TOKO 1
Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
MISY fikambanana maro be eran-tany, ohatra hoe fikambanana ara-pivavahana, ara-politika, ara-barotra, ary ara-tsosialy. Samy manana ny tanjony izy ireny, sady samy manana ny mampiavaka azy sy ny hevitra ijoroany ary izay heveriny ho zava-dehibe. Misy fikambanana na fandaminana iray tsy mitovy amin’ireo mihitsy anefa. Tsy iza izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah. Miavaka izy io, satria manaraka ny torolalan’ny Baiboly foana ny olona ao aminy.
2 Soa ihany fa efa miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah ianao. Efa mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ianao, ary manao an’izany koa. (Sal. 143:10; Rom. 12:2) Mpitory mazoto ianao, ka miara-manompo amin’ireo Vavolombelona be fitiavana eran-tany. (2 Kor. 6:4; 1 Pet. 2:17; 5:9) Sambatra ianao noho izany ary mahazo fitahiana maro, araka ny efa nampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra. (Ohab. 10:22; Mar. 10:30) Hahavita tsy hivadika mandrakizay ianao, raha zatra manao ny sitrapon’i Jehovah dieny izao.—1 Tim. 6:18, 19; 1 Jaona 2:17.
3 Manana fandaminana maneran-tany ilay Mpamorona Be Voninahitra. Tena miavaka izy io satria i Jehovah, ilay ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao, no mitarika azy. Matoky tanteraka an’i Jehovah isika. Izy mantsy no Mpitsara sy Mpanao Lalàna antsika ary Mpanjakantsika. (Isaia 33:22) Andriamanitry ny filaminana izy, ka nanao fandaharana maro samihafa, amin’izay isika afaka “miara-miasa aminy” mba hahatanteraka ny fikasany.—2 Kor. 6:1, 2.
4 Mihamanakaiky ny faran’izao tontolo izao. Isika indray mandroso foana ary manaiky ny tari-dalan’i Kristy Jesosy, ilay Mpanjaka voatendry. (Isaia 55:4; Apok. 6:2; 11:15) Efa nilaza i Jesosy fa hanao asa lehibe noho izay nataony tetỳ an-tany ny mpanara-dia azy. (Jaona 14:12) Ho lehibe lavitra ny faritany vitany, satria maro an’isa izy ireo sady lava kokoa ny fotoana itoriany. Ary ho lehibe kokoa ny asa vitan’ny mpianany, satria hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany izy ireo.—Mat. 24:14; 28:19, 20; Asa. 1:8.
5 Hita hoe efa tanteraka izany amin’izao. Amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah anefa vao hifarana ny fitoriana ny vaovao tsara, araka ny tenin’i Jesosy. Tsy ho ela intsony izany, satria asehon’ny faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra fa efa tena akaiky ny andron’i Jehovah, izay lehibe sady mampahatahotra.—Joela 2:31; Zef. 1:14-18; 2:2, 3; 1 Pet. 4:7.
Mila miezaka mafy kokoa isika mba hanao izay takin’Andriamanitra. Midika izany fa tokony ho haintsika tsara ny fomba fiasan’ny fandaminan’i Jehovah
6 Efa fantatsika ny sitrapon’i Jehovah amin’izao tapany farany amin’ny andro farany izao. Mila miezaka mafy kokoa àry isika mba hanao izay takin’Andriamanitra. Midika izany fa tokony ho haintsika tsara ny fomba fiasan’ny fandaminan’i Jehovah, ary tokony hiara-miasa tsara amin’izy io isika. Mila fantatsika hoe mifanaraka amin’ny torolalan’ny Soratra Masina foana ny fomba fiasan’ny fandaminana. Ahitana an’ireny torolalana ireny, ohatra, ireo didy sy fitsipika ary fampianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Sal. 19:7-9.
7 Lasa miray saina sy mahay miara-miasa ny vahoakan’i Jehovah, rehefa manaraka foana an’izany tari-dalan’ny Baiboly izany. (Sal. 133:1; Isaia 60:17; Rom. 14:19) Inona anefa no tena mahatonga antsika hifandray tsara, na aiza na aiza misy antsika? Ny fitiavana. Be fitiavana isika, ary io toetra io no mibaiko antsika amin’izay rehetra ataontsika. (Jaona 13:34, 35; Kol. 3:14) Hahavita hiara-mandeha amin’ilay ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah isika, satria ataon’i Jehovah miray saina.
NY AMPAHANY ANY AN-DANITRA AMIN’NY FANDAMINAN’I JEHOVAH
8 Nahita ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah tao amin’ny fahitana i Isaia sy Ezekiela ary Daniela mpaminany. (Isaia, toko 6; Ezek., toko 1; Dan. 7:9, 10) Nahazo fahitana toy izany koa ny apostoly Jaona. Manampy antsika hahazo sary an-tsaina an’io ampahany amin’ny fandaminan’i Jehovah io ny fanazavana omeny ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Hitany teo ambony seza fiandrianana be voninahitra i Jehovah, niaraka tamin’ny anjely maro be. Hoy ireo anjely ireo: “Masina, masina, masina i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.” (Apok. 4:8) Hitan’i Jaona koa hoe nisy “zanak’ondry nijoro teo akaikin’ny seza fiandrianana.” I Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, izy io.—Apok. 5:6, 13, 14; Jaona 1:29.
9 Mipetraka eo ambony seza fiandrianana i Jehovah ao amin’ilay fahitana. Midika izany fa izy no manana fahefana ambony indrindra ao amin’io fandaminana io. Hoy ny 1 Tantara 29:11, 12 momba an’i Jehovah sy ny fahefany: “Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra, fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary ianao Ilay misandratra ho ambonin’ny zava-drehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary ianao no manjaka amin’ny zava-drehetra. Eo am-pelatananao ny hery sy ny tanjaka, ary vitanao ny manandratra sy manatanjaka ny olon-drehetra.”
10 Manana toerana ambony i Jesosy Kristy any an-danitra sady nomena fahefana be, satria mpiara-miasa amin’i Jehovah izy. Nasain’Andriamanitra “nanaiky an’i Kristy ... ny zava-drehetra ka nataony eo ambany tongony. Ary nataony lohan’ny zavatra rehetra izy ao amin’ny fiangonana.” (Efes. 1:22) Hoy ny apostoly Paoly, momba an’i Jesosy: ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa izy, sady tamim-katsaram-panahy no nanomezany azy anarana ambony kokoa noho ny anarana hafa rehetra. Amin’izay dia handohalika amin’ny anaran’i Jesosy ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny eto an-tany na ny any ambanin’ny tany, ary hanaiky daholo ny lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray.’ (Fil. 2:9-11) Afaka matoky tanteraka àry isika fa hanao ny rariny i Jesosy Kristy rehefa mitarika antsika.
11 Hitan’i Daniela mpaminany tao amin’ny fahitana fa nipetraka teo ambony seza fiandrianany any an-danitra Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be. Nisy anjely “arivoarivo no nanompo azy, ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany.” (Dan. 7:10) Antsoin’ny Baiboly hoe “fanahy manao fanompoana masina” ireny anjely ireny, ary “irahina hikarakara an’ireo handova famonjena.” (Heb. 1:14) Voalamina ho ‘fiandrianana, fitondrana, fanjakana, ary fahefana’ ny anjely rehetra.—Kol. 1:16.
12 ‘Nahita an’i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina’ i Isaia ary “nisy serafima nijoro teo amboniny.” Hoy izy rehefa nahita an’izany: “Hahita loza aho! Tena ho faty aho izao, satria olona maloto molotra, sady miara-mipetraka amin’ny vahoaka maloto molotra, nefa izaho nahita an’ilay Mpanjaka, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.” Takatsika ny antony nahatonga azy hiteny an’izany rehefa misaintsaina ilay ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah isika. Natahotra mafy sy nanetry tena i Isaia nony takany fa tena lehibe ny fandaminan’i Jehovah. Nisy vokany be taminy izany ka raha vao nitady olona hanambara ny didim-pitsarany i Jehovah, dia hoy izy: “Intỳ aho iraho!”—Isaia 6:1-5, 8.
13 Lasa manahaka an’i Isaia koa isika, rehefa mahafantatra tsara ny fandaminan’i Jehovah sady mankasitraka azy io. Miezaka ny handroso miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah isika, ary miezaka mampiseho hoe matoky azy io.
MANDROSO NY FANDAMINAN’I JEHOVAH
14 Resahina ao amin’ny Ezekiela toko voalohany fa mitaingina kalesy lehibe any an-danitra i Jehovah. Ny ampahany tsy hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah io kalesy hafakely io. Toy ny hoe mitaingina azy io i Jehovah satria izy no mitarika azy io. Ataony amim-pitiavana izany sady ataony mifanaraka amin’ny fikasany.—Sal. 103:20.
15 Misy kodiarana iray mitsofoka mitsivalana ao anatin’ny kodiarana tsirairay amin’ilay kalesy, ary mitovy ny savaivon’ilay kodiarana ivelany sy ilay mitsivalana ao anatiny. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho afaka “nandroso na nihemotra na niankavia na niankavanana” ireo kodiarana ireo. (Ezek. 1:17) Afaka miova lalana tampoka ireo kodiarana. Misy mibaiko anefa io kalesy io fa tsy mandeha ho azy. Tsy avelan’i Jehovah handeha any amin’izay lalana tiany haleha fotsiny ny fandaminany. Hoy ny Ezekiela 1:20: “Tany amin’izay nitarihan’ny fanahy azy no nandehanan’izy ireo.” I Jehovah àry no mampandeha ny fandaminany any amin’izay itondran’ny fanahiny azy. Miara-mandeha amin’izy io ve anefa isika?
16 Tsy hoe mivory sy mandray anjara amin’ny fanompoana fotsiny no atao hoe miara-mandeha amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tokony handroso sy hihamatotra koa isika. Mila ‘mahay mamantatra an’izay zava-dehibe kokoa’ mantsy isika sady maharaka ny fanazavana farany. (Fil. 1:10; 4:8, 9; Jaona 17:3) Tsy maintsy tadidintsika koa fa tsy handeha tsara ny fandaminana iray, raha tsy milamina sy mahay miara-miasa ny olona ao aminy. Tokony hampiasaintsika tsara àry ny fotoanantsika, ny herintsika, ny fahaizantsika ary ny fananantsika mba hanatanterahana ny asan’i Jehovah. Tsy hifanohitra amin’ny hafatra torintsika ny zavatra ataontsika, raha miara-mandeha amin’ny kalesin’i Jehovah any an-danitra isika.
17 Afaka mandroso sy manao ny sitrapon’i Jehovah foana isika, satria manampy antsika ny fandaminany. Tadidio fa izy no mitondra an’io kalesy any an-danitra io. Hita hoe manaja sy matoky an’i Jehovah, ilay Vatolampintsika, isika rehefa miara-mandeha amin’ny kalesiny. (Sal. 18:31) Hoy ny Baiboly: “Hanome hery ny vahoakany i Jehovah. Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.” (Sal. 29:11) Tafaray eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah isika satria anisan’ny vahoakany, ka omeny hery sy fiadanana. Azo antoka fa maro ny fitahiana mbola ho azontsika, raha manao ny sitrapon’i Jehovah isika, dieny izao sy ho mandrakizay.