Vonona Hiatrika Loza ve Ianao?
1. Nahoana no tsara ny miomana mba hiatrika loza?
1 Isan-taona, dia misy horohoron-tany, tsunami, oram-be mivatravatra, rivo-doza, tafio-drivotra, ary tondra-drano eran-tany. Olona an-tapitrisany no tratran’izy ireny, anisan’izany ny rahalahy sy anabavintsika maro. Tsara ny miomana mba hiatrika loza toy izany, satria mamely tampoka izy ireny sady mety hahavoa antsika rehetra.—Ohab. 21:5.
2. Nahoana no tokony homentsika ny anti-panahy ny adiresy sy nomeraon-telefaonintsika, isaky ny miova?
2 Alohan’ny hitrangan’ny loza: Mampitandrina mialoha ny manam-pahefana indraindray hoe misy loza mananontanona. Tena ilaina ny mihaino an’ireny fampitandremana ireny. (Ohab. 22:3) Hiezaka hiresaka amin’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy, mba hanampiana azy ireo hiomana hiatrika an’ilay loza. Hanao toy izany koa izy ireo rehefa lasa ilay loza. Hofantariny raha tsy nisy naninona ny rehetra, ary hojereny izay fanampiana mety hilaina. Tokony ho fantatry ny mpiandraikitra fianarana boky sy ny mpitan-tsoratra àry ny adiresy sy nomeraon-telefaonin’ny mpitory tsirairay. Tokony homena azy ireo koa izany isaky ny miova. Tsy ho lany fotoana hitadiavana an’ilay mpitory amin’izay ny anti-panahy.
3. Raha matetika tratran’ny loza ny faritra misy ny fiangonana, inona no ilaintsika hatao rehefa manao fandaharana hiatrehana izany ny anti-panahy?
3 Ahoana raha matetika tratran’ny rivo-doza na loza hafa toy izany ny faritra misy ny fiangonana? Azon’ny anti-panahy angatahina mialoha amin’ny mpitory, ny anarana sy nomeraon-telefaonina ary adiresin’ny havany na namany tsy mipetraka eo amin’ilay faritra. Mety hifindra any mantsy ny mpitory raha sendra misy loza mitranga, ka ho mora amin’ny anti-panahy ny hahita azy. Azon’ny anti-panahy atao koa ny mijery mialoha izay tokony hataon’ny fiangonana. Afaka manao lisitra tsotra, ohatra, izy ireo, ka soratany ao ny zavatra tokony hananan’ny olona tsirairay mba hiatrehana loza. Halaminy mialoha koa ny fomba hialana eo amin’ilay faritra, ary hojereny ny fomba hanampiana ny be taona na ny osa. Tena ilaintsika ny mankatò ny anti-panahy, rehefa manao fandaharana feno fitiavana toy izany izy ireo.—Heb. 13:17.
4. Inona no tokony hataontsika raha misy loza mitranga eo amin’ny faritra misy antsika?
4 Aorian’ny loza: Inona no tokony hataonao raha misy loza mitranga ao amin’ny faritra misy anao? Ataovy izay hananan’ny fianakavianao ny zavatra tena ilaina. Ampio ny olon-kafa tratran’ilay loza, rehefa afaka manao izany ianao. Ataovy izay hifandraisana haingana amin’ny mpiandraikitra fianarana boky na anti-panahy hafa. Tokony hanao izany ianao na dia tsy atahorana intsony aza ny ainao, ary tsy mila fanampiana ianao. Raha mila fanampiana kosa ianao, dia matokia fa efa miezaka mafy manampy anao ireo rahalahinao. (1 Kor. 13:4, 7) Tadidio fa mahita ny manjo anao i Jehovah. Matokia azy, fa hanampy anao izy. (Sal. 37:39; 62:8) Ampaherezo sy ampionòny ny olon-kafa, rehefa hitanao fa mila izany. (2 Kor. 1:3, 4) Mandehana mivory sy mitory avy hatrany, raha vao afaka ianao.—Matio 6:33.
5. Nahoana isika Kristianina no afaka miatrika ny hoavy amin-toky?
5 Mitaintaina mafy izao tontolo izao sao ho tratran’ny loza. Isika kosa anefa afaka miatrika ny hoavy amin-toky. Tsy ho ela mantsy dia tsy hisy intsony ny loza rehetra. (Apok. 21:4) Mandra-pahatongan’izany, dia mandray fepetra isika mba hiatrehana ny fotoan-tsarotra, sady mazoto hatrany mitory ny vaovao tsara.