Fianarana ny Bokikely Miambena Hatrany!
Hianatra ny bokikely Miambena Hatrany! ny fiangonana eran-tany, any amin’ny Fianarana Boky, manomboka ny 23 Mey ka hatramin’ny 20 Jona 2005. Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto, rehefa manomana sy mitarika ilay fianarana ianao. Hovakina ny fehintsoratra, ary hovakina koa ireo andinin-teny raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 23 Mey
◼ Pejy 3-4: Iza amin’ireo zava-mitranga resahina eto no tena misy fiantraikany eo amin’ny fiainanao? Inona no manaporofo fa tsy fisehoan-javatra maningana fotsiny ireo?
◼ Pejy 5: Inona no mahatonga anao hiaiky fa tena miahy antsika Andriamanitra? Ahoana no ahitana raha zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra sy ny zavatra ataony?
◼ Pejy 6-8: Araka ny Matio 24:1-8, 14, inona no dikan’ireo zava-mitranga eran-tany amin’izao andro izao? Ahoana no iantsoana izao andro iainantsika izao, ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5? Ny faran’ny inona no tiana holazaina eo? Inona no mahatonga anao hiaiky fa Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly? Inona ilay Fanjakana torintsika amin’ny olona?
◼ Pejy 9-10: Nahoana isika no tokony handinika tsara ny fanapahan-kevitra raisintsika, sy izay ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana? (Rom. 2:6; Gal. 6:7) Rehefa misaintsaina ireo fanontaniana eo amin’ny pejy faha-10 ianao, inona no andinin-teny tonga ao an-tsainao ka tokony hisy akony eo amin’izay ataonao?
Herinandron’ny 30 Mey
◼ Pejy 11: Nahoana isika tsirairay no tokony hieritreritra ireo fanontaniana eto amin’ity pejy ity? (1 Kor. 10:12; Efes. 6:10-18) Nahoana ireo fanontaniana ireo no manampy antsika hahita raha tena manaraka ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:44 isika na tsia?
◼ Pejy 12-14: Inona ilay ‘ora fitsarana’ resahina ao amin’ny Apokalypsy 14:6, 7? Inona no dikan’ny hoe ‘matahotra an’Andriamanitra sy manome voninahitra azy’? Inona no atao hoe Babylona Lehibe, ary inona no hanjo azy io? Noho izany, inona no tokony hataontsika ankehitriny? Inona koa no hitranga mandritra ilay ora fitsarana? Inona no tokony hataontsika, satria tsy fantatsika “ny andro na ny ora” hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany? (Matio 25:13)
◼ Pejy 15: Inona no tafiditra amin’ilay adihevitra momba ny zo hitondra, ary nahoana isika tsirairay no voakasik’izany?
◼ Pejy 16-19: Inona no atao hoe “lanitra vaovao” sy “tany vaovao”? (2 Pet. 3:13) Iza no mampanantena izany? Inona no hiova rehefa tonga ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao? Azo antoka ve fa hahazo izany isika?
Herinandron’ny 6 Jona
◼ Pejy 20-21: Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany? (Lioka 21:20, 21) Oviana izy ireo no afaka nandositra? Nahoana izy ireo no tsy maintsy nandositra tsy nisy hataka andro? (Matio 24:16-18, 21) Nahoana no maro ny olona tsy miraharaha fampitandremana? Inona no soa noraisin’ny olona an’arivony tany Chine sy Philippines, rehefa nanaraka fampitandremana azo antoka izy ireo? Nahoana no ilaina maika ny manaraka ny fampitandreman’ny Baiboly momba ny faran’ity tontolo ity? Inona no adidintsika, satria efa akaiky ny farany? (Ohab. 24:11, 12)
◼ Pejy 22-23: Nahoana no tsy niraharaha ny fampitandremana azony ny olona maro tany Aostralia tamin’ny 1974, sy tany Kolombia tamin’ny 1985? Inona no vokatr’izany? Inona no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toeran’ireo olona ireo, ary nahoana? Ahoana no hahitana raha ho nanaraka ilay fampitandremana nomena tamin’ny andron’i Noa isika na tsia? Nahoana ny olona no naniry hipetraka tany Sodoma sy ny nanodidina azy? Inona no soa horaisintsika, raha misaintsaina izay nitranga tany Sodoma isika?
Herinandron’ny 13 Jona
◼ Pejy 24-27: Ampiasao ny “Fanontaniana” eo amin’ny pejy faha-27.
Herinandron’ny 20 Jona
◼ Pejy 28-31: Ampiasao ny “Fanontaniana” eo amin’ny pejy faha-31.
Hanampy antsika ‘hiambina hatrany’ sy hiomana ny fianarana an’io bokikely io. Enga anie ho hita taratra foana amin’ny fanompoantsika, fa maika ilay hafatra nambaran’ilay anjely, hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany.”—Matio 24:42, 44; Apok. 14:7.