-
Lesona Iray avy Amin’ny TantsamboNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Aogositra
-
-
Lesona Iray avy Amin’ny Tantsambo
METY handreraka ny fanaovana dia an-tsambo irery eny afovoan-dranomasina eny. Manadonto saina ny harerahana, hany ka mety hanosika mora foana an’ilay tantsambo hanao zavatra mampidi-doza, ka hanao fahadisoana sy handray fanapahan-kevitra tsy mety. Takany tsara àry ny hasarobidin’ny elon’aina iray abontsin-drivotra eo amin’ny vody sambony. Io elon’aina io dia mamela tantsambo reraka iray hiala sasatra mba hampody indray ny heriny, nefa tsy hoentin’ny rivotra hiala ka ho tra-doza. Manery ny loha sambo hiatrika ny rivotra sy ny onja koa io elon’aina io, ary mihazona ilay sambo mba tsy hihilangilana firy.
Miatrika loza maro be ny tantsambo eny an-dranomasina. Toy izany koa fa miatrika ireo faneren’ity tontolo ity tsy an-kijanona ny Kristianina, ary mahatsapa fa mila miala sasatra. Raha ny marina, dia nanoro hevitra ny mpianany i Jesosy indray mandeha hoe: “Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely”. (Marka 6:31). Amin’izao andro izao, dia mety hanao dia lavitra mandritra ny herinandro vitsivitsy ny sasany, na handeha kely mandritra ny faran’ny herinandro, mba hiala sasatra miaraka amin’ny fianakaviany. Afaka mamelombelona sy manome tanjaka indray ireny fotoana ireny. Ahoana anefa no anaovantsika izay hahazoana antoka fa tsy ho tra-doza eo amin’ny ara-panahy isika mandritra ireny fotoana ireny? Inona no azontsika atao ho toy ny elon’aina ara-panahy hanampy antsika hanohitra ny fitaomana hiala ka tsy hihilangilana hatrany?
Malala-tanana i Jehovah, ka nanomana zavatra iray ho azontsika ampiasaina. Tsy inona izany fa ny Baiboly, Teniny Masina. Afaka mitoetra ho akaiky an’i Jehovah sy tsy ho voataona hiala aminy mihitsy isika, raha mamaky azy io isan’andro. Manampy antsika tsy hihilangilana ny toroheviny, ary mahatonga antsika hahatohitra ireo fakam-panahy avy amin’i Satana sy ny tontolony. Afaka ny ho elon’aina ara-panahy ho antsika ny fihazonantsika fandaharam-pamakiana Baiboly tsy tapaka, eny fa na dia rehefa tsy manaraka ny fandaharam-potoanantsika mahazatra aza isika.—Josoa 1:7, 8; Kolosiana 2:7.
Mampahatsiahy antsika ny mpanao salamo fa “sambatra ny olona” izay ‘ao amin’ny lalàn’i Jehovah no fahafinaretany; eny, ny lalàny no vakiny amin’ny feo iva andro aman’alina’. (Salamo 1:1, 2, NW ). Hitondra ‘fahasambarana’ ho antsika ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, satria mahatonga antsika ho tena velombelona sy hahazo tanjaka indray, ho vonona hanohy handeha amin’ny lalana kristianina efa narahintsika.
-
-
Tianao ve ny Hotsidihina?Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Aogositra
-
-
Tianao ve ny Hotsidihina?
Na dia eto amin’ity tontolo mikorontana ity aza, dia afaka mahita fahasambarana ianao avy amin’ny fahalalana marina ara-baiboly momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany mahatalanjona ho an’ny olombelona. Raha tianao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa, na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao ao an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 116, 105 Ivato, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-2.
-