FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/07 p. 1
  • Manampy Anao Hahomby ny Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy Anao Hahomby ny Fitiavana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Dikan’ny hoe Tia Namana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tahafo i Jesosy ka Manehoa Fitiavana Rehefa Mampianatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Tiavo Ilay Andriamanitra Tia Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • ‘Tia Amin’ny Atao sy ny Fahamarinana’ ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 1/07 p. 1

Manampy Anao Hahomby ny Fitiavana

1 “Mankanesa atỳ amiko ianareo ... fa hamelombelona anareo aho.” (Matio 11:28) Hita amin’ireo teny mamy ireo fa tena tia olona i Jesosy. Manjaka ankehitriny ny fankahalana, ka ketraka ny olona. Irintsika Kristianina àry ny hanahaka an’i Jesosy, ka haneho fitiavana azy ireny. Ahoana no hanaovantsika izany rehefa mitory ny vaovao tsara?

2 Amin’ny teny: Tia olona i Jesosy, ka nanararaotra ny fotoana rehetra mba hitoriana ny vaovao tsara. (Jaona 4:7-14) Ho sahy hitory tsy ara-potoana koa isika raha manana fitiavana. Nisy ankizivavy enin-taona nitory tamin’ny vehivavy iray nipetraka teo akaikiny, tamin’izy ireo niandry dokotera. Inona no nahatonga azy hanao izany? Hoy izy: “Hitako hoe mila mahafantatra an’i Jehovah ilay ramatoa.”

3 Ho hitan’ny olona fa miahy azy isika, raha mitsikitsiky tsara sy miresaka aminy amim-pahalemem-panahy. Maneho fitiavana azy ireny isika, raha mihaino tsara izay lazainy sy miezaka mahatakatra izay mampanahy azy, ary miahy azy amin’ny fomba hafa. (Ohab. 15:23) Tokony hanasongadina ny hafatra mampahery momba ilay Fanjakana isika, ary hanantitrantitra fa tia sy mangoraka ny olona i Jehovah. Manahaka an’i Jesosy isika raha manao izany.—Matio 24:14; Lioka 4:18.

4 Amin’ny atao: Nanao zavatra avy hatrany i Jesosy rehefa nahita olona nila fanampiana. (Matio 15:32) Mety ho afaka haneho fitiavana sy hatsaram-panahy koa isika, rehefa eny amin’ny fanompoana. Tsy azon’ny vehivavy iray, ohatra, ny tenin’ny olona niresaka taminy tao amin’ny telefaonina, nefa tena zava-dehibe ilay antso. Nanolo-tena handika ny tenin’ilay olona ny anabavy iray, rehefa nahita izany. Afaka nitory tamin’ilay vehivavy izy noho izany asa feno fitiavana izany, ka nanaiky hianatra Baiboly izy io. Rehefa nanao fiverenana mitsidika kosa ny rahalahy iray, dia hitany fa sahirana nampiditra sezalava teo am-baravarana ilay olona hotsidihiny. Nanampy azy ilay rahalahy ary nankasitrahan’ilay olona izany. Nipetraka teo amin’ilay seza ilay rahalahy tsy ela taorian’izay, ary nanomboka fampianarana Baiboly.

5 Maneho fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika rehefa mitory. (Matio 22:36-40) Raha mampiseho izany amin’ny teny sy ny atao isika, dia hiaiky ny olona tso-po fa manana ny fahamarinana isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara