FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/12 p. 25
  • Nisikina Fahasahiana Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nisikina Fahasahiana Izy Ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • ‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitory Amim-pahasahiana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Sahia Hatrany Mitory ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/12 p. 25

Nisikina Fahasahiana Izy Ireo

TSY mora foana akory ny misikina fahasahiana mba hitoriana. Raha ny marina, dia nilaza ny apostoly Paoly fa tamin’ny fotoana iray, dia nanao izany “tanatin’ny ady mangotraka” izy. (1 Tesalonisiana 2:2, Fandikan-teny Katolika). Mendrika ny hanaovana ezaka ve ilay “ady” atao mba hitoriana? Tsy misy antoka ny amin’ny hahitana zavatra mahatalanjona, kanefa dia matetika no faly ny vahoakan’Andriamanitra fa nisikina fahasahiana. Andeha isika handinika ohatra sasany.

Nihaino tamim-pitandremana ny zazavavikely valo taona iray, antsoina hoe Tara, rehefa nilaza tamin’ny iray kilasy ilay mpampianatra azy hoe nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy maintsy nanisy Kintan’i Davida miloko mavo, teo amin’ny akanjony, mba ho marika famantarana, ireo Jiosy voafonja tany amin’ny toby fitanana. Nanontany tena i Tara raha tokony hiteny na tsia. “Nivavaka tsy nikimpy aho”, hoy ny tsaroany. Avy eo, dia nanangan-tanana izy, ka nilaza fa tany amin’ireny toby ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy maintsy nanisy telozoro volomparasy teny amin’ny akanjony izy ireo. Liana ilay mpampianatra ary nisaotra azy. Ilay fanazavana nomen’i Tara dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fifampiresahana fanampiny tamin’ilay mpampianatra, izay tonga hatramin’ny fampisehoana tamin’ny kilasiny manontolo ilay vidéo hoe Fermeté des Témoins de Jéhovah face à la persécution nazie (Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia), tatỳ aoriana.

Tany Guinée, atsy Afrika Andrefana, dia naniry hanao fandrosoana teo amin’ny fanompoany ny tanora iray, mpitory tsy vita batisa, atao hoe Irène. Ilay misionera nampianatra azy ny Baiboly dia nampirisika azy mba hiezaka hametraka gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ireo mpiara-mianatra taminy. Tsy vonon-kandray ireo iray kilasy taminy, ka niahotra i Irène. Nentanin’ny fampirisihan’ilay misionera anefa i Irène ka tapa-kevitra ny hanatona an’ilay mpianatra toa nanohitra indrindra, aloha. Akory ny hagagan’i Irène fa nandray tsara ilay zazavavy ary may ny handray ireo gazety. Nisy mpianatra hafa nandray gazety koa avy eo. Be kokoa noho ny fitambaran’ny gazety voapetrany tao anatin’ny dimy volana farany ny gazety voapetrak’i Irène tamin’io volana io.

Tany Trinité, dia nampiahotra mafy ny loholona iray ny hanatona ny talen’ny sekoly iray, izay tiany hampisehoana fa sarobidy eo amin’ny sehatry ny fampianarana ny gazety Mifohaza! Na izany aza anefa, dia nisikina fahasahiana izy. Hoy izy: “Nivavaka aho rehefa niditra tao amin’ilay toerana. Saiky tsy nino aho rehefa hitako fa nahafinaritra tsisy ohatra izany ilay tale.” Noraisiny ilay gazety Mifohaza! hoe “Inona no Fanantenan’ny Tanora Amin’izao Andro Izao?”, ary nanaiky ny hampiasa azy io tany an-dakilasy mihitsy aza izy. Nanomboka tamin’izay, dia nandray gazety 40, izay mivaofy foto-kevitra maro samihafa izy.

Fony izy mbola kely, dia hitan’i Vaughn ho sarotra foana ny mitory. “Saikatsaikatra aho, tsemboka ny felatanako, ary niteny haingana aho — tsy nahavita niteny miadana aho.” Na izany aza, dia tonga mpanompo manontolo andro izy. Tsy mora taminy foana anefa ny nanana fahasahiana hiteny, na izany aza. Indray mandeha, taorian’ny andro iray nahakivy nitadiavany asa, dia naniry hitory tamin’ny olona iray tao anaty lamasinina izy, “sitrany ahay mba misy zavatra tsara tamin’iny andro tsy nanjary iny”. Natahotra anefa izy, satria nihaja be ny fahitana an’ireo mpandraharaha tao anatin’ilay lamasinina ambanin’ny tany. Tamin’ny farany, dia nisikina fahasahiana hiresaka tamin’ny lehilahy zokiolona iray teo akaikiny izy. Resaka lava be no vokany. “Olona mbola tanora toy izao ve dia mahita fanontaniana tsara ohatra izany?”, hoy ilay mpandraharaha, izay mbola nanontany hoe: “Fa teôlôjianina angaha ianao?” Hoy ny navalin’i Vaughn: “Vavolombelon’i Jehovah aho ka!” Sady nitsiky ilay rangahy no nanao hoe: “Haaay! Mazava!”

Ireo Vavolombelona rehetra ireo, sy ny maro hafa tsy hita isa, dia samy faly fa nisikina fahasahiana hitory. Hanao toy izany koa ve ianao?

[Sary, pejy 25]

Tara

[Sary, pejy 25]

Vaughn

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara