FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
    • 12 ‘Nahita an’i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina’ i Isaia ary “nisy serafima nijoro teo amboniny.” Hoy izy rehefa nahita an’izany: “Hahita loza aho! Tena ho faty aho izao, satria olona maloto molotra, sady miara-mipetraka amin’ny vahoaka maloto molotra, nefa izaho nahita an’ilay Mpanjaka, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.” Takatsika ny antony nahatonga azy hiteny an’izany rehefa misaintsaina ilay ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah isika. Natahotra mafy sy nanetry tena i Isaia nony takany fa tena lehibe ny fandaminan’i Jehovah. Nisy vokany be taminy izany ka raha vao nitady olona hanambara ny didim-pitsarany i Jehovah, dia hoy izy: “Intỳ aho iraho!”​—Isaia 6:1-5, 8.

      13 Lasa manahaka an’i Isaia koa isika, rehefa mahafantatra tsara ny fandaminan’i Jehovah sady mankasitraka azy io. Miezaka ny handroso miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah isika, ary miezaka mampiseho hoe matoky azy io.

      MANDROSO NY FANDAMINAN’I JEHOVAH

      14 Resahina ao amin’ny Ezekiela toko voalohany fa mitaingina kalesy lehibe any an-danitra i Jehovah. Ny ampahany tsy hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah io kalesy hafakely io. Toy ny hoe mitaingina azy io i Jehovah satria izy no mitarika azy io. Ataony amim-pitiavana izany sady ataony mifanaraka amin’ny fikasany.​—Sal. 103:20.

      15 Misy kodiarana iray mitsofoka mitsivalana ao anatin’ny kodiarana tsirairay amin’ilay kalesy, ary mitovy ny savaivon’ilay kodiarana ivelany sy ilay mitsivalana ao anatiny. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho afaka “nandroso na nihemotra na niankavia na niankavanana” ireo kodiarana ireo. (Ezek. 1:17) Afaka miova lalana tampoka ireo kodiarana. Misy mibaiko anefa io kalesy io fa tsy mandeha ho azy. Tsy avelan’i Jehovah handeha any amin’izay lalana tiany haleha fotsiny ny fandaminany. Hoy ny Ezekiela 1:20: “Tany amin’izay nitarihan’ny fanahy azy no nandehanan’izy ireo.” I Jehovah àry no mampandeha ny fandaminany any amin’izay itondran’ny fanahiny azy. Miara-mandeha amin’izy io ve anefa isika?

      16 Tsy hoe mivory sy mandray anjara amin’ny fanompoana fotsiny no atao hoe miara-mandeha amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tokony handroso sy hihamatotra koa isika. Mila ‘mahay mamantatra an’izay zava-dehibe kokoa’ mantsy isika sady maharaka ny fanazavana farany. (Fil. 1:10; 4:8, 9; Jaona 17:3) Tsy maintsy tadidintsika koa fa tsy handeha tsara ny fandaminana iray, raha tsy milamina sy mahay miara-miasa ny olona ao aminy. Tokony hampiasaintsika tsara àry ny fotoanantsika, ny herintsika, ny fahaizantsika ary ny fananantsika mba hanatanterahana ny asan’i Jehovah. Tsy hifanohitra amin’ny hafatra torintsika ny zavatra ataontsika, raha miara-mandeha amin’ny kalesin’i Jehovah any an-danitra isika.

      17 Afaka mandroso sy manao ny sitrapon’i Jehovah foana isika, satria manampy antsika ny fandaminany. Tadidio fa izy no mitondra an’io kalesy any an-danitra io. Hita hoe manaja sy matoky an’i Jehovah, ilay Vatolampintsika, isika rehefa miara-mandeha amin’ny kalesiny. (Sal. 18:31) Hoy ny Baiboly: “Hanome hery ny vahoakany i Jehovah. Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.” (Sal. 29:11) Tafaray eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah isika satria anisan’ny vahoakany, ka omeny hery sy fiadanana. Azo antoka fa maro ny fitahiana mbola ho azontsika, raha manao ny sitrapon’i Jehovah isika, dieny izao sy ho mandrakizay.

  • Ekeo ny Anjara Asan’i Kristy eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
    • TOKO 2

      Ekeo ny Anjara Asan’i Kristy eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra

      “TANY am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Gen. 1:1) “Tena tsara” ny zavatra rehetra nataony, anisan’izany ny olombelona. (Gen. 1:31) Tian’i Jehovah hanana hoavy mahafinaritra izy ireo. Lasa tsy sambatra intsony anefa izy ireo noho ilay fikomiana tany Edena. Na izany aza, dia tsy niova ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olombelona. Nilaza Andriamanitra fa hahazo famonjena izay mankatò amin’ny taranak’i Adama. Haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina, ary horinganin’Andriamanitra i Satana Devoly sy ny asa ratsiny. (Gen. 3:15) Ho lasa “tena tsara” toy ny tany am-boalohany indray ny zava-drehetra amin’izay. Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany no hanatanterahan’i Jehovah an’izany. (1 Jaona 3:8) Tsy maintsy ekentsika àry ny anjara asan’i Kristy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra.​—Asa. 4:12; Fil. 2:9, 11.

      INONA NO ANJARA ASAN’I KRISTY?

      2 Fantatsika fa misy lafiny maro ny anjara asan’i Kristy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra. Mpanavotra ny olombelona izy, Mpisoronabe, Lohan’ny fiangonana kristianina, ary efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ankehitriny. Vao mainka isika hankasitraka ny fandaharan’Andriamanitra sy ho tia an’i Kristy Jesosy, raha misaintsaina an’ireo anjara asany ireo. Miresaka ny sasany amin’ny anjara asan’i Jesosy ny Baiboly.

      Manana anjara asa lehibe i Jesosy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona

      3 Niharihary nandritra ny fanompoan’i Kristy teto an-tany fa amin’ny alalany no hahafahan’ny olombelona mankatò hifandray tsara amin’Andriamanitra indray. (Jaona 14:6) Mpanavotra ny olombelona i Jesosy, ka nanolotra ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro. (Mat. 20:28) Tsy vitan’ny hoe modely amin’ny fitondran-tena tsara àry izy, fa manana anjara asa lehibe koa amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona. Tsy ho afaka hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, raha tsy amin’ny alalany. (Asa. 5:31; 2 Kor. 5:18, 19) Noho i Jesosy nanome ny ainy sy efa natsangana tamin’ny maty, dia ho afaka hiaina mandrakizay ny olona mankatò rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.

      4 Mpisoronabe koa i Jesosy, ka “mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika”, ary afaka manolotra sorona fampihavanana noho ny fahotantsika. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny antsika tsy hoe mpisoronabe tsy mba mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika, fa mpisoronabe efa notsapaina tamin’ny zavatra rehetra hoatr’antsika koa, nefa tsy nanota.” Nampirisihin’i Paoly ireo mino an’i Jesosy Kristy, mba hanararaotra an’ilay fandaharana nataon’Andriamanitra hihavanana aminy indray. Hoy izy: “Andao àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka, sady ho sahy hiteny rehefa manao an’izany. Amin’izay isika hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy miavaka, mba hanampiana antsika amin’ny fotoana mety.”​—Heb. 4:14-16; 1 Jaona 2:2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara