FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/6 p. 30-31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny Ra — Iankinan’ny Aina
    Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?
  • Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/6 p. 30-31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah manaiky ny fampiasana ny ra “autologue” (autotransfusion)? Ekeny ve, ohatra, ny hitahirizana tapany amin’ny rany mba hampidirana izany atỳ aoriana ao amin’ny tenany?

Mandrakariva ny mpitsabo dia manavaka ny ra “homologue” (avy amin’olon-kafa) sy ny ra “autologue” (avy amin’ny tenan’ilay marary). Araka ny fantatry ny rehetra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manaiky ny handray ran’olon-kafa. Fa ahoana no hiheverana ny fampiasana ny ran’ilay marary ihany amin’ny fomba maromaro?

Tsy azo ekena ny sasany amin’ireny fomba ireny, satria hita miharihary ho mifanohitra amin’ny Baiboly, fa ny hafa kosa miteraka fanontaniana. Marina fa tamin’ny andro nanoratana ny Baiboly, ny fampiasana ny ra ho fitsaboana, anisan’izany ny fampidiran-dra, dia tsy fantatra. Na dia izany aza, Andriamanitra dia nanome ho an’ireo mpanompony, toromarika mahatonga ho afaka hamantatra raha tsy ankasitrahany ny fanao ara-pitsaboana sasany ampiasana ny ra.

Namoaka didy Andriamanitra fa mampiseho ny aina ny ra, noho izany dia masina. Nandidy izy mba tsy hisian’ny olona mitana ny ainy amin’ny fandraisana ra. Ohatra, izao no nambarany: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; (...) Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” (Genesisy 9:3, 4; Levitikosy 7:26, 27). Ilay nanome ny aina dia tsy nanome lalana hampiasa ny ra afa-tsy ao anatin’ny faritry ny sorona: “Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra.” — Levitikosy 17:11, 12.

Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny kristiana, araka ny voalazan’ny Baiboly, dia ‘ilaina’ny ‘hifadiany ny ra’, izay heveriny ho masina (Asa. 15:28, 29). Takatra ny mahatonga izany, satria ireo sorona naterina teo ambanin’ny Lalàna dia nampiseho ny ran’i Kristy, dia ny fomba nomanin’Andriamanitra mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay. — Hebreo 9:11-15, 22.

Teo ambanin’ny lalàna, tokony hatao ahoana moa ny ra raha tsy nampiasaina tao anatin’ny faritry ny sorona? Rehefa nahazo haza ny mpihaza iray, dia tokony “haidiny amin’ny tany ny rany ka hototofany”. (Levitikosy 17:13, 14; Deoteronomia 12:22-24.) Tsy azo nampiasaina ho sakafo na tamin’ny fomba hafa àry ny ra. Rehefa nalatsa-dra ny biby iray ka tsy nampiasaina tao anatin’ny faritry ny sorona ny rany, dia tokony hararaka amin’ny tany, eo amin’ny fitoeran-tongotr’Andriamanitra, izany. — Isaia 66:1; jereo Ezekiela 24:7, 8.

Io toromarika io dia manilika tsy misy fihambahambana ny anankiray amin’ireo fampiasana mahazatra ny ran’ilay marary ihany: ny fakana izany alohan’ny fandidiana, ny fitahirizana azy sy ny fampidirana azy amin’ny tena rehefa avy eo. Toy izao io fomba io: Alohan’ny fandidiana voafetra mialoha, dia itahirizana amin’ny ra manontolon’ny olona iray, na atokana ny globilina mena ka ampangatsiahina mba hitahirizana azy. Atỳ aoriana, raha hita fa toa mila ra ilay marary mandritra na aorian’ny fandidiana, dia azo averina aminy ny ran’ny tenany ihany. Noho ny tahotra ny aretina entin’ny ra, dia manjary fanao izany karazam-pampidiran-dra “autologue” izany. TSY MANAIKY io fomba io anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Takatsika hatramin’ny ela be fa tsy anisan’ny tenan’ilay olona intsony mihitsy izany ra notahirizina izany. Noho izy efa niala tanteraka tsy ho ao amin’ny tena, dia tokony hariana izany, araka ny Lalàn’Andriamanitra hoe: “Aidino amin’ny tany toy ny rano izy.” — Deoteronomia 12:24.

Ny fomba iray somary hafa kokoa dia ny fampiviliana ny ran’ilay marary ao amin’ny “dialyseur” (voa tsy vita Nanahary) na ao amin’ny fo sy havokavoka namboarin’olona. Ampandehanina amin’ny alalan’ny fantsona lava hatrany amin’ilay faritra tsy vita Nanahary izay misintona azy sy manatantavana azy (na manisy ôksizenina), alohan’ny hiverenany ao amin’ny fandaharam-pikorianany ny ran’ilay marary. Misy kristiana manaiky izany karazam-pitsaboana izany raha tsy ra efa voatahiry mialoha no ampandehanana ilay fitaovana. Izany fihodinkodinana ivelan’ny tenany izany dia heveriny ho fanitarana ny fandaharam-pikorianan’ny rany, dia fanitarana mahatonga ny rany ho afaka handalo ao amin’ny faritra amin’ny tena tsy vita Nanahary. Heveriny fa ny ra mikoriana ao amin’izany lalana tsy misy fahatapahany izany dia mbola anisan’ny tenany ihany ka tsy voatery ‘haidina’a.

Fa ahoana raha mitsahatra vetivety tsy mikoriana izany ra “autologue” izany, toy ny rehefa mijanona ny fiasan’ny fo sy havokavoka namboarin’olona raha mbola manamarina ny toetry ny lalana mankany amin’ny fo ilay mpandidy?

Raha ny marina, dia tsy manantitrantitra ny amin’ny fitohizan’ny fikorian’ny ra akory ny Baiboly. Na dia ivelan’izay rehetra mety ho fandidiana aza dia mety hitsahatra tsy hitepo vetivety ny fon’ny olona iray, avy eo dia handeha indrayb. Amin’ny toe-javatra toy izany dia tsy misy tokony hilana hanafoanana ny lalan-drany rehetra satria fotsiny hoe nitsahatra tsy nikoriana ny ra rehefa niato ny fo. Noho izany, ny kristiana iray izay tokony hanapa-kevitra na hanaiky na handa ny hamiliana ny rany ao amin’ny fitaovana ivelan’ny vatany dia tokony hieritreritra tsara, tsy dia ny amin’ny mety hampiato vetivety ny fikorianan’ny ra loatra, fa ny amin’ny hahafantarana raha toa ao amin’ny fieritreretany izy ka mihevitra fa ny ra avily dia mbola ho anisan’ny fandaharam-pikorianan-drany ihany. — Galatiana 6:5.

Inona no holazaina ny amin’ny fanampohana ny ra iniana atao? Mihevitra ny mpandidy sasany fa ilaina ny manampoka ny ran’ilay marary mandritra ny fandidiana. Eo am-panombohan’ny fandidiana àry dia aviliny ho ao anaty kitapo kely ny rany sasany ka soloany ranon-javatra tsy misy ra. Rehefa avy eo dia avelany ikoriana ao amin’ny tenan’ilay marary indray ny ra tao amin’ireny kitapo kely ireny. Koa satria ny kristiana tsy manaiky ny hitahirizana ny rany, dia nisy mpandidy nanamboatra izany fitaovana izany mba hikambanany mandrakariva amin’ny fandaharam-pikorianan-dran’ilay marary. Nanaiky izany fomba izany ny kristiana sasany, fa nanda izany kosa ny hafa. Eo koa, dia anjaran’ny tsirairay avy ny mamantatra raha toa ny ra avily ao amin’ny fitaovana fanampohana toy izany ka azo ampitahaina amin’ilay mandalo ao amin’ny fo sy havokavoka namboarin’olona na, mifanohitra amin’izany, dia tahaka ny ra efa niala tamin’ny tena izany ka tokony hariana.

Aoka hodinihintsika ny ohatra farany ny amin’ny fampiasana ran’ilay marary ihany: ny fakana izany sy ny fampiasana azy indray ao anatin’ny fotoana fandidiana. Amin’io toe-javatra io dia ampiasaina ny fitaovana iray izay misintona ny ra ho ao amin’ny faritra didiana ka mampandalo azy ao amin’ny fanatantavanana (mba hanesorana ny ra mivongana na ny loto) na ao amin’ny “centrifugeuse” (mba hanesorana ny ranoka) alohan’ny hamerenana azy ao amin’ny tenan’ilay marary. Kristiana maro no manahy ny amin’ny mety hahatapaka vetivety ny fikorianan’ny ra ao amin’io fitaovana famerenana io. Araka ny efa nolazainay terỳ ambony anefa, raha araka ny Soratra Masina, dia zava-dehibe kokoa ny hamantarana raha anisan’ny tena ihany ny ra mikoriana ao amin’ny faritra didiana. Moa ve ny fivoahany tsy ho ao amin’ny fitambaram-pikorianan-dra milaza fa tokony ‘haidina’ izany, tahaka ny ra resahina ao amin’ny Levitikosy 17:13? Raha mihevitra izany ny olona iray, dia azo inoana fa holaviny ny famerenana ny rany amin’izany fomba izany. Nefa kosa, ny kristiana hafa (izay tsy hanaiky koa ny hanalana tapany amin’ny rany mba hitahirizana izany vetivety ary dia hampidirana izany any aoriana) dia hihevitra angamba fa tsy mandika ny feon’ny fieritreretany ny fampiasana fihodinkodinana famerenana na fandraisana indray.

Araka ny efa hitantsika, dia mihamaro ny fitaovana na fomba ampiasana ny ran’ilay marary ihany. Tsy afaka ary tsy tokony hitanisa azy rehetra izahay. Amin’io lafiny io, dia anjaran’ny kristiana tsirairay avy ny mangataka fanazavana hentitra amin’ny mpitsabo, avy eo dia ny tenany ihany no manao fanapahan-kevitra.

Na dia ny lafiny ara-pitsaboana amin’ireo raharaha ireo indrindra aza no resahintsika eto, dia ny lafiny ara-pivavahana no zava-dehibe kokoa. Rehefa misalasala ny kristiana iray na manontany tena ny amin’ny fanao ara-pitsaboana iray mifamatotra amin’ny fampiasana ny ra, dia tokony hiahy indrindra ny amin’ny hanehoana finoana izy, ka hanaja ny didin’Andriamanitra mibaiko azy mba ‘hifady ny ra’, ary hitana fieritreretana tsara. Inona no antony? Satria ny fomba lehibe indrindra fiarovana ny aina amin’ny alalan’ny ra dia tsy mifamatotra amin’ny fanao ara-pitsaboana, fa amin’ny herin’ny ran’i Kristy mahavonjy. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany.” (Efesiana 1:7; Apokalypsy 7:14, 17). Na dia mety hanampy antsika hanalava fotoana fohy ny andro iainantsika aza ny fitsaboana amin’ny andro ankehitriny, dia tsy ho tiantsika velively ny hanalava ny andro iainantsika amin’ny fanaovana izay rehetra mety handika ny fieritreretana kristiana ananantsika na tsy hankasitrahan’Ilay nanome antsika ny fiainana. — Matio 16:25; 1 Timoty 1:18, 19.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo La Tour de Garde tamin’ny 15 septambra 1978, pejy faha-30.

b Izany fiatoan’ny fikorianan’ny ra izany dia mety ho avy amin’ny fihetsehan’ny aretim-po, ny fandalovan’ny aratra ao anatin’ny vatana na ny fidinan’ny hafanana loatra, vokatry ny firobohana ao anaty rano mamanala, ohatra.

[Sary, pejy 31]

Ny fihodinkodinana amin’ny fo sy havokavoka namboarin’olombelona dia misy: 1) fantsona lava familiana ny fitambaran-dalandran’ilay marary; 2) paompy famerenana amin’ny fisintonana; 3) famoahana tapoakana ôksizenina; 4) fanatantavanan-dra misy tsiratsiraka loadoaka; 5) paompy lehibe indrindra misy kodiarana kely; 6) fantsona lava famerenana ho ao amin’ny fitambaram-pikorianan-dran’ilay marary.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara