Manapaka Amim-pangoraham-po i Jehovah
NANDRITRA ny tantara manontolo, dia nisy mpanapaka olombelona maro nampihatra fahefana tsy nisy indrafo sy tsy nisy fiheverana ny amin’ny fijalian’ireo olom-peheziny. Kanefa i Jehovah dia nampiseho ny nifanipaka tamin’izany tamin’ny fifidianana firenena iray — ny Isiraely — sy tamin’ny fanapahana azy io tamim-pangoraham-po.
Fony mbola andevo tany Egypta fahizay ny Isiraelita, dia nahare ny fitarainan’izy ireo nangataka fanampiana i Jehovah. “Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy (...); ny fitiavany sy ny [fangoraham-pony, NW ] no nanavotany azy”. (Isaia 63:9). Namonjy ny Isiraely i Jehovah, ka nanome azy ireo hanina tamin’ny fomba mahagaga, ary nanafaka azy ireo sy nanome azy ireo tany iray.
Ny fangoraham-pon’i Jehovah dia niharihary koa tamin’ireo lalàna nomeny an’io firenena io. Nandidy ny Isiraelita haneho fangoraham-po tamin’ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny izy. Tsy nahazo nanararaotra tsy ara-drariny an’ireo kilemaina izy ireo.
Nitaky ny hanehoana fangoraham-po tamin’ireo sahirana ny Lalàna. Ny nahantra dia afaka nitsimpona taorian’ny fijinjana. Ireo trosa dia nofoanana tamin’ny taona Sabata (fahafito). Ny tany lova rehetra izay namidy dia tsy maintsy naverina tamin’ny taona Jobily (faha-50). Hoy ny Ancient Israel—Its Life and Institutions: “Teo amin’ny Isiraely, dia tena tsy nisy mihitsy izany hoe saranga sosialy amin’ny heviny maoderina izany.” “Tamin’ireo andro voalohany nanorenan’izy ireo fonenana, dia nitovitovy ny fari-piainan’ny Isiraelita rehetra.” — Levitikosy 25:10; Deoteronomia 15:12-14; 24:17-22; 27:18.
Fanahafana ny fangoraham-pon’i Jehovah
Ny mpanompon’Andriamanitra dia voatosiky ny oha-pangoraham-po omeny. Ohatra, nandritra ny tantara manontolo, ny mpanjaka vaovao sasany dia namono ho faty ny mpianakavy sisa tavela tamin’ny tarana-mpanjaka teo aloha. I Davida mpanompon’i Jehovah anefa tsy nanao izany. Taorian’ny nahafatesan’i Saoly Mpanjaka, i Davida dia niaro an’i Mefiboseta, zafikelin’i Saoly sisa tavela sady mpandimby azy. “Ny mpanjaka [nangoraka an’i, NW ] Mefiboseta, zanak’i Jonatana, zanak’i Saoly”. — 2 Samoela 21:7.
Tsy nisy olombelona hafa nanahaka ny fangoraham-pon’i Jehovah toa an’i Jesosy. Maro tamin’ireo fahagagany no nataony noho ny fangoraham-po araka an’Andriamanitra. Indray mandeha, dia niangavy azy toy izao ny boka iray: “Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” Onena i Jesosy ka nikasika azy ary nanao hoe: “Mety Aho; madiova hianao.” (Marka 1:40-42). Tamin’ny fotoana iray hafa, dia nisy vahoaka maro be nanaraka an’i Jesosy. Tao anatin’ilay tabataba, i Jesosy dia nahita jamba roa lahy, izay niantsoantso hoe: “Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô! (...) Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’izay izy”. — Matio 20:29-34.
Tsy namono ny fihetseham-po tsapan’i Jesosy ho an’ny hafa ny fisian’ny vahoaka be. Noho izy ireo efa elaela ihany no tsy nihinan-kanina, dia hoy izy indray mandeha: “Mahonena Ahy ireo vahoaka”. Koa namahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga àry izy. (Marka 8:1-8). Rehefa nanao dia fitoriana i Jesosy, dia tsy vitan’ny hoe nampianatra olona sesehena, fa nandinika ny zavatra nilain’izy ireo koa. (Matio 9:35, 36). Rehefa avy nanao dia iray toy izany i Jesosy sy ny mpianany, dia tsy nanam-potoana malalaka hisakafoana akory. Hoy ny tantarain’ny Baiboly amintsika: “Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana. Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an’i Jesosy, dia niala avy teny amin’ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany. Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.” — Marka 6:31-34.
Tsy dia ny aretina na ny fahantran’ireo olona fotsiny no nanohina ny fon’i Jesosy, fa ny toe-piainana ara-panahin’izy ireo koa. Nanararaotra azy ireo ny mpitarika teo aminy, hany ka “onena azy” i Jesosy. Ilay teny grika nadika hoe “onena” dia midika hoe “mahatsiaro ho mangotika anaty”. Tena lehilahy be fangoraham-po tokoa i Jesosy!
Fangoraham-po eo anivon’ny tontolo iray lozabe
Mpanjakan’ny Fanjakan’i Jehovah any an-danitra i Jesosy Kristy ankehitriny. Toy ny teo amin’ny Isiraely fahizay, amin’izao andro izao koa Andriamanitra dia manapaka ny vahoakany amim-pangoraham-po. “Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.” — Malakia 3:17.
Ireo izay maniry ny hanehoan’i Jehovah fangoraham-po dia tsy maintsy manahaka azy. Marina fa miaina eo anivon’ny tontolo iray feno olona maniry kokoa ny hiaro ny fomba fiainany toy izay hanampy ireo sahirana, isika. Ny olona mitana fahefana matetika dia mitady tombony, tsy misy firaharahana ny fiarovana ny mpiasa sy ny mpanjifa. Ao amin’ny 2 Timoty 3:1-4 ny Baiboly dia milaza araka ny marina tsara ny toe-piainana ara-pitondran-tena amin’izao androntsika izao, izay namono ny fangoraham-po tao am-pon’ny olona maro.
Na dia izany aza, dia azo inoana fa afaka mahita fahafahana hampiseho fangoraham-po isika. Ho afaka hanolotra fanampiana ho an’ireo mpiara-monina amintsika mila izany ve isika? Misy olona marary azontsika tsidihina ve? Ho afaka hampahery an’ireo izay ketraka ve isika, araka ilay torohevitra hoe: “Miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka, tohano ireo malemy”? — 1 Tesaloniana 5:14, NW.
Ny fangoraham-po dia hanampy antsika koa tsy hasiaka rehefa manao fahadisoana ny hafa. Ilazana toy izao isika: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:31, 32.
Ny fangoraham-po dia hanampy antsika tsy hirona hanampatra ny fahefantsika. Hoy ny Baiboly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. (Kolosiana 3:12). Ny fanetren-tena dia mahatonga antsika hipetraka eo amin’ny toeran’ireo izay eo ambany fiandraiketantsika. Ny hoe be fangoraham-po dia hoe manetry tena sy mahalala ny antonona, fa tsy hoe sarotiny. Ny fahaiza-mahita vokatra eo amin’ny asa dia tsy tokony ho fialan-tsiny hitondrana ny olona ho toy ny milina. Afa-tsy izany koa, eo anivon’ny fianakaviana, ny lehilahy be fangoraham-po dia mahatadidy fa fanaka malemilemy kokoa ny vadiny. (1 Petera 3:7). Afaka manampy antsika amin’izany rehetra izany ny fandinihana ny oha-pangoraham-po navelan’i Jesosy.
Koa satria i Jesosy nangoraka ny olona aoka izany nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia afaka mahazo antoka isika fa ankehitriny izy dia Mpanapaka be fangoraham-po no sady mbola ho toy izany foana. Hoy ny faminanian’ny Salamo faha-72 momba azy: “Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany. Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo.” — Salamo 72:4, 8, 13.
Hoy ny nambaran’ny Tenin’Andriamanitra mialoha: ‘Hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; hovonoiny ny ratsy fanahy.’ Rehefa avy nilaza ilay faminaniana hoe hanova ny lalany na dia ny olona lozabe sy toy ny biby aza, dia nanohy ny teniny toy izao: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:4-9). Tsy inona akory no ampanantenain’io faminaniana io fa fitambaran’olona iray maneran-tany izay mahalala an’i Jehovah sy manahaka ny fangoraham-pony!