Nahoana no Tsy Manorina Finoana Raha ny Fahagagana Fotsiny?
IZAY hita ihany no inoana. Izany no fiheveran’ny maro. Misy milaza fa hino an’Andriamanitra izy ireo raha mampahafantatra ny tenany amin’ny fomba mahagaga sasany izy. Angamba izany no izy, kanefa moa ve ny zavatra inoana toy izany hitarika ho amin’ny finoana marina?
Hevero ry Kora sy Datana ary Abirama, isiraelita. Asehon’ny Baiboly fa izy ireo dia nanatri-maso ireo fahagagana nahatahotra avy tamin’Andriamanitra: Ireo loza folo namely an’i Egypta, ilay fandosiran’ny firenen’Isiraely namakivaky ny Ranomasina Mena, ary ilay fandringanana an’i Farao egyptiana mbamin’ny miaramilany. (Eksodosy 7:19–11:10; 12:29-32; Salamo 136:15). Nandre an’i Jehovah niteny avy tany an-danitra teo amin’ny Tendrombohitra Sinay koa i Kora sy i Datana ary i Abirama. (Deoteronomia 4:11, 12). Kanefa tsy ela taorian’ny nitrangan’ireny fahagagana ireny, dia nitarika fikomiana tamin’i Jehovah sy tamin’ireo mpanompony voatendry izy telo lahy. — Nomery 16:1-35; Salamo 106:16-18.
Tokony ho 40 taona tatỳ aoriana, dia nahita maso fahagagana koa ny mpaminany iray nantsoina hoe Balama. Na dia ny fisalovanan’ny anjely aza dia tsy nisakana azy tsy hiandany tamin’ny Moabita fahavalon’Andriamanitra. Na dia teo aza izany fahagagana izany, dia niroso i Balama ka nanohitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany. (Nomery 22:1-35; 2 Petera 2:15, 16). Ny tsy fahampiam-pinoan’i Balama anefa, dia tsinontsinona raha ampitahaina amin’ny an’i Jodasy Isikariota. Na dia naman’i Jesosy akaiky sy nanatri-maso fahagagana mahatalanjona maro be aza i Jodasy, dia namadika an’i Kristy tamin’ny sekely volafotsy telopolo. — Matio 26:14-16, 47-50; 27:3-5.
Nahafantatra tsara ireo fahagagana maro nataon’i Jesosy koa ireo mpitondra fivavahana jiosy. Taorian’ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy, dia niaiky toy izao mihitsy aza izy ireo: “Iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.” Kanefa moa ve ny fahitana an’i Lazarosy velona tamin’izay, nanalefaka ny fon’izy ireo ka nanome azy finoana? Tsia dia tsia tokoa. Nanao teti-dratsy kosa aza izy ireo mba hamonoana an’i Jesosy sy i Lazarosy! — Jaona 11:47-53; 12:10.
Na dia ny fisalovanan’Andriamanitra mivantana aza dia tsy niteraka finoana tao amin’ireny lehilahy ratsy fanahy ireny. Raha mbola tao amin’ny faritra nisy ny tempoly i Jesosy indray mandeha, dia nivavaka tamin’ny feo avo nanao hoe: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.” Namaly tamin’ny feo avy any an-danitra i Jehovah nanao hoe: “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.” Na dia izany aza, dia tsy niteraka finoana tao am-pon’ireo nanatrika teo io fisehoan-javatra nahagaga io. Hoy ny Baiboly: “Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo”. — Jaona 12:28-30, 37; ampitahao amin’ny Efesiana 3:17.
Nahoana no tsy nanorina finoana ny fahagagana?
Ahoana no ahafahan’ny tsy fahampiam-pinoana toy izany hisy manoloana fahagagana maro aoka izany? Toa saro-takarina indrindra ny fandavan’ireo mpitondra fivavahana jiosy an’i Jesosy rehefa dinihinao fa tamin’ilay fotoana nanombohany ny fanompoany indrindra, no ‘niandrasan’ireo’ Jiosy tamin’ny fitambarany ny “Kristy”, na ny Mesia. (Lioka 3:15). Ilay zava-manahirana anefa dia mifototra amin’ny hoe inona ireny zavatra nandrasana ireny. Ilay mpanao rakibolana atao hoe W. E. Vine dia nanonona manam-pahaizana momba ny Baiboly be mpahalala iray ho nilaza fa ireo Jiosy dia nifantoka be loatra tamin’ilay hevitra momba ny Mesia iray hanome azy ireo “fandresena ara-tafika eto an-tany” sy “fanambinana ara-nofo”. Noho izany, dia tsy voaomana izy ireo handray an’i Jesosy avy any Nazareta, ilay olon-tsotra sy tsy nanao politika izay niseho teo anivon’izy ireo tamin’ny naha-tena Mesia azy, tamin’ny 29 am.f.i. Natahotra koa ireo mpitondra fivavahana sao dia hanova ny toe-javatra nisy tamin’izany ny fampianaran’i Jesosy ka hahatandindomin-doza ny toerana ambony notanan’izy ireo. (Jaona 11:48). Ireo hevitra efa tao an-tsainy mialoha sy ny fitiavan-tenany no nanajamba azy ireo tsy hahita ny hevitr’ireo fahagagana nataon’i Jesosy.
Tatỳ aoriana ireo mpitondra fivavahana jiosy sy ny hafa dia nanda ireo fahagagana nanaporofo fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Ohatra, rehefa nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra hatramin’ny nahaterahany ireo apostoliny, dia nanontany toy izao ireo anisan’ny fitsarana ambony jiosy nentanim-pahatezerana: “Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. Fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin’izany anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.” (Asan’ny Apostoly 3:1-8; 4:13-17). Mazava fa tsy nanorina na niteraka finoana tao am-pon’ireny lehilahy ireny io fahagagana mahatalanjona io.
Ny fanirian-daza sy ny avonavona ary ny fierenana dia anton-javatra nanosika olona maro hanakatona ny varavaran’ny fony. Toa izany no nanjo an’i Kora sy i Datana ary i Abirama voalaza etsy am-piandohana. Nisakana ny hafa ny fialonana sy ny tahotra ary fihetsika manimba maro dia maro hafa. Ampahatsiahivina antsika koa ny amin’ireo anjely tsy nankatò, ireo demonia, izay taloha dia nanana tombontsoa hahita ny tavan’Andriamanitra mihitsy. (Matio 18:10). Tsy misalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra izy ireo. Tsy azo lavina fa “ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra”. (Jakoba 2:19). Na dia izany aza, dia tsy manana finoana an’Andriamanitra izy ireo.
Ny hevitry ny tena finoana
Bebe kokoa noho ny zavatra inoana fotsiny ny finoana. Bebe kokoa noho ny fihetseham-po mihelina manoloana fahagagana sasany koa izy io. Hoy ny Hebreo 11:1 (NW ): “Ny finoana dia ny fiandrasana azo antoka ny zavatra antenaina, ny fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy hita aza.” Ny olona iray manam-pinoana dia miaiky mafy ao am-pony fa izay rehetra ampanantenain’i Jehovah Andriamanitra dia saiky mitovy amin’ny hoe efa tanteraka. Ambonin’izany, dia mahery aoka izany ny porofo tsy azo lavina momba ireo zavatra tena izy tsy hita maso, hany ka ny finoana mihitsy dia lazaina ho mitovy lanja amin’izany porofo izany. Eny, miorina amin’ny porofo ny finoana. Ary tamin’ny lasa, ireo fahagagana dia nandray anjara tamin’ny fitomboan’ny finoana na ny fanorenana azy io. Ireo famantarana notanterahin’i Jesosy dia natao mba hampiekena mafy ny hafa fa izy no ilay Mesia nampanantenaina. (Matio 8:16, 17; Hebreo 2:2-4). Toy izany koa fa izany fanomezana avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, na hery miasa izany, toy ny fanasitranana mahagaga sy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, dia nanaporofo fa tsy nahazo sitraka avy amin’i Jehovah intsony ireo Jiosy, fa ny fankasitrahany kosa izao dia teo amin’ilay kongregasiona kristiana naorin’i Jesosy Kristy Zanany. — 1 Korintiana 12:7-11.
Anisan’ireo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy ny fahaizana maminany. Rehefa nandinika io fahagagana io ireo tsy mpino, dia nisy voatosika hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ka nanambara hoe: “Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.” (1 Korintiana 14:22-25). Tsy nikasa hanao ny fahagagana ho endriny iray maharitra ao amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana anefa i Jehovah Andriamanitra. Araka izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra”. (1 Korintiana 13:8). Miharihary fa ireny fanomezana ireny dia nitsahatra niaraka tamin’ny fahafatesan’ireo apostoly sy ireo izay nahazo izany fanomezana izany tamin’ny alalan’izy ireo.
