Hira 148
Mankalazà An’ilay Andriamanitra Mpanjakantsika
1. Derao Jehovah, mihirà!
Derao izy fa Mpanjaka.
Lazao ny voninahiny,
Ary manatòna azy.
Tahiny ’reo mpanompony,
Ampiany sy arovany.
Koa aza mba mivadika;
Miantra tokoa Jehovah.
2. Isika tsy hivadika,
Hanompo an’i Jehovah;
Fa marina ny lalany.
Mendri-piderana izy.
Harovany ’reo tia azy;
Handeha tsara ny fiainany.
Manampy to koa Jehovah,
Derao ’lay Mpanjakantsika.
3. Akaiky ’lay Fanjakany,
’Zay hitondrany rariny.
Torio amin’ny olona:
“Tsy ho ela ny fiadanana.”
Voatendry Jesosy Kristy,
Hanjaka maneran-tany.
Ho foana ny ratsy fanahy,
Ka hisandratra Jehovah.