-kendrentsika dia tsy ny hoe ho afaka hitatitra ny ora lany teo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, na ny hametraka zavatra vita an-tsoratra, fotsiny. Tokony ho fanehoana ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fitiavantsika ny olona izay mila ny hotolorana fahafahana hifidy ny fiainana, ny fanompoantsika. (Hebreo 13:15). “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika amin’io asa io. (1 Korintiana 3:9). Tombontsoa re izany! Rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana isika, dia miara-miasa amin’ny anjely masina. (Apokalypsy 14:6, 7). Fotoana inona indray moa no tsara kokoa hampiorenana fankasitrahana azy io, raha tsy amin’ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy, izany hoe amin’ny fianarantsika isan-kerinandro, na rehefa mandinika andinin-teny mifanentana amin’ny fanompoana, avy ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro?

      15. Amin’ny fotoana inona no azon’ny mpianakavy anomanana ny fanompoana eny amin’ny saha?

      15 Moa ve ianao maka fotoana avy amin’ny fianaram-pianakavianareo indraindray mba hanampiana ny mpianakavinao hanomana ny fanompoana eny amin’ny saha hatao amin’ilay herinandro diavina? Tena mahasoa ny fanaovana izany. (2 Timoty 2:15). Afaka manampy izany mba hahatonga ny fanompoan’izy ireo hisy zava-kendrena sy hamokatra. Azonao atao indraindray ny manokana ny fotoam-pianarana iray manontolo mba hanaovana fanomanana toy izany. Matetika kokoa, dia azonareo atao ny manao fiaraha-midinika fohy kokoa momba ireo lafiny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, eo am-pamaranana ny fianaram-pianakaviana, na amin’ny fotoana hafa ao anatin’ny herinandro.

      16. Lazao ny hasarobidin’ny dingana tsirairay voatonona eo amin’ny fehintsoratra.

      16 Azo afantoka amin’ny dingana mifampitohitohy toy ireto manaraka ireto ny fanomanan’ny mpianakavy: 1) Manomàna fomba fampiseho iray nanaovana famerenana tsara, izay misy andinin-teny iray hovakina ao amin’ny Baiboly, raha misy fahafahana hanaovana izany. 2) Ataovy azo antoka fa samy manana ireto fitaovana ireto ny tsirairay, raha azo atao: kitapo fitondra manompo, Baiboly, fandraisana an-tsoratra, stylo na pensilihazo, taratasy mivalona, sy zavatra vita an-tsoratra hafa tsy maloto na rovitra. Tsy voatery ho lafo vidy ilay kitapo fitondra manompo, kanefa tokony hadio sy hilamina tsara. 3) Diniho hoe aiza sy amin’ny fomba ahoana no hanaovana fanambarana tsy ara-potoana. Aorian’ny dingana tsirairay amin’io toromarika io, dia manokàna fotoana iarahanareo miasa eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manolora fanipazan-kevitra azo ampiharina, kanefa aza manome torohevitra be loatra.

      17, 18. a) Inona no karazana fanomanana azon’ny mpianakavy iaraha-manao, izay manampy mba hahatonga ny fanompoantsika eny amin’ny saha hahitam-bokatra kokoa? b) Lafiny inona amin’io fanomanana io no azo atao isan-kerinandro?

      17 Tapany lehibe amin’ilay asa nanendren’i Jesosy Kristy ny mpanara-dia azy ny fanaovana mpianatra. (Matio 28:19, 20). Tsy ny fitoriana ihany no voafaoka amin’ny fanaovana mpianatra, fa mitaky fampianarana koa izany. Amin’ny ahoana ny fianaram-pianakavianareo no afaka manampy anareo hahita vokatra amin’ny fanaovana mpianatra?

      18 Iaraho midinika ny hoe iza no tsara hanaovana fiverenana mitsidika. Nety ho nandray zavatra vita an-tsoratra ny olona sasany; ny hafa angamba nihaino fotsiny. Angamba hita tamin’ny fitoriana isan-trano na tamin’ny fanambarana tsy ara-potoana teny an-tsena na tany an-tsekoly izy ireny. Avelao hitarika anareo ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 25:9; Ezekiela 9:4). Tapaho ny hevitra hoe iza no tian’ny tsirairay aminareo hotsidihina mandritra ilay herinandro diavina. Inona no horesahina? Afaka manampy ny tsirairay hiomana, ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy. Raiso an-tsoratra ireo andinin-teny voafaritra tsara izay horesahina amin’ny olona liana, ary koa ireo hevitra mifanentana amin’ireo andinin-teny, avy ao amin’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, na ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Aza mitady hamelabelatra hevitra be loatra, mandritra ny fitsidihana iray. Rehefa handao an’ilay tompon-trano, dia mametraha fanontaniana iray izay hovaliana amin’ny fitsidihana manaraka. Nahoana raha atao anisan’ny fahazaranareo isan-kerinandro ny mandahatra ny hoe inona avy no fiverenana mitsidika hataon’ny tsirairay, rahoviana no hanaovany izany, ary inona no antenainy hotontosaina amin’izany? Afaka manampy ny mpianakavy rehetra ny fanaovana izany, mba hahitam-bokatra kokoa eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.

      Manohiza mampianatra azy ireo ny lalan’i Jehovah

      19. Raha tiana hanohy handeha amin’ny lalan’i Jehovah ny mpianakavy, inona no tsy maintsy tsapan’izy ireo, ary inona no manampy ho amin’izany?

      19 Zava-tsarotra izany hoe loham-pianakaviana izany, eto amin’ity tontolo ratsy ity. Miezaka hanimba ny fahasalamana ara-panahin’ny mpanompon’i Jehovah i Satana sy ireo demoniany. (1 Petera 5:8). Ankoatra izany, dia misy fanerena maro mihatra aminareo ray aman-dreny, indrindra fa aminareo ray na reny mitaiza irery ny zanakareo, amin’izao andro izao. Sarotra ny mahita fotoana hanaovana ny zava-drehetra tianareo hatao. Mendrika ny hanaovana ezaka anefa izany, na dia tsy afaka mampihatra fanipazan-kevitra afa-tsy iray monja isaky ny fianarana aza ianareo. Amin’izay ianareo dia manatsara miandalana ny fandaharan’ny fianaram-pianakavianareo. Valisoa mankahery ny mahita ireo izay tena akaiky anareo, mandeha amim-pahatokiana amin’ny lalan’i Jehovah. Mila mahita fifaliana amin’ny fanatrehana ireo fivorian’ny kôngregasiôna sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ny mpianakavy, mba handehanany amim-pahombiazana amin’ny lalan’i Jehovah. Mba hahatanteraka izany, dia takina ny fanomanana — fanomanana izay mampiorina ny fo sy manomana ny tsirairay handray anjara tsara.

      20. Inona no afaka manampy ray aman-dreny maro kokoa hahatsapa ilay karazam-pifaliana voalaza ao amin’ny 3 Jaona 4?

      20 Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona, mahakasika ireo izay nampiany teo amin’ny lafiny ara-panahy: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4). Manampy be dia be ny mpianakavy hiara-mahatsapa izany fifaliana izany, ny fianaram-pianakaviana tarihina amin’ny fananana zava-kendrena mazava ao an-tsaina. Afaka manampy be dia be koa ny loham-pianakaviana rehefa maneho hatsaram-panahy no sady vonon-kanampy, eo am-pikarakarana izay ilain’ny mpianakavy tsirairay. Amin’ny fanolokoloana fankasitrahana ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra, no anampian’ny ray aman-dreny ny mpianakaviny hahita ny fomba fiaina tena tsara indrindra. — Salamo 19:7-11.

      Hainao Hazavaina Ve?

      ◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ho an’ny zanatsika ny fanomanana fivoriana?

      ◻ Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany ‘hanjary hanana fo’?

      ◻ Amin’ny ahoana ny fianaram-pianakaviantsika no afaka manampy mba hanomanana ireo fivoriana rehetra?

      ◻ Amin’ny ahoana ny fiarahan’ny mpianakavy manomana ny fanompoana eny amin’ny saha no mety hanampy antsika hahita vokatra kokoa?

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara