-
Hifikitra hatrany amin’ny fahamarinana ve ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Jona
-
-
15:29-32). Nahoana ny vahoaka no nanana izany fihetsika feno fankahalana izany?
Navelan’ny olona hanan-kery teo amin’ny fiheverany ny amin’i Jesosy ireo filoha ara-pivavahana; nankahala an’i Jesosy anefa ireo noho Jesosy nampiharihary fa mpampianatra sandoka izy ireo ka tsy nifanaraka tamin’ny fihamboan’izy ireo ho solontenan’ilay Andriamanitra marina ny nataon’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo tamim-pahatsorana toy izao i Jesosy: “Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ” — Matio 15:3, 7-9.
Nankahala aoka izany an’i Jesosy sy ireo fahamarinana nampianariny ireo filoha ara-pivavahana ka niray tetika hamono hahafaty azy ary nanao izay rehetra azon’izy ireo natao mba hanoheran’ny vahoaka azy. Amin’izao androntsika izao, dia filoha ara-pivavahana maro no manohitra mafy toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary tsy misy hafa amin’ny nitranga tamin’ireo kristiana voalohany, dia misy ‘firesahana ho fanoherana’ ny Vavolombelona hatraiza hatraiza. Fahendrena anefa ve ny hanekena ho voataonan’izany fanoherana miely izany?
Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara fahamarinana araka ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra sahala amin’ny notorin’i Jesosy sy ireo apostoliny. Maneran-tany, dia olona ana hetsiny maro no manaiky izany vaovao tsara izany na dia ao aza ny fanoherana mafy dia mafy avy amin’ny namana, ny havana sy ireo filoha ara-pivavahana. Ireo izay manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana dia niaiky fa marina izany ka tapa-kevitra izy ireny ny hifikitra amin’izany.
Nahoana àry no hitovy amin’ireo izay, tamin’ny taonjato I dia namela ny hafa hampiala azy amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly mamelombelona fantany noho ireo mpianatr’i Jesosy Kristy tsy tiam-bahoaka? Manohiza kosa miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelona; amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, dia aoka ianao hino mafy fa izay ianaranao dia tena marina tokoa (Jaona 8:32). Ary noho ny fanampian’i Jehovah, dia mifikira hatrany amin’ny fahamarinana.
-
-
Fanontanian’ny mpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Jona
-
-
Fanontanian’ny mpamaky
◼ Inona no dikan’ny andinin-teny ao amin’ny II Samoela 18:8 manao hoe: “Ny matin’ny ala androtrizay dia be noho ny matin’ny sabatra”?
Ny zanakalahin’i Davida mpanjaka, Absaloma bikàna, dia naka an-keriny ny seza fiandrianana, ka nanery tamin’izany ny rainy handositra an’i Jerosalema. Taorian’izany, ny alan’i Efraima — angamba tany atsinanan’i Jordana — dia nisehoan’ny ady iray nifanaovan’ny miaramilan’i Absaloma sy ireo mpanompo nahatokin’i Davida mpanjaka, voahosotr’i Jehovah. Araka ny tantaraina amintsika ao amin’ny II Samoela 18:6, 7, ireo mpanompon’i Davida dia nahafaty mpikomy roa alina tao amin’io ady nahatsiravina io. Nanampy teny toy izao ny andininy manaraka2Sa 18:8 : “Ny matin’ny ala androtr’izay dia be noho ny matin’ny sabatra.”
Ny sasany nanombantombana fa ireo miaramila mpikomy dia nety ho nohanin’ny biby dia nonina tany an’ala (I Samoela 17:36; II Mpanjaka 2:24). Tsy ilaina anefa ny mampiditra izany hevitra izany mba hanazavana ny teny hoe ‘maty [lany, MN ]’, satria ny “sabatra” koa tsy nandany ara-bakiteny ireo novonoina tamin’ny ady. Raha ny marina, dia “nihahakahaka [nitatra, MN ] teny rehetra teny ny ady”. Noho izany, dia azo inoana kokoa fa ireo miaramilan’i Absaloma, raiki-tahotra tampoka tao amin’io ala be karao-bato io, dia latsaka tao amin’ny lavaka, ny tevana ary voasaringotry ny kirihitra matevina raha mbola nandositra. Azo atao ny manamarika, araka ny tohin’ny fitantarana, fa ny tenan’i Absaloma koa aza dia niharan-doza noho ny ala. Voasaringotry ny hazo lehibe tokoa ny lohany — toa noho ny volony natevina be — , ka izany dia nahatonga azy tsy ho afaka nanao na inona na inona teo anoloan’ny famelezan’i Joaba sy ireo mpanompony azy ho faty. Ny fatin’i Absaloma dia ‘natsipin’ny olona tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny’. — II Samoela 18:9-17.
-