FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/6 p. 20-23
  • Fiantsorohana ny Andraikitra Hikarakara Ankohonana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiantsorohana ny Andraikitra Hikarakara Ankohonana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fikarakarana ara-nofo sy ara-panahy
  • Rehefa “mipetraka ao an-tranonao hianao”
  • Aoka ianao hahay hampifanara-javatra sy hanana fikirizana
  • Fanampiana ny “kamboty”
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ry Ray Aman-dreny, Omeo Izay Ilainy ny Fianakavianareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ry Fianakaviana, Mianara Tsy Tapaka ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/6 p. 20-23

Fiantsorohana ny Andraikitra Hikarakara Ankohonana

“IANAREO ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Tamin’ireo teny ara-tsindrimandry ireo, dia napetraky ny apostoly Paoly mazava tsara teo amin’ny toerana tokony hisy azy ilay andraikitra hikarakara ankohonana — eo an-tsoroky ny raim-pianakaviana.

Ao amin’ny ankamaroan’ny fianakaviana, dia tsy irery ny ray eo amin’ny fikarakarana ny ankizy. Ny vadiny, renin-janany, dia faly miara-miantsoroka izany andraikitra izany amin’ny vadiny. Nanambara toy izao, araka izany, i Solomona Mpanjaka: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. — Ohabolana 1:8.

Fikarakarana ara-nofo sy ara-panahy

Ny ray aman-dreny tia ny zanany dia tsy manao fanahy iniana manao tsirambina azy ireny. Eny tokoa, ny fanaovan’ny Kristiana izany dia hitovy amin’ny fandavany ny finoany, araka ny azontsika tsoahina avy amin’ny tenin’i Paoly ho an’i Timoty, manao hoe: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Takatry ny Kristiana fa ny fitaizan-janaka “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”, dia mitaky zavatra be lavitra noho ny fanomezana azy izay ilainy eo amin’ny lafiny ara-nofo.

Diniho ny fampirisihana nomen’i Mosesy ny firenen’ny Isiraely, fony izy ireo nitoby teo amin’ny lemak’i Moaba, taloha kelin’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tao dia namerina indray ireo lalàn’Andriamanitra nomena azy ireo izy, ka nandidy azy hoe: “Alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao”. (Deoteronomia 11:18). Efa nampahatsiahiviny azy ireo talohan’izay fa tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fony sy ny fanahiny ary ny heriny rehetra izy ireo, ary hoy ny teny nanampiny: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.” (Deoteronomia 6:5, 6). Tena zava-dehibe tokoa ny hamelan’ny ray aman-dreny isiraelita ny tenin’ny Lalàn’Andriamanitra hiditra ao am-pony. Rehefa nanana fo safononoky ny fankasitrahana ara-panahy ireo ray aman-dreny isiraelita, dia afaka nankatò ireto tenin’i Mosesy manaraka ireto, ka nahita vokany tsara: “[Tsy maintsy mandentika ireo (ny tenin’ny Lalàn’Andriamanitra) ao amin’ny zanakao ianao sy miresaka momba ireo, NW ], na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. — Deoteronomia 6:7; 11:19; ampitahao amin’ny Matio 12:34, 35.

Mariho fa tokony ‘handentika’ ireo teny ireo ao amin’ny zanany ny ray, ka ‘hiresaka momba ireo’. Ny hoe “mandentika” dia faritan’ny diksionera iray ho “mampianatra sy manoritra ao an-tsaina, amin’ny alalan’ny famerimberenana sy fananarana matetika”. Mampita zavatra betsaka ao amin’ny zanany ny ray aman-dreny rehefa miresaka momba ny Lalàn’Andriamanitra, isan’andro — maraina, antoandro, hariva. Rehefa tsapan’ny ankizy fa tia ny Lalàn’Andriamanitra ny ray aman-dreniny, dia ho voataona hampitombo fifandraisana akaiky amin’i Jehovah koa izy ireo. (Deoteronomia 6:24, 25). Mahaliana fa nandidy manokana ny ray i Mosesy mba hampianarany ny zanany ‘rehefa nipetraka tao an-trano izy ireo’. Anisan’ny fikarakarana ankohonana izany fampianarana izany. Ahoana anefa ny amin’izao andro izao?

Rehefa “mipetraka ao an-tranonao hianao”

“Tsy mora ilay izy”, hoy ny fanazavan’i Janet, renim-pianakaviana kristiana, manan-janaka efatra.a “Mila manana fikirizana ianao”, hoy ny fieken’i Paul, vadiny. Sahala amin’ny ray aman-dreny Vavolombelona maro hafa, i Paul sy i Janet dia miezaka miara-mianatra ny Baiboly amin-janany, indray mandeha isan-kerinandro, fara fahakeliny. “Miezaka miara-mandinika ny Baiboly ny fianakavianay, isaky ny alatsinainy takariva, amin’ny ora raikitra iray”, hoy ny fanazavan’i Paul. Niaiky anefa izy fa “tsy hoe mety foana akory izany”. Loholona voatendry ao amin’ny kongregasionany izy, ka antsoina handamina raharaha mila fikarakarana maika, indraindray. Mpanompo manontolo andro ireo zanany roa zokiny indrindra. Hitan’izy ireo fa fotoana ahitam-bokatra amin’ny firesahana amin’ny olona eny amin’ny fanompoana, ny takariva. Noho izany, dia nasian’ny mpianakavy fanamboarana ny fotoana hanaovany ny fianaram-pianakaviany. “Indraindray, dia aorian’ny sakafo hariva avy hatrany izahay no manao ny fianaranay”, hoy ny fanazavan’i Paul.

Na dia maneho fahendrena aza ny ray aman-dreny rehefa mahay manovaova araka izay ilaina ny fotoana anaovany ny fianaram-pianakaviany, dia miezaka ny hihazona azy io ho tsy tapatapaka izy ireo. “Raha tsy maintsy ovana ny fotoam-pianaranay”, hoy ny fanamarihan’i Clare, zanany vavy, dia “apetak’i Dada eo amin’ny varavaran’ny vata fampangatsiahana foana ilay fotoana vaovao, hany ka fantatray rehetra ny fotoana hanaovana azy.”

Ny fiarahana mba hanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka koa dia fotoana tsara dia tsara azon’ireo mpianakavy tanora kokoa hararaotina mba hilazana amin’ny ray aman-dreniny ireo zavatra mampanahy sy manahirana azy. Misy vokany tsara izany fianarana izany rehefa tsy henjana loatra ka mahatonga ny ankizy hamaky fotsiny ireo valin’ny fanontaniana apetraka ao amin’ilay boky fianarana ampiasainy. “Sehatra iray anaovana dinidinika ny fianaram-pianakavianay”, hoy i Martin, manan-janaka roa lahy. “Rehefa miaraka eo ny rehetra, indray mandeha isan-kerinandro, mba handinika loha hevitra araka ny Soratra Masina, dia fantatrao hoe manao ahoana ny fianakavianao eo amin’ny lafiny ara-panahy”, hoy ny teniny. “Mipoitra eo amin’ilay dinidinika eo avokoa izao karazan-javatra rehetra izao. Manjary fantatrao izay mitranga any an-tsekoly, ary ny mbola mahaliana kokoa aza, dia hitanao izay fihetsika mihamahazo vahana eo amin’ny zanakao.” Miombon-kevitra aminy i Sandra, vadiny, ka mihevitra fa mahazo zavatra betsaka avy amin’ny fianaram-pianakaviana koa ny tenany. “Eo am-pitarihan’ny vadiko ilay fianarana”, hoy ny fitantarany, “dia manjary mahafantatra zavatra betsaka aho, amin’ny fihainoana ny fomba amalian’ireo zanako lahy ny fanontanian[-drainy].” Amboarin’i Sandra avy eo ny valin-teny omeny mba hanampiana ireo zanany lahy. Ankafizin’i Sandra kokoa ilay fianarana, satria mandray anjara mavitrika amin’ilay izy ny tenany. Eny, ny fotoana anaovana fianaram-pianakaviana dia mahatonga ny ray aman-dreny hahatakatra ny fihevitry ny zanany. — Ohabolana 16:23; 20:5.

Aoka ianao hahay hampifanara-javatra sy hanana fikirizana

Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny fianaram-pianakavianao, dia mety ho hitanao fa mety ho kinga saina sy ho liana ny ankizy iray, fa ny iray hafa kosa dia mila tambatambazana mba hifantoka sy handray soa. Hoy ny tenin’ny reny kristiana iray: “Izany ny fiainam-pianakaviana! Fantatrao izay tokony hataonao amin’ny maha-ray na reny anao. Koa rehefa mitozo amin’ilay izy ianao, dia manampy sy manome vokatra i Jehovah.”

