-
Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina?Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
-
-
ny mpanompo sampy hanaraka ny Fivavahana Kristianina. Voararan’ny Baiboly anefa ny mivavaka amin’izay mety ho marika mampiavaka ny mpanompo sampy. (2 Korintianina 6:14-18) Rarany koa ny fanompoan-tsampy rehetra. (Eksodosy 20:4, 5; 1 Korintianina 10:14) Misy antony àry matoa ny tena Kristianina tsy mampiasa lakroa, rehefa mivavaka.a
-
-
Manome Voninahitra An’Andriamanitra Isika, Rehefa Manatrika ny Sakafo Harivan’ny TompoInona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
-
-
FANAZAVANA FANAMPINY
Manome Voninahitra An’Andriamanitra Isika, Rehefa Manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo
NOMENA didy hahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy ny Kristianina. Antsoina koa hoe “sakafo harivan’ny Tompo” io fotoana io. (1 Korintianina 11:20) Nahoana izy io no zava-dehibe? Isaky ny inona izy io no tokony hotsarovana, ary amin’ny fomba ahoana?
Nanomboka nanao azy io i Jesosy Kristy tamin’ny alin’ny Paska jiosy taona 33. Natao indray mandeha isan-taona izy io, isaky ny 14 Nisana, volana jiosy. Ahoana no namaritan’ny Jiosy an’io daty io? Rehefa 21 Martsa (na 22 Martsa), dia adiny 12 eo ho eo ny halavan’ny andro, ary adiny 12 koa ny alina. Ny maizim-bolana voalohany akaiky indrindra an’io andro io, no voalohan’ny volana Nisana. Nanomboka ny Paska, 13 andro taorian’izay.
Nankalaza ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny i Jesosy, nandroaka an’i Jodasy Iskariota, ary avy eo nanomboka ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Solon’ny Paska jiosy izy io, ka tokony hatao indray mandeha isan-taona.
Hoy ny Filazantsaran’i Matio: “Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesosy. Rehefa avy nivavaka izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso ity, ka hano. Ity no vatako.’ Nandray kaopy koa izy, ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: ‘Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity no rako, dia “ny ran’ny fifanekena” izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.’”—Matio 26:26-28.
Misy mino fa novan’i Jesosy ho tena nofony sy rany ilay mofo sy divay. Tsy nisy nanesorana anefa ny vatany rehefa nizara an’io mofo io izy. Tena nihinana ny nofony sy nisotro ny rany àry ve ny apostoliny? Tsia, satria toy ny mihinana olona izany, ary mandika ny lalàn’Andriamanitra. (Genesisy 9:3, 4; Levitikosy 17:10) Hoy i Jesosy ao amin’ny Lioka 22:20: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.” Ilay kaopy mihitsy ve no “fifanekena vaovao”? Tsy mitombina izany, satria tsy zavatra azo tsapain-tanana ny fifanekena, na fifanarahana.
Misy heviny an’ohatra àry ilay mofo sy divay. Mifanitsy amin’ny vatan’i Kristy lavorary ilay mofo. Mofo sisa tsy lany tamin’ny sakafon’ny Paska no nampiasain’i Jesosy. Tsy nisy masirasira, na lalivay, io mofo io. (Eksodosy 12:8) Matetika no ilazana fahotana na faharatsiana ny teny hoe lalivay, ao amin’ny Baiboly. Ny vatana lavorary sy tsy nisy ota nataon’i Jesosy sorona àry no mifanitsy amin’ilay mofo.—Matio 16:11, 12; 1 Korintianina 5:6, 7; 1 Petera 2:22; 1 Jaona 2:1, 2.
Mifanitsy amin’ny ran’i Jesosy kosa ilay divay mena. Mampanan-kery an’ilay fifanekena vaovao izy io. Nilaza i Jesosy fa nandatsaka ny rany izy, mba hahazoan’ny olona “famelan-keloka.” Afaka ny hadio eo imason’Andriamanitra àry ny olombelona, ka ho tafiditra amin’ilay fifanekena vaovao atao amin’i Jehovah. (Hebreo 9:14; 10:16, 17) Afaka mankany an-danitra ireo Kristianina tsy mivadika 144 000, noho io fifanekena io. Ho mpanjaka sy mpisorona izy ireo any, ka hitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra.—Genesisy 22:18; Jeremia 31:31-33; 1 Petera 2:9; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-3.
Iza no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay amin’ny Fahatsiarovana? Izay ao anatin’ny fifanekena vaovao ihany, izany hoe ireo manantena ho any an-danitra. Ny fanahy masin’Andriamanitra no mandresy lahatra azy ireo, fa voafidy ho mpanjaka any an-danitra ny tenany. (Romanina 8:16) Nanaovan’i Jesosy fifanekena ho amin’ny Fanjakana koa izy ireo.—Lioka 22:29.
Ahoana kosa ny amin’ireo manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany? Mankatò ny didin’i Jesosy izy ireo, ka manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy mihinana ny mofo na misotro ny divay anefa izy ireo, fa manatrika amim-panajana fotsiny. Manao ny Sakafo Harivan’ny Tompo indray mandeha isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah, isaky ny 14 Nisana aorian’ny filentehan’ny masoandro. Zava-dehibe amin’ny Kristianina rehetra io fotoana io, na dia an’arivony monja aza no milaza fa manantena ho any an-danitra. Amin’io izy ireo no afaka misaintsaina ny fitiavana nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy.—Jaona 3:16.
-
-
Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona?Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
-
-
FANAZAVANA FANAMPINY
Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona?
MARO no mino fa misy zavatra tsy hita maso sy tsy mety maty ao anatintsika. Misaraka amin’ny vatana, hono, izy io rehefa maty ny olona ary mbola velona any ankoatra. Miely be io finoana io, ka maro no gaga rehefa mahalala fa tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. Inona kosa no lazain’ny Baiboly fa mitranga amintsika rehefa maty isika?
NY TENY HOE NEFESH SY PSYKÈ AO AMIN’NY BAIBOLY
Tadidinao angamba fa nosoratana tamin’ny teny hebreo sy grika ny Baiboly voalohany. Adika hoe “olona”, “aina”, “biby”,
-