Hatsarao ny Fahaizanao Mandresy Lahatra
1 Mirakitra ohatra tsara ny amin’ny fomba fandresen-dahatra, ny toritenin’ny apostoly Paoly tao amin’ny synagogan’i Antiokia, any Pisidia. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:16-41 no misy azy io. Nihevitra ny fiavian’ireo mpihaino azy i Paoly, ary nampifanarahiny tamin’izany ny fomba nitoriany ny vaovao tsara. Andeha isika handinika io fitantarana io, ary hijery ny fomba azontsika anahafana an’i Paoly.
2 Tadiavo izay marimaritra iraisana: Ny anjara asan’i Jesosy teo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah no votoatin’ny hafatr’i Paoly. Tsy izany anefa no nanombohany ny toriteniny. Izay niombonany tamin’ny mpihaino azy kosa no noresahiny voalohany, dia ny tantaran’ny Jiosy, satria Jiosy ny ankamaroan’izy ireo. (Asa. 13:16-22) Toy izany koa fa hahay hanohina kokoa ny fon’ny olona isika, raha mitady marimaritra iraisana. Mila mametraka fanontaniana voahevitra tsara, sy mihaino amim-pitandremana angamba isika, mba hampirisihana azy hilaza ny heviny, ka ho fantatsika izay zava-dehibe aminy.
3 Rehefa niresaka momba ny tantaran’ny Jiosy i Paoly, dia nampahatsiahy an’ireo mpihaino azy fa nampanantena handefa Mpamonjy iray avy amin’ny taranak’i Davida, Andriamanitra. Jiosy maro anefa no niandry miaramila kalazalahy iray, hanafaka azy ireo amin’ny fifehezan’ny Romanina, sy hanandratra ny fireneny ho ambonin’ny hafa rehetra. Azo antoka fa fantatr’izy ireo tsara hoe nolavin’ny mpitondra fivavahana jiosy tao Jerosalema i Jesosy, ary natolony ny fahefana romanina, sy novonoiny. Inona àry no nataon’i Paoly mba handresen-dahatra azy ireo, fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina?
4 Ovaovao arakaraka ny olona ny fomba fitorinao: Rehefa fantatr’i Paoly ny fomba fihevitry ny mpihaino azy, dia nampiasa ireo hevitra ao amin’ny Soratra Masina efa neken’izy ireo izy, mba handresen-dahatra azy ireo. Nolazainy, ohatra, fa taranak’i Davida i Jesosy, ary izy ilay nambaran’i Jaona Mpanao Batisa, ilay neken’ny ankamaroan’izy ireo ho mpaminanin’Andriamanitra. (Asa. 13:23-25) Nasehon’i Paoly fa “nanatanteraka izay nolazain’ireo Mpaminany” ny mpitondra fivavahana, rehefa nanda an’i Jesosy sy nanameloka azy ho faty. (Asa. 13:26-28) Ankoatra izany, dia nohazavainy fa nisy olona nahita maso ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Nasongadiny koa ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina tanteraka tamin’izany fitsanganana izany.—Asa. 13:29-37.
5 Fomba hafa kosa no nentin’i Paoly nandresen-dahatra an’ireo Grika teo amin’ny Areopago. (Asa. 17:22-31) Nitovy ihany anefa ilay hafatra lehibe nolazainy, ary nahita vokatra tsara izy tamin’ireo toe-javatra roa ireo. (Asa. 13:42, 43; 17:34) Toy izany koa fa hahay hanohina kokoa ny fon’ny olona isika, raha mitady marimaritra iraisana sy mampifanaraka ny fomba fitorintsika amin’ny fomba fiheviny sy ny fiaviany.
[Fanontaniana]
1. Inona no fitantarana ao amin’ny Baiboly hodinihintsika, ary nahoana?
2. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nanombohan’i Paoly ny toriteniny?
3. Nahoana no sarotra tamin’ny mpihaino an’i Paoly ny nanaiky fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina?
4. Ahoana no nataon’i Paoly mba handresen-dahatra an’ireo Jiosy nihaino azy?
5. a) Ahoana no nampifanarahan’i Paoly ny fomba fitoriny tamin’ireo Grika nihaino azy? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly, rehefa mitory eny amin’ny faritanintsika isika?