Mety hiova be arakaraka ny taonan’ny ankizy ny fe-potoana ahafahany mampifantoka ny sainy. Manisy fiheverana izany ny ray aman-dreny mampiseho fahaiza-manavaka. Ny mpivady iray dia manan-janaka dimy, 6 ka hatramin’ny 20 taona mahery. Hoy i Michael, ilay raim-pianakaviana: “Ny kely indrindra aloha omena fahafahana hamaly voalohany indrindra ny fanontaniana. Avy eo dia avelao hanome ny tsipiriany ireo zokiny kokoa ka hitondra ireo hevitra efa nomaniny.” Manampy ny ray aman-dreny hampianatra ny hasarobidin’ny fiheverana ny hafa io fomba fitondra zanaka amim-pahaiza-manavaka io. “Mety hahataka-javatra ny iray amin’ireo zanakay lahy”, hoy ny fanamarihan’i Martin, “fa mila fanampiana be kosa ilay iray hafa vao mahazo hevi-javatra. Hitako fa lasa fanofanana hampiseho faharetana kristiana sy vokatry ny fanahy hafa, ny fotoam-pianarana.” — Galatiana 5:22, 23; Filipiana 2:4.

Samihafa ny fahaizan’ny zanakao sy ny taonany, koa aoka ianao hanao fanomanana mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’izany. Hitan’i Simon sy i Mark, izay efa zatovo ankehitriny, fa fony izy ireo mbola kely kokoa, dia tena nahafinaritra azy ny nianatra ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. “Nasain’ny dadanay nilalao ireo anjara samy hafa izahay, toy ny amin’ny tantara an-tsehatra”, hoy ny tsaroan’izy mirahalahy. Tadidin’ilay rain’izy ireo fa nandady tamin’ny tany ny tenany mba hilalaovana ilay fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy, niaraka tamin’izy mirahalahy zanany. (Lioka 10:30-35). “Ohatra ny tena izy mihitsy ilay izy sady nahafinaritra erỳ!”

Ankizy maro no manohitra ny hanaovana tsy tapaka ny fianaram-pianakaviana. Tokony hanakana ny ray aman-dreny tsy hitarika ny fianarana araka ny efa nokasaina ve izany? Tsy izany velively. “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”, hoy ny fieken’ny Ohabolana 22:15. Nihevitra ny reny iray mitaiza irery ny zanany fa tsy nahay nitarika fianaram-pianakaviana ny tenany, rehefa imbetsaka no toa nisy fanelingelenana nanembantsembana ilay fianarana. Nanana fikirizana anefa izy. Ankehitriny ny zanany dia manaja azy fatratra ary nanjary nihevitra ho sarobidy ilay fitiavana sy fiahiana nasehony, tamin’ny nikirizany nitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka.

Fanampiana ny “kamboty”

Ireo loholona kristiana dia natao ‘hiandry ny ondrin’Andriamanitra’. (1 Petera 5:2, 3). Ny fitsidihana ara-potoana ataony amin’ireo fianakaviana ao anatin’ny kongregasionany, dia manome fahafahana azy ireo hidera ireo ray aman-dreny miantsoroka ny andraikiny kristiana. Amin’iza no mipetraka ny andraikitra hampianatra ny zanak’ireo ray na reny mitaiza ireny ny zanany? Aza hadinoina na oviana na oviana fa ilay ray na ilay reny no manana andraikitra hampianatra ny zanany.

Ny fahamalinana kristiana dia hanampy ireo loholona mba hanalavitra ireo tarehin-javatra hahatonga ny olona hieritreri-dratsy, izay mety hiseho raha toa izy ireo ka maka ny toeran’ilay ray tsy eo. Na dia azon’ny rahalahy roa atao aza ny mitsidika anabavy kristiana iray mitaiza irery ny zanany, dia ho malina foana izy ireo rehefa mandamin-javatra mba hanohanana ny fandaharam-pianaran’ilay fianakaviana. Indraindray, dia mety hampahery sy ho azo ampiharina ny fanasana ireo ankizy (sy ilay reny mitaiza irery ny zanany) mba hanatrika ny fianaram-pianakavian’ilay loholona. Aza hadinoina na oviana na oviana anefa fa i Jehovah no Raintsika lehibe any an-danitra. Azo antoka fa eo izy mba hitarika sy hanampy ilay reny rehefa mitarika fampianarana amin’ireo zanany izy, na dia manao izany irery aza izy.

Ahoana raha toa ka tia zavatra ara-panahy ny tanora iray, saingy tsy miraharaha firy na tsy miraharaha mihitsy ny andraikiny ara-panahy ireo ray aman-dreniny? Tsy voatery hanjary ho kivy ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky. “Hianao [Jehovah Andriamanitra] no iononan’ny mahantra”, hoy ny hiran’ny mpanao salamo. “Hianao no Mpamonjy ny kamboty.” (Salamo 10:14). Ireo loholona be fitiavana ao amin’ny kongregasiona kosa, etsy an-danin’izany, dia hanao araka izay fara heriny mba hampirisihana ireo ray aman-dreny mikarakara ny zanany. Azon’ireo loholona atao ny manipy hevitra ny hanaovan’ny fianakaviana fiaraha-midinika, ka avy eo dia hanatrika izany, mba hanomezana tsipy hevitra sasany azo ampiharina momba ny fomba hiaraha-mianatra. Mazava ho azy fa tsy hanaisotra ilay andraikitry ny ray aman-dreny akory izy ireo, satria ny ray aman-dreny no nanankinan’ny Soratra Masina izany andraikitra izany.

Mila fanohanana be ny ankizy manana ray aman-dreny izay tsy mandray ny finoana. Mety hahasoa ny fakana azy ireny hiaraka aminao rehefa manao fianaram-pianakaviana ianao, raha eken’ny ray aman-dreniny izany. I Robert, izay efa lehibe sy manan-tokantrano ankehitriny, dia nanatrika fivoriana kristiana niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny, fony izy vao telo taona. Namela fahatsiarovana mamy taminy ireny fivoriana ireny, na dia taorian’ny nitsaharan’ireo ray aman-dreniny tsy niaraka tamin’ny kongregasiona kristiana aza. Fony izy folo taona, dia nihaona tamin’ny ankizilahy Vavolombelona iray, izay nitondra azy tany amin’ireo fivoriana, izy. Ireo ray aman-drenin’ilay ankizilahy Vavolombelona dia nikarakara tamim-pifaliana an’i Robert, tamin’ny naha-kamboty ara-panahy azy, ka niara-nanao fianarana taminy. Noho io fikarakarana tamim-pitiavana io, dia nanao fandrosoana haingana izy, ary faly manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona izy ankehitriny.

Na dia manohitra ny fandrosoan’ny zanany aza ireo ray aman-dreny, dia tsy irery akory ireo ankizy. Mitoetra ho Ray any an-danitra mahatoky i Jehovah. “Rain’ny kamboty (...) Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina”, hoy ny ambaran’ny Salamo 68:5. Fantatr’ireo kamboty ara-panahy fa afaka mitodika any aminy amin’ny alalan’ny vavaka izy ireo, ary hanohana azy ireo izy. (Salamo 55:22; 146:9). Ny fandaminan’i Jehovah, toy ny reny, dia miantsoroka amim-pahazotoana ny andraikiny hanomana hanim-py ara-panahy, izay aroso amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakany, sy any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona kristiana maherin’ny 85 000 maneran-tany. Na ny “kamboty” aza, araka izany, dia hahazo fampianarana ny Baiboly ihany, noho ny fanampiana ara-panahy avy amin’i Jehovah, Raintsika, sy ny fandaminany toy ny reny.

Mendri-piderana ireo ray aman-dreny kristiana izay mitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka amin’ireo zanany. Mendrika hanehoana fiheverana manokana sy hoderaina noho ny ezaka ataony, ireo ray na reny manana fikirizana eo amin’ny fampiofanana irery ny zanany ao amin’ny lalan’i Jehovah. (Ohabolana 22:6). Ireo mampiseho fiahiana an’ireo ankizy kamboty ara-panahy dia mahalala fa mampifaly an’i Jehovah, Raintsika any an-danitra, izany. Andraikitra mavesatra ny fikarakarana izay ilain’ny ankohonana eo amin’ny lafiny ara-panahy. ‘Aza ketraka anefa, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.’ — Galatiana 6:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 23]

Ny fianaram-pianakaviana dia fotoana tsara dia tsara azon’ireo mpianakavy tanora kokoa hararaotina mba hilazana amin’ny ray aman-dreniny ireo zavatra mampanahy azy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Harper’s

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara