FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/05 p. 1
  • Sahia Hatrany Mitory ny Tenin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sahia Hatrany Mitory ny Tenin’Andriamanitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • ‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitory Amim-pahasahiana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Aoka isika hitory ny vaovao tsara amim-pahasahiana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 10/05 p. 1

Sahia Hatrany Mitory ny Tenin’Andriamanitra

1 Fantatsika mpitory kristianina, fa tsy ny olona rehetra no hihaino antsika, rehefa mitory isika. (Matio 10:14) Tsy ataontsika mahasakana antsika tsy hitory ny vaovao tsara anefa izany. (Ohab. 29:25) Inona no hanampy antsika ho sahy hatrany hitory ny tenin’Andriamanitra?

2 Tsapan’ny apostoly Paoly “ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy.” Nahatonga azy hiteny ‘tamim-patokisana tanteraka’ izany. (Fil. 3:8; 1 Tes. 1:5) Nisy nihevitra fa hadalana sy tsy nisy dikany ny hafatra notoriny. Fantatr’i Paoly anefa fa “herin’Andriamanitra izy io ho famonjena izay rehetra mino.” (Rom. 1:16) Nitory hatrany “tamim-pahasahiana araka ny fahefana nomen’i Jehovah” azy àry izy, na dia nisy nanohitra aza.—Asa. 14:1-7; 20:18-21, 24.

3 Ilay mpanome hery antsika: Tsy noho ny heriny manokana no nahavitan’i Paoly nitory tamim-pahasahiana. Hoy izy, rehefa niresaka momba azy sy Silasy: “Rehefa avy nijaly sy nalam-baraka tany Filipy aloha izahay, ... dia nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.” (1 Tes. 2:2; Asa. 16:12, 37) Niangavian’i Paoly hivavaka ho azy koa ny olon-kafa tamin’izy nigadra tany Roma, mba hahafahany hitory hatrany ny vaovao tsara ‘amin’ny fahasahiana, araka ny tokony hitenenany.’ (Efes. 6:18-20) Niantehitra tamin’i Jehovah i Paoly fa tsy tamin’ny tenany, ka afaka nitory hatrany ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.—2 Kor. 4:7; Fil. 4:13.

4 Marina koa izany ankehitriny. Tena sarotra tamin’ny rahalahy iray, ohatra, ny nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah tany am-piasany. Sarotra taminy koa ny nitory tamin’ny mpiara-miasa taminy. Nivavaka momba izany àry izy, ary nanomboka nitory. Tsy nety nihaino azy tamin’ny voalohany ny mpiara-miasa iray. Nanaiky hianatra Baiboly anefa izy io, rehefa niresahany momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Mitory foana ilay rahalahy nanomboka tamin’izay, isaky ny afaka manao izany. Nanampy olona 34 ho vita batisa izy tao anatin’ny 14 taona, tany amin’ny toeram-piasany vaovao. Afaka matoky koa isika, fa hanome hery antsika ‘hitoriana ny teniny amim-pahasahiana’ i Jehovah.—Asa. 4:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara