Miaina Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenantsika Isika
1 Na vao haingana ianao no vita batisa na efa ela, dia azo inoana fa tadidinao tsara io fotoan-dehibe teo amin’ny fiainanao io. Manomboka eo amin’ny batisa ny fiainantsika natokana hanompoana an’i Jehovah, fa tsy mifarana eo akory, ary mety haharitra mandrakizay izany fanompoana izany. (1 Jaona 2:17) Inona àry no tafiditra amin’ny hoe miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika?
2 Araho ny ohatr’i Kristy: Raha vao avy natao batisa i Jesosy dia “nanomboka ny raharahany”; izany hoe ny fitoriana “ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 3:23; 4:43) Toy izany koa fa tonga mpitory ny vaovao tsara voatendrin’i Jehovah isika, raha vao nanolo-tena ho azy sy natao batisa. Mety hitaky ezaka sy fotoana be ny fahazoana izay tena ilaina eo amin’ny fiainana. Na izany aza anefa, dia ny fanompoana kristianina no asantsika lehibe indrindra. (Matio 6:33) ‘Mankalaza ny fanompoany’, toy ny apostoly Paoly, ireo nanolo-tena ho an’Andriamanitra fa tsy miezaka mafy hahazo harena na voninahitra akory. (Rom. 11:13) Ankamaminao ve ny tombontsoanao manompo an’i Jehovah?
3 Toa an’i Jesosy, dia tsy maintsy ‘manohitra ny devoly’ koa isika. (Jak. 4:7) Naka fanahy an’i Jesosy i Satana taorian’ny batisany, ary ataony lasibatra toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ankehitriny. (Lioka 4:1-13) Noho isika miaina eo anivon’ny tontolon’i Satana, dia tsy maintsy mahay manitsy tena isika, ka manalavitra izay rehetra mety handoto ny saintsika sy hanimba ny fontsika. (Ohab. 4:23; Matio 5:29, 30) Toroana hevitra toy izao ny Kristianina: “Tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.” (1 Kor. 10:21) Mitaky ny hitandremantsika tena amin’ny fialam-boly tsy mendrika sy ny naman-dratsy izany. Tokony hanalavitra ireo bokin’ny mpivadi-pinoana koa isika. Tokony hahamailo antsika ireo zavatra ireo sy ny tetik’i Satana hafa rehetra. Hanampy antsika hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika izany.
4 Ampiasao ny fandaharana nomen’Andriamanitra: Manampy antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fiangonana kristianina i Jehovah mba hiainantsika mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika. Ataovy ho fahazaranao isan’andro àry ny famakiana Baiboly sy ny vavaka amin’i Jehovah. (Josoa 1:8; 1 Tes. 5:17) Ankafizo ny fivorian’ny fiangonana. (Sal. 122:1) Mifaneraserà amin’ireo matahotra an’i Jehovah ary tandremo ny didiny.—Sal. 119:63.
5 Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao ianao ary ho faly hanompo azy mandrakizay.—Sal. 22:26, 27; Fil. 4:13.