FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/10 p. 11-13
  • Ahoana no Ahafahako Mampifantoka ny Saiko?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ahafahako Mampifantoka ny Saiko?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manehoa fahalianana
  • Mpampianatra kamokamo sy mahakamo
  • Fanehoana “fitandremana mihoatra noho ny mahazatra”
  • Ny fomba handraisan-tsoa betsaka kokoa avy amin’ireo fivoriana
  • Aoka Ianao ho Mpihaino Tsara
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • ‘Mitandrema Mafimafy Kokoa’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nahoana Aho no Tokony Hanatrika Fivoriana Kristianina?
    Mifohaza!—2012
  • “Tandremo ny Fihainonareo”
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/10 p. 11-13

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Ahafahako Mampifantoka ny Saiko?

“Taona maro no laniko tany amin’ireo fivoriana, nefa tsy nisy zavatra firy voaraiko avy tamin’izy ireny. Nanonofinofy fotsiny aho.” — Matthew.

EFA mba nitranga taminao ve ny hoe eo am-pitoerana ao an-dakilasy na ao amin’ny fivoriana kristianina ianao no mahatsiaro tampoka fa, hay tsy renao akory izay zavatra nodinihina teo? Raha mirona hiriorio ny sainao indraindray, dia fantaro fa tsy ianao irery no voan’izany. Araka ny nohazavain’ny lahatsoratra iray tany aloha, dia fahita eo amin’ny tanora ny tsy fahaiza-mampifantoka saina ela.a Kanefa, afaka mianatra ny hampitombo ny fahaizanao mampifantoka ny sainao ianao, raha manao ezaka kely sy mitondra fanitsiana sasantsasany.

Manehoa fahalianana

Eritrereto ny amin’ny atleta tsara ofana iray. “Ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra”, hoy ny apostoly Paoly. Raha mamela ny sainy hiriorio ny atleta iray, na mandritra ny fotoana fohy aza, dia mety ho resy izy. Mba handresena, dia tsy maintsy mianatra ny mampifantoka ny sainy izy, izany hoe minia tsy mihaino ny feon’ny vahoaka mihoraka, minia tsy mandre ny fanaintainany sy ny fahatrotrahany, ary mandroaka tsy ho ao an-tsainy na dia ilay eritreritra hoe tsy handresy aza. Inona indrindra anefa no manosika ny atleta hanao ezaka mihoatra noho ny mahazatra toy izany? Araka ny voalazan’ny apostoly Paoly, dia manao izany izy ireo satria “mitady satroboninahitra mety ho lo”, izany hoe ny lokam-pandresena sy ny mari-boninahitra omena ny mpandresy. — 1 Korintiana 9:25.

Mitovy amin’izany koa fa tsy maintsy manana antony manosika anao hihaino tsara ianao! Ilay boky hoe Study Is Hard Work (Sarotra ny Mianatra), nataon’i William H. Armstrong, dia milaza toy izao: “Andraikitr’ilay mpianatra ny maneho fahalianana. Tsy misy afaka maneho fahalianana eo amin’ny toeranao, ary tsy misy afaka mampitombo ny fahaliananao, raha tsy maniry izany ianao.” Ny fahalalana no fanalahidin’ny fahatakarana ny tontolo manodidina anao. Arakaraka ny habetsahan’ny fahalalanao, no ahafahanao mianatra bebe kokoa. “Ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana”, hoy ny Ohabolana 14:6. Mety tsy hahatadidy ny zavatra rehetra ianaranao any an-tsekoly ianao nefa, mba manampy anao hampitombo sy hamboly fahaiza-misaina, fara faharatsiny, ny sekoly. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 1:4.) Handraisanao soa mandritra ny androm-piainanao manontolo ny fahaiza-mifehy sy mampifantoka ny saina.

Mpampianatra kamokamo sy mahakamo

Mitaraina anefa ny zatovo sasany fa na ny mpampianatra azy ireo aza, toa tsy liana amin’ny asany. Hoy ny tanora iray antsoina hoe Jesse: “Mijoro eo anoloanao ny mpampianatra, milaza zavatra, manome devoara, ary mampirava anao avy eo. Manao rainazy no fiheverako azy ireo. Toa tsy zava-dehibe amin’izy ireo ilay izy, hany ka tsy hitanay koa izay ilana hihainoana tsara.”

Tokony hanatsoaka hevitra àry ve ianao fa fandaniam-potoana fotsiny ny hihainoana tsara? Tsy voatery ho izany. Mety ho noho ny mpianatra tsy mihaino tsara fotsiny no mahatonga mpampianatra maro hanao toy izany. Manazava toy izao ny zatovo iray antsoina hoe Collin: “Tsy misy mihaino an’ireo mpampianatra, hany ka mihevitra izy ireo fa tsy misy maniry hianatra. Tsy miraika firy, sy tsy maneho hafanam-po firy amin’ny fampianarana àry izy ireo.”

Ho gaga angamba ianao hahafantatra fa mety ho afaka hampiato izany toe-javatra izany ianao. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fihainoana tsara fotsiny. Ny fisian’ny mpianatra iray monja maneho fahalianana angamba no hany ilain’ny mpampianatra kamokamo iray mba hahaliana azy indray amin’ny asany. Marina aloha fa tsy hain’ny mpampianatra sasany tsotra izao fotsiny ny mihazona ny fahalianan’ny iray kilasy. Alohan’ny hamelanao ny tenanao hanonofinofy anefa, dia manontania tena hoe: ‘Mahafantatra tsara izay zavatra ampianariny ve ilay mpampianatra?’ Raha eny, dia manapaha hevitra hiana-javatra avy aminy. Mihainoa amim-pitandremana, ampifantohy ny sainao! Mandraisa anjara amin’ny fiaraha-midinika atao ao an-dakilasy. Mametraha fanontaniana mitombina tsara. Izao no fanamarihan’ilay boky hoe How to Study in High School (Ny Fomba Fianatra any Amin’ny Lise): “Hitan’ny mpianatra maro ho manampy ny mandray an-tsoratra ny fanehoana an-tsary, ny teny, ny tabilao, ny famaritana ary ny hevi-dehibe soratan’ny mpampianatra eo amin’ny solaitrabe, na antitranteriny.”

Fanehoana “fitandremana mihoatra noho ny mahazatra”

Iankinan-javatra lehibe lavitra anefa ny fihainoanao tsara, any amin’ny fivoriana kristianina. Niaiky toy izao i Jesse: “Tsy mihaino tsara ny tanora indraindray any am-pivoriana, satria tsy takany ny mahazava-dehibe azy ireny.” Ao amin’ny Hebreo 2:1, dia didiana isika mba “[haneho fitandremana mihoatra noho ny mahazatra, raha ny amin’ireo zavatra, NW ] efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika”. Rehefa avy nanatrika fivorian’ny kôngregasiôna iray ianao, misy zavatra tadidinao ve avy tamin’ny lahateny tsirairay? Sa hitanao indraindray fa tsy tadidinao akory aza hoe iza no nanana anjara?

Eto indray koa, dia miditra an-tsehatra ny fahitanao ny mahazava-dehibe izay ianaranao. Ny fiainanao mihitsy ange no tafiditra amin’izany e! (Jaona 17:3). Hevitra iray tokony hosaintsainina koa ny hoe: rehefa mianatra zavatra momba ny Baiboly ianao, dia mianatra hihevitra toa an’Andriamanitra mihitsy! (Isaia 55:8, 9). Ary rehefa mampihatra izay ianaranao ianao, dia mitafy ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny toetra vaovao”. (Kolosiana 3:9, 10). Etsy an-danin’izany koa, raha tsy mihaino tsara ianao, dia mety tsy hanao ireo fanatsarana ilaina eo amin’ny ny fiainanao, ka hisakana ny fitomboanao ara-panahy izany. Fantatr’i Jehovah fa mirona hamela ny saintsika hiriorio isika rehetra. Noho izany, dia miangavy antsika toy izao izy: “Mihainoa dia mihainoa Ahy (...). Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo”. — Isaia 55:2, 3.

Ny fomba handraisan-tsoa betsaka kokoa avy amin’ireo fivoriana

Na izany aza, dia mety ho sarotra amin’ny voalohany ny mampandry sofina any amin’ireo fivoriana. Milaza anefa ireo mpikaroka fa arakaraka ny hanazarantsika tena amin’ny fampifantohana ny saina no hanjary hahakinga kokoa ny atidohantsika amin’ny fanaovana izany. Nandresy ilay fironana hanonofinofy mandritra ireo fivoriana i Matthew, voalaza tetsy am-piandohana. Hoy izy: “Hitako fa tsy maintsy nifehy tena aho mba hihainoana tsara. Mihatsara kokoa ilay izy nony afaka kelikely, ary afaka mihaino tsara mandritra ny fotoana lava kokoa ianao.” Misarika ny saina ho amin’ilay hany anton-javatra lehibe indrindra mahatonga azy ho finaritra any amin’ny fivoriana koa i Matthew. Hoy izy: “Mandinika mialoha izay hatao any aho.” Hoy koa ny tanora iray antsoina hoe Charese: “Rehefa nanao fanomanana aho, dia tsapako ho mahakasika ahy kokoa ilay fivoriana. Toa misarika ny saiko kokoa sy misy heviny amiko kokoa ireo lahateny.”

Zava-dehibe koa ny hisakanantsika ireo eritreritra mampiriorio saina. Marina aloha fa mety hanana fanahiana ara-dalàna maromaro ianao ao an-tsainao ao: fanadinana amin’ny herinandro ambony, tsy fitovian-toetra izay mitambesatra ao an-tsainao, vola tsy maintsy haloa. Nanome izao torohevitra izao anefa i Jesosy: “Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza? Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy.” (Matio 6:27, 34). Tsy hampanjavona ny olana mahazo anao akory ny fampifantohanao ny saina amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna, nefa hanampy anao kosa hanavao ny fahasalamanao ara-panahy mba hahafahanao hiatrika tsara kokoa ireo olana. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 4:16.

Afaka manampy anao hifantoka hatrany koa ny fihainoana amim-pitandremana. Hoy i Matthew: “Miezaka mieritreritra mialoha ny amin’izay hohazavain’ilay mpandaha-teny mandritra ny lahateny aho, ary avy eo, dia mandinika ny fomba anaovany izany.” Manontania tena hoe: ‘Inona avy ireo hevi-dehibe dinihina? Ahoana no azoko ampiasana izany?’ Mety hanampy koa, mba hifantohan’ny sainao hatrany, ny fieritreretana mialoha ny amin’izay zavatra manaraka holazain’ilay mpandaha-teny. Miezaha hanaraka ny fanjohian-keviny. Mariho ireo fanaporofoan-kevitra araka ny Soratra Masina ampiasainy. Saintsaino ary fintino ireo hevi-dehibe arosony. Mandraisa an-tsoratra fohy sy misy heviny. Rehefa misy fandaharana andraisan’ny mpanatrika anjara, dia mandraisa anjara! Afaka manampy ny sainao hifantoka izany, ary ny eritreritrao tsy hiriorio.

Ekena aloha fa mety ho fanamby ho anao ny fihainoana, raha toa ny mpandaha-teny iray ka tsy misy hafanam-po, na manao ny lahateniny amin’ny fomba mampatory. Tsarovy izay nolazain’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany momba ny fomba fijerin’izy ireo ny fahaizan’ny apostoly Paoly nandahateny: “Malemy (...) ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.” (2 Korintiana 10:10). Namaly ny fanakianana toy izany anefa i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Na tsy ampy fahaiza-mandahateny aza aho, dia ampy fahalalana”. (2 Kôrintianina 11:6, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Eny, raha tsy nijery ny fahaizan’i Paoly nandaha-teny ireo mpihaino azy, fa nifantoka kosa tamin’ny votoatin’ny zavatra nolazainy, dia ho afaka nianatra “ny saina lalina izay an’Andriamanitra”. (1 Korintiana 2:10). Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia afaka miana-javatra ianao, na dia avy amin’ny mpandaha-teny “mampatory” aza, raha mifantoka sy mihaino. Ary iza no mahalala raha hanisy firesahana hevi-teny samy hafa kely amin’izay efa fantatrao mihitsy aza angamba izy, na hanisy fampiharana andinin-teny iray amin’ny fomba mbola tsy tonga tao an-tsainao mihitsy teo aloha.

Mamintina tsara izany ireto tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 8:18 ireto: “Tandremo ny fihainonareo”. Marina aloha fa hitaky ezaka sy fanazaran-tena ny fampifantohana ny saina, fa tsy ny fanonofinofisana. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia hijinja voka-tsoa ianao. Mety hidika ho naoty tsara kokoa ny fianarana mampifantoka ny saina, ary ny mbola zava-dehibe kokoa aza, dia mety hidika ho fandrosoana ara-panahy izy io!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tsy Afaka Mampifantoka ny Saiko?”, izay niseho tao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Aogositra 1998.

[Sary, pejy 13]

Ny fambolena fahalianana amin’izay renao no fanalahidin’ny fihainoana tsara

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara