FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?
    Fanompoana—2005 | Janoary
    • Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?

      1 Ahitana fomba fanolorana boky sy gazety foana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Tsy voatery hanao tsianjery azy ireny akory isika, rehefa manompo. Manome antsika ny hevi-dehibe tokony holazaina kosa izy ireny. Hahomby kokoa isika matetika, raha ataontsika amin’ny fomba fitenintsika izy ireny. Tsy ho sadaikatra ilay olona itoriana amin’izay, ary ho hita fa tena mino izay lazaintsika isika, sady hiteny amim-pahatsorana.—2 Kor. 2:17; 1 Tes. 1:5.

      2 Mahaiza mampifanara-javatra: Miankina be dia be amin’ny fanao eo an-toerana ny fomba iresahantsika ny vaovao tsara. Mila mifampiarahaba elaela ve aloha, ohatra, ianao sy ilay olona itorianao, vao resahinao izay nomaninao holazaina? Sa tian’ny olona ao amin’ny faritaninao raha tonga dia vantanina ny resaka? Miovaova arakaraka ny faritra izany, na arakaraka ny olona mihitsy aza. Mila mahay manavaka koa isika rehefa manontany. Misy fanontaniana mantsy mety amin’ny olona sasany, nefa tsy mety amin’ny hafa. Tsy maintsy mahay manavaka àry isika, ary mampifanaraka ny fomba fampisehontsika amin’ny fanao eo an-toerana.

      3 Mila mandinika ny toe-tsaina sy ny mombamomba ny olona eo amin’ny faritanintsika koa isika, alohan’ny handehanana hanompo. Samy hafa, ohatra, ny fomba iresahanao ny Matio 6:9, 10 amin’ny Katolika mafana fo, sy ny olona tsy mahafantatra ilay vavaka hoe “Rainay Izay any An-danitra.” Raha mieritreritra mialoha toy izany isika, dia matetika no ho afaka hampifanaraka ny fomba fampisehontsika amin’izay ilain’ny olona, ka hanintona azy ireo kokoa izany.—1 Kor. 9:20-23.

      4 Ilaina foana ny manomana tsara, na dia mikasa ny hamerina fotsiny ny fomba fampiseho ato amin’ny Fanompoantsika aza isika. Tokony hamaky tsara ilay lahatsoratra na toko eritreretintsika horesahina àry isika, ary hikaroka hevitra mety hahaliana. Resaho izy ireny avy eo. Hafana fo isika rehefa manolotra boky sy gazety, raha fantatsika tsara izay raketiny.

      5 Fomba fampiseho hafa: Tsy maintsy ny fomba fampiseho ato amin’ny Fanompoantsika ve no ampiasaintsika? Tsia. Mampiasà fomba fampiseho na andininy hafa, raha izay no mora kokoa aminao. Jereo ireo lahatsoratra hafa mety tena hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninao, indrindra rehefa hametraka gazety ianao. Tsara angamba raha ampifanarahina amin’izay mandaitra eo amin’ny faritany, ny fampisehoana mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Hanampy ny rehetra hahay hitory ny vaovao tsara izany.

  • Fomba Fanolorana Gazety
    Fanompoana—2005 | Janoary
    • Fomba Fanolorana Gazety

      Mifohaza! 8 Des.

      “Zavatra betsaka no nanjary fantatra momba ny SIDA sy ny fitsaboana azy tao anatin’ny 20 taona lasa. Mbola maro anefa no diso hevitra momba azy io. [Asehoy ny efajoro “Hevi-diso Momba ny SIDA”, avelao izy hilaza ny heviny.] Miresaka ity gazety ity hoe ahoana no hiarovan’ny ray aman-dreny ny zanany.” Vakio ny Deoteronomia 6:6, 7.

      Tilikambo Fiambenana 15 Des.

      “Mahatsiaro ny nahaterahan’i Jesosy ny olona eran-tany, amin’izao fotoana izao. Atao amin’ny fomba samihafa izany. Fantatrao ve fa hitondra fiadanana maharitra i Jesosy, araka ny faminaniana ara-baiboly? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Isaia 9:5, 6.] Manazava ny fomba hisian’izany fiadanana izany ity gazety ity.”

      Tilikambo Fiambenana 1 Jan.

      “Mampianatra ny ankamaroan’ny fivavahana, fa tokony ho tia ny namany ny olona. [Vakio ny Matio 22:39.] Araka ny hevitrao, nahoana àry izy ireo no mandray anjara amin’ny ady maro eran-tany? [Avelao izy hamaly.] Miresaka ity Tilikambo Fiambenana ity hoe: Afaka mampiray ny olona ve ny fivavahana?”

      Mifohaza! 8 Jan.

      “Tena tsy mora ny mikarakara marary ankehitriny. Ahoana no ampaherezantsika ireo manana aretina tsy azo sitranina? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay ampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 33:24. Misy torohevitra tsara ato amin’ity gazety ity, ka hanampy anao sy ny fianakavianao hahita izay tokony hatao rehefa misy marary.”

      [Loharanon-kevitra]

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara