-
Ny Fotoana sy ny Mandrakizay — Inona no Tena Fantatsika Momba Azy Ireo?Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jona
-
-
izany, dia nanjary nampitovintsika amin’ny fizotran’ny fahanterana ny fandehan’ny fotoana. Ho an’ny maro, dia toa tsy manaiky ilay tena hevitry ny fotoana ny olona manana fiheverana hafa noho izany. ‘Nahoana ny olombelona no haningana ny amin’izay toa mahazo ny zavaboary velona hafa rehetra?’, hoy ny mety ho fanontaniany.
Amin’io fomba fanjohian-kevitra io, dia matetika no odian-tsy fantatra ny hoe efa maningana amin’ny sisa amin’ireo zavaboary ny olombelona amin’ny lafin-javatra maromaro. Ohatra, tsy manana fahaiza-misaina tahaka ny olombelona ny biby. Na dia eo aza ny fanantitranterana mifanohitra amin’izany, dia tsy mahay mamoron-javatra ankoatra izay hainy ho azy ireo biby. Tsy manana ny fahaiza-manao zavakanto na ny fahaiza-maneho fitiavana sy fankasitrahana ananan’ny olombelona, izy ireo. Raha nomena bebe kokoa amin’ireo toetra sy fahaizana ireo izay mahatonga ny fiainana hisy heviny ny olombelona, nahoana no tsy hety ny hanomezana azy ireo koa fotoana bebe kokoa, raha ny fiainana no resahina?
Etsy an-danin’izany, tsy hafahafa ve raha toa ka ny hazo izay tsy afaka mieritreritra, no velona mandritra ny an’arivony taona maro ny sasany, nefa ny olombelona manan-tsaina dia tsy afaka ny ho velona afa-tsy 70 na 80 taona monja amin’ny antsalany? Tsy fifanoheran-javatra ve raha toa ka ny sokatra izay tsy manana fahaiza-mamoron-javatra na fahaiza-manao zavakanto no afaka ny ho velona mihoatra ny 200 taona, nefa ny olombelona izay nomena be dia be amin’ireo fahaizana ireo dia tsy ho velona afa-tsy latsaka be ny antsasak’izany?
Na dia tsy takatry ny sain’olona amin’ny fomba feno aza ny atao hoe fotoana sy ny mandrakizay, dia mbola fanantenana miorina tsara ao amin’ny Baiboly ihany ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay. Ao amin’izy io, dia miseho efa ho in-40 ny teny hoe “fiainana mandrakizay”. Raha fikasan’Andriamanitra anefa ny hiainan’ny olombelona mandrakizay, nahoana izany no mbola tsy tanteraka? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.
-
-
Tsy Ela Andriamanitra Raha ny Amin’ny FampanantenanyNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jona
-
-
Tsy Ela Andriamanitra Raha ny Amin’ny Fampanantenany
“JEHOVAH ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao!” Ireo dia tenin’i Habakoka mpaminany hebreo izay niaina tamin’ny taonjato fahafito al.f.i. Efa fandre foana anefa izy ireo, sa tsy izany? Efa toetra maha olona ny olona ny maniry hahazo eo no ho eo, na haingana araka izay azo atao, ny zavatra irintsika mafy. Ary marina indrindra izany amin’izao vanim-potoan’ny fanomezana fahafaham-po eo no ho eo izao. — Habakoka 1:2.
Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy olona sasany izay toa nihevitra fa tokony ho nanatanteraka ny fampanantenany taloha kokoa Andriamanitra. Nanjary tsy nanam-paharetana aoka izany izy ireo, hany ka nihevitra mihitsy an’Andriamanitra ho ela na diso aoriana. Noho izany, dia voatery nampahatsiahy azy ireo ny apostoly Petera fa hafa tanteraka noho ny antsika ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny fotoana. Nanoratra toy izao i Petera: “Ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.” — 2 Petera 3:8.
Araka io fomba fikajy ny fotoana io, dia niaina teo amin’ny adiny roa teo ho eo monja ny olona 80 taona, ary enina andro eo ho eo monja ny faharetan’ny tantaran’ny olombelona iray manontolo. Rehefa mandini-javatra avy amin’io fomba fijery io isika, dia manjary mora kokoa ho antsika ny mahatakatra ny fomba fifampiraharahan’Andriamanitra amintsika.
Tsy hoe tsy miraika amin’ny fotoana anefa Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany, fa tena mihevitra ny fotoana ho zava-dehibe izy. (Asan’ny Apostoly 1:7). Nanohy ny teniny toy izao àry i Petera: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9). Tsy sahala amin’ny olombelona Andriamanitra fa tsy mahatsapa ho voatery hanao zavatra toy ny hoe madiva ho tapitra ny fotoana ho azy. Amin’ny maha “Mpanjakan’ny mandrakizay” azy, dia manana fahitan-javatra ankapobe mahatalanjona izy ary afaka mamaritra hoe rahoviana ao amin’ny fandehan’ny fotoana no hitondra soa be indrindra ho an’izay rehetra voakasika ny zavatra ataony. — 1 Timoty 1:17, NW.
Rehefa avy nanazava ny anton’ny toa fahelan’Andriamanitra i Petera, dia nilaza izao fampitandremana izao: “Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo”. Izany hoe, ho avy amin’ny fotoana tsy anampoizana azy iny indrindra ny andro fampamoahana. Avy eo, ao amin’ireo andininy manaraka i Petera dia miresaka ny amin’ilay fahatsinjovan-javatra mahatalanjona ho an’ireo izay mampiseho “fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”, dia ny hoe, mety ho tafita velona ho ao amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” nampanantenain’Andriamanitra izy ireo. — 2 Petera 3:10-13.
Izany dia tokony hahatonga antsika vao mainka ho velom-pankasitrahana fa mbola tsy nampiharina ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Ny faharetany dia nahatonga antsika hanjary hahalala ny fikasany, sy nahatonga antsika hanitsy ny fiainantsika mba hahazoana ny fitahiana nampanantenainy. Tsy tokony hihevitra ‘ny fahari-pon’ny Tompontsika ho famonjena’ ve isika, araka ny fanaporofoan-kevitr’i Petera? (2 Petera 3:15). Misy anton-javatra hafa anefa mahatonga ny faharetan’Andriamanitra.
Fahadisoana efa nadiva hihoa-pampana
Rehefa mandinika ny fifampiraharahan’Andriamanitra taloha tamin’ny olombelona isika, dia mahamarika fa matetika izy no tsy nampihatra ny didim-pitsarany raha tsy rehefa tsy azo nantenaina intsony ny hisian’ny fihatsarana. Mifandray amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ireo Kananita, ohatra, dia efa noresahiny tamin’i Abrahama tany aloha be tany ny fahotan’izy ireo. Tsy tamin’izay anefa ny fotoana hampiharana ny didim-pitsarany. Nahoana? Milaza toy izao ny Baiboly: “Tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita [Kananita]”, na araka ny ilazan’ny Fandikan-teny Katolika azy hoe: “Mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amoreana.” — Genesisy 15:16.a
Tokony ho 400 taona tatỳ aoriana anefa, dia nampiharina ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ary naka ilay tany ireo Isiraelita, taranak’i Abrahama. Nisy Kananita vitsivitsy, toa an’i Rahaba sy ireo Gibeonita, voavonjy noho ny fihetsiny sy ny zavatra nataony, nefa tonga tamin’ny ambaratongam-pahalotoana tafahoatra ny ankamaroany, araka ny ahariharin’ny famongarana nataon’ny arkeôlôgy maoderina. Nivavaka tamin’ny sarin’ny filahiana sy nijangajanga tao amin’ny tempoly ary nanao sorona ankizy izy ireo. Milaza toy izao ny Halley’s Bible Handbook: ‘Ireo arkeôlôgy izay namongatra ireo sisa tavela amin’ny tanàna kananita dia manontany tena hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana azy ireo taloha kokoa.’ Tamin’ny farany, dia ‘nihoa-pampana ny fahotan’ny’ Kananita; ‘feno nitafotafo’ ny faharatsiany. Tsy nisy afaka niampanga ara-drariny an’Andriamanitra ho nanao ny tsy rariny, rehefa namela ilay tany hodiovina izy, fa nitsimbina kosa ireo izay nampiseho fihetsika tsara.
Mahita toe-javatra mitovy amin’izany isika tamin’ny andron’i Noa. Na dia ratsy aza ny olona talohan’ny Safo-drano, dia nanapa-kevitra tamim-pamindram-po Andriamanitra fa hiampy 120 taona ny andron’izy ireo. Nandritra izany fotoana izany, i Noa dia “mpitory ny fahamarinana”. (2 Petera 2:5). Rehefa nandeha ny fotoana, dia toa nahatratra ny fahamasahany ny faharatsian’ny olona. “Hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” (Genesisy 6:3, 12). ‘Nihoa-pampana ny fahotany’; ny fandehan’ny fotoana dia nahatonga ny fironan-dratsiny hahatratra ny fara tampony. Azo nohamarinina tanteraka tokoa Andriamanitra rehefa nanao zavatra. Olona valo monja no hita fa marina teo imason’Andriamanitra, ary namonjy azy ireo izy.
Hita teo amin’ny fitondran’Andriamanitra ny Isiraely izany fomba fanaovany zavatra izany. Na dia teo aza ny tsy fahatokian’izy ireo sy ny fitondran-tenany namoafady, dia nanam-paharetana taminy nandritra ny an-jatony taona maro ihany Andriamanitra. Milaza toy izao ilay fitantarana: “Jehovah, (...) nampitondra teny ny iraka izay nirahiny (...); eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony (...). Kanjo ny olona (...) nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.” (2 Tantara 36:15, 16). Tonga tamin’ny fetra izay tsy nahafahana nanao fihatsarana intsony ny olona. I Jeremia sy ny vitsivitsy hafa ihany no azo novonjena. Tsy azo noheverina hoe nanao ny tsy rariny Andriamanitra, rehefa nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ireo sisa tavela tamin’ny farany.
Izao no fotoana anaovan’ Andriamanitra zavatra
Avy amin’ireo ohatra ireo dia afaka mahita isika fa mbola tsy mampihatra ny didim-pitsarany eo amin’ity fandehan-javatra ankehitriny ity aloha Andriamanitra, raha tsy amin’ny fotoana mety ihany. Mampiseho izany ilay baiko nomena ny mpanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra ara-panoharana toy izao: “Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony. Ary naroson’ilay anjely tamin’ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.” Mariho fa nanjary “masaka tsara” ny faharatsian’ny olombelona, izany hoe efa nahatratra ny fetra tsy nahafahana nanao fihatsarana intsony. Tsy isalasalana fa azo hamarinina ny fisalovanan’Andriamanitra, rehefa mampihatra ny didim-pitsarany izy. — Apokalypsy 14:18, 19.
Rehefa jerena izay voalaza etsy ambony, dia mazava fa tsy maintsy akaiky ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ity tontolo ity, satria nanjary manana ireo toetra izay nanamarina ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny lasa izao tontolo izao. Tsy misy hafa amin’ny talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, dia
-