FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/03 p. 4
  • Ampianaro ny Fiteny Madio ny Olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampianaro ny Fiteny Madio ny Olona
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiteny Madio Iray Ho An’ny Firenena Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Hainao Tsara ve ny Miteny ny “Fiteny Madio”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Miraisa hina noho ny Fiteny Madio
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitenena ny Fiteny Madio ary Aoka Ianao ho Velona Mandrakizay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 1/03 p. 4

Ampianaro ny Fiteny Madio ny Olona

1 ‘Avy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny samy hafa fiteny’ ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa mahaforona vahoaka miray saina toy ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena mihitsy. (Apok. 7:9) Miavaka izany eo amin’ny tontolo misara-bazana ankehitriny. Inona no mahatonga io firaisan-tsaina io? Noho isika nomena ‘ny molotra [na fiteny] madio.’—Zef. 3:9.

2 Vokatra mahagaga: Inona io fiteny madio io? Izany dia ny fahatakarana tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy ny fikasany, ary ny Fanjakany. Ny “mpanompo mahatoky sy malina” no fitaovana eto an-tany mizara io fahamarinana io, araka ny efa nolazain’i Jesosy. Ho vokatr’izany, dia olona “avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra” no manaiky ny fivavahana marina.—Matio 24:45; Zak. 8:23.

3 Voatarika hanaraka ny fitsipik’i Jehovah ny olona, rehefa mianatra ny fiteny madio. Mianatra ny ho ‘tafakambana tsara, hiray saina sy hevitra’ izy ireo. (1 Kor. 1:10) Manjary madio fitondran-tena sy fiteny koa izy noho ny fampianaran’Andriamanitra. (Tit. 2:7, 8; Heb. 13:15) Manome voninahitra an’i Jehovah izany fiovana mahagaga izany.

4 Ohatra, nametraka fanontaniana maro ny lehilahy iray nitoriana ny vaovao tsara, ary nahazo valiny ara-baiboly. Nahaliana azy ny valiny azony, ka nanomboka nianatra indroa isan-kerinandro izy ary nanatrika fivoriana. Gaga izy rehefa noraisina tamin-katsaram-panahy tany, satria samy hafa volon-koditra ny ankamaroan’ny mpanatrika. Tsy ela dia nanova ny fomba fiainany izy sy ny vadiny ary natao batisa. Efa 40 eo ho eo izao ny olona nampiany ho tonga mpanompon’i Jehovah, anisan’izany ny ankamaroan’ny mpianakaviny. Tsy salama izy, nefa nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, tsy ela izay.

5 Ampianaro ny hafa: Tonga saina ny ankamaroan’ny olona tso-po, ka mandinika indray ny fiainany, noho ny zava-miseho maneran-tany. Tokony haniry hanampy azy ireny isika, toa an’i Jesosy. Hanampy ny olona tso-po hianatra ny fiteny madio isika, raha ataontsika tsara ireo fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly.

6 Tena mahomby ny mitarika fampianarana Baiboly fohy eo am-baravaran’ny olona tsy manam-potoana. (km-MG 5/02 p. 1) Efa nanandrana izany ve ianao? Rehefa manomana fiverenana mitsidika ianao, dia jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Janoary 2002, takelaka fanampiny. Mifidiana fomba fampiseho mety amin’ilay olona itorianao. Natao hitarika mivantana ho amin’ny fandinihana ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana ny ankamaroan’ireo fomba fampiseho ireo. Manaova fanazaran-tena mba hifampitohy tsara ny fampidiran-dresakao sy ny fandinihanao fehintsoratra iray. Mifidiana andinin-teny iray na roa ao amin’ilay fehintsoratra hovakina sy hohazavaina, ary mametraha fanontaniana iray ho famaranana. Hitarika ho amin’ilay fehintsoratra kasainao hodinihina amin’ny fitsidihanao manaraka izany.

7 Mandray fitahiana maro ny vahoakan’i Jehovah, satria mianatra ny fiteny madio. Enga anie isika hazoto hanampy olona hiaraka amintsika ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’ sy ‘hanompo azy amim-piraisan-kina.’—Zef. 3:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara