Hira 213
Miaraha Miasa Amim-piraisan-tsaina
1. Tena miray saina isika,
Ka mahita fiadanana.
Tsy hiasa ’rery ’sika,
Fa mila ny hafa.
Tena hotahina
’Zay miray saina.
Misy manan-talenta ve?
Aok’ izy tsy hirehareha,
Fa hanetry tena kosa.
Derao i Jehovah.
2. Feno fifankahalana
Ny tontolon’i Satana,
Fa ’sika hitandro foana
Ny fihavanana.
Mahasoa antsika
Ny miray saina.
Koa satria mpanota isika,
Mety tsy hifanaraka.
Halaviro ny lolompo,
Mifandamìna aloha.
3. Hiara-miasa tsara isika,
Hiaro ny firaisan-tsaina.
Tena mahafaly ’zany,
Tandrovy hatrany.
Ny firaisan-tsaina
Dia sarobidy.
Handray valisoa isika,
Ho sakaizan’i Jehovah,
Ka hitoetra amintsika
Ny fiadanana.