FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/00 p. 1
  • ‘Tsy Afaka Mitsahatra Tsy Hiteny Isika’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tsy Afaka Mitsahatra Tsy Hiteny Isika’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Torio Amim-pahasahiana Hatrany ny Tenin’Andriamanitra
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Manohiza Milaza ny Tenin’Andriamanitra Amim-pahasahiana
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • ‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Aoka isika hitory ny vaovao tsara amim-pahasahiana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 7/00 p. 1

‘Tsy Afaka Mitsahatra Tsy Hiteny Isika’

1 Manara-maso akaiky ny asa fitoriana i Jesosy Kristy. (Matio 28:20; Marka 13:10). Na dia efa ho enina tapitrisa aza ny isan’ny mpitory marisika any amin’ny tany 234, dia tsy tokony hihevitra isika fa efa tapitra ny asa fanambarana ataontsika. Mandra-pilazan’Andriamanitra hoe vita ilay asa, dia “tsy afaka mitsahatra tsy hiteny” momba ireo zavatra nianarantsika isika. — Asa. 4:20, NW.

2 Miantehera amin’ny fanahin’Andriamanitra: Mampihatra fanerena mafy i Satana mba hanakiviana antsika. (Apok. 12:17). Mamely antsika amin’ny zava-manahirana maro koa ny nofontsika tsy tanteraka. Ireo zavatra ireo dia afaka mampivily ny saintsika tsy hifantoka amin’ilay asa fitoriana faran’izay lehibe. Na izany aza, raha mitoky amin’i Jehovah isika, dia hanampy antsika hiatrika na vato misakana inona na vato misakana inona, ny fanahiny.

3 Rehefa niharam-panenjehana nahery vaika ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia nivavaka tamin’Andriamanitra ireo rahalahy, mba hahazoana fanampiana mba tsy hitsahatra hitory ny teniny tamin’ny fahasahiana rehetra. Namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah, ka nanome azy ireo ny fanahiny sy ilay zotom-po sy fahatapahan-kevitra nilainy mba tsy hitsaharana hitory. Ho vokany, dia tsy nitsahatra nanambara ny vaovao tsara tamim-pahasahiana izy ireo. — Asa. 4:29, 31; 5:42.

4 Aza matahotra ny teny mahakivy: Mety hampahatahotra antsika ny fomba fihevitry ny besinimaro na ny fanendrikendrehana ampahibemaso. Kanefa, tadidio ilay teny feno fahasahiana nataon’i Petera sy ny apostoly hafa tamin’ny Synedriona, voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:29-32. Araka ny fieken’ilay mpampianatra Lalàna natao hoe Gamaliela, dia tsy misy afaka mandrodana ny asan’Andriamanitra. Tsy ny herintsika no manatanteraka azy io. Manana ny fanohanan’Andriamanitra io asa lehibe io, ary izy ihany no afaka manatanteraka azy! — Zak. 4:6.

5 Aoka isika hitalaho amin’i Jehovah isan’andro, mba hanomezany antsika ny fanahiny, mba hanampy antsika hanambara amin-jotom-po ny vaovao tsara. Enga anie isika hilaza, sahala amin’i Jeremia, fa toy ny afo mirehitra ao amin’ny taolantsika ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Jer. 20:9). Tsy afaka ny hangina isika!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara