Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ahoana no Hitoriako Amin’ny Mpiara-mianatra Amiko?
“Sendra olona fantatro aho teny am-pitoriana. Tena tsy nahetsika aho! Ilay niaraka tamiko no voatery niteny.”—Alberto.
“Fantatro fa nipetraka teo amin’ilay faritany ny mpiara-mianatra tamiko iray, ka ny zokiko lahy foana no nasaiko niteny. Sorena anefa izy nony kelikely, ka nasainy nataoko ny trano nanaraka. Nandondòna aho—kanjo, loza fa ilay ankizy indrindra no tao! Tena tora-kovitra aho!”—James.
MATETIKA no mihevitra ny tanora fa tsy fanao ny miresaka fivavahana. Eo anivon’ny Kristianina marina anefa, ny tanora dia mankasitraka ilay tombontsoa avy amin’Andriamanitra hiresaka momba ny finoany amin’ny hafa. Vavolombelon’i Jehovah tanora an’arivo no mandray anjara amin’ny fitoriana isan-trano. Matahotra ny hifanena amin’ny ankizy fantany any am-pianarana anefa ny sasany, rehefa manao izany. “Mbola matahotahotra ihany aho, rehefa mifanena amin’ny mpiara-mianatra tamiko taloha”, hoy i Jennifer, na dia efa taona maro lasa aza no nahavitany fianarana tany amin’ny lise.
Raha tanora kristianina ianao, dia mety hahatsapa toy izany koa indraindray. Matahotra ny holavina daholo isika rehetra, ary ara-dalàna raha manahy ianao rehefa hiresaka fivavahana amin’ny mpiara-mianatra aminao.a Tsy misy antony tokony hampivarahontsana anao anefa. Tadidinao ve ilay lehilahy ao amin’ny Baiboly atao hoe “Josefa avy any Arimatia”? Nino ny fampianaran’i Jesosy izy. Lazain’ny Baiboly anefa fa “mpianatr’i Jesosy izy, nefa tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy.” (Jaona 19:38) Inona no ho tsapanao, raha misy namanao iray mitady hanafina ao amin’ny mangingina ny maha mpinamana anareo? (Lioka 12:8, 9) Tsy mahagaga àry raha antenain’Andriamanitra amin’ny Kristianina rehetra ny hitoriany ampahibemaso momba ny finoany. (Matio 28:19; Romana 10:10) Anisan’ny olona tokony hitoriana koa ireo ankizy any am-pianaranao.
Naharesy ny tahony ihany i Josefa avy any Arimatia, ka sahy nangataka lalana handevina ny fatin’i Jesosy. Ahoana no handresenao ny tahotrao?
Miezaha mba hazoto hitory
Tena tsy menatra ny hizara ny finoany tamin’ny hafa tokoa ny apostoly Paoly. Nolazainy ao amin’ny Romana 1:15 fa nazoto nitory ny hafatra ao amin’ny Baiboly izy. Nahoana izy no nazoto toy izany? Hoy izy eo amin’ny andininy faha-16: “Tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.” Ary ianao? Efa tena namantatra ny fahamarinana ve ianao? (Romana 12:2) Tena miaiky ve ny tenanao fa “herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino” ny hafatra ao amin’ny Baiboly?
Tsy ampy ny manatrika fivoriana miaraka amin’ny ray aman-dreninao. “Mora ny mandeha mivory”, hoy ny tanora iray atao hoe Deborah, “satria asain’ny ray aman-dreninao mandeha ianao. Rehefa nisy nanontany zavatra momba ny Baiboly anefa, dia tsy haiko ny namaly azy.” Hoy ny tanora iray atao hoe Mi Young: “Tsy maintsy porofointsika amin’ny tenantsika fa ity no fahamarinana.”
Inona no hanosika anao hilaza amin’ny hafa ny fahalalana ao amin’ny Baiboly? Ny fianaranao samirery azy io. Hoy ny tanora iray atao hoe Sean: “Rehefa manomboka manao fianarana manokana ianao, dia manjary ny tenanao mihitsy no mandray ny fahamarinana. Mianatra ianao mba handraisan’ny tenanao soa.” Marina aloha fa tsy ny rehetra no mazoto mianatra. Hoy i Shevon, ohatra: “Tsy tia mamaky boky aho, ka sarotra tamiko tamin’ny voalohany ny namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, na ny namaky Baiboly isan’andro. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanjary nanao izany aho.”
Inona no vokany, rehefa mazoto mianatra toy izany? Hoy ny apostoly Paoly: “Ny finoana dia avy amin’ny tori-teny.” (Romana 10:17) Azo antoka fa hiova ny fihetsikao, arakaraka ny hitomboan’ny finoanao sy ny fatokisanao. Izao ny fanatsoahan-kevitry ny tanora brezilianina iray atao hoe Elisângela: “Voninahitra ny hoe Kristianina, fa tsy zavatra mahamenatra.” Eny tokoa, rehefa mitombo ny finoanao, dia ho voatosika hiresaka amin’ny hafa ianao, anisan’izany ireo mpiara-mianatra aminao. Hoy i Paoly: “Mino ... izahay ka miteny.” (2 Korintiana 4:13) Ankoatra izany, ho ‘afaka amin’ny ran’ny’ hafa ve ianao, raha tsy omenao fahalalana manome fiainana ireo tanora hitanao isan’andro?—Asan’ny Apostoly 20:26, 27.
Tsy mahatsiaro ho ampy fahaizana mba hiresaka momba ny Baiboly amin’ny hafa anefa ny tanora kristianina sasany. Hoy ny tanora iray atao hoe Joshua: “Tsy mahafinaritra ny mitory, raha tsy fantatrao akory izay holazaina.” Eto indray koa, dia hanampy anao hanazava tsara ny Baiboly ny fahazoana ny heviny lalina kokoa. (2 Timoty 2:15) Afaka manatona ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonany ny tanora Vavolombelon’i Jehovah, ka mangataka fanampiana mba hanatsarany ny fahaizany mampianatra. Hoy ny tanora alemà iray atao hoe Matthias: “Nanjary nahita tsirony tamin’ny fitoriana aho rehefa tena niresaka tamin’ny olona, fa tsy nanolotra boky na gazety fotsiny.”
Farany, dia afaka mivavaka ianao, mba hanampian’Andriamanitra anao hiteny amim-pahasahiana. (Asan’ny Apostoly 4:29) Nahatsapa ny fahamarinan’izany ny apostoly Paoly. Hoy izy, ao amin’ny 1 Tesaloniana 2:2: “Sahy tao amin’Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran’Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.” Hoy ny nandikan’ny boky iray an’ireo teny ireo: “Nesorin’Andriamanitra ny tahotra tao am-ponay.” Mivavaha àry, ka mangataha amin’Andriamanitra mba hanesorany ny tahotra ao am-ponao?
Ampahafantaro fa Kristianina ianao
Manaova dingana hentitra, mifanaraka amin’izany vavaka izany. Hoy ny tanora anglisy iray atao hoe Chic: “Lazao amin’ny mpiara-mianatra aminao hoe Kristianina ianao.” Tsy tianao ny ho ‘mpianatra ao amin’ny mangingina.’ Niaiky ny tanora iray atao hoe Rebecca fa taloha izy dia natahotra ny hifanena tamin’ny olom-pantany teny am-pitoriana. Hitany anefa avy eo fa “raha lazainao aminy hoe Kristianina ianao sady mitory isan-trano, dia izy indray no hanontany indraindray hoe: ‘Ka rahoviana ianao no ho any an-tranonay?’ ”
Aza miandry kisendrasendra anefa, fa mitadiava kosa fomba hiresahana momba ny finoanao, any am-pianarana. Tadidio ireo fanontaniana napetraky ny apostoly Paoly hoe: “Hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” (Romana 10:14) Ianao no tsara toerana indrindra mba hanampy ny mpiara-mianatra aminao handre. Hoy ny tanora iray atao hoe Iraida: “Faritany itoriana ny sekoly, ka isika mpianatra ihany no afaka mitory any.” Tanora maro àry no manararaotra izany, ka mitady fomba hitoriana.
Indraindray anefa dia afaka miresaka momba ny Baiboly ianao, rehefa asaina manao famelabelarana ao an-dakilasy. Hoy ny tanora anglisy iray atao hoe Jaimie: “Niresaka momba ny evolisiona izahay tao am-pianarana, ka nilaza ny zavatra inoako aho. Nisy ankizilahy iray naneso ahy, ary nilaza fa olona kely saina ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy mendrika ny ho ao amin’ny sekoly. Niaro ahy avy hatrany anefa ny iray kilasy.” Nitondra vokany tsara àry ny fahafantarana azy ho Kristianina fakan-tahaka. Hoy ihany i Jaimie: “Vokatr’izany, dia nahapetraka iray tamin’ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? [frantsay] aho.”b
Hoy koa ny notantarain’ny tanora iray 14 taona, atao hoe Roxana, avy any Romania: “Nilaza ilay mpampianatra fa hiresaka momba ny alkaola sy ny sigara ary ny zava-mahadomelina izahay ao an-dakilasy. Nentiko tany àry ilay Mifohaza! tamin’ny 8 Aprily 2000 nisy ilay lahatsoratra hoe ‘Fomba Ahafahana Amin’ny Sigara.’ Hitan’ny ankizy iray ilay gazety, ka nalainy, ary tsy naveriny intsony. Rehefa avy namaky azy izy, dia nilaza fa tapa-kevitra ny hiala amin’ny sigara.”
Mety tsy ho tsara toy izany foana ny vokatra ho azonao. Mampirisika antsika anefa ny Mpitoriteny 11:6 hoe: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona.” Mety tsy hisy vokany tsara ny firesahanao momba ny finoanao any am-pianarana. Hahafinaritra kokoa anefa ny resaka hataonao, raha sendra mpiara-mianatra aminao ianao avy eo eny am-pitoriana. Hoy ny tanora brezilianina iray atao hoe Jessica: “Mora kokoa aza ny mitory amin’ny ankizy fantatrao, satria efa nifandray taminy ianao.” Angamba ho gaga ianao hahita fa mety ho be fanontaniana momba ny finoanao ny mpiara-mianatra aminao.
Marina fa tsy ny rehetra no handray anao tsara. Nanome izao torohevitra izao anefa i Jesosy: “Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano ... izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.” (Matio 10:14) Ny hevitr’izany dia hoe: Aza raisina ho fandavana anao ny fandavana ilay hafatra entinao. Mialà moramora fotsiny, ary mitadiava olon-kafa vonon-kihaino. Na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hahita olona tso-po mangetaheta ny fahamarinana sy vonon-kihaino ianao. Ary tsy tena hahafinaritra ve, raha ankizy miara-mianatra aminao ny iray aminy? Raha izany no izy, dia ho faly ianao, satria naharesy ny tahotrao hiresaka momba ny finoanao amin’ny mpiara-mianatra aminao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana Raha Hitan’ny Mpiara-mianatra Amiko Aho?”, tao amin’ny Mifohaza! 1 Martsa 2002.
b Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 18]
“Rehefa manomboka mianatra samirery ny Baiboly ianao, dia manjary ny tenanao mihitsy no mandray ny fahamarinana.”—Sean.
[Sary, pejy 16]
Aza matahotra hilaza hoe Kristianina ianao
[Sary, pejy 16]
Afaka miresaka momba ny Baiboly ianao, rehefa asaina manao famelabelarana ao an-dakilasy