-
NofyFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Miresaka momba ny nofy avy amin’Andriamanitra ny Matio 2:13, 19, 20 sy 1 Mpanjaka 3:5 ary Genesisy 40:1-8.
Heb. 1:1, 2: “Fahiny ela be, dia niteny tamin’ny razantsika tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra. Ary imbetsaka sady tamin’ny fomba maro [anisan’izany ny nofy] no nanaovany izany. Amin’izao andro farany izao kosa, dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny Zanaka [Jesosy Kristy, ary ao amin’ny Baiboly ny fampianarany] izy.”
1 Kor. 13:8: “Na misy aza ny fahaiza-maminany [ary nisy faminaniana nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny nofy], dia hofoanana izany.”
2 Tim. 3:16, 17: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, ... mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”
1 Tim. 4:1: “Fa milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy [indraindray amin’ny alalan’ny nofy] sy mihaino fampianaran’ny demonia.”
-
-
Olo-masinaFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Olo-masina
Famaritana: Olona efa maty ka miaraka amin’i Kristy any an-danitra, araka ny fampianaran’ny Eglizy Katolika, ary eken’ny Eglizy fa manana fahamasinana sy hatsaran-toetra miavaka. Nilaza ny fanekem-pinoana tany Trente fa tokony hivavahana ny olo-masina mba hanelanelana antsika amin’Andriamanitra, ary tokony hankamasinina ny taolam-patin’izy ireny sy ny sariny. Misy fivavahana mangataka fanampiana amin’ny olo-masina. Misy indray milaza fa masina daholo ny mpiangona ao aminy sady tsy misy ota. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka ny amin’ny olona masina, izay tsy iza fa ireo Kristianina voahosotra 144 000.
Efa mahazo voninahitra any an-danitra ve ny olona iray vao lazain’ny Baiboly hoe masina?
Milaza tokoa ny Baiboly fa misy masina any an-danitra. Lazainy hoe “Masina [grika: hagiôn]” i Jehovah. (1 Pet. 1:15, 16; jereo ny Levitikosy 11:45.) Antsoiny hoe “ilay masin’Andriamanitra” i Jesosy Kristy tamin’izy teto an-tany, ary hoe “masina [hagiôs]” rehefa lasa tany an-danitra. (Mar. 1:24; Apok. 3:7, Kat.) “Masina” koa ny anjely. (Asa. 10:22, Kat.) Maro anefa ny olona teto an-tany nolazaina hoe masina.
-