Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra
1 Afaka ny ho voavonjy ny olona noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra tsy manam-paharoa. Sitrapony mantsy “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:3, 4) Tsy ny firazanana, saranga, fahaizana, na fitafiana sy taovolo no itsaran’Andriamanitra antsika, fa ny fanehoantsika finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Jaona 3:16, 36) Mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika, ka tsy maintsy mitandrina mba tsy hitsara an-tendrony, sao tsy hiraharaha ny olona ankasitrahany.
2 Aza mitsara: Ny maha izy ny olona no jeren’i Jehovah, ary tsy manavakavaka na mikendry ny hanisy ratsy izy. (1 Sam. 16:7) Fantany koa ny zavatra mety ho vitan’ny olona. Izay te hampifaly azy àry dia heveriny ho olona faniry. (Hagay 2:7) Mitovy amin’ny an’Andriamanitra ve ny fiheverantsika ny olona?
3 Mety hanafintohina antsika ny fitafiana sy taovolon’ny olona hitantsika eny am-pitoriana. Mety hanao fitafiana maloto na tsy maotina ilay olona, tsy ho voakarakara ny volombavany, ary hanao kavina eo amin’ny volomaso na amin’ny molotra izy. Tsy manan-trano angamba ny sasany, fa mpatory an-tsena. Ny hafa indray mety hasiaka amintsika. Tokony hijery lafy tsaran-javatra isika, fa tsy hitsara ilay olona hoe tsy ho tonga mpanompon’i Jehovah mihitsy. “Isika koa aza fahiny mba tsy nisaina sy tsy nankatò sy voafitaka.” (Tit. 3:3) Raha takatsika izany, dia ho dodona hitory amin’ny rehetra isika, na toa tsy mendrika izany aza ny sasany, noho ny fitafiany sy ny taovolony.
4 Ohatra tamin’ny taonjato voalohany: Nanokana fotoana hanampiana ireo nailikilika sy noheverina fa tsy ho tonga mpanompon’i Jehovah mihitsy i Jesosy. (Lioka 8:26-39) Tsy nanala tsiny ny fanaovan-dratsy mihitsy izy, nefa fantany koa fa mety hanana fomba fiaina ratsy ny olona. (Lioka 7:37, 38, 44-48) Nasehony àry fa takany izay nanjo ny olona, ka ‘nangoraka azy ireo izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.’ (Marka 6:34) Afaka manahaka azy bebe kokoa ve isika?
5 Notoraham-bato, nokapohina, ary natao am-ponja ny apostoly Paoly. (Asa. 14:19; 16:22, 23) Sosotra ve izy rehefa tojo ireny zava-tsarotra ireny, ka nihevitra fa very fotoana fotsiny nitory tamin’ny firenena sy foko sasany? Tsy izany mihitsy. Fantany fa nisy olona tso-po tany, ka tapa-kevitra ny hikaroka azy ireny izy. Toy izany koa ve no fiheverantsika ny olona samy hafa fiaviana sy kolontsaina ao amin’ny faritanintsika?
6 Raisina tsara ny olona ankehitriny: Maro tamin’ny mpanompon’Andriamanitra no faly rehefa noraisina tsara teo anivon’ny fiangonana, na nanao ahoana na nanao ahoana fitafiana sy taovolon’izy ireo. Tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray tany Alemaina, ohatra, ny lehilahy iray tsy niharatra, lava volo hatreo amin’ny sorony, ary naloto akanjo. Nalaza ratsy izy io. Gaga be izy fa noraisina tsara ary tonga nivory indray ny herinandro nanaraka. Nanjary nadio sy tsy nifoka sigara intsony izy, taoriana kelin’izay, ary nisoratra tamin’ilay ankizivavy niarahany. Tsy ela dia nanompo an’i Jehovah izy sy ny vady aman-janany.
7 Enga anie isika hanahaka an’Andriamanitra, ka tsy hizaha tavan’olona, fa hanasa ny rehetra handray soa avy amin’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.
[Fanontaniana]
1. Inona no hitsaran’Andriamanitra antsika?
2, 3. Inona no hanampy antsika tsy hitsara ny olona amin’ny fitafiany sy ny taovolony?
4, 5. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Jesosy sy Paoly?
6. Inona no mety ho vokatry ny fomba itondrantsika ireo olona vaovao tonga mivory?
7. Ahoana no anahafantsika an’ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona?
[Teny notsongaina, pejy 3]
“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asa. 10:34, 35.