LESONA 6
Fanamafisan-kevitra Mety Tsara
REHEFA miteny na mamaky teny amin’ny feo avo ianao, dia tsy ny hilazanao ny teny tsirairay tsy misy diso ihany no tena ilaina, fa ny hanamafisanao koa ireo teny fototra, mba hampita hevitra mazava tsara.
Tsy fanamafisana teny sasantsasany fotsiny akory no antsoina hoe fanamafisan-kevitra mety tsara. Ilay teny tena izy no tsy maintsy hamafisina. Raha ilay teny tsy izy no hamafisinao, dia mety tsy hazava amin’ny mpihaino ny hevitr’izay lazainao, ary mety hiriorio ny sain’izy ireo. Na tsara aza ilay fanazavana, nefa tsy mety tsara ny fanamafisan-kevitra, dia tsy hanosika ny mpihaino hanao zavatra ilay izy.
Misy fomba maro samihafa azo anamafisana hevitra, ka ampiasaina miaraka matetika: ny fampitomboana ny hamafin’ny feo, ny fanamafisana kokoa ny fihetseham-po aseho, ny fanononana miadana sy tsy maimaika, ny fiatoana aloha na aorian’ny fanambarana iray (na izy roa), ary ny fihetsehana sy izay asehon’ny endrika. Amin’ny fiteny sasany, dia afaka manamafy hevitra koa ny olona iray, raha ataony maranitra kokoa na midoboka kokoa ny feony. Ilay zavatra hazavainao sy ny toe-javatra hitenenanao no hamaritra ilay fomba mety indrindra aminy.
Mba hamaritana izay tokony hohamafisina, dia hevero izao manaraka izao. 1) Ao anatin’ny fehezanteny rehetra, dia tsy ilay fehezanteny dinihina ihany no mamaritra izay teny tokony hohamafisina, fa ireo fehezanteny manodidina koa. 2) Azo atao ny manamafy ny fiandohan’ny hevitra vaovao iray, na hevi-dehibe izany na fanjohian-kevitra hafa. Toy izany koa ny fifaranan’ny fanjohian-kevitra iray. 3) Mety hanamafy hevitra koa ny mpandahateny iray, mba hampisehoana ny fihetseham-pony momba ny foto-kevitra iray. 4) Hisongadina tsara koa ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny na anjara iray, rehefa mety tsara ny fanamafisana azy.
Mba hanamafisan-kevitra toy izany, dia tsy maintsy mazava tsara amin’ny mpandahateny na ny mpamaky teny iray ilay zavatra lazainy na vakiny. Tsy maintsy tiany koa ny hahatakaran’ny mpihaino azy io. Hoy ny Nehemia 8:8, momba ny fampianarana nomena tamin’ny andron’i Ezra: “Novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina.” Neken’ireo namaky sy nanazava ny Lalàn’Andriamanitra tamin’izay fa tena nilaina nampiana ny mpihaino mba hahatakatra ny hevitr’izay novakina, sy hitadidy azy, ary hampihatra azy.
Izay mety hiteraka zava-manahirana. Afaka milaza hevitra mazava ny ankamaroan’ny olona, eo amin’ny resaka ataony andavanandro. Rehefa mamaky zavatra nosoratan’olon-kafa anefa izy ireo, dia mety ho sahirana hamaritra izay teny na fitambaran-teny tokony hohamafisina. Tena hanampy azy ny fahazoany mazava tsara ny hevitr’ilay zavatra hovakiny. Mila mamakafaka tsara azy io àry izy. Koa raha angatahina hamaky teny any am-pivoriana ianao, dia tokony hanao fanomanana tsara.
Misy mampiasa ilay azo antsoina hoe “fanamafisana tsy miovaova”, fa tsy fanamafisan-kevitra. Manamafy teny iray na roa amim-pahazarana fotsiny izy ireo, na misy heviny izany fanamafisana izany na tsia. Ny hafa kosa manamafy be loatra ireo teny kely, toy ny teny mpampiankina sy ny teny mpampitohy. Rehefa tsy mampahazava kokoa ny hevitra ny fanamafisana, dia mora lasa fahazaran-dratsy manelingelina.
Misy mpandahateny miteny mafy kokoa mba hanamafisan-kevitra, nefa mety hahatonga ny mpihaino hahatsiaro tena ho bedesina ny fomba anaovany azy. Mazava ho azy fa tsy ho tsara ny vokatra haterak’izany. Raha amboamboarina, fa tsy tsotra, ny fanamafisan-kevitra ataon’ilay mpandahateny, dia mety ho toy ny hoe manambany ny mpihaino azy izy. Tsara lavitra ny manohina ny fon’izy ireo amim-pitiavana, sy manampy azy ireo hahita fa sady araka ny Soratra Masina no azo ekena tsara izay lazaina!
Ny fomba hanatsarana ny fahaiza-manamafy hevitra. Matetika ny olona tsy mahay manamafy hevitra no tsy mahalala izany akory. Mety hila ny hilaza izany aminy ny hafa. Raha toa ianao ka mila manatsara ny fahaiza-manamafy hevitra, dia hanampy anao amin’izany ny mpiandraikitra ny sekoly. Aza misalasala koa mangataka fanampiana amin’izay mahay mandaha-teny tsara. Asaivo mihaino anao tsara izy, rehefa mamaky teny sy miteny ianao, ary mangataha torohevitra aminy avy eo.
Mety hanoro hevitra anao mba hanao fanazaran-tena amin’ny alalan’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy, amin’ny voalohany. Mety hasainy hamakafaka ny fehezanteny tsirairay ianao, mba hahitanao izay teny na fitambaran-teny ilaina hohamafisina, mba ho mora takatra ny heviny. Mety hasainy hanamarika manokana ireo teny natao sora-mandry ianao. Tadidio fa toy ny hoe miara-miasa ireo teny ao anatin’ny fehezanteny iray. Fitambaran-teny matetika no tokony hohamafisina, fa tsy teny iray mitokana. Amin’ny fiteny sasany, dia mety hampirisihina koa ny mpianatra mba hitandrina kokoa ny fanamafisan-kevitra atoron’ireo mari-tsindrimpeo.
Manaraka izany, ilay mpanome torohevitra dia mety hampirisika anao hijery ireo fehezanteny manodidina, fa tsy ilay fehezanteny misy ilay hevitra hohamafisina fotsiny. Ohatra, inona no hevitra fototra velabelarina ao amin’ilay fehintsoratra manontolo? Ahoana no hamaritan’izany hevitra fototra izany izay hohamafisinao ao amin’ireo fehezanteny? Jereo ny lohatenin’ilay lahatsoratra sy ny lohatenikely amin’ny sora-matevina mialoha ilay fehintsoratra. Ahoana no hamaritan’izy ireo izay teny fidinao hohamafisina? Lafin-javatra tokony hoheverina daholo ireo rehetra ireo. Mitandrema anefa sao manamafy teny betsaka loatra.
Na mandaha-teny tsy an-kijery soratra ianao, na mamaky teny, dia mety hampirisika anao koa ilay mpanome torohevitra anao mba hampiasa ilay fanjohian-kevitra ao amin’ilay zavatra hovelabelarinao, mba hamaritana izay hevitra hohamafisinao. Ilainao hofantarina hoe aiza no mifarana ilay fanjohian-kevitra, na hoe aiza no misy fifindrana ho amin’ny hevi-dehibe hafa. Ho faly ny mpihaino, raha hitany avy amin’ny fomba fiteninao fa hisy fiovana toy izany. Azonao atao izany, amin’ny fanamafisana teny toy ny hoe voalohany aloha, manaraka izany, ary farany, noho izany, ary araka izany.
Hisarika ny sainao ho amin’ireo hevitra tokony hanehoanao fihetseham-po manokana koa ilay mpanome torohevitra anao. Mba hanaovana izany, dia mety hanamafy teny toy ny hoe tena, indrindra, tsy izany velively, tsy azo inoana, zava-dehibe, ary foana ianao. Ho tsapan’ny mpihaino anao avy amin’izany ny fiheveranao momba izay lazainao. Hisy fanazavana bebe kokoa momba izany ao amin’ny Lesona Faha-11 hoe “Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po.”
Mba hanatsarana ny fanamafisanao hevitra, dia ataovy azo tsara ao an-tsainao koa ireo hevi-dehibe tianao hotadidin’ny mpihaino. Horesahina bebe kokoa izany ao amin’ny Lesona Faha-7 hoe “Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra” mifandray amin’ny famakian-teny ampahibemaso, sy ao amin’ny Lesona Faha-37 hoe “Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe” mifandray amin’ny fanaovana lahateny sy anjara hafa.
Raha miezaka handroso eo amin’ny fanompoanao ianao, dia asio fiheverana manokana ny fomba famakianao andinin-teny. Mizàra manontany tena hoe: ‘Nahoana aho no mamaky ity andinin-teny ity?’ Raha mampianatra ianao, dia mazàna no tsy ampy ny mamaky teny tsy misy diso fotsiny. Mety tsy ho ampy koa na dia ny famakiana ilay andininy amim-pihetseham-po fotsiny aza. Raha mamaly ny fanontanian’ny olona iray ianao, na mampianatra fahamarinana fototra iray, dia hamafiso ireo teny na fitambaran-teny ao amin’ilay andininy, izay manohana ilay hevitra resahina. Mety tsy ho azon’ilay olona ilay hevitra, raha tsy izany.
Koa satria fanantitranterana kokoa ny teny sy ny fitambaran-teny sasany ny atao hoe fanamafisan-kevitra, dia mety hanamafy be loatra an’ireny teny sy fitambaran-teny ireny ny mpandahateny tsy za-draharaha. Mitovitovy amin’ny ataon’ny olona iray vao manomboka mianatra mitendry zavamaneno iray, izany. Rehefa mihazatra anefa izy, dia hanome “mozika” kanto sy milaza hevitra ny “naoty” tsirairay.
Rehefa avy nianatra ny sasany amin’ireo lesona fototra momba ny fanamafisan-kevitra ianao, dia diniho koa ny ataon’ireo mpandahateny za-draharaha. Tsy ho ela dia ho hitanao ny vokatra tsara azo, raha ovaovana ny hamafin’ny fanantitranterana. Ho takatrao koa fa afaka mampiasa fomba fanamafisana maro samihafa ianao, mba hampahazava izay lazainao. Handaitra kokoa ny vakiteninao sy ny fitenenanao, raha mianatra mampiasa ny fahaiza-manamafy hevitra mety tsara ianao.
Aza mianina amin’ny fahalalana fotsiny ny atao hoe fanamafisan-kevitra. Raha tianao handaitra ny fitenenanao, dia miezaha foana, mandra-pahafolakao tsara ny fahaiza-manamafy hevitra. Amin’izay, dia ho fitenenana tsy amboamboarina fa tsotra no handrenesan’ny hafa ny fomba fiteninao.