-
Fizarana 6—Fitarihana Fampianarana Baiboly MandrosoFanompoana—2005 | Febroary
-
-
Fizarana 6—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Fomba Famaliana ny Fanontanian’ny Mpianatra
1 Rehefa mianatra Baiboly tsy tapaka ny olona iray, dia tsara raha asesy ireo foto-kevitra ao amin’ilay boky, fa tsy singantsinganina fotsiny. Hanana fahalalana fototra hiaingana izy amin’izay, ary handroso tsara. (Kol. 1:9, 10) Matetika anefa no mametraka fanontaniana isan-karazany ny mpianatra. Ahoana no tokony hatao amin’izany?
2 Mahaiza mandanjalanja: Azo valiana avy hatrany mazàna ny fanontaniana mifandray amin’ilay fianarana. Raha velabelarina ao amin’ny toko hafa ao amin’ilay boky anefa ilay izy, dia ampy angamba raha atoronao azy fotsiny izany. Raha tsy mifandray amin’ilay fianarana kosa ilay fanontaniana, na mila manao fikarohana ianao mba hamaliana azy araka ny tokony ho izy, dia aleo dinihina aorian’ny fianarana ilay izy, na amin’ny manaraka. Misy mpitory manoratra ny fanontaniana apetrak’ilay mpianatra, mba hanomezana toky azy fa tena zava-dehibe tokoa ny fanontaniany. Tsy mivaona koa ilay fianarana amin’izay.
3 Velabelarina fohifohy fotsiny ao amin’ny boky fianarantsika, ny ankamaroan’ny fampianarana ara-baiboly. Ahoana raha sarotra amin’ilay mpianatra ny manaiky ny fampianarana sasany, na mbola mino mafy ny fampianaran-diso sasany izy? Tsara angamba ny mijery boky hafa, izay manome fanazavana feno momba izay lazain’ny Baiboly mahakasika ilay izy. Raha mbola tsy resy lahatra ilay mpianatra, dia avelao ho amin’ny manaraka indray ilay izy, fa tohizo aloha ny fianarana mahazatra. (Jaona 16:12) Mety hazava aminy ihany ilay izy any aoriana any, rehefa mitombo ny fahalalany ny Baiboly ary mandroso tsara izy.
4 Manetre tena: Aza maika hilaza ny hevitrao, raha tsy azonao antoka ny valin’ny fanontaniana iray. (2 Tim. 2:15; 1 Pet. 4:11) Hazavao amin’ilay mpianatra fa hanao fikarohana ianao, ary homenao amin’ny manaraka ny valiny. Afaka manararaotra mampianatra azy hanao fikarohana mihitsy aza ianao. Atoroy azy miandalana ny fomba fampiasa ireo fitaovana fanaovana fikarohana, navoakan’ny fandaminan’i Jehovah. Izy ihany amin’izay no hahita ny valin’ny fanontaniany.—Asa. 17:11.
-
-
Ataovy Izay Hitoriana Aminy IndrayFanompoana—2005 | Febroary
-
-
Ataovy Izay Hitoriana Aminy Indray
1 Rehefa mitory ny vaovao tsara isika, dia matetika no sendra olona tsy mipetraka ao amin’ny faritanintsika, na mampiasa fiteny hafa, toy ny baikon’ny moana. Mety hiala ao amin’ny faritanintsika koa ny olona sasany niresahantsika matetika momba ny Baiboly. Inona no azontsika atao, mba hisy hitory amin’izy ireo indray? Ampiasao ilay taratasy hoe Tsidiho Aza Fady (S-43).
2 Vonona kokoa hihaino ny vaovao tsara ny olona mazàna, rehefa torina amin’ny fiteniny izy io. (Asa. 22:1, 2) Noho izany, dia tokony hameno ilay taratasy S-43 isika, rehefa sendra olona miteny vahiny, na dia tsy liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana aza izy.
3 Famenoana ilay taratasy: Miezaha hahafantatra ny anaran’ilay olona sy ny adiresiny ary ny nomeraon’ny telefaoniny, ary ataovy amim-panajana izany. Soraty izay nahaliana azy, rahoviana izy no malalaka, ny boky noraisiny na nangatahiny, ary ny fiteny azony tsara. Omeo avy hatrany ny mpitan-tsoratry ny fiangonanao ilay taratasy rehefa feno. Izy no handefa azy io any amin’ny Betela. (Raha miteny malagasy kosa ilay olona, dia halefan’ilay mpitan-tsoratra any amin’ny fiangonana ao amin’ny tanàna misy an’ilay olona ilay taratasy.)
4 Tokony hanao fandaharana ny fiangonana na ny antoko-mpitory maharay ilay taratasy, mba hitsidihana haingana an’ilay olona. Rehefa manao tsara ny anjarantsika isika, dia afaka matoky fa hanokatra ny fon’ny olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ i Jehovah.—Asa. 13:48.
-