Mahità Fifaliana eo Amin’ny Fanompoana Masina Ataonao
1 Niverina “tamin’ny fifaliana” izy ireo. Ny fitantaran’ny Baiboly dia mampiseho izay tsapan’ireo mpianatra 70, rehefa niverina nanao tatitra tamin’i Jesosy izy ireo, taorian’ny dia fitoriana lava be iray. Nahatsapa fifaliana anaty avy tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. (Lioka 10:17). Inona no afaka manampy anao hahita fifaliana toy izany eo amin’ny fanompoana masina?
2 Fahaiza-mijery ny lafy tsaran-javatra: Manana ilay tombontsoa nomen’Andriamanitra hampahafantatra amin’ny olona ny fikasana lehiben’i Jehovah, ianao. Amin’ny alalan’ny fitorianao, dia mety hanampy olona iray ho afaka amin’ny fanao mampikororosy eo amin’ity tontolo ity sy amin’ny fangejan’ny fivavahan-diso, ianao. Afaka manolotra ho an’ny olona ny fanantenana ny hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy hisian’ny korontana, izay hita hatraiza hatraiza ankehitriny, ianao. Eritrereto ny fifalian’i Jehovah, rehefa mahavita mamboly ny voan’ny fahamarinana ao amin’ny fon’ny olona iray vonon-kandray ianao. Aoka ianao hijery ny lafy tsaran-javatra, rehefa mivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra hamboly ao aminao ny vokatry ny fifaliana, eo am-panaovanao ny fanompoana amin’ny fonao rehetra.
3 Fampiofanana azo ampiharina: Ilay fotoam-pivoriana nanomezan’i Jesosy toromarika an’ireo mpianatra 70, dia misy itoviana amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’izao andro ankehitriny izao. Nanome fampiofanana izy, mba hahafahan’ireo mpianany hahita vokatra teo amin’ny fanatanterahana ny fanompoany. (Lioka 10:1-16). Ankehitriny, ny Fivoriana Momba ny Fanompoana dia mampiofana anao ny amin’ny fomba hanatonana olona sy hanombohan-dresaka ary hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Amin’ny filofosanao sy amin’ny fanatsaranao ny fahaizanao mitory, dia ho hitanao fa hihena sy ho voasaron’ny fatokisana sy ny fifaliana izay fahatsapana tebiteby na tsy fahampiam-pahaizana mety ho nanananao.
4 Mifantoha amin’ny hoavy: Nahita fifaliana teo amin’ny fanompoana masina nataony i Jesosy, na dia teo aza ny fijaliana niaretany. Nahoana? Satria nampifantoka tsara foana ny masony tamin’ireo fitahiana sy tombontsoa izay teo anoloany izy. (Heb. 12:2). Afaka manao toy izany koa ianao, amin’ny fampifantohana hatrany ny sainao sy ny fonao amin’ny anaran’i Jehovah sy ny fitahiana ho avy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Izany dia hahatonga ny fanompoanao hahitana fifaliana sy hisy heviny.
5 Tombontsoa lehibe indrindra mety hanananao amin’izao andro izao ny fanaovana fanompoana masina ho an’i Jehovah. Noho izany, dia enga anie ianao hilaza hoe: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako”. — Sal. 40:8.