FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 24 p. 160-p. 165 feh. 1
  • Fahaiza-mifidy Teny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahaiza-mifidy Teny
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiasana Fomba Fiteny Tsara Isan’andro
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Ny Fomba Hilazana Teny Fahamarinana Mahafinaritra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Tandremo Tsara Izay Lazainao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Aoka Isika Hanao Teny Mampahery
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 24 p. 160-p. 165 feh. 1

LESONA 24

Fahaiza-mifidy Teny

Inona no ilainao hatao?

Mampiasa teny maneho fanajana sy hatsaram-panahy, teny isan-karazany sy mora azo, teny milaza hery sy fihetseham-po; ary koa teny manaraka fitsipi-pitenenana.

Nahoana izany no tena ilaina?

Hita amin’izany ny fanajanao ilay hafatra ampitainao, sy ny fihetseham-ponao momba ireo olona iresahanao. Miankina amin’izany ny ho fihetsiny manoloana izay lazainao.

FITAOVANA tena manan-kery ny teny. Mila mifidy tsara ny teny ampiasaintsika anefa isika, raha tiantsika handaitra tsara izy ireny. Misy teny mety amin’ny toe-javatra iray, nefa tsy mety amin’ny toe-javatra hafa. Mety ho lasa “teny maharary” ny teny iray mampihomehy, raha diso ny fampiasana azy. Mety ho tsy nieritreritra tsara fotsiny ilay niteny toy izany, ka tsy nihevitra ny hafa. Misy indray teny manana heviny roa, ka ny iray amin’ireo dia manafintohina na manambany. (Ohab. 12:18; 15:1) “Ny teny soa”, izay mampahery ny hafa kosa anefa, dia mampifaly ny fon’ilay ilazana azy. (Ohab. 12:25) Mila miezaka mba hahita ilay teny marina tokony hampiasaina ny rehetra, na ny hendry aza. Lazain’ny Baiboly fa fantatr’i Solomona hoe nila nitady “teny mahafinaritra” sy “tenin’ny fahamarinana” izy.—Mpit. 12:10.

Amin’ny fiteny sasany, dia misy teny fanao amin’ny zokiolona na manam-pahefana, nefa hafa ny fampiasa amin’ny olona mitovy amin’ny tena, na amin’ny zandry olona. Heverina ho tsy mahalala fomba ny olona tsy manaja ireo fitsipika ireo. Tsy mety koa raha ampiharintsika amin’ny tenantsika ny tenim-panajana voatokana ho an’ny hafa, araka ny fomba amam-panao eo an-toerana. Ambony kokoa noho izay takin’ny lalàna na ny fomba amam-panao eo an-toerana ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fanajana olona. Ampirisihiny ny Kristianina mba ‘hanaja ny olona rehetra.’ (1 Pet. 2:17) Raha any am-pontsika isika no efa manaja ny hafa, dia hiteny amim-panajana aminy isika, na firy taona izy na firy taona.

Mampiasa teny tsy mihaja sy teny ratsy ny ankamaroan’ny tsy tena Kristianina. Mety hihevitra izy ireo fa manamafy izay lazainy ny teny toy izany, na tena tsy ampy ny voambolana fantany ka izay no ampiasainy. Raha nisy zatra nampiasa teny toy izany talohan’ny nianarany ny lalan’i Jehovah, dia mety ho sarotra aminy izao ny hiala amin’izany. Azo atao anefa izany. Afaka manampy olona hanova ny fomba fiteniny ny fanahin’Andriamanitra. Tsy maintsy vonona koa anefa ilay olona hampiditra teny tsara sy mahasoa ary mampahery ho anisan’ny voambolana ampiasainy, ka hampiasa azy ireo tsy tapaka.—Rom. 12:2; Efes. 4:29; Kol. 3:8.

Fomba fiteny mora azo. Alohan’ny zavatra rehetra, dia tokony ho mora azo ny fitenintsika. (1 Kor. 14:9) Toy ny miteny vahiny amin’ny mpihaino ianao, raha tsy mora azony ny teny ampiasainao.

Misy voambolana manokana fampiasan’ny olona any amin’ny toeram-piasana. Mety hampiasain’izy ireo isan’andro ireny teny ireny. Mety tsy ho azo anefa izay lazainao, raha ampiasainao amin’ny toe-javatra hafa izy ireny. Ankoatra izany, na dia mampiasa teny fampiasa andavanandro aza ianao, nefa milaza tsipirian-javatra be loatra, dia mety havilin’ny mpihaino tsotra izao any amin-javatra hafa ny sainy.

Mifidy teny mora azon’ny rehetra, hatramin’ireo tsy nahita fianarana firy aza, ny mpandahateny mihevitra ny hafa. Manahaka an’i Jehovah izy, ka mihevitra ‘ny olona ambany.’ (Joba 34:19) Tokony hataony ao anaty fehezanteny tsotra ny teny tsy dia fantatra loatra mba hampahazava ny heviny, raha voatery mampiasa izany izy.

Manan-kery kokoa ny hevitra ampitain’ny teny tsotra sy voafidy tsara. Mora azo koa ny hevitry ny fehezanteny fohy sy tsotra. Azo elanelanina amin’ny fehezanteny lava sasantsasany anefa izy ireny, mba tsy ho henjana sy hitsatotsatoka ny fiteninao. Teny tsotra sy fehezanteny fohy anefa no ampiasao, rehefa misy hevitra tena tianao hotadidin’ny mpihaino.

Teny isan-karazany sy marina. Tsy vitsy ireo teny tsara azo ampiasaina. Aza mampiasa teny mitovy foana amin’ny toe-javatra rehetra, fa mampiasà kosa teny isan-karazany. Hahatonga ny fiteninao hahafinaritra sy hisy heviny izany. Inona no azonao atao mba hampitomboana ny voambolanao?

Rehefa mamaky teny, dia mariho izay teny tsy tena azonao, ary jereo ao amin’ny diksionera misy amin’ny fiteninao izany. Mifidiana sasantsasany amin’ireny teny ireny, ary miezaha hampiasa azy ireny rehefa mety. Aza disoina ny fanononanao azy ireny. Ampiasao ao anatin’ny toe-javatra mora hahazoan’ny mpihaino azy, izy ireny, fa aza atao mba hanairana fotsiny ny sainy. Ho afaka hampiasa teny isan-karazany ianao, raha ampitomboinao ny voambolanao. Mila mitandrina anefa ianao, satria mety hihevitra ny hafa fa tsy tena fantatrao izay lazainao, rehefa diso ny fanononanao na ny fampiasanao teny iray.

Ny hampita hevitra, fa tsy ny hahazo dera avy amin’ny mpihaino no zava-kendrentsika, rehefa mampitombo ny voambolantsika isika. Misarika ny saina ho amin’ilay mpandahateny ny fitenenana sarotra sy ny teny lava be. Ny hampita fahalalana tena ilaina sy ny hahatonga azy io hahaliana an’izay handre azy kosa no faniriantsika. Tadidio izao ohabolana ao amin’ny Baiboly izao: “Ny lelan’ny hendry mampiseho fahalalana tsara; fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana.” (Ohab. 15:2) Hamelombelona sy handrisika ny mpihaino ny teny tsara sy mety ary mora azo, fa tsy hampatory na hahasorena azy.

Mitandrema anefa mba hampiasa teny marina, rehefa mampitombo ny voambolanao. Mety hisy teny roa mitovy hevitra, nefa misy fahasamihafany kely rehefa ampiasaina amin’ny toe-javatra samy hafa. Hazava kokoa ny fitenenanao, ary tsy hanafintohina ny mpihaino ianao, raha takatrao tsara izany. Henoy tsara ireo mahay mandaha-teny. Ao amin’ny diksionera sasany, dia tanisaina eo akaikin’ny teny tsirairay ny teny mitovy hevitra aminy sy ny teny mifanohitra aminy. Hahita teny isan-karazany ilazana hevitra iray ihany ianao, ary ho hitanao koa ireo tsy fitoviana kely eo amin’ny hevitr’izy ireny. Tena hanampy anao izany, rehefa mitady ilay teny marina tokony hampiasaina ianao. Fantaro tsara aloha ny hevitry ny teny iray sy ny fomba fanonona azy ary ny toe-javatra azo ampiasana azy, vao mampiditra azy io ho anisan’ny voambolanao.

Ny teny voafaritra tsara dia mazava kokoa noho ireo milaza hevitra ankapobe. Azo atao, ohatra, ny milaza hoe: “Olona maro no narary, tamin’izany fotoana izany.” Nefa azo atao koa ny milaza hoe: “Olona 21 000 000 no matin’ny gripa espaniola, tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, taorian’ny Ady Lehibe I.” Mariho ny fahasamihafan’ireo filazana roa ireo! Ao amin’ilay faharoa, dia mazava tsara amin’ny mpihaino ny tiana holazaina amin’ny hoe “olona maro” sy hoe “narary” ary hoe “tamin’izany fotoana izany”! Mila mahafantatra tsipirian-javatra momba ny foto-kevitrao ianao, sady mila mahay mifidy teny tsara koa, mba hahafahana hiteny toy izany.

Hanampy anao tsy ho lava resaka koa ny fampiasana ilay teny marina. Tsy mivoaka tsara ny hevitrao, raha lava resaka ianao. Ho mora azo sy ho mora tadidy kokoa ireo hevi-dehibe, raha tsotra ny teninao. Hampita fahalalana marina koa izany. Nampiavaka ny fampianaran’i Jesosy Kristy ny fomba fiteniny tsotra. Izany no tahafo. (Jereo ny ohatra ao amin’ny Matio 5:3-12 sy Marka 10:17-21.) Mizàra milaza hevitra, amin’ny teny fohy sy voafidy tsara.

Teny milaza hery sy fihetseham-po ary misy aina. Tsy teny vaovao ihany no tadiavo, fa teny milaza hevitra manokana koa. Ohatra, mitadiava matoanteny milaza hery sy tanjaka, sy mpamari-toetra milaza loko ary teny maneho fitiavana, hatsaram-panahy na fahatsoram-po.

Ahitana ohatra maro ny amin’ny fitenenana feno heviny toy izany ny Baiboly. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany: “Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy ... Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.” (Amosa 5:14, 15) Hoy koa i Samoela mpaminany tamin’i Saoly Mpanjaka: “Efa notriarin’i Jehovah kosa ho afaka aminao andro-any ny fanjakan’Isiraely.” (1 Sam. 15:28) Ary rehefa niteny tamin’i Ezekiela i Jehovah, dia nampiasa ireto teny tsy hay hadinoina ireto: “Ny taranak’Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.” (Ezek. 3:7) Nohamafisin’i Jehovah fa lehibe ny fahotan’ny Isiraely, rehefa nanontany izy hoe: “Handroba an’Andriamanitra va ny olona, no mandroba ahy hianareo?” (Mal. 3:8) Mba hilazana ilay fitsapam-pinoana tany Babylona, dia toy ny hitan’ny maso mihitsy ilay notantarain’i Daniela hoe: “Feno fahatezerana Nebokadnezara”, satria tsy nety nivavaka tamin’ilay sariny i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, hany ka nasainy nofatorana sy natsipy tao amin’ny “lafaoro nisy afo nirehitra.” Mba hahatakarantsika ny hamafin’ilay hafanana, dia nilaza i Daniela fa nasain’ny mpanjaka “nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro”, hany ka matin’ny lelafo ireo mpanompony, raha vao nanatona ilay lafaoro. (Dan. 3:19-22) Rehefa niresaka tamin’ny mponin’i Jerosalema i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny hahafatesany, dia nihetsi-po lalina izy nanao hoe: “Impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.”—Matio 23:37, 38.

Manampy ny mpihaino hahita an’eritreritra ny zavatra lazaina, ny teny voafidy tsara. Raha mahay mifidy tsara ny teny holazainao ianao, dia “hahita” sy “hahatsapa” ny zavatra lazainao ny mpihaino, ary “hanandrana” ny tsiron’ny sakafo resahinao sy “handre” ny fofon’izany izy, sady “hahare” ny feon-javatra hazavainao sy ny tenin’olona tononinao. Ho revo hihaino izay lazainao ny mpihaino, satria ampianao izy hiaina ilay fitantarana miaraka aminao.

Mampita hevitra mazava tsara ny teny voafidy tsara, ka afaka mampihomehy na mampitomany. Afaka mamelona fanantenana izy ireny, manampy ny ketraka haniry hiaina, ary mampitsiry ao aminy fitiavana ny Mpamorona. Olona maro maneran-tany no nanjary nanana fanantenana, rehefa namaky teny toy ny hita ao amin’ny Salamo 37:10, 11, 34 sy Jaona 3:16 ary Apokalypsy 21:4, 5.

Hahita teny sy fomba fiteny isan-karazany ianao, rehefa mamaky ny Baiboly sy ny boky avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’ (Matio 24:45) Aza avela handalo eo anoloan’ny masonao fotsiny izy ireny. Mifidiana teny mahafinaritra anao, ary ampidiro ho anisan’ireo teny hampiasainao andavanandro.

Fitenenana manaraka fitsipi-pitenenana. Fantatry ny olona sasany fa tsy dia manaraka fitsipi-pitenenana loatra izy, rehefa miteny. Inona anefa no azony atao mba hanatsarana izany?

Raha mbola mpianatra ianao, dia tena afaka mianatra fitsipi-pitenenana tsara sy karazan-teny voafantina tsara. Hararaoty izany. Anontanio ny mpampianatra anao, raha tsy azonao antoka ny fitsipika iray. Aza atao alasafay ny fianarana fitsipi-pitenenana. Tsy toy ny mpianatra hafa anefa ianao fa manana antony manosika: Te ho tonga mpitory mahay ianao.

Ahoana raha efa lehibe ianao vao nampiasa fiteny hafa noho ny fitenin-drazanao? Na angamba ianao tsy dia nahita fianarana, ka tsy afaka nandalina ny fiteninao. Aza kivy, fa miezaha mafy kosa hanatsara ny fomba fiteninao, noho ny vaovao tsara. Avy amin’ny fihainoana ny hafa miteny no ianarantsika ny fitsipi-pitenenana. Koa henoy tsara àry ireo mpandahateny mahay. Rehefa mamaky ny Baiboly sy boky ara-baiboly ianao, dia mariho tsara ny firafitry ny fehezanteny, sy ireo teny miaraka, ary ny teny hafa manodidina azy ireo. Ampifanaraho amin’ireo ohatra tsara ireo ny fiteninao.

Mety hampiasa teny sy fomba fiteny tsy manaraka fitsipi-pitenenana ireo mpihira sy mpampiala voly malaza. Manahaka azy ireny ny olona. Matetika ny mpivarotra zava-mahadomelina sy ny mpanao asan-jiolahy, na ireo maloto fitondran-tena no manana ny voambolany manokana, izay manana heviny hafa tanteraka noho ny tena hevitr’ireo teny ireo. Tsy tsara ny hanahafan’ny Kristianina ny olona toy izany. Hampitovin’ny hafa amin’izy ireny isika, raha manao izany.—Jaona 17:16.

Mizàra miteny tsara isan’andro. Raha ataonao tsirambina ny fomba fiteninao andavanandro, dia aza manantena ny hahay hiteny tsara tampoka amin’ny fotoana manokana. Raha miteny tsara foana kosa ianao, dia handeha ho azy sy mora foana ny fitenenana tsara, rehefa eny amin’ny lampihazo na rehefa mitory ny fahamarinana amin’ny hafa ianao.

HATSARAO NY FOMBA FITENINAO

  • Mifidiana fanoloran-kevitra iray tianao harahina, avy ato amin’ity lesona ity. Iezaho harahina mandritra ny iray volana eo ho eo ilay izy.

  • Tadidio foana ilay izy, rehefa mamaky teny sy mihaino ireo mpandahateny mahay ianao. Soraty ireo teny tianao hampiasaina. Ampiasao mandritra ny iray na roa andro, ny teny tsirairay nosoratanao.

FANAZARAN-TENA: Mifidiana teny sasantsasany tsy dia hainao tsara, rehefa manomana Ny Tilikambo Fiambenana na ny Fianarana Boky amin’ity herinandro ity. Jereo ao amin’ny diksionera ny heviny, raha misy azonao ampiasaina, na anontanio olona mahay.

Ireo teny tiako ho anisan’ny voambolana hampiasaiko

Teny isan-karazany sy teny marina Teny milaza hery sy fihetseham-po, na misy aina

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․ ․․․․․․․․․․․․․․

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara