FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 4 p. 93-p. 96 feh. 2
  • Fitenenana Misosa Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitenenana Misosa Tsara
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitenenana Misosa Tsara, Fitenenana toy ny Raha Miresaka ary Fanononana Tsara
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Miakanakam-piteny ve Ianao?
    Mifohaza!—2010
  • Fampiasana Fomba Fiteny Tsara Isan’andro
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • ‘Milofosa Amin’ny Famakian-teny Ampahibemaso’
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 4 p. 93-p. 96 feh. 2

LESONA 4

Fitenenana Misosa Tsara

Inona no ilainao hatao?

Mamaky sy miteny mba hisosa tsara ny filazana ny teny sy ny hevitra. Tsy miahotrahotra na miadam-piteny be ny olona miteny misosa tsara. Tsy misy teny na hevitra mampiakanakana azy.

Nahoana izany no tena ilaina?

Rehefa tsy misosa tsara ny fomba fitenin’ny mpandahateny iray, dia mety hiriorio ny sain’ny mpihaino; hevitra diso no mety ho azon’izy ireo; ary mety tsy hampiaiky azy ireo izay lazaina.

REHEFA mamaky teny amin’ny feo avo ianao, mampiakanakana anao ve ny teny sasany? Na, rehefa manao lahateny eo anoloan’ny mpanatrika ianao, voamarikao ve fa matetika ianao no mitady izay teny holazaina? Raha izany no izy, dia mety tsy hisosa tsara ny fitenenanao. Mivoaka tsara, toa tsy misy misakantsakana, ny teny sy ny hevitry ny olona iray miteny sy mamaky teny misosa tsara. Tsy midika akory izany hoe tsy mitsaha-miteny izy, miteny haingana be, na hoe miteny tsy amim-pieritreretana. Mahafinaritra kosa ny mihaino ny fomba fiteniny. Asiana fiheverana manokana ny fitenenana misosa tsara ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

Mety hisy antony samihafa mahatonga ny olona tsy hiteny misosa tsara. Diniho raha misy mahakasika anao ireto tanisaina manaraka ireto: 1) Ny tsy fahafantarana ny teny sasany, rehefa mamaky teny ho an’ny hafa. 2) Ny fiatoana kely matetika loatra. 3) Ny tsy fanaovana fanomanana. 4) Ny fanazavana tsy mirindra tsara, mandritra ny fanaovana lahateny. 5) Ny tsy fananana voambolana ampy. 6) Ny fanamafisana teny betsaka loatra. 7) Ny tsy fahafantarana ny fitsipi-pitenenana.

Tsy hivoaka ny Efitrano Fanjakana ara-bakiteny akory ny mpanatrika raha tsy misosa tsara ny fitenenanao, saingy mety hiriorio ny sainy. Ho vokany, dia mety ho very maina ny ankabeazan’izay lazainao.

Tsy maintsy mitandrina kosa anefa ianao sao ilay fitenenana tianao haneho fatokisan-tena sy hisosa tsara iny ka manjary mandidindidy, eny, mahasanganehana ny mpihaino mihitsy aza. Raha heverin’ny olona ho mivantambantana na tsy misy fahatsoram-po ny fiteninao, noho izy ireo tsy mitovy kolontsaina sy fiaviana aminao, dia tsy hanohina ny fony ianao. Mpandahateny za-draharaha, ohatra, ny apostoly Paoly. Na izany aza, dia nanatona ny Korintianina tamin’ny “fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be” izy, mba tsy hisarihana ny sain’izy ireo ho amin’ny tenany, tsy amin’ny antony.—1 Kor. 2:3.

Fahazaran-dratsy tokony hohalavirina. Olona maro no za-dratsy manao hoe “aaaa” rehefa miteny. Ny hafa mamerimberina teny toy ny hoe “izay”, “izay izany”, “ohatra ny hoe”, isaky ny fehezanteny. Angamba tsy fantatrao akory hoe manao izany matetika ianao. Nahoana raha manao fanazaran-tena ka mangataka olona iray mba hihaino anao sy hamerina ireo teny ireo isaky ny milaza an’ireo ianao? Mety ho gaga ianao, noho ny habetsahany.

Misy olona mamerina teny vao avy nolazainy na novakiny, izany hoe manomboka fehezanteny iray izy, ary avy eo dia manapaka ny teniny eny antenatenany, ka mamerina tapany iray amin’izay voalazany teo.

Ny hafa indray miteny haingana, nefa raha hevitra iray no anombohany ny fehezanteniny, dia manapaka ny teniny izy ary milaza hevitra hafa indray. Na dia misosa tsara aza ny teniny, dia mahatonga ny fitenenany tsy hisosa tsara ny fiovan’ny hevitra tampoka.

Fomba hanatsarana ny fitenenana. Raha sahirana foana ianao mitady teny holazaina, dia mila miezaka mafy mba hampitombo ny voambolanao. Mariho manokana ireo teny tsy fantatrao ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary ny boky hafa vakinao. Jereo ao amin’ny diksionera ny hevitr’ireny teny ireny, ary ampiasao izy ireny. Raha tsy misy diksionera azonao ampiasaina, dia mangataha olona mahay tsara ilay fiteny mba hanampy anao.

Hahita fihatsarana ianao raha ataonao ho fahazarana ny mamaky teny amin’ny feo avo tsy tapaka. Mariho ireo teny sarotra, ary lazao amin’ny feo avo imbetsaka izy ireny.

Mba hamakiana teny misosa tsara, dia ilaina ny mahatakatra hoe teny iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray. Mazàna no ilaina hovakina miaraka ny teny sasany, mba hampitana tsara ny hevitr’ilay mpanoratra. Mariho manokana ireny teny mandeha miaraka ireny. Asio marika izy ireny, raha manampy anao izany. Tsy ny hamaky teny tsy misy diso fotsiny akory no zava-kendrenao, fa ny hampita hevitra mazava tsara koa. Rehefa avy namakafaka fehezanteny iray ianao, dia mifindrà amin’ilay manaraka, ary toy izany hatrany mandra-pamitanao ilay fehintsoratra manontolo. Fantaro tsara ny fizotran’ny hevitra. Avy eo, dia mizàra mamaky teny amin’ny feo avo. Averimbereno vakina ilay fehintsoratra, mandra-pamakinao azy tsy miakanakana na miato eo amin’ny toerana tsy tokony hiatoana. Avy eo, dia mifindrà amin’ny fehintsoratra manaraka.

Manaraka izany, dia ampitomboy ny hafainganan’ny famakianao teny. Raha takatrao hoe teny iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray, dia hahita teny maromaro indray miaraka ny masonao ary ho afaka haminany ilay teny manaraka ianao. Tena hanatsara ny famakianao teny izany.

Tena fampiofanana tsara ny mizatra mamaky lahatsoratra mbola tsy hita mialoha. Mba hanaovana izany, ohatra, dia vakio amin’ny feo avo, tsy misy fanomanana mialoha, ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana azy; ataovy tsy tapaka izany. Zaro ny masonao hahita indray miaraka fitambaran-teny milaza hevitra feno, fa tsy teny tsirairay fotsiny.

Rehefa miresaka ianao, dia mila mieritreritra aloha vao miteny, raha te hiteny misosa tsara. Ataovy ho fahazaranao isan’andro izany. Eritrereto izay hevitra tianao holazaina sy ny filaharana tianao hilazana azy ireo; ary avy eo vao manomboha miteny. Aza maimaika, fa milazà kosa hevitra feno iray, alohan’ny hiatoana na hiovana hevitra eny antenatenany. Fehezanteny fohy sy tsotra ampiasaina.

Ho tonga ho azy ireo teny, raha fantatrao tsara izay hevitra tianao holazaina. Tsy ilaina, amin’ny ankapobeny, ny mifidy mialoha ireo teny hampiasainao. Ho fanazaran-tena, dia tsara raha mazava tsara ao an-tsainao ilay hevitra, ary avy eo vao mieritreritra ireo teny hampiasainao, eo am-pitenenana. Raha manao izany ianao, ary raha mifantoka amin’ilay hevitra ny sainao, fa tsy amin’ireo teny hilazanao azy, dia ho tonga ho azy izy ireo, ary dia hivoaka avy amin’ny fo ny tianao holazaina. Raha manomboka mieritreritra teny anefa ianao, fa tsy hevitra, dia mety ho tapatapaka ny fitenenanao. Ho afaka hiteny misosa tsara ianao, rehefa mihazatra. Ary tena ilaina izany, mba hahatonga ny fitenenana sy ny vakiteny handaitra.

Rehefa notendrena hisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’ny firenen’ny Isiraely sy ny Faraon’i Ejipta i Mosesy, dia nahatsiaro tena ho tsy nahay. Nahoana? Tsy nahay nandaha-teny izy, na hoe tsy niteny nisosa tsara; nety ho nanana kilema nahatonga azy tsy hahay hiteny tsara izy. (Eks. 4:10; 6:12) Nahita fialan-tsiny isan-karazany i Mosesy, nefa samy tsy nisy neken’Andriamanitra izy ireny. Naniraka an’i Arona hiaraka taminy, mba ho mpitondra teniny, i Jehovah. Nanampy an’i Mosesy hiteny koa anefa Izy. Tamin’ny farany, dia nahavita niteny imbetsaka sy tamin’ny fomba nandaitra i Mosesy, tsy tamin’ny olona tsirairay na tamin’ny fitambaran’olona sasantsasany ihany, fa tamin’ilay firenena manontolo koa. (Deot. 1:1-3; 5:1; 29:1; 31:1, 2, 30; 33:1) Ho afaka hampiasa ny fitenenanao mba hankalazana an’Andriamanitra koa ianao, raha manao izay rehetra azonao atao sady mitoky amin’i Jehovah.

RAHA MIAKANAKAM-PITENY IANAO

Antony maro no mety hahatonga ny olona hiakanakam-piteny. Ny fitsaboana manampy ny olona sasany dia mety tsy handaitra amin’ny hafa. Tena ilaina anefa ny manohy miezaka, raha tiana ny hahita fihatsarana.

Moa ve mampahatahotra anao, mampivarahontsana anao mihitsy aza, ny hoe hamaly any am-pivoriana? Mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana ny fanampiany. (Fil. 4:6, 7) Ny hankalaza an’i Jehovah sy ny hanampy ny hafa no ifantohy. Aza manantena hoe hanjavona tanteraka ilay izy. Eritrereto kosa ilay fandrosoana efa vitanao noho ny fanampiana azonao. Rehefa mahita ny fitahian’i Jehovah sy ny fampaherezana omen’ny rahalahinao ianao, dia haniry hiezaka bebe kokoa.

Mizatra miteny eo anatrehan’olona maromaro ianao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mety ho gaga ianao hahita fa tena vitanao tsara izany. Ny fitenenana eo anatrehan’olona manohana anao sy maniry ny hahombiazanao toy izany dia hanampy anao hahazo fatokisan-tena hiteny amin’ny toe-javatra hafa.

Omano tsara izay anjara na lahateny asaina hataonao. Mifantoha tanteraka amin’ilay anjaranao rehefa eny amin’ny lampihazo. Manehoa fihetseham-po mifanentana amin’izay lazainao. Raha manomboka miakanakana ianao, dia hazòny ho tony ny feonao sy ny fihetsikao, araka izay azonao atao. Aza henjanina ireo hozatry ny valanoranonao. Fehezanteny fohy ampiasaina. Ataovy vitsy araka izay azonao atao ny teny toy ny hoe “aaaa.”

Raha vao fantatry ny olona sasany miakanakam-piteny ireo teny manahirana azy, dia tsy mampiasa azy ireny intsony izy, fa mampiasa teny hafa mitovy hevitra kosa. Ny hafa kosa mitady ireo feo izay tsy hainy tononina indrindra, ary mamerimberina milaza azy ireny.

Raha miakanakam-piteny ianao rehefa miresaka amin’olona, dia aza kivy ka hoe hijanona eo. Ampirisiho hiteny ilay olona iresahanao, mandra-pahafakao miteny indray. Raha ilaina, dia manorata teny kely ho an’ilay olona, na ampisehoy zavatra voasoratra izy.

MBA HITENENANA MISOSA TSARA

  • Rehefa mamaky gazety sy boky, dia asio marika ireo teny vaovao, tadiavo izay tena heviny, avy eo dia ampiasao izy ireny.

  • Mizàra mamaky teny amin’ny feo avo mandritra ny dimy na folo minitra isan’andro.

  • Omano tsara ireo vakiteny asaina ataonao. Mariho manokana ireo teny miaraka. Fantaro tsara ny fizotran’ny hevitra.

  • Rehefa miresaka andavanandro, dia mieritrereta aloha, vao milaza fehezanteny feno tsy tapatapahina.

FANAZARAN-TENA: Fakafakao tsara ny Mpitsara 7:1-25, amin’ny fandinihana ny fehintsoratra tsirairay. Takaro tsara izay tiany holazaina. Mampiasà diksionera, mba hijerena ireo teny tsy fantatrao. Lazao amin’ny feo avo ny anarana tsirairay. Avy eo, dia vakio amin’ny feo avo ilay fehintsoratra; ataovy tsy misy diso izany. Rehefa afa-po amin’iny fehintsoratra iny ianao, dia mifindrà amin’ny manaraka, ary tohizo toy izany hatrany. Avy eo, dia vakio ilay toko manontolo. Avereno vakina indray ilay izy, saingy ataovy somary haingana kokoa. Avereno indray, ka vakio haingana kokoa ihany ireo tapany ilana anaovana izany; tsy haingana loatra anefa, ka hahatonga anao hiakanakana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara