Fiheveran’ny Kristianina Ireo Fomba Rehefa Misy Maty
FARAN’IZAY mampahonena ny fahafatesan’ny havan-tiana iray tampoka, tsy nampoizina akory. Ny dona mafy aterak’izany dia arahin’ny fanaintainana mafy ara-pihetseham-po. Tsy manampoka toy izany akory ny mahita havan-tiana iray mody mandry rehefa avy narary nanaintaina naharitra, kanefa dia eo ihany ny alahelo sy ny fahatsapana fahabangana lehibe.
Na nanao ahoana na nanao ahoana tarehin-javatra nahafatesan’ny havan-tiana iray, dia mila fanampiana sy fampiononana ireo nidonam-pahoriana. Ny Kristianina nidonam-pahoriana dia mety ho voatery hiatrika fanenjehana avy amin’ireo misisika hanaraka fomba tsy araka ny Soratra Masina rehefa misy maty. Fahita izany any amin’ny tany maro atsy Afrika sy any amin’ny faritra hafa sasany amin’ny tany.
Inona no hanampy ny Kristianina nidonam-pahoriana hanalavitra ireo fomba tsy araka ny Soratra Masina rehefa misy maty? Ahoana no ahafahan’ireo mpiray finoana manohana, amin’ny fotoam-pisedrana toy izany? Mahaliana an’izay rehetra ta hampifaly an’i Jehovah ny valin’ireo fanontaniana ireo, satria “izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. — Jakoba 1:27.
Ampifandraisin’ny zavatra inoana iray
Ny anton-javatra iombonana mampifandray ireo fomba maro rehefa misy maty, dia ny finoana fa manohy miaina any amin’ny faritra tsy hita maso misy ireo razana, ilay maty. Mba hampitonena azy ireo, dia olona mana-manjo maro no mihevitra fa voatery hanatontosa fombafomba sasany ny tenany. Na matahotra izy ireo sao tsy ho faly aminy ireo mpiray tanàna izay mino fa hisy loza hanjo ny fiaraha-monina raha tsy tontosa ireo fombafomba.
Tsy tokony hanaiky ho resin’ny tahotra olona ny Kristianina marina, ka handray anjara amin’ny fomba izay tsy mahafaly an’Andriamanitra. (Ohabolana 29:25; Matio 10:28). Asehon’ny Baiboly fa tsy mahatsiaro tena ny maty, satria hoy izy: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...) Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 10). Izany no antony nampitandreman’i Jehovah Andriamanitra ny vahoakany tamin’ny andro fahiny mba tsy hanandrana hampitony ny maty na hifampiresaka amin’izy ireny. (Deoteronomia 14:1; 18:10-12; Isaia 8:19, 20). Ireo fahamarinana ara-baiboly ireo dia mifanohitra amin’ny fomba maro tiam-bahoaka rehefa misy maty.
Ahoana ny amin’ny “fanadiovana amin’ny alalan’ny firaisana”?
Any amin’ny tany sasany atsy Afrika afovoany, dia antenaina ny hanaovan’ilay vady nidonam-pahoriana firaisana amin’ny havana akaikin’ilay maty. Raha tsy atao izany, dia inoan’ny olona fa hanisy ratsy ny fianakaviana mbola velona, ilay maty. Antsoina hoe “fanadiovana amin’ny alalan’ny firaisana” io fombafomba io. Lazain’ny Baiboly ho “fijangajangana” anefa izay mety ho firaisana ivelan’ny fanambadiana. Koa satria tsy maintsy ‘mandositra ny fijangajangana’ ny Kristianina, dia manohitra amin-kerim-po io fomba tsy araka ny Soratra Masina io izy ireo. — 1 Korintiana 6:18.
Hevero ange izay nanjo itỳ vehivavy maty vady atao hoe Mercy itỳ e.a Rehefa maty ny vadiny tamin’ny 1989, dia tian’ny havany ny hanaovany fanadiovana amin’ny alalan’ny firaisana tamin-dehilahy iray, havana. Tsy nety izy, ka nohazavainy fa mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ilay fombafomba. Sosotra ireto havany ka lasa rehefa avy nandevilevy azy. Iray volana tatỳ aoriana, dia nandroba ny tranon-dravehivavy izy ireo, tamin’ny fanesorana ny tafo vifotsy tamin’ilay trano. “Afaka mikarakara anao ny fivavahanao”, hoy izy ireo.
Nampionona an’i Mercy ny kongregasiona, ary nanorina trano vaovao ho azy mihitsy aza. Nanaitra ny sain’ny mpiara-monina tokoa izany, ka nanapa-kevitra ny handray anjara tamin’ilay tetik’asa ny sasany, ary dia ny vadin’ny ben’ny tanàna, izay katolika, no voalohany nitondra bozaka hatao tafo. Nampahery ny zanany ny fitondran-tenan’i Mercy izay nahatoky. Nanomboka teo, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra ny efatra tamin’izy ireo, ary vao haingana izay, dia nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ny iray.
Noho ilay fomba fanadiovana amin’ny alalan’ny firaisana, dia nisy Kristianina sasany nanaiky hoterena hanambady tsy mpino. Ny lehilahy iray maty vady efa 70 taona, ohatra, dia nanambady maimaika zazavavy tanora iray, izay havan’ilay vadiny efa maty. Tamin’ny fanaovana izany, dia afaka nilaza izy fa nanatontosa ilay fanadiovana amin’ny alalan’ny firaisana. Izany lalam-pitondran-tena izany anefa dia mifanohitra amin’ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ny Kristianina. — 1 Korintiana 7:39.
Ireo fombafomba amin’ny fiaretan-tory mandritra ny alina manontolo
Any amin’ny tany maro, dia miara-mivory ao amin’ny tranon’ilay maty ireo mana-manjo, ka miari-tory mandritra ny alina manontolo. Matetika no tafiditra amin’ireny fiaretan-tory ireny ny sakafo be sy ny mozika alefa mafy. Inoan’ny olona fa mampitony ilay maty sy miaro ny fianakaviana mbola velona amin’ny ody, izany. Mety hisy kabary fandokafana hatao mba hahazoana sitraka amin’ilay olona maty. Aorian’ny kabary iray, dia mety hanao hiram-pivavahana ireo mana-manjo, alohan’ny hitsanganan’ny olon-kafa iray mba handray ny fitenenana. Mety hitohy hatramin’ny vao mangiran-dratsy izany.b
Tsy mandray anjara amin’izany fombafomba amin’ny fiaretan-tory mandritra ny alina manontolo izany ny Kristianina marina satria asehon’ny Baiboly fa tsy afaka manampy na manisy ratsy ny velona ny maty. (Genesisy 3:19; Salamo 146:3, 4; Jaona 11:11-14). Melohin’ny Soratra Masina ny fanaovana spiritisma. (Apokalypsy 9:21; 22:15). Na izany aza, dia mety ho sarotra amin’ny vehivavy kristianina maty vady ny hisakana ny hafa tsy hampiditra ny fanaovana spiritisma. Mety hisisika hanao fiaretan-tory mandritra ny alina manontolo ao an-tranony, ireo olon-kafa ireo. Inona no azon’ireo mpiray finoana atao mba hanampiana ireo Kristianina nidonam-pahoriana izay miatrika izany fahoriana fanampiny izany?
Matetika no afaka manohana fianakaviana kristianina nidonam-pahoriana ireo loholon’ny kongregasiona, rehefa mampisaintsaina ireo havana sy mpiara-monina. Aorian’ny fampisaintsainana toy izany, dia mety hanaiky handao ilay trano amim-pilaminana ireo olona ireo, ary hiara-mivory indray amin’ny fotoam-pandevenana hatao amin’ny andro hafa. Ahoana anefa raha manjary mila ady ny sasany? Mety hiteraka herisetra ny fanohizana manandrana mampisaintsaina. ‘Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa tsy maintsy mahalefitra’. (2 Timoty 2:24). Koa raha mahazo vahana noho fahavononany hiady ireo havana tsy mety miara-miasa, dia mety tsy ho afaka hanakana izany ny vehivavy kristianina maty vady sy ny zanany. Tsy mandray anjara amin’izay mety ho fombafomba ara-pivavahan-diso hatao ao an-tranony anefa izy ireo, noho ny fankatoavany ilay didin’ny Baiboly manao hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” — 2 Korintiana 6:14.
Mihatra amin’ny fandevenana koa io foto-pitsipika io. Tsy mandray anjara amin’ny hira sy ny vavaka na fombafomba tarihin’ny mpitondra fivavahan-diso, ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha mihevitra ny Kristianina isan’ny havana akaiky fa tena ilaina ny hanatrehana izany fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana izany, dia tsy handray anjara izy ireo. — 2 Korintiana 6:17; Apokalypsy 18:4.
Fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana mihaja
Ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana tarihin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mampiditra fombafomba natao hampitonena ny maty. Misy lahateny ara-baiboly atao any amin’ny Efitrano Fanjakana, na any amin’ny tranom-paty, na any amin’ny tranon’ilay nody mandry, na eny am-pasana. Ny hampionona ireo nidonam-pahoriana no anaovana ilay lahateny, amin’ny fanazavana izay lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesana sy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. (Jaona 11:25; Romana 5:12; 2 Petera 3:13). Mety hisy hira miorina amin’ny Soratra Masina hatao, ary faranana amin’ny vavaka mampionona iray ilay fotoam-pivavahana.
Tsy ela izay, dia nisy fotoam-pivavahana toy izany natao tamin’ny fandevenana Vavolombelon’i Jehovah iray izay tsy iza fa ny zandrin’i Nelson Mandela, ilay prezidàn’i Afrika Atsimo, faravavy. Taorian’ilay fotoam-pivavahana, dia nisaotra tamim-pahatsorana ny mpandahateny ilay prezidà. Nisy olo-manan-kaja maro sy mpiasam-panjakana ambony maro nanatrika. “Iny no fandevenana mihaja indrindra natrehiko hatramin’izay”, hoy ny olona iray anisan’ny kabinetram-panjakana.
Azo ekena ve ny fanaovana akanjo fisaonana?
Malahelo noho ny fahafatesan’ny havan-tiany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety ho latsa-dranomaso sahala amin’i Jesosy izy ireo. (Jaona 11:35, 36). Tsy heverin’izy ireo fa tena ilaina anefa ny hampiharihary ny alahelony ho hitan’ny besinimaro amin’ny alalan’ny famantarana ivelany. (Ampitahao amin’ny Matio 6:16-18.) Any amin’ny tany maro, dia antenaina ny hanaovan’ny vehivavy maty vady akanjo fisaonana manokana mba hampitonena ny maty. Tsy maintsy anaovana mandritra ny volana maromaro na herintaona mihitsy aza aorian’ny fandevenana izany akanjo izany, ka ny fialana saona dia fotoana anaovana sakafo be hafa.
Heverina ho fanotana amin’ilay olona maty ny tsy fanehoana famantarana fisaonana. Izany no antony nandroahan’ireo lehiben’ny foko ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra sasany any Soazilandy, mba hiala tamin’ny tranony sy ny taniny. Na izany aza anefa, dia nokarakarain’ireo rahalahiny ara-panahy tany an-toeran-kafa foana ireny Kristianina nahatoky ireny.
Ny Fitsarana Tampony tany Soazilandy dia namoaka didy manohana ny Vavolombelon’i Jehovah, milaza fa tokony havela hiverina any amin’ny tranony sy taniny izy ireo. Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia navela hijanona teo amin’ny taniny ny vehivavy kristianina maty vady iray, rehefa avy nampiseho taratasy sy horonam-peo nisy filazana mazava tsara nataon’ilay vady maty fa tsy tokony hanao akanjo fisaonana ny vadiny. Noho izany, dia afaka nanaporofo izy fa tena nanaja ny vadiny tokoa.
Misy lanjany lehibe ny fanomezana toromarika voalaza mazava tsara momba ny fandevenana, alohan’ny hahafatesan’ny tena, indrindra fa any amin’ny toerana izay mahazatra ny ahitana fanao tsy araka ny Soratra Masina. Hevero ny ohatr’i Victor, nipetraka tany Cameroun. Nataony an-tsoratra ilay fandaharana tokony harahina amin’ny fandevenana azy. Tao amin’ny fianakaviany dia nisy olona eken-teny maro, izay avy amin’ny kolontsaina manana fomban-drazana mafy orina momba ny maty, ka anisan’izany ny fivavahana amin’ny karandohan’olombelona. Koa satria mpianakavy nohajaina i Victor, dia fantany fa ny karandohany dia azo inoana fa hatao toy izany. Noho izany, dia nanome toromarika mazava momba ny fomba tokony hanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandevenana azy izy. Nanamora kokoa ny toe-javatra nisy ny vady navelany sy ny zanany izany, ary nisy fanambarana tsara natao tamin’ny fiaraha-monina.
Halaviro ny fakana tahaka ireo fomba tsy araka ny Soratra Masina
Nisy olona sasany izay nanana fahalalana ny Baiboly, natahotra ny hiavaka amin’ny hafa. Mba hanalavirana fanenjehana, dia nanandrana nampifaly ireo mpiara-monina taminy izy ireo, tamin’ny fisehoana ho mody nanao fiaretan-tory ho an’ny maty araka ny fomban-drazana. Na dia tsara aza ny mitsidika ireo nidonam-pahoriana mba hanomezana fampaherezana ho azy ireo manokana, izany akory tsy mitaky ny hanaovana fotoam-pivavaham-pandevenana kely ao an-tranon’ilay nody mandry, isan’alina, alohan’ilay tena fandevenana. Ny fanaovana izany dia mety hahatafintohina ny mpitazana, satria mety hahatonga azy ireo hihevitra fa tsy tena mino izay lazain’ny Baiboly momba ny toetran’ny maty, ireo mpandray anjara. — 1 Korintiana 10:32.
Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mba hametraka ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana, ary hampiasa amim-pahendrena ny fotoanany. (Matio 6:33; Efesiana 5:15, 16). Tany amin’ny toerana sasany anefa, dia niato nandritra ny herinandro na maherin’izany ny asan’ny kongregasiona noho ny fandevenana iray. Tsy zava-manahirana manokan’i Afrika akory izany. Hoy ny tatitra iray avy tany Amerika Atsimo, mahakasika fandevenana iray: “Faran’izay vitsy ny mpanatrika tamin’ireo fivoriana kristianina telo. Tsy nisy nanohana ny fanompoana teny amin’ny saha nandritra ny folo andro teo ho eo. Na dia ireo olona tany ivelan’ny kongregasiona sy ireo mpianatra ny Baiboly aza dia gaga sy diso fanantenana raha nahita ny rahalahintsika sy anabavintsika sasany nandray anjara.”
Any amin’ny fiaraha-monina sasany, ny fianakaviana nidonam-pahoriana dia mety hanasa namana akaiky vitsivitsy ho ao an-tranony mba hanao ody ambavafo kely aorian’ny fandevenana. Any amin’ny faritra maro atsy Afrika anefa, dia olona an-jatony maro izay nanatrika ilay fandevenana no mirohotra mankany amin’ny tranon’ilay nody mandry ary manantena ny hamantana sakafo be hisian’ny biby atao sorona, mazàna. Naka tahaka io fomba io ny sasany izay efa miaraka amin’ny kongregasiona kristianina, ka nahatonga ny hafa hihevitra fa nanao ilay sakafo be fanao mahazatra ho fampitonena ny maty izy ireo.
Tsy manavesatra ireo nidonam-pahoriana amin’ny fandaniana be ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa tsy tokony hisy ilana fandaharana manokana mba hanomezan’ireo nanatrika teo vola fanonerana ny lany tamin’ny fandevenana nandaniana be. Raha toa ny vehivavy mahantra iray maty vady ka tsy afaka misahana ireo fandaniana tena ilaina hatao, dia tsy isalasalana fa ho faly hanampy azy ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Raha tsy ampy ny fanampiana toy izany, dia mety hanao fandaharana ireo loholona mba hanampiana ara-nofo ireo mendrika homena izany. — 1 Timoty 5:3, 4.
Tsy mifanohitra amin’ny foto-pitsipiky ny Baiboly foana akory ireo fomba rehefa misy maty. Rehefa mifanohitra izy ireny, dia tapa-kevitra ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny Soratra Masina, ny Kristianina.c (Asan’ny Apostoly 5:29). Na dia mety hitondra fahoriana fanampiny aza izany, dia afaka milaza marimarina ny mpanompon’Andriamanitra maro fa tafavoaka soa aman-tsara tamin’izany fitsapana izany izy ireo. Nahavita izany izy ireo, noho ny tanjaka avy amin’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, sy noho ny fanampiana feno fitiavana nomen’ny mpiray finoana izay nampionona azy ireo tamin’ny fahoriany. — 2 Korintiana 1:3, 4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nosoloana ny anarana ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.
b Amin’ny antokom-pitenenana sy kolontsaina sasany, ilay teny hoe “fiaretan-tory” dia entina ilazana fitsidihana fohy atao mba hampiononana ireo nidonam-pahoriana. Tsy misy zavatra tsy araka ny Soratra Masina tafiditra amin’izany. Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Septambra 1979, pejy faha-27-28.
c Any amin’ny tany izay azo inoana fa hahatonga fitsapana mafy ho an’ny Kristianina ireo fomba rehefa misy maty, dia azon’ireo loholona ampiomanina ny amin’izay mety hiandry azy ireo mpilatsaka hatao batisa. Rehefa miara-mivory amin’ireo vaovao ireo mba handinika ireo fanontaniana ao amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, dia tokony hasiana fiheverana amim-pitandremana ireo fizarana hoe “Ny fanahy, ny fahotana ary ny fahafatesana” sy “Ny fikambanam-pinoana”. Samy ahitana fanontaniana azo iaraha-midinika avokoa ireo fizarana ireo. Eo no azon’ireo loholona anomezana fanazavana momba ireo fomba tsy araka ny Soratra Masina rehefa misy maty, mba hahafantaran’ireo mpilatsaka hatao batisa izay takin’ny Tenin’Andriamanitra aminy, raha sanatria ka tojo izany toe-javatra izany izy.
[Efajoro, pejy 23]
Notahina Noho ny Fijoroany Mafy
Vehivavy kristianina maty vady be herim-po i Sibongili, izay mipetraka atsy Soazilandy. Taoriana kelin’ny nahafatesan’ny vadiny, dia tsy nety nanaraka fomba izay noheverin’ny maro fa mampitony ny maty, izy. Ohatra, tsy nokakasany ny lohany. (Deoteronomia 14:1). Tezitra noho izany ny mpianakaviny valo mianaka ka nokakasan’izy ireo an-keriny ny lohany. Tsy navelan’izy ireo koa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitsidika ny trano ka hanome fampiononana ho an’i Sibongili. Nisy anefa olon-kafa, liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, faly nitsidika azy, nitondra taratasy fampaherezana nosoratan’ireo loholona. Tamin’ilay andro nantenaina fa hanaovan’i Sibongili ireo akanjo fisaonana manokana, dia nisy zava-nitranga tsy nampoizina. Nisy mpianakavy iray neken-teny namory ny rehetra mba hidinika ny amin’ny tsy fetezan’i Sibongili hanaraka ireo fomba fisaonana nentim-paharazana.
Nitantara toy izao i Sibongili: “Nanontany ahy izy ireo raha toa ny finoako ara-pivavahana ka namela ahy haneho alahelo amin’ny fanaovana ilay akanjo fisaonana lava mainty. Rehefa avy nohazavaiko ny toerana notanako, dia nilaza izy ireo fa tsy hanery ahy. Akory ny hagagako fa, niala tsiny tamiko izy rehetra noho ny nanaovany an-keriny tamiko sy noho ny nikakasany ny lohako tsy araka ny sitrapoko. Samy nangata-pamelana tamiko izy rehetra.” Tatỳ aoriana, ny rahavavin’i Sibongili dia nilaza ny fiekeny fa manana ny fivavahana marina ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nangataka fianarana ny Baiboly izy.
Indro misy ohatra hafa iray: 29 taona i Benjamin, lehilahy iray atsy Afrika Atsimo, fony izy nandre ny nahafatesan-drainy tampoka. Tamin’izay fotoana izay, dia i Benjamin irery no hany Vavolombelona tao amin’ny fianakaviany. Nandritra ny fotoam-pivavahana tamin’ny fandevenana, dia nantenaina ny hilaharan’ny rehetra mandalo ny fasana ka hanipy tany eran’ny tanana eo amin’ilay vatam-paty.* Taorian’ny fandevenana, dia nasaina nokakasana ny lohan’ireo anisan’ny havana akaiky rehetra. Koa satria tsy nandray anjara tamin’ireo fombafomba ireo i Benjamin, dia nilaza mialoha ireo mpiara-monina sy ny mpianakaviny fa hofaizin’ny fanahin’ilay rainy efa maty izy.
“Koa satria aho nametraka ny fitokiako tamin’i Jehovah, dia tsy nisy na inona na inona nanjo ahy”, hoy i Benjamin. Nomarihin’ireo mpianakavy izay nahazo azy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia maromaro tamin’izy ireo no nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. Ary i Benjamin? Nilatsaka hanao ny asa fitoriana manontolo andro izy. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nahazo tombontsoa tsara dia tsara hitsidika kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha mpiandraikitra mpitety faritany izy.
* Mety tsy ho hitan’ny sasany izay maha ratsy ny fanipazana voninkazo na tany eran’ny tanana ao anatin’ny fasana. Hanalavitra io fanao io anefa ny Kristianina, raha toa ny fiaraha-monina ka mihevitra azy io ho fomba ampitonena ny maty, na raha toa izy io ka anisan’ny fombafomba notarihin’ny mpitondra fivavahan-diso. — Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Jolay 1977, pejy faha-15.