FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fiverenan’i Kristy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • amin’i Kristy: Hatsangana aloha ireo efa maty taloha, ary avy eo ireo maty aorian’ny fiverenan’ny Tompo.)

      Mat. 25:31-33: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.”

      2 Tes. 1:7-9: “Manafaka anareo izay ampahorina kosa, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika. Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny.”

      Lioka 23:42, 43: “Hoy koa [ilay jiolahy nino an’i Jesosy]: ‘Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.’ Dia hoy i Jesosy taminy: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.’ ” (Ho paradisa ny tany manontolo rehefa manjaka i Jesosy. Hatsangana ny maty izay hotsaroan’Andriamanitra, ka ho afaka ny hiaina mandrakizay.)

      Jereo koa ny pejy 65-69, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andro Farany.”

  • Hara-magedona
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • Hara-magedona

      Famaritana: Nalaina avy amin’ny teny hebreo ilay teny grika hoe Har Magedôn, izay midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”, na “Tendrombohitra Iangonan’ny Tafika Maro.” Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny Hara-magedona, fa tsy amin’ny ady niokleary. (Apok. 16:14, 16) Hara-magedona no ilazana ny “toerana [grika: tôpôn, izay mety hidika koa hoe toe-javatra]” hiangonan’ireo mpitondra eran-tany mba hanoherana an’i Jehovah sy ny Fanjakany tantanan’i Jesosy Kristy. Azo lazaina hoe manohitra an’i Jehovah izy ireo rehefa hamely an’ireo mpanompony eran-tany, izay solontenan’ny Fanjakany.

      Misy mihevitra fa ady niokleary ny Hara-magedona. Havelan’Andriamanitra hanimba ny tany amin’ny ady toy izany ve ny olona?

      Sal. 96:10: “Lasa mpanjaka i Jehovah. Nanjary mafy orina ny tany lonaka [hebreo: tevel; ny tany lonaka misy mponina, ny tany manontolo] ka tsy ho voahozongozona.”

      Sal. 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

      Apok. 11:18: “Tezitra ... ireo firenena. Ary tonga ny [fahatezeran’i Jehovah] sy ny fotoana voatondro ... handringanana izay manimba ny tany.”

      Inona ilay Hara-magedona resahin’ny Baiboly?

      Apok. 16:14, 16: “Fanambarana avy amin’ny demonia izany, raha ny marina, ka manao famantarana sy mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina, mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Ary nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireo.”

      Any Israely ihany ve no hanaovana ilay ady Hara-magedona?

      Hivondrona hanohitra an’Andriamanitra ireo mpitondra sy tafika eran-tany

      Apok. 16:14: “Mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina [izany], mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”

      Apok. 19:19: “Hitako fa nivondrona ilay bibidia [ny fitondrana ara-politika eran-tany] sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny.”

      Jer. 25:33: “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany.”

      Tsy hatao eo amin’ny Tendrombohitr’i Megido ara-bakiteny ilay ady

      Tsy misy izany Tendrombohitr’i Megido izany. Havoana kely mirefy 21 metatra eo ho eo i Megido, ary teo no nisy ny tanànan’i Megido fahiny, izay efa rava.

      Tsy ho antonona eo amin’ny Lemak’i Esdraelona, eo ambanin’i Megido, ireo mpanjaka sy tafiky ny “tany rehetra misy mponina.” Telozoro mantsy ilay lemaka, ka 32 kilaometatra monja ny lavany, ary 29 kilaometatra ny sakany eo amin’ny tendrony atsinanana.—Jeografian’ny Baiboly (anglisy, New York, 1957), Denis Baly, p. 148.

      Mety tsara ilay anarana hoe Hara-magedona, satria nisy ady lehibe nampiova ny tantara teo amin’ilay lemaka ambanin’i Megido

      Teo i Jehovah no nanampy an’i Baraka Mpitsara handresy an’i Sisera, lehiben’ny tafika kananita.—Mpits. 5:19, 20; 4:12-24.

      Noresahin’ny boky iray natontan’i James Pritchard tamin’ny 1969 izao tenin’i Thoutmosis III, faraon’i Ejipta, izao: “Toy ny hoe mamabo tanàna arivo ianao raha mamabo an’i Megido!”

      Mety ny ampifandraisana ny Hara-magedona amin’ny hoe Megido (midika hoe “Iangonan’ny Tafika Maro”), satria hivondrona ireo tafika sy mpitondra eran-tany, amin’io ady io.

      Iza no ho ringana amin’ny Hara-magedona?

      Dan. 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana ... ilay Andriamanitry ny lanitra ... Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

      Apok. 19:17, 18: “Hitako koa fa nisy anjely nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin’ny vorona rehetra nanidina teny afovoan’ny lanitra hoe: ‘Avia atỳ ka miangòna ho amin’ny sakafo hariva lehibe

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara