FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bh p. 197-p. 199 feh. 2
  • Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela
  • Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Naminany i Daniela fa ho Avy ny Mesia
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Fitopolo Herinandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny famantarana ny Mesia, ilay Mpanjaka
    “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
  • Naharihary ny Fotoana Hahatongavan’ny Mesia
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
Hijery Hafa
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
bh p. 197-p. 199 feh. 2

FANAZAVANA FANAMPINY

Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela

VELONA 500 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy i Daniela mpaminany. Nisy zavatra nolazain’i Jehovah taminy anefa ahalalana hoe oviana i Jesosy no voahosotra na voatendry ho Mesia, na Kristy. Hoy i Jehovah taminy: “Aoka ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro.”—Daniela 9:25.

Mila fantarintsika aloha hoe oviana no ‘nivoaka ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy’, vao ho fantatsika ny daty hahatongavan’ny Mesia. Nilaza i Nehemia, mpanoratra Baiboly, fa “tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy Mpanjaka” no nivoaka ilay didy hanamboarana ny mandan’i Jerosalema. (Nehemia 2:1, 5-8) Araka ny mpahay tantara, dia tamin’ny taona 474 T.K. no nanomboka nanjaka i Artaksersesy. Ny taona 455 T.K. àry no taona faharoapolo nanjakany. Io taona 455 T.K. io no daty iaingana, mba hamantarana ny fotoana hahatongavan’ny Mesia.

Nolazain’i Daniela ny faharetan’ny fotoana manomboka eo amin’ilay taona iaingana, ka mandra-pahatongan’ny “Mesia Mpitarika.” Nilaza izy fa haharitra “fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro” ilay izy, izany hoe 69 herinandro raha atambatra. Maharitra hafiriana izany? Tsy herinandro misy fito andro no tiana holazaina amin’io, rehefa jerena ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro, fa herinandron-taona, izany hoe fito taona ny herinandro tsirairay. Efa nahazatra ny Jiosy taloha ny herinandron-taona. Nitandrina ny taona sabata, ohatra, izy ireo isaky ny fito taona. (Eksodosy 23:10, 11) Misy 7 taona avy àry ny tsirairay amin’ireo herinandro 69 ireo, izany hoe 483 taona amin’ny fitambarany (69 x 7).

Manao kajy sisa isika. Raha manisa 483 taona avy eo amin’ny taona 455 T.K. isika, dia ho tonga amin’ny taona 29 A.K. (Aorian’i Kristy). Tamin’io taona io mihitsy i Jesosy no natao batisa ka lasa Mesia.a (Lioka 3:1, 2, 21, 22) Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ilay faminanian’ny Baiboly. Tsy hitanao hoe mahavariana ve izany?

Tabilao: Miresaka ny fotoana hahatongavan’ny Mesia ilay faminaniana momba ny fitopolo herinandro ao amin’ny Daniela Toko faha-9

a Raha manisa avy eo amin’ny taona 455 T.K. isika, ka hatramin’ny taona 1 T.K., dia mahita 454 taona. Misy herintaona eo anelanelan’ny taona 1 T.K. ka hatramin’ny taona 1 A.K. (tsy misy taona 0), ary 28 taona eo anelanelan’ny taona 1 sy taona 29. Raha ampifanampiana ny 454 sy 1 ary 28, dia manome 483 taona. ‘Novonoina’ i Jesosy tamin’ny taona 33, tao anatin’ny herinandron-taona faha-70. (Daniela 9:24, 26) Jereo ny Toko faha-11 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara