Manontany ny Tanora Hoe...
Iza no Tokony ho Modeliko?
“Niavaka ny fahaizany nilalao baskety. Tian’ny namako rehetra izy. Izy no modeliko ary naniry ho tahaka azy sy hanana ny zavatra nananany aho.” — Ping, tanora aziatika iray.
NY OLONA deraina sy tahafina no matetika antsoina hoe modely. Nanao izao fanamarihana izao ilay mpanoratra atao hoe Linda Nielsen: “Ireo tanora matetika dia manahaka ireo olona izay mitovy fihetseham-po sy hevitra aminy sy ireo izay mahazo ny fiheverana sy ny valisoa tsiriritiny.” Noho izany, dia mazàna ireo tanora no midera ireo mitovy taona aminy izay malaza na tsara tarehy. Kanefa, ny modely toy ireo mpilalao sarimihetsika malaza sy ireo mpahay mozika ary ireo atleta no manintona indrindra ny tanora maro.
Mazava ho azy fa ny sary tiana haseho amin’ny olona momba ny ankamaroan’ny olo-malaza dia matetika tantara noforonina feno tsipirian-javatra fotsiny, planina natao tamim-pitandremana mba hanafenana ireo fahalemena sy hampirisihana ny fanindrahindrana ary indrindra indrindra, mba hampandehanana ny varotra! I Ping, izay voalaza teo aloha, dia miaiky toy izao: “Novidiko daholo ireo vidéo-n’ilay mpilalao baskety noderaiko fatratra ary nanao akanjo sy kiraro mitondra ny marika mitovy amin’ny azy, aho.” Ny tanora sasany dia miakanjo tahaka ireny olona ataony ho toy ny andriamanitra kely eo amin’ny sehatry ny televiziona na ny fanatanjahan-tena ireny, manao taovolo tahaka an’ireny olona ireny, ary mandeha sy miteny tahaka azy ireny mihitsy aza.
Ireo modely — Mahasoa sy manimba
‘Kanefa inona moa no maha-ratsy ny iderana olona iray?’, hoy ny mety ho fanontanianao. Izany dia miankina amin’ny hoe iza no derainao. Milaza toy izao ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Tsy mampirisika antsika ho mpanara-dia olombelona ny Baiboly. (Matio 23:10). Milaza amintsika kosa anefa izy mba “hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana”. (Hebreo 6:12). Ny apostoly Paoly, izay nanoratra ireo teny ireo, dia namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo Kristiana tany am-boalohany. Noho izany, dia afaka nilaza toy izao izy: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” — 1 Korintiana 11:1.
Izany indrindra no nataon’ny lehilahy tanora iray antsoina hoe Timoty. Nampitombo fisakaizana akaiky tamin’i Paoly izy nandritra ireo dia misionera niarahany. (Asan’ny Apostoly 16:1-4). Nanjary nihevitra an’i Timoty ho toy ny ‘zanany malala sy mahatoky ao amin’ny Tompo’ i Paoly. (1 Korintiana 4:17). Noho ny fanampian’i Paoly, dia nanjary lehilahy kristiana niavaka i Timoty. — Filipiana 2:19-23.
Inona anefa no mety hitranga raha mifidy ilay modely tsy izy ianao? Mitantara toy izao ny lehilahy tanora iray antsoina hoe Richard: “Fony aho 15 taona, dia nanjary namako be ny mpiara-mianatra iray antsoina hoe Mario. Kristiana ny ray aman-dreniko ary niezaka nanampy ahy teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. I Mario anefa nanao izay rehetra nahafalifaly azy — toeram-pandihizana, lanonana, mobilety, sy ny zavatra toy izany. Afaka nanao izay tiany izy, tamin’ny fotoana tiany. Tsy mba tahaka ahy. Koa rehefa 16 taona aho, dia nolazaiko tamin’ny ray aman-dreniko fa tsy naniry hitoetra ho Kristiana intsony aho, ary dia izany no nataoko.”
Moa ve misy loza mitovy amin’izany amin’ny fiheverana ho toy ny modely ireo olo-malaza sy ireo kalazalahy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena? Eny, misy. Marina aloha, fa tsy misy maha-ratsy ny hiderana ny fahaizan’ny atleta iray, ny mpilalao sarimihetsika iray, na ny mpahay mozika iray. Kanefa, manontania tena hoe: ‘Ohatra manao ahoana moa no omen’ireny olona ireny eo amin’ny fiainany manokana?’ Moa ve tsy maro ireo kalazalahy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena, mpahay mozika, sy mpanakanto hafa no fantatra noho ny fanaranam-po amin’ny fahalotoam-pitondran-tena, ny zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro misy alkaola? Moa ve tsy marina ihany koa fa maro no manana fiainana tsy sambatra sy tsy mahafa-po na dia eo aza ny volany sy ny lazany? Rehefa mijery zavatra avy amin’izany fomba izany ianao, inona moa no soa mety ho azo amin’ny fanahafana olona toy izany?
Marina fa mety ho zavatra tsy dia manao ahoana loatra ny fanahafana ny taovolo sy ny fomba fitafin’ny olo-malaza iray, na ny fiteniny. Kanefa, izany dia mety ho ny dingana voalohany amin’ny famelana izao tontolo izao “hanery anareo ho ao anatin’ny lasiny manokana”. (Romana 12:2, Phillips). Mety ho toa hahafinaritra izany lasitra izany amin’ny voalohany. Kanefa, raha manaiky ho resin’ny fitaomany ianao, dia mety hamolavola anao amin’ny fomba izay azo antoka fa hahatonga anao hanohitra an’Andriamanitra izy. “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 4:4.
Ahoana no hahafahan’ny modely tsara iray hanampy anao?
Ny fanahafana olona iray izay manome ohatra tsara kosa anefa, dia mety hisy vokany tsara eo amin’ny fiainanao! Eo anivon’ireo Kristiana hafa ianao, dia afaka mahita maro, izay “fianarana (...) amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana”. (1 Timoty 4:12). Marina fa tokony hitandrina ianao rehefa mifidy namana, na dia ao amin’ny kongregasiona kristiana aza. (2 Timoty 2:20, 21). Kanefa, matetika dia tsy sarotra ny mahatakatra hoe iza, ao amin’ny kongregasiona, no tena “mandeha amin’ny fahamarinana”. (2 Jaona 4). Manambara toy izao ny foto-pitsipika ao amin’ny Hebreo 13:7: “Hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.” Ho an’ny ankamaroan’ireo mitovy taona aminao dia mbola ho hita eo hoe ahoana no hiafaran’ny fitondran-tenany. Misy be taona izay efa nanaporofo ny fahatokiany anefa ao amin’ny kongregasiona, ka fahendrena ny hanaovana izay hahafantarana azy ireny.
Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Hanao izay hahafantarana ireo be taona hoe?’ Marina aloha fa mety ho toa tsy dia manintona loatra izany amin’ny voalohany. Kanefa, tadidio ny fifandraisana nananan’i Timoty tamin’ilay namany be taona, dia ny apostoly Paoly. Fantatr’i Paoly ny fahafahana hahavita zavatra nananan’i Timoty, ka nampirisika azy izy mba ‘hamelona ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra’ izay tao anatiny. (2 Timoty 1:6). Tsy hahasoa ve ny hananana olona hanampy sy hampahery anao, olona izay hampirisika mafy anao mba hampivelatra ireo fanomezana nomen’Andriamanitra anao?
Nahatsapa an’izany ny tanora iray antsoina hoe Bryan. Teo amim-piadiana tamin’ny fahatsapana ho tsy misy vidiny izy no nanjary nifankahalala tamin’ny mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo be taona iray tao amin’ny kongregasiona. Hoy i Bryan: “Midera ny fiahiany feno fitiavana ny hafa aho, anisan’izany ny tenako; ny zotom-pony amin’ny fanompoana; sy ireo lahateniny tsara dia tsara.” Efa nandray soa sahady tamin’ny fanehoam-piheverana manokana noraisiny avy tamin’io Kristiana be taona io i Bryan. Niaiky tamim-pahatsorana toy izao izy: “Nanampy ahy hiova tamin’ny toetrako teo aloha, izay saro-kenatra sy malemilemy, izany.”
Ny ray aman-dreny modely
Ilay boky hoe Fotoana Maha-zatovo — Taranaka eo Ambany Fanerena (anglisy) dia milaza fa ny ray aman-dreny no “fitaomana tokana avy any ivelany lehibe indrindra, izay manampy na manakantsakana ny fahatratraran’ny zatovo toetra mampiavaka azy mahafa-po”. Raha tsy mahazo an’izany fitarihan-dalana mazava sy toetra mampiavaka azy izany ireo tanora, hoy ny teny nanampin’ilay boky, dia “hanjary ho tahaka ny sambo tsy misy familiana, miova lalana isaky ny onja mandalo”.
Io torohevitra io dia manome taratr’izay nosoratan’i Jakoba mpianatra, efa maherin’ny 1 900 taona lasa izay, araka ny voarakitra an-tsoratra toy izao ao amin’ny Jakoba 1:6: “Aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.” Azo inoana fa mahafantatra tanora izay tahaka izany indrindra ianao. Mazàna izy ireo no miaina ho an’ny fahafinaretana ankehitriny, tsy misy fieritreretana ny ampitso.
Moa ve ianao notahina tamin’ny fananana ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra izay manome ohatra tsara ao amin’ny kongregasiona? Raha izany no izy, manaiky ny fitaomany ve ianao? Sa miady aminy ianao isaky ny mihetsika? Marina aloha, fa tsy tanteraka ny ray aman-dreninao. Kanefa, aza manakimpy ny masonao amin’ireo toetrany tsara — toetra izay tsara raha tahafinao. “Tena midera an’ireo ray aman-dreniko aho”, hoy ny nosoratan’ny Kristiana tanora iray antsoina hoe Jarrod. “Ny zotom-pony naharitra teo amin’ny fanompoana, ny fomba niatrehany ireo fahasahiranana ara-bola, sy ny fampirisihana nomeny ahy mba handray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro, izany rehetra izany dia nisy vokany tsara tamiko. Ny ray aman-dreniko foana no modeliko hatramin’izay.”
Ny modely tsara indrindra
Rehefa nanontany an’ireo tanora tany Etazonia ny fikambanana mpanao fanadihadiana Gallup hoe iza no noeritreretin’izy ireo fa ny olona niavaka indrindra teo amin’ny tantara, ny ankamaroany dia nifidy mpanao politika amerikana malaza. Enina isan-jato monja no nifidy an’i Jesosy Kristy. Kanefa, ny Baiboly dia milaza amintsika fa i Jesosy Kristy dia namela “modely” tonga lafatra ‘ho antsika, mba hanarahantsika akaiky ny diany’. (1 Petera 2:21, NW; Hebreo 12:3). Nampirisika an’ireo mpianany mba hianatra aminy izy. (Matio 11:28, 29). Ahoana anefa no hahafahanao hanao izany?
Ataovy izay hahalalana tsara ny fiainan’i Jesosy. Miezaha mamaky manontolo ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara, miaraka amin’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany.a Diniho ny fomba nampianaran’i Jesosy, ny fomba feno fangoraham-po nifampiraharahany tamin’ny olona, sy ny herim-po nasehony teo ambanin’ny fanerena. Ho hitanao fa i Jesosy no ilay modely tsara indrindra azonao arahina.
Arakaraka ny hahalalanao tsara an’ilay modely tonga lafatra no hahakely kokoa ny fanintonana tsy mahasoa ampiharin’ireo mitovy taona aminao na ireo olo-malaza. Tadidinao ve i Ping sy ny fiderany an’ilay kalazalahy teo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena? Mbola mankafy ny lalao baskety ihany i Ping indraindray, saingy takany fa hadalana ny hanaovana ireo olo-malaza ho modeliny.
Ary ahoana ny amin’i Richard? Ny modely nofidiny dia nitarika azy handao ny finoana kristiana. Kanefa, dia nanjary nahafantatra lehilahy tanora iray 20 taona mahery teo ho eo, Vavolombelon’i Jehovah, antsoina hoe Simon, i Richard. “Nataon’i Simon namana aho”, hoy i Richard, “ary nampiany aho hahita fa afaka mankafy ny fiainana ny olona iray nefa tsy hampandefitra ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Nitombo haingana ny fanajako an’i Simon, ary ny ohatra nomeny dia nandray anjara tena lehibe teo amin’ny fiverenako tao amin’ny kongregasiona sy ny fanolorana ny fiainako ho an’i Jehovah. Sambatra kokoa aho ankehitriny, ary tena misy heviny ny fiainako.”
Eny, tena zava-dehibe ny modely fidinao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 13]
Afaka manampy anao ny fifaneraserana amin’ireo olona tsara laza be taona