Mendrika ny Hotahafina Izy Ireo
1 Nisy karazana fanompoana manontolo andro vaovao, tamin’ny 1937. Tsy inona izany fa ny asan’ny mpisava lalana manokana. Nisy lehilahy sy vehivavy za-draharaha tamin’ny asa fitoriana, nanaiky an-tsitrapo hanompo tany amin’izay nanirahan’ny fandaminana azy ireo. Mbola mahatoky hatrany izy ireo, am-polony taona atỳ aoriana, ka mendrika ny hotahafintsika.—Heb. 6:12.
2 Loha laharana: Ny mpisava lalana manokana no loha laharana tamin’ny asa fitoriana tamin’izany. Nampiasa grafofaonina izy ireo, teny am-baravaran’ny olona. Nampiasa diska koa izy ireo rehefa niverina nitsidika, mba hanaovana dinidinika ara-baiboly. Ny tanàn-dehibe efa nisy fiangonana no nanaovana izany. Nirahina tany amin’ny toerana nilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa ny mpisava lalana manokana, tatỳ aoriana. Nitsidika tsy tapaka izay olona liana izy ireo ary nampianatra Baiboly. Fiangonana vaovao an-jatony no niforona, noho ny ezaka mafy nataony. Tena tsy nitandro hasasarana izy ireo. Anisan’ny nahatonga izao fitomboana be hitantsika eo anivon’ny fandaminana izao izany. (Isaia 60:22) Mbola mandray anjara lehibe amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny “zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” foana, ny mpisava lalana manokana.—Kol. 1:23.
3 Mendrika ny hotahafina: Nanompo manontolo andro efa am-polony taona, ny mpisava lalana manokana sasany. Niatrika toe-javatra samihafa ireny lehilahy sy vehivavy tsy mivadika ireny nandritra izany fotoana izany, ka vita sedra ny finoany. (1 Pet. 1:6, 7) Vonona hamoy fiainana mampiadana izy ireo, mba hanompoana any amin’ny toerana mila fanampiana manokana. Efa zokiolona izao ny sasany ka tsy salama, na miatrika olana hafa. (2 Kor. 4:16, 17) “Mbola manorobona ihany” anefa izy ireo, “na dia efa antitra aza.” (Sal. 92:14) Matoky an’i Jehovah izy ireo, ka tahiny.—Sal. 34:8; Ohab. 10:22.
4 Mendrika ny hanaovantsika teny fiderana vokatry ny fo tokoa, ny mpisava lalana manokana. Raha misy mpisava lalana manokana voatendry ao amin’ny fiangonanareo, dia hararaoty tsara izany tombontsoa izany ka miaraha aminy. Ataovy izay handraisan-tsoa avy amin’ny traikefa ananany. Ankasitraho ny fanompoana ataon’ireny mpitory mahatoky ireny. Enga anie ka hampahery anao ny fahatokian’izy ireo. Azo inoana fa hahazo sitraka amin’i Jehovah sy hotahiny izay rehetra manahaka ny finoan’izy ireo, satria “izay olona mahatoky no ankasitrahany.”—Ohab. 12:22.