FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/7 p. 20-25
  • Manahafa ny famindrampon’Andriamanitra amin’izao andro izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manahafa ny famindrampon’Andriamanitra amin’izao andro izao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famelan-keloka, adidy kristiana
  • Fiverenana amin’i Jehovah
  • Fanampiana feno famindrampo hafa
  • Asehoy fa Tsy Mivadika Ianao Rehefa Misy Havana Voaroaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Ahoana no Atao Rehefa Misy Voaroaka?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Misy Olona Tianao Niala Tamin’i Jehovah Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/7 p. 20-25

Manahafa ny famindrampon’Andriamanitra amin’izao andro izao

“Aleontsika ho azon’ny tànan’i Jehovah, — fa lehibe ny famindrampony.” — 2 SAMOELA 24:14.

1. Ahoana no fiheveran’i Davida ny famindrampon’Andriamanitra, ary nahoana?

FANTATR’I Davida mpanjaka avy amin’ny fanandraman-javatra fa mamindra fo kokoa noho ny olombelona i Jehovah. Noho izy natoky fa tsara indrindra ny fomban’Andriamanitra, na ny lalany, dia naniry hianatra izany sy handeha amin’ny fahamarinany i Davida. (1 Tantara 21:13; Salamo 25:4, 5). Toy ny an’i Davida ve ny fihevitrao?

2. Torohevitra inona no nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:15-17 mba hikarakarana fahotana lehibe?

2 Manome antsika fahatakarana lalina ny amin’ny fisainan’Andriamanitra ny Baiboly, na dia ny amin’ny raharaha momba ny tokony hatao raha misy manota amintsika aza. Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny izay ho tonga mpiandraikitra kristiana atỳ aoriana: “Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao”. Ny tsy rariny tafiditra eto, dia tsy hoe tsy fanehoam-piheverana manokana fotsiny fa ota lehibe toy ny fitaka na endrikendrika. Nilaza i Jesosy fa raha tsy mandamina ilay raharaha io dingana io, ary raha misy vavolombelona azo ampiasaina, dia tokony hitondra azy ireo miaraka aminy ilay niharam-pahavoazana mba hanaporofoana fa nisy tsy rariny natao tao. Moa ve io no dingana farany azo atao? Tsia. “Raha tsy mety mihaino ireo izy [ilay nanota], dia ambarao amin’ny fiangonana [kongregasiona, MN]; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana [kongregasiona, MN] koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.” — Matio 18:15-17.

3. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny filazana fa tsy maintsy hatao “tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra” ny mpanao ratsy tsy nibebaka iray?

3 Noho izy ireo Jiosy, dia takatry ny apostoly tsara ny dikan’ny hoe mitondra mpanota iray “tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra”. Nanalavitra ny fiarahana tamin’ny jentilisa ny Jiosy, ary nanamavo ireo Jiosy niasa tamin’ny naha-mpamory hetra romana.a (Jaona 4:9; Asan’ny apostoly 10:28). Noho izany, dia nanoro hevitra ny mpianany i Jesosy fa, raha lavin’ny kongregasiona ny mpanota iray, dia tsy maintsy mampitsahatra ny fiarahana aminy izy ireo. Ahoana anefa no ifandrindran’izany amin’ny fiarahan’i Jesosy indraindray tamin’ny mpamory hetra?

4. Raha jerena amin’ny teniny ao amin’ny Matio 18:17, nahoana i Jesosy no afaka nifampiraharaha tamin’ny mpamory hetra sy mpanota sasany?

4 Hoy ny Lioka 15:1: “Ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an’i Jesosy”. Tsy teo avokoa akory ny mpamory hetra na ny mpanota tsirairay avy, fa ny hoe “rehetra” dia amin’ny heviny hoe maro. (Ampitahao amin’ny Lioka 4:40.) Iza tamin’izy ireo? Ireo izay te ho voavela heloka. Ny sasany tamin’ireny teo aloha, dia voasinton’ny hafatra momba ny fibebahana nentin’i Jaona mpanao batisa. (Lioka 3:12; 7:29). Koa rehefa nisy hafa nanatona an’i Jesosy, ny fitoriana nataony tamin’ireo dia tsy nandika ny toroheviny ao amin’ny Matio 18:17. Diniho fa “maro ny mpamory hetra sy ny mpanota [nandre an’i Jesosy] (...) dia nanaraka Azy izy”. (Marka 2:15). Ireo akory tsy irony naniry hanohy hanaraka fomba fiaina ratsy irony, ka nanda fanampiana. Nandre ny hafatr’i Jesosy kosa izy ireo ary tohina ny fony. Na dia mbola nanota aza izy ireo, kanefa azo inoana fa niezaka nanao fiovana, dia nitory taminy ilay “Mpiandry Tsara” nanahaka ny Rainy be famindrampo. — Jaona 10:14.

Famelan-keloka, adidy kristiana

5. Inona no toerana fototra tanan’Andriamanitra ny amin’ny famelan-keloka?

5 Manana ireto fanomezan-toky mafana avy amin’ny fahavononan’ny Raintsika hamela heloka ireto isika: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra”. “Izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina (1 Jaona 1:9; 2:1). Mety hisy famelan-keloka ve ho an’ny olona iray voaroaka?

6. Ahoana no ahafahan’ny olona voaroaka iray ho voavela heloka sy ho voaray indray?

6 Eny. Tamin’ny fotoana nandroahana olona iray noho ny tsy fibebahana tamin’ny ota, dia nanazava taminy ireo loholona solontenan’ny kongregasiona, fa azony atao ny mibebaka sy mahazo ny famelan’Andriamanitra. Afaka manatrika fivoriana izy any amin’ny Efitrano Fanjakana izay ahafahany mandre torolalan’ny Baiboly mety hanampy azy hibebaka. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 14:23-25.) Rehefa ela ny ela, dia mety hitady ny handray indray ny toerany ao anatin’ny kongregasiona madio izy. Rehefa mihaona aminy amin’izay ireo loholona, dia hiezahan’izy ireo hofantarina raha nibebaka sy nandao ny lalan’ny ota izy. (Matio 18:18). Raha izany no izy, dia azo raisina indray izy mifanaraka amin’ilay fomba narahina ao amin’ny 2 Korintiana 2:5-8. Raha voaroaka nandritra ny taona maro izy, dia hila ny hanao ezaka mafy amim-pahatsorana mba handrosoana. Mety hila fanampiana be koa izy rehefa avy eo mba hampitomboana ny fahalalany ny Baiboly sy ny fankasitrahany ka ho tonga kristiana matanjaka ara-panahy.

Fiverenana amin’i Jehovah

7, 8. Fomba fanaovan-javatra inona no naorin’Andriamanitra nifandray tamin’ny vahoakany lasa tany amin’ny fahababoana?

7 Moa ve anefa ny tenan’ireo loholona afaka mitari-javatra mba hanatonana olona voaroaka iray? Eny. Asehon’ny Baiboly fa ny famindrampo dia tsy aseho fotsiny amin’ny fifehezana ny tena tsy hanafay amin’ny fomba tsy manorina, fa matetika amin’ny fanaovana asa manorina. Manana ny ohatr’i Jehovah isika. Talohan’ny nandefasany ny vahoakany nivadika tany amin’ny fahababoana, dia nanome ara-paminaniana fanantenana ny amin’ny fiverenan’izy ireo indray Izy: “Tsarovy ireo zavatra ireo, ry Jakoba ô, sy ianao, ry Isiraely ô, satria mpanompoko ianao (...) Hamafa ny fahadisoanao toy ny amin’ny rahona aho, ary ny fahotanao toy ny amin’ny rahona betsaka. Miverena amiko, fa hanavotra anao aho”. — Isaia 44:21, 22, MN.

8 Avy eo, nandritra ny fahababoana, dia nanao dingana fanampiny i Jehovah, nanao zavatra tamin’ny fomba manorina. Nandefa ny mpaminaniny, ny solontenany izy mba hanasa ny Isiraely ‘hitady sy hahita’ azy. (Jeremia 29:1, 10-14). Ao amin’ny Ezekiela 34:16, dia nampitovy ny tenany tamin’ny mpiandry ondry izy, ary ny vahoakan’ny firenen’Isiraely tamin’ny ondry very: “Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko”. Ao amin’ny Jeremia 31:10, dia nampiasa koa ilay sary ara-panoharana ny amin’ny maha-mpiandry ny Isiraelita azy i Jehovah. Tsia, tsy nilazalaza ny tenany ho toy ny mpiandry ondry iray ao amin’ny valan’ondry, eo am-piandrasana ny fiverenan’ilay very akory izy; fa nasehony kosa ny tenany ho toy ny mpiandry ondry eo am-pitadiavana ilay very. Mariho fa na dia tsy nibebaka sy lasa tany amin’ny fahababoana aza ny vahoaka tamin’ny ankapobeny, dia nanomboka ezaka hitadiavana ny fiverenany Andriamanitra. Ary mifanaraka amin’ny Malakia 3:6, dia tsy hanova ny fomba fifampiraharahany Andriamanitra ao amin’ny fandaharana kristiana.

9. Ahoana no nanarahana ny ohatra navelan’Andriamanitra tao amin’ny kongregasiona kristiana?

9 Moa ve izany tsy mahatonga hieritreritra fa mety hisy antony hitarihana dingana amin’ny sasany izay voaroaka ary mety ho efa nibebaka izao? Tsarovy fa nanome torolalana mba hanesorana ilay olon-dratsy tao amin’ny kongregasion’i Korinto ny apostoly Paoly. Tatỳ aoriana izy dia nampirisika ny kongregasiona mba hanamafy ny fitiavany ilay lehilahy noho ny fibebahany, izay nitarika ny fandraisana azy indray tao anatin’ny kongregasiona tatỳ aoriana kokoa. — 1 Korintiana 5:9-13; 2 Korintiana 2:5-11.

10. a) Inona no antony tokony hanesika hanao ezaka mba hifandraisana amin’ny olona voaroaka sasany? b) Nahoana no tsy ho ireo kristiana havana no hitarika izay hisian’ny fifandraisana?

10 Hoy ilay firaketana voalaza tetsy aloha: ‘Ny antony fototra nanaovana ny fandroahana dia mba hiarovana ny fari-pitondrantenan’ilay antokon’olona: “ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra”. (1 Kor. 5:6). Mazava io antony io ao amin’ny ankamaroan’ny andinin-teny ara-baiboly sy ireo tsy anisan’ny Soratra masina, kanefa dia ny fiahiana ny isam-batan’olona, na dia aorian’ny fandroahana aza, no fototry ny fiangavian’i Paoly ao amin’ny 2 Kor. 2:7-10’. (Izahay no manao soramandry.) Noho izany, araka ny fandrindran-kevitra, ny fiahiana karazan’izany dia tokony hasehon’ireo mpiandry ny andian’ondry. (Asan’ny apostoly 20:28; 1 Petera 5:2). Mety haniry ny hiverenan’ny voaroaka iray ireo namany taloha sy ny fianakaviany; kanefa noho ny fanajana ny baiko ao amin’ny 1 Korintiana 5:11, dia tsy miaraka amin’olona voaroaka izy ireo.b Avelan’izy ireo ho ireo mpiandry voatendry no hitari-javatra mba hahitana raha te hiverina izany olona izany.

11, 12. Tsy maniry hifandray amina karazana voaroaka toy inona moa na dia ny loholona aza, kanefa karazany manao ahoana no mety hotsidihiny?

11 Tsy hety, na dia ho an’ireo loholona aza, ny hitari-javatra amin’ny voaroaka sasany, toy ny mpivadi-pinoana, izay “mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy”. Ireo dia ‘mpampianatra sandoka izay miezaka mitondra fitokotokoana manimba ary manambaka ny kongregasiona amin’ny teny mamitaka’. (Asan’ny apostoly 20:30; 2 Petera 2:1, 3, MN). Ny Baiboly koa dia tsy manome antony itadiavana ireo voaroaka izay tia ady na izay mampirisika mafy ny fanaovan-dratsy. — 2 Tesaloniana 2:3; 1 Timoty 4:1; 2 Jaona 9-11; Joda 4, 11.

12 Tsy toy izany anefa ny voaroaka maro. Mety ho nampitsahatra ilay fanaovan-dratsy lehibe nahavoaroaka azy ny iray. Ny hafa mety ho nifoka sigara na nihinam-paraky, na mety ho nisotro tafahoatra tamin’ny lasa, kanefa izao izy dia tsy manandrana mitarika ny hafa amin’ny fanaovan-dratsy. Tsarovy fa, na dia talohan’ny niverenan’ny Isiraely lasa tany amin’ny fahababoana tamin’Andriamanitra aza, dia naniraka solontena i Jehovah mba hampirisika azy ireo hiverina. Tsy milaza ny Baiboly raha nitari-javatra mba hanadinadinana ilay lehilahy voaroaka i Paoly na ireo loholona tao amin’ny kongregasionan’i Korinto. Rehefa nibebaka io lehilahy io ary nampitsahatra ny fahalotoam-pitondrantenany, dia nitarika ny kongregasiona mba handray azy indray i Paoly.

13, 14. a) Inona no mampiseho fa mety hanao zavatra ny voaroaka sasany noho ny fitarihan-javatra feno famindrampo? b) Ahoana no ahafahan’ny kolejin’ny loholona manao fandaharana mba hisian’ny fifandraisana?

13 Tsy ela izay, tamin’ny toe-javatra maromaro, dia nisy loholona sendra nifanena tamin’olona voaroaka.c Rehefa nety ny nanaovana izany, dia nosoritan’ilay mpiandry fohifohy ireo dingana tsy maintsy atao mba ho voaray indray. Ny olona sasany toy izany dia nibebaka ary voaray indray. Ny fiafaran-javatra mahafaly toy izany dia milaza fa mety hisy voaroaka na voarara tsy hiaraka amin’ny rehetra izay hanao zavatra noho ny fanatonana feno famindrampo ataon’ireo mpiandry. Ahoana anefa no mety hikarakaran’ireo loholona io raharaha io? Indray mandeha isan-taona fara fahabetsany, dia tokony handinika ny kolejin’ny loholona raha misy olona toy izany mipetraka ao amin’ny faritanin’izy ireo.d Hifantoka amin’ireo voaroaka hatramin’ny herintaona mahery ireo loholona. Arakaraka ny toe-javatra, raha mety ny anaovana izany, izy ireo dia hanendry loholona roa (antenaina fa ireo mahafantatra tsara ilay toe-javatra) mba hitsidika olona toy izany. Tsy hisy fitsidihana hatao ho an’izay mampiseho fihetsika manakiana sy mampidi-doza na izay nampahafantatra fa tsy mila fanampiana. — Romana 16:17, 18; 1 Timoty 1:20; 2 Timoty 2:16-18.

14 Afaka miantso an-telefaonina ireo mpiandry roa mba hanontaniana ny amin’ny fanaovana fitsidihana fohy iray, na afaka mivily kely any aminy amin’ny fotoana mety. Mandritra ilay fitsidihana izy ireo dia tsy voatery ho hentitra na hiseho ho mangatsiaka akory aza, fa tokony hanome taratra amin-kafanana ny fiahian’izy ireo feno famindrampo. Afaka mandinika andinin-teny ao amin’ny Baiboly toy ny Isaia 1:18 sy ny 55:6, 7 ary ny Jakoba 5:20 izy ireo fa tsy hijery indray ilay toe-javatra taloha. Raha te hiverina ao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ilay olona, dia azon’izy ireo hazavaina amin-katsaram-panahy ny dingana tokony hataony, toy ny famakiana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower ary ny fanatrehana ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana.

15. Inona no tokony hotadidin’ireo loholona mifandray amin’olona voaroaka?

15 Hila fahendrena sy fahaiza-manavaka ireo loholona ireo mba hamaritana raha misy famantarana fibebahana ary raha ho fahendrena ny hanaovana fitsidihana mitohitohy. Tokony hataony ao an-tsaina, mazava ho azy, fa ny voaroaka sasany dia tsy ho azo “havaozina indray ho amin’ny fibebahana” intsony. (Hebreo 6:4-6; 2 Petera 2:20-22). Aorian’ny fitsidihana dia hanao tatitra am-bava fohy izy roa lahy ho an’ny Komitin’asan’ny kongregasiona. Ireo kosa, dia hampahafantatra izany ny kolejin’ny loholona amin’ny fivorian’izy ireo manaraka. Ho naneho taratry ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fitarihan-javatra tamim-pamindrampo nataon’ireo loholona: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. — Malakia 3:7.

Fanampiana feno famindrampo hafa

16, 17. Ahoana no tokony ho fijerintsika ireo kristiana havan’ny olona iray voaroaka?

16 Ahoana ny amintsika izay tsy mpiandraikitra ary tsy hitari-javatra toy izany amin’olona voaroaka? Inona no azontsika atao mifanaraka amin’io fandaharana io ary ho fanahafana an’i Jehovah?

17 Raha mbola voaroaka na voarara tsy hiaraka amin’ny rehetra ny olona iray, dia ilaintsika ny manaraka ilay toromarika hoe: “Aza miharoharo amin’izay antsoina hoe rahalahy izay mpijangajanga na mpierina, na mpanompo sampy na mpanaratsy, na mpimamo na mpanao an-keriny, aza miara-mihinana akory amin’ny olona toy izany”. (1 Korintiana 5:11, MN). Io toromarika ara-baiboly io anefa dia tsy tokony hisy heriny eo amin’ny fijerintsika ireo kristiana anisan’ny fianakaviana miara-monina amin’olona voaroaka. Mafy aoka izany ny fihetsik’ireo Jiosy fahiny tamin’ny mpamory hetra ka niitatra hatrany amin’ny fianakaviany mihitsy ny fankahalan’izy ireo. Tsy niray hevitra tamin’izany i Jesosy. Nilaza izy fa ny mpanota iray izay nanda fanampiana dia tsy maintsy entina “tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra”; tsy nilaza izy hoe tsy maintsy entina toy izany koa ireo kristiana anisan’ny fianakaviany. — Matio 18:17.

18, 19. Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika ampisehoana ny fanarahantsika ny kristianisma amin’ireo havana mahatokin’ny olona voaroaka iray?

18 Tokony hanohana manokana ireo anisan’ny fianakaviana izay kristiana mahatoky isika. Mety ho efa miatrika fahoriana sy vato misakana maro izy ireo noho ny fiaraha-monina amin’olona voaroaka izay, raha ny marina, dia mety hanakivy ny fiezahan’izy ireo ara-panahy. Mety tsy haniry ny fitsidihan’ireo kristiana any an-trano ilay voaroaka; na, raha tonga hamangy ireo anisan’ny fianakaviana mahatoky izy ireo, dia mety tsy hanana fahalalam-pomba hanalavitra ireo mpitsidika izy. Mety hanakantsakana koa ny fiezahan’ny fianakaviana handeha any amin’ireo fivoriana sy fivoriambe kristiana rehetra izy. (Ampitahao amin’ny Matio 23:13.) Mendrika ny famindrampontsika marina tokoa ny kristiana miaina ao anatin’ny toe-javatra ratsy toy izany. — 2 Korintiana 1:3, 4.

19 Ny fomba iray azontsika anehoana famindrampo mampiseho fitiavana dia amin’ny ‘fitenenana amin’ny fomba mampionona’ ary amin’ny fanaovana resaka mampahery miaraka amin’ireo mahatoky ao amin’ny ankohonana ireo. (1 Tesaloniana 5:14, MN). Misy fahafahana tsara dia tsara hanome fanohanana koa aloha sy aorian’ny fivoriana, eny am-panaovana ny fanompoana, na rehefa miaraka amin’ny fotoana hafa. Tsy voatery hanisy resaka ny amin’ny fandroahana isika fa afaka miara-midinika zavatra mampandroso maro. (Ohabolana 25:11; Kolosiana 1:2-4). Raha mbola manohy miandry ireo kristiana ao amin’ilay fianakaviana ireo loholona, dia mety ho hitantsika fa, isika koa dia afaka mitsidika tsy misy fifampiraharahana amin’ilay olona voaroaka. Raha ilay voaroaka no sendra mamaly rehefa mitsidika isika na miantso an-telefaonina, dia azontsika lazaina fotsiny fa maniry hiresaka amin’ilay kristiana havany izay tadiavintsika isika. Indraindray, ireo kristiana anisan’ny fianakaviana dia mety ho afaka hanaiky fanasana any an-tranontsika ho fiarahana. Ny zava-dehibe indrindra dia izao: Mpiara-manompo amintsika izy ireo — na tanora na antitra — mpikambana tiana ao amin’ny kongregasionan’Andriamanitra, tsy tokony havela hitokana. — Salamo 10:14.

20, 21. Ahoana no tokony ho fihetseham-pontsika sy fihetsitsika rehefa misy voaray indray?

20 Misokatra ny lafiny hafa iray ahazoana maneho famindrampo rehefa voaray indray ny voaroaka iray. Ireo fanoharana nataon’i Jesosy dia mampisongadina ny fifaliana any an-danitra rehefa ‘mibebaka ny mpanota iray’. (Lioka 15:7, 10). Nanoratra toy izao ho an’ny Korintiana ny amin’ilay lehilahy izay voaroaka i Paoly: “Koa dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa hianareo, fandrao dia resin’ny fitomboan’alahelo izany olona izany. Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ny fitiavana izy”. (2 Korintiana 2:7, 8). Aoka isika hampihatra io torohevitra io amim-pahatoniana sy amim-pitiavana amin’ireo andro sy herinandro aorian’ny fandraisana indray ny olona iray.

21 Ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ilay zanaka adala dia nampipoitra loza iray izay ilaintsika hohalavirina. Ilay lahimatoa dia tsy nifaly tamin’ny fiverenan’ilay adala fa nampiseho hatezerana. Enga anie isika tsy ho toy izany, ka hitahiry fikasan-dratsy noho ny tsy rariny tamin’ny lasa, na hihevitra fa tsy mendrika ny horaisina indray ny olona iray. Ny zava-kendrentsika kosa, dia ny ho tonga sahala amin’ilay ray izay nampiseho ny fihetsik’i Jehovah. Faly ilay ray fa ny zanany, izay very sy toy ny maty mihitsy aza, dia hita na velona indray. (Lioka 15:25-32). Mifanaraka amin’izany, dia hiresaka amin-kalalahana amin’ilay rahalahy voaray indray isika ary koa hampahery azy. Eny, tokony hataontsika izay hampiharihary fa maneho famindrampo isika toy ny ataon’ny Raintsika any an-danitra mamela heloka sy mamindra fo. — Matio 5:7.

22. Inona no tafiditra amin’ny fanahafantsika an’i Jehovah Andriamanitra?

22 Tsy misy iadian-kevitra fa, raha maniry hanahaka an’Andriamanitsika isika, dia tsy maintsy mampiseho famindrampo mifanaraka amin’ny didiny sy ny rariny. Nilazalaza ny aminy amin’izao fomba izao ny mpanao salamo: “Mamindra fo sy miantra Jehovah; mahari-po sady be famindrampo Izy. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra.” (Salamo 145:8, 9) Fomba fanaovan-javatra feno fitiavana faka tahaka re izany ho an’ny kristiana!

[Fanamarihana ambany pejy]

a “Nohamavoin’ny vahoaka jiosy tany Palestina manokana ireo mpamory hetra noho ny antony maromaro: 1) nanangona vola ho an’ny fahefana vahiny izay nanapaka ny tanin’ny Isiraely izy ireo, ka nanohana tsy nivantana io fisehoan-javatra nanafintohina io; 2) nalaza ratsy ho maty eritreritra izy ireo, nitombo harena noho ny fahavoazan’ny hafa iray firenena taminy; ary 3) ny asany dia nitarika azy ireo hanana fifandraisana tsy tapaka tamin’ny Jentilisa, nahatonga azy ho naloto ara-pomba. Ny fanamavoana ny mpamory hetra dia hita ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] sy ao amin’ny haisoratra nataon’ireo raby (...) Araka ilay faharoa, ny fankahalana dia tsy maintsy nitarina hatrany amin’ny fianakavian’ilay mpitaky hetra mihitsy aza.” — The International Standard Bible Encyclopedia.

b Raha misy havana voaroaka ao amin’ny ankohonana kristiana iray, izy io dia mbola tafiditra ao amin’ny fifandraisana sy asa fanaon’ny ankohonana ara-dalàna mahazatra isan’andro. Izany dia mety hahatafiditra ny fanatrehany eo rehefa misy zavatra ara-panahy dinihina amin’ny maha-fianakaviana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1989, pejy faha-19-20.

c Jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1991, pejy faha-53-54.

d Raha misy Vavolombelona, tamin’ny fitoriana isan-trano na tamin’ny fomba hafa, mahafantatra fa misy olona voaroaka mipetraka ao amin’ilay faritany, dia tokony hampahafantatra izany amin’ireo loholona izy.

Nahamarika ireto hevitra ireto ve ianao?

◻ Ahoana no nitondran’ny Jiosy ny mpamory hetra sy ny mpanota, kanefa nahoana i Jesosy no nifampiraharaha tamin’ny sasany taminy?

◻ Inona no fototra ara-baiboly mikasika ny fitarihan-javatra feno famindrampo noraisina ho an’ireo very maro be?

◻ Ahoana no ahafahan’ny kolejin’ny loholona mitari-javatra toy izany, ary amin’iza?

◻ Ahoana no tokony hanehoantsika famindrampo amin’ireo voaray indray sy amin’ny fianakavian’ny voaroaka?

[Efajoro, pejy 23]

Na iza na iza anisan’ny kongregasionan’Andriamanitra madio sady sambatra taloha, kanefa voaroaka na voarara tsy hiaraka amin’ny rehetra, dia tsy voatery hijanona amin’ny toerana toy izany. Afaka mibebaka kosa izy io ary mitari-javatra mba hifandray amin’ireo loholon’ny kongregasiona. Mivoha ny lalana fiverenana.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Garo Nalbandian

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara