Fivavahana Tamin’i Bala — Ilay Ady tao Am-pon’ireo Isiraelita
Nandritra ny efa ho arivo taona, dia nafotaka ny ady tao am-pon’ny firenena isiraelita. Ny tahotra niharo finoanoam-poana sy ny fombafomba nisy fanaovana firaisana no nifanandrina tamin’ny finoana sy ny tsy fivadihana. Ady nampifanohitra ny fivavahana tamin’i Bala sy ny fivavahana tamin’i Jehovah, io ady niankina aman’aina io.
HIFIKITRA amim-pahatokiana amin’ilay Andriamanitra marina nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta ve ny firenen’ny Isiraely? (Eksodosy 20:2, 3). Sa kosa izy ireo hivadika ka hiandany amin’i Bala, ilay andriamanitr’i Kanana be mpitia indrindra, izay nampanantena fa hanao izay hahalonaka ny tany?
Zava-dehibe amintsika io ady ara-panahy natao efa tany amin’ny an’arivony taona maro lasa io. Nahoana? “Izany”, hoy no nosoratan’ny apostoly Paoly, “dia (...) voasoratra (...) ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” (1 Korintiana 10:11). Hisy heviny kokoa ilay fampitandremana fototra avy amin’io ady manan-tantara io, raha takatsika hoe iza i Bala, ary nahafaoka inona ny fivavahana taminy.
Iza moa i Bala?
Nanjary nisy ny fifampikasohan’ireo Isiraelita tamin’i Bala, rehefa tonga tao Kanana izy ireo, tokony ho tamin’ny taona 1473 al.f.i. Hitan’ireo Isiraelita fa ny Kananita dia nivavaka tamin’ny andriamanitra maro be, izay tsy nifankaiza tamin’ireo andriamanitr’i Ejipta, na dia samy hafa aza ny anarany sy ny lafiny sasany mampiavaka azy. Singanin’ny Baiboly manokana anefa i Bala, satria andriamanitra lehibe indrindra teo amin’ny Kananita izy io. Manamafy ny toerana ambony notanan’i Bala ireo zavatra hitan’ny arkeôlôjia. (Mpitsara 2:11). Tsy i Bala akory no andriamanitra fara tampony tamin’ireo andriamanitry ny Kananita. Na izany aza anefa, dia izy io no nanan-danja indrindra tamin’ny Kananita. Nino izy ireo fa izy io no nanana fahefana tamin’ny orana sy ny rivotra ary ny rahona, ary izy irery ihany no afaka mamonjy ny olona, mbamin’ny biby sy ny voly, tsy ho momba na tsy hamokatra, eny, tsy ho faty mihitsy aza. Raha tsy eo ny fiarovan’i Bala, dia azo antoka fa hitondra loza ho azy ireo i Môt, andriamanitra kananita mpamaly faty.
Feno fombafomba izay nisy fanaovana firaisana, ny fivavahana tamin’i Bala. Na dia ireo zavatra ara-pivavahana nisy ifandraisany tamin’i Bala aza, toy ireo andry masina sy tsato-kazo masina, dia nahatonga hieritreritra ny amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. Ireo andry masina — vatolampy na vato voapaika miendrika filahiana — dia toa sary fanehoana an’i Bala, izay tsy inona fa ny filahiana eo amin’ny sehatry ny firaisana. Ireo tsato-kazo masina kosa, etsy an-danin’izany, dia zavatra vita tamin’ny hazo, na vatan-kazo, izay natao hampisehoana an’i Aseraha, vadin’i Bala, ary sary nampiseho ny fivaviana. — 1 Mpanjaka 18:19.
Lafiny hafa nampahalaza ny fivavahana tamin’i Bala ny fivarotan-tena tao amin’ny tempoly sy ny fanaovana sorona zaza. (1 Mpanjaka 14:23, 24; 2 Tantara 28:2, 3). Hoy ilay boky hoe The Bible and Archaeology: “Nisy mpivaro-tena lahy sy vavy (lehilahy sy vehivavy ‘masina’) tao amin’ireo tempolin’ny Kananita, ary natao tao avokoa izao karazana filibana tamin’ny firaisana rehetra izao. Nino [ny Kananita] fa nahatonga ny voly sy ny biby fiompy hiroborobo ireny fombafomba ireny.” Na ahoana na ahoana, dia antony ara-pivavahana no nentin’izy ireo nanamarinana ny zavatra nataony, na dia tsy isalasalana aza fa nanintona ny filan’ny nofon’ireo mpivavaka izany fahalotoam-pitondran-tena izany. Ahoana àry no nambaboan’i Bala ny fon’ireo Isiraelita?
Nahoana no nanintona aoka izany?
Naleon’ny Isiraelita maro angamba nanaraka fivavahana iray izay tsy nitaky zavatra firy avy taminy. Rehefa nivavaka tamin’i Bala izy ireo, dia afaka tamin’ny fitandremana ny Lalàna, toy ny Sabata sy ireo fitsipika maro nifehy ny fitondran-tena. (Levitikosy 18:2-30; Deoteronomia 5:1-3). Ny fanambinana azon’ny Kananita teo amin’ny lafiny ara-nofo angamba no nampiaiky ny hafa fa nilaina nampitonena i Bala.
Fantatra tamin’ny hoe fitoerana avo ireo toerana masina kananita, ary teny amin’ireo faritra nisy hazo naniry, teny amin’ny tehezan-tendrombohitra, no nisy azy ireny. Tsy maintsy ho toerana nahafinaritra ho an’ireo fombafomba momba ny fahavokarana natao tao, ireny toerana masina ireny. Tsy nianina intsony tamin’ny fankanesana tany amin’ireo toerana masina kananita ny Isiraelita, fa tsy ela koa dia nanorina ny azy manokana. “Nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra”, izy ireo. — 1 Mpanjaka 14:23; Hosea 4:13.
Nanintona ny nofo indrindra indrindra anefa ny fivavahana tamin’i Bala. (Galatiana 5:19-21). Naniry hahazo vokatra sy biby fiompy be dia be ireo Kananita, kanefa tsy izany fotsiny no nanaovany ireo fanao nanaitaitra ny filan’ny nofo, fa ho fankalazana koa ny maha lahy sy ny maha vavy. Hita porofo avy amin’ireo sary vongana maro nofongarina avy ao anaty tany izany. Mihoa-pampana ny fanasongadinan’ireny sary vongana ireny ny lafiny momba ny maha lahy sy ny maha vavy, izay mampiseho ireo zavatra atao mba hanairana ny filan’ny nofo. Ny fanasam-be sy ny fandihizana ary ny mozika dia nanomana ny saina ho amin’ny fitondran-tena mamoafady.
Azontsika alaina sary an-tsaina ny fisehoan-javatra iray izay mampiseho tsara ny zava-nitranga tamin’ny voalohandohan’ny fahavaratra. Ao anatin’ny faritra voajanahary mahafinaritra iray ireo mpivavaka, nanaram-po tamin’ny fanasam-be no sady notaitairin’ny divay nosotroiny, ka rafitra nandihy. Tsy niasa i Bala nandritra ny main-tany, ka mba hamohazana azy amin’izany no anaovan’izy ireo ilay dihy momba ny fahavokarana, mba hahazoan’ny tany ranonoram-pitahiana. Mandihy mihodidina ireo andry miendrika filahiana sy tsato-kazo masina izy ireo. Mampirongatra ny faniriana hanao firaisana sy ny filan’ny nofo ireo fihetsika atao, indrindra fa ny an’ireo mpivaro-tena ao amin’ny tempoly. Manentana azy ireo hatrany ny mozika sy ny mpanotrona. Azo inoana fa rehefa mahatratra ny fara tampony ilay dihy, dia mizotra mankao amin’ireo efitra ao amin’ny tranon’i Bala ireo mpandihy, mba hanao firaisana maloto. — Nomery 25:1, 2; ampitahao amin’ny Eksodosy 32:6, 17-19; Amosa 2:8.
Nandeha tamin’ny fahitana izy ireo, fa tsy tamin’ny finoana
Na dia nanintona ny maro aza izany endri-panompoam-pivavahana manaitra ny filan’ny nofo izany, dia nitarika ny Isiraelita ho amin’ny fivavahana tamin’i Bala koa ny tahotra. Rehefa nanary ny finoany an’i Jehovah ireo Isiraelita, dia nitarika azy ireo hanao spiritisma, ny tahotra ny maty sy ny tahotra ny hoavy ary ny fahalianana tamin’ny asan’ny maizina. Nisy fombafomba faran’izay namoafady koa anefa tamin’ny spiritisma. Tamin’ny Kananita, dia anisan’ny fivavahana tamin’ny razana ny fanomezana hasina ny fanahy efa lasana. Toy izao no ilazalazan’ny The International Standard Bible Encyclopedia ny fomba nanaovan’izy ireo izany: “Nisy fanasana (...) natao tao amin’ny fasam-pianakaviana na teo amin’ireo dongona fandevenana. Anisan’ny fombafomba nentina nankalaza ireny fanasana ireny ny fahamamoana sy ny firaisana ara-nofo (nisy firaisana tamin’olom-pady angamba), izay noeritreretina ho nandraisan’ireo nodimandry anjara.” Rehefa nandray anjara tamin’ny fanao niharo spiritisma sy nampietry toy izany ireo Isiraelita, dia nanalavitra kokoa hatrany an’i Jehovah Andriamanitr’izy ireo. — Deoteronomia 18:9-12.
Ny sampy sy ireo fombafomba niaraka taminy, dia nanintona koa ireo Isiraelita izay tia kokoa ny nandeha tamin’ny fahitana, fa tsy tamin’ny finoana. (2 Korintiana 5:7). Nahita fahagagana nahatalanjona nataon’i Jehovah tamin’ny tanany tsy hita maso ireo Isiraelita maro nandao an’i Ejipta. Na dia taorian’izany aza anefa, dia mbola nihevitra izy ireo fa nila zavatra hita maso ihany mba hampahatsiahy azy an’i Jehovah. (Eksodosy 32:1-4). Ny sasany tamin’ireo taranany koa dia naniry hivavaka tamin-javatra hita maso, toy ireo sampy mampiseho an’i Bala. — 1 Mpanjaka 12:25-30.
Iza no nandresy?
Nafotaka ilay ady tao am-pon’ireo Isiraelita, nandritra ny taonjato maro: Nanomboka tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teo amin’ny lemak’i Moaba, taloha kelin’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ka hatramin’ny fotoana nanaovana sesitany azy ireo tany Babylona. Toa nifandimby nandresy ny andaniny sy ny ankilany. Indraindray, dia nitoetra ho tsy nivadika tamin’i Jehovah ny ankamaroan’ny Isiraelita. Mazàna anefa no nivily nanaraka an’i Bala izy ireo. Ny antony fototra nahatonga izany dia ny nifaneraserany tamin’ireo olona mpanompo sampy nanodidina azy.
Resy ara-tafika ireo Kananita, hany ka niady tamin’ny fomba an-kolaka kokoa izy ireo taorian’izany. Nanorim-ponenana teo anilan’ny Isiraelita izy ireo, ary nampirisihiny handray ireo andriamanitr’ilay tany, ireto mpandresy azy. Nanohitra izany fironana izany ireo mpitsara be herim-po toa an’i Gideona sy i Samoela. Nananatra ny vahoaka tamin’izao teny izao i Samoela: “Ario (...) ny andriamani-kafa (...), ka ampiomany ny fonareo ho an’i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo”. Nandritra ny fotoana kelikely, dia nanaraka ilay fananaran’i Samoela ireo Isiraelita, ka ‘nanary ireo Bala sy Astarta, ary nanompo an’i Jehovah irery ihany’. — 1 Samoela 7:3, 4; Mpitsara 6:25-27.
Taorian’ny nanjakan’i Saoly sy i Davida, dia nanomboka nanao fanatitra ho an’ny andriamani-kafa i Solomona, tamin’ny andro fahanterany. (1 Mpanjaka 11:4-8). Nisy nanao toy izany ny mpanjaka hafa teo amin’ny Isiraely sy ny Joda, ka nilavo lefona teo anatrehan’i Bala. Na izany aza, dia nitari-dalana teo amin’ny ady natao hanoherana ny fivavahana tamin’i Bala ny mpaminany sy ny mpanjaka nahatoky, toa an’i Elia sy Elisa ary i Josia. (2 Tantara 34:1-5). Ankoatra izany, dia nisy olona nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah, nandritra io vanim-potoana teo amin’ny tantaran’ny Isiraelita io. Nisy olona fito arivo tsy nety “nandohalika tamin’i Bala”, na dia tamin’ny andron’i Ahaba sy i Jezebela aza, fony nahatratra ny fara tampony ny fivavahana tamin’i Bala. — 1 Mpanjaka 19:18.
Tamin’ny farany, dia tsy nisy firesahana intsony momba ny fivavahana tamin’i Bala taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tamin’ny fahababoana tany Babylona. Toy ireo olona voaresaka ao amin’ny Ezra 6:21, dia “niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany hitady an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely” ny rehetra.
Fampitandremana avy amin’ny fivavahana tamin’i Bala
Efa nanjavona hatramin’ny ela ny fivavahana tamin’i Bala. Na izany aza anefa, dia misy zavatra iray loha, iombonan’ny fivavahana kananita sy ny fitambaran’olona ankehitriny: Ny fankalazana ny maha lahy sy ny maha vavy. Toa efa heniky ny fanangolena hanao fitondran-tena maloto ny rivo-piainana misy antsika. (Efesiana 2:2). “Tsy maintsy mifanandrina amin’ilay hery tsy hita maso mifehy ity tontolo maizina ity isika, sy amin’ireo solontena ara-panahy avy amin’ny foiben’ny faharatsiana”, hoy ny fampitandreman’i Paoly. — Efesiana 6:12, Phillips.
Mba hanandevozana ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia manindrahindra ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy io “hery tsy hita maso” io, izany hoe i Satana. (Jaona 8:34). Atao fanao eo anivon’ny fitambaran’olona milefitra loatra ankehitriny ny miliba amin’ny firaisana, tsy ho fanarahana fombafomba momba ny fahavokarana akory, fa ho toy ny fomba iray hitadiavan’ny tena fahafaham-po na hanaovana izay danin’ny kibo. Mandresy lahatra ihany koa ny fampielezan-kevitra atao. Amin’ny alalan’ny fialam-boly sy ny mozika ary ny dokam-barotra, dia mamonto ny sain’ny olona ireo hafatra mifandray amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. Tsy vita fanefitra amin’izany fanafihana izany ny mpanompon’Andriamanitra. Raha ny marina, ny ankamaroan’ireo voaroaka tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna kristianina, dia olona izay nanaiky ho resin’ny fanao toy izany. Tsy hitoetra ho madio ny Kristianina iray raha tsy mandà tsy an-kijanona ireny fanasana hanao fitondran-tena maloto ireny. — Romana 12:9.
Ireo Vavolombelona tanora indrindra indrindra no tandindomin-doza, satria zavatra maro mety ho hitan’izy ireo ho manintona no laroana zavatra momba ny maha lahy sy ny maha vavy. Manampy trotraka izany koa ny hoe tsy maintsy manohitra ny fitaoman’ny tanora hafa mampirisika azy, izy ireo. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 1:10-15.) Tsy vitsy no tafiditra tamin-java-nanahirana, tany amin’ireo fikoranana lehibe, ohatra. Toy ny tamin’ny fivavahana tamin’i Bala tamin’ny andro fahiny, ny mozika sy ny dihy ary ny fanangolena hanao firaisana dia fifangaroan-javatra izay mahatonga ny olona ho toy ny mamomamo. — 2 Timoty 2:22.
“Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?”, hoy ny fanontanian’ny mpanao salamo. “[Amin’ny] fitandremana araka ny tenin[’i Jehovah]”, hoy ny navaliny. (Salamo 119:9). Nandidy ireo Isiraelita mba hanalavitra ny fifaneraserana akaiky tamin’ny Kananita ny Lalàn’Andriamanitra. Mampitandrina antsika toy izany koa ny Baiboly, ny amin’ireo loza ateraky fifaneraserana tsy mampiseho fahendrena. (1 Korintiana 15:32, 33). Asehon’ny tanora kristianina iray fa matotra ny tenany rehefa laviny izay zavatra mety hanintona ny filan’ny nofo, kanefa fantany fa manimba ny fitondran-tena. Sahala amin’i Elia nahatoky, dia tsy azontsika avela hanapa-kevitra eo amin’ny toerantsika, ny hevitra tiam-bahoaka izay tsy mitsaha-miova. — 1 Mpanjaka 18:21; ampitahao amin’ny Matio 7:13, 14.
Ny fampitandremana hafa iray dia mahakasika ny fahaverezan’ny finoana, ilay “ota izay malaky mahazo antsika”. (Hebreo 12:1). Toa mbola nino an’i Jehovah ihany ny maro tamin’ireo Isiraelita, saingy niantehitra tamin’i Bala izy ireo ka nihevitra azy ho andriamanitra niaro ny voliny sy nanome izay nilainy isan’andro. Nihevitra angamba izy ireo fa lavitra loatra ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema no sady tsy ho vita ny hitandrina ny lalàny. Tsy nitaky zavatra betsaka mihitsy ny fivavahana tamin’i Bala no sady nampiadana, satria azon’izy ireo natao mihitsy aza ny nandoro zavatra ho an’i Bala tao an-tampon’ny tranony. (Jeremia 32:29). Angamba nifindra lasy ho amin’ny fivavahana tamin’i Bala izy ireo, tamin’ny fandraisana anjara fotsiny tamin’ny fombafomba sasany, na tamin’ny fanaovana fanatitra mihitsy ho an’i Bala, tamin’ny anaran’i Jehovah.
Ahoana no mety hahatonga antsika ho very finoana ka hiala tsikelikely amin’ilay Andriamanitra velona? (Hebreo 3:12). Mety ho verintsika miandalana ilay fankasitrahana nananantsika taloha, dia ny fankasitrahantsika ireo fivoriana sy fivoriambe. Ny fihetsika toy izany dia mitory tsy fahampiam-patokisana ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hanomezana “sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety”. (Matio 24:45-47, NW ). Rehefa mihaosa amin’izany fomba izany isika, dia mety higoragora ny ‘fitanantsika ny tenin’ny fiainana’ na mety hanjary hanana fo voazarazara mihitsy aza isika, ka angamba hanaiky ho resin’ny fikatsahana fatratra ny zavatra ara-nofo na ny fahalotoam-pitondran-tena. — Filipiana 2:16; ampitahao amin’ny Salamo 119:113.
Aoka isika hihazona mafy ny tsy fivadihantsika
Tsy isalasalana fa misy ady mitranga tokoa ao am-po, amin’izao andro izao. Hitoetra tsy hivadika amin’i Jehovah ve isika, sa kosa isika hanjary haniasia noho ny fomba fiaina baranahin’ity tontolo ity? Mampalahelo fa, sahala amin’ireo Isiraelita izay nanjary voasarik’ireo fanao kananita maharikoriko, dia tsy naharitra ny mena miraviravy koa ny lehilahy sy vehivavy kristianina sasany ka nanao zavatra mahamenatra. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 7:7, 21-23.
Azo sorohina izany faharesena ara-panahy izany raha manahaka an’i Mosesy isika, ka ‘maharitra toy ny mahita Izay tsy hita’. (Hebreo 11:27). Marina aloha fa tsy maintsy “[manao ady mafy, NW ] hiaro ny finoana” isika. (Joda 3). Rehefa mitoetra ho tsy mivadika amin’ilay Andriamanitsika sy ny foto-pitsipiny anefa isika, dia afaka miandrandra ilay fotoana hahafongotra mandrakizay ny fivavahan-diso. Koa satria tsy nahaleo ny fivavahana tamin’i Jehovah ny fivavahana tamin’i Bala, dia afaka mahazo antoka koa isika fa tsy ho ela intsony “ny tany [dia] ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. — Isaia 11:9.
[Sary, pejy 31]
Sisan-javatra rava tamin’ireo tsangambato masina nampiasaina tamin’ny fivavahana tamin’i Bala, any Gazera
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Musée du Louvre, Paris