Mitandrema Amin’ny Simônia!
NOHAJAINA fatratra teo anivon’ny fiaraha-monina i Simona avy any Samaria. Velona tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. izy. Talanjona aoka izany tamin’ny majika nataony ny olona ka nilaza toy izao momba azy: “Ity lehilahy ity no herin’Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.” — Asan’ny Apostoly 8:9-11.
Rehefa tonga Kristianina vita batisa anefa i Simona, dia tsikariny fa hay mbola nisy hery lehibe lavitra noho ilay narantirantiny taloha. Tsy inona akory izany fa ilay hery nomena ireo apostolin’i Jesosy, izay nahafahan’izy ireo nampita tamin’ny hafa ireo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy masina. Niaiky volana i Simona ka nanolotra vola tamin’ireo apostoly no sady nangataka hoe: “Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tànana.” — Asan’ny Apostoly 8:13-19.
Niteny mafy an’i Simona i Petera tamin’ny filazana hoe: “Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra. Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany hianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra.” — Asan’ny Apostoly 8:20, 21.
Avy amin’io fitantarana ao amin’ny Baiboly io no niavian’ny teny hoe “simônia”, izay faritana hoe “ota mahakasika fividianana na fivarotana toerana na fisondrotana ao amin’ny eglizy”. Miaiky ny New Catholic Encyclopedia fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-9 ka hatramin’ny taonjato faha-11 indrindra no “nampahazo vahana ny simônia teo anivon’ireo mônasitera sy ireo mpitondra fivavahana ambany kokoa ary ireo eveka, eny fa na dia teo amin’ireo papa aza”. Manao izao fanamarihana izao ny fanontana fahasivy tamin’ny The Encyclopædia Britannica (1878): “Ny fianarana ny tantaran’ireo fivoriana nifidianana Papa, dia mahatonga ny mpianatra hiaiky fa mbola tsy nisy mihitsy ny hoe fifidianana tsy voapentimpentin’ny simônia. Ary amin’izay indray anefa dia karazana simônia faran’izay nibaribary sy faran’izay tsy nisy henatra ary faran’izay nivandravandra ny ankamaroan’ireo natao tamin’ny fivoriana nifidianana Papa.”
Tsy maintsy mitandrin-tena amin’ny simônia ny Kristianina marina amin’izao andro izao. Mety hidera fatratra an’ireo olona afaka manome azy tombontsoa fanampiny, ohatra, ny sasany, na halala-tanana erỳ manao fanomezana be dia be ho azy ireny. Etsy an-danin’izany kosa, ireo izay afaka manome izany tombontsoa izany dia mety hampiseho fiangarana amin’ireo olona izay sady afaka manototra fanomezana azy no dodona rahateo hanao fanomezana be dia be. Tafiditry ny simônia avokoa ireo toe-javatra roa ireo. Mazava ny fanamelohan’ny Soratra Masina ny fanao toy izany. “Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao”, hoy ny fampirisihan’i Petera an’i Simona, “ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao [“io tetikao io”, New Jerusalem Bible]. Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’ny afero sy ny fehin-keloka ihany hianao.” — Asan’ny Apostoly 8:22, 23.
Soa ihany fa tsapan’i Simona ny halehiben’ny fanirian-dratsiny. Niangavy ireo apostoly toy izao izy: “Mangataha ho ahy amin’ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.” (Asan’ny Apostoly 8:24). Manisy fiheverana ilay lesona lehibe raketin’io fitantarana io ny Kristianina marina, ka miezaka mafy hanalavitra izay rehetra mety ho pentimpentin’ny simônia.