Koa havela tsy hanana fototra iorenan’ny finoana àry ve ny olona? Tsia, satria hoy i Paoly: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona [Andriamanitra]; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.” (Asan’ny Apostoly 14:17). Tsy azo lavina fa ho an’ireo tso-po izay vonona ny hanokatra ny sainy sy ny fony ho amin’ny porofo manodidina antsika, ‘dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana izao tontolo izao ny toetran’i Jehovah Andriamanitra tsy hita maso, satria tsapa amin’ny zavatra natao izy ireo, na dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra azy aza, ka tsy azo alan-tsiny ireo’ izay mandà an’Andriamanitra. — Romana 1:20, NW.
Bebe kokoa noho ny finoana ny fisian’Andriamanitra no ilaina. Nampirisika mafy toy izao i Paoly: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2). Azo atao izany amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina miaraka amin’ny fanampian’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana toy itỳ gazety itỳ. Ny finoana miorina amin’ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia tsy malemy na marivo akory. Ireo izay mahay manavaka ny sitrapon’Andriamanitra ka manao izany amim-pinoana dia manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra. — Romana 12:1, NW.
Mino na dia tsy mahita aza
Sarotra tamin’ny apostoly Tomasy ny naneho finoana ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. “Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho”, hoy ny nambaran’i Tomasy. Rehefa nitafy vatan’olombelona izay nampiseho ireo ratra tamin’ny nanomboana azy, i Jesosy tatỳ aoriana, dia nandray tsara io fahagagana io i Tomasy. Hoy anefa i Jesosy: “Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.” — Jaona 20:25-29.
Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro no ‘mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana’. (2 Korintiana 5:7). Na dia tsy nahita ireo fahagagana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly aza izy ireo, dia mino mafy fa nitranga izany. Maneho finoana an’Andriamanitra sy ny Teniny ireo Vavolombelona. Noho ny fanampian’ny fanahiny, izy ireo dia afaka mahatakatra ny fampianaran’ny Baiboly sy ny foto-keviny lehibe indrindra — ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra. (Matio 6:9, 10; 2 Timoty 3:16, 17). Ho tombontsoa lehibe ho an’ny tenany no ampiharan’ireny Kristiana marina ireny eo amin’ny fiainana ny torohevitra feno fahendrena omen’ny Baiboly. (Salamo 119:105; Isaia 48:17, 18). Eken’izy ireo ilay porofo tsy azo lavina hoe mampahafantatra ny androntsika ho “andro farany” ireo faminanian’ny Baiboly, ary inoan’izy ireo fa efa antomotra ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:3-14; 2 Petera 3:13). Fifaliana ho azy ireo ny mizara amin’ny hafa ny fahalalana an’Andriamanitra. (Ohabolana 2:1-5). Fantatr’izy ireo fa amin’ny alalan’ny fianarana ny Soratra Masina ihany no ahafahan’ireo mitady an’Andriamanitra mahita azy marina tokoa. — Asan’ny Apostoly 17:26, 27.
Tsaroanao ve i Albert izay voatonona tao amin’ny lahatsoratra teo aloha? Andro vitsivitsy taorian’ilay vavaka nangatahany fahagagana tsy nahazoam-baliny, dia nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah iray, vehivavy zokiolona iray izay nametraka taminy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly. Nanaiky fampianarana ny Baiboly maimaim-poana tao an-tokantrano i Albert taorian’izay. Arakaraka ny nahafantarana tsara kokoa ny hafatry ny Baiboly, dia niova ho fahataitairana ny fahadisoam-panantenany. Nanomboka takany fa hitany ihany Andriamanitra rehefa ela ny ela.
Mampirisika mafy toy izao ny Soratra Masina: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.” (Isaia 55:6). Afaka manao izany ianao, tsy amin’ny fiandrasana fahagagana amin’ny andro maoderina avy amin’Andriamanitra akory, fa amin’ny fahazoana fahalalana araka ny marina momba ny Teniny. Tena ilaina izany, satria tsy manorina finoana raha ny fahagagana fotsiny.
[Sary, pejy 5]
Na dia ilay fananganana an’i Lazarosy tamin’ny fomba nahagaga aza, dia tsy nanosika ireo fahavalon’i Jesosy haneho finoana
[Sary, pejy 7]
Ny finoana dia tsy maintsy miorina amin’ny fahalalana araka ny marina momba ny Baiboly