-
Nahoana Isika no Tokony Hatao Batisa?Ny Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Aprily
-
-
midika hoe fanokanana ho amin-java-kendrena masina. Tena lehibe io dingana io, hany ka tokony holazaintsika amin’i Jehovah amim-bavaka fa tapa-kevitra ny hifikitra aminy irery ihany isika mandrakizay. (Deoteronomia 5:9) Mazava ho azy fa manolo-tena ho an’Andriamanitra isika fa tsy ho an’ny asa na olona akory.
15. Nahoana no aroboka anaty rano ireo mpilatsaka hatao batisa?
15 Asehontsika fa tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra hita ao amin’ny Soratra Masina isika, rehefa manolo-tena ho azy amin’ny alalan’i Kristy. Aroboka anaty rano ireo mpilatsaka hatao batisa mba hampisehoana izany fanoloran-tenany izany, toa an’i Jesosy natao batisa tao amin’ny Ony Jordana, mba hampisehoana fa niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy. (Matio 3:13) Tsara homarihina fa nivavaka i Jesosy tamin’io fotoan-dehibe io.—Lioka 3:21, 22.
16. Inona no fomba mety anehoantsika ny fifaliantsika rehefa misy olona atao batisa?
16 Fotoan-dehibe nefa nahafaly ny batisan’i Jesosy, ary toy izany koa ny batisa kristianina ankehitriny. Azontsika atao ny mitehaka amim-panajana sy miarahaba amim-pitiavana ny olona mampiseho ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. Tsy mikiakiaka na misioka na manao zavatra hafa toy izany anefa isika, satria manaja ny fahamasinan’io fanehoam-pinoana io. Asehontsika amin’ny fomba mihaja kosa ny fifaliantsika.
17, 18. Ahoana no amaritana raha mahafeno fepetra ho amin’ny batisa ny olona iray?
17 Tsy manery na iza na iza mba hatao batisa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao batisa zazakely izy ireo ary tsy manery ny olona tsy mahalala ny Baiboly mba hatao batisa tambabe. Tsy manao batisa ny olona tsy mahafeno fepetra ara-baiboly izy ireo, raha ny marina. Na dia alohan’ny hahatongavan’ny olona iray ho mpitory tsy vita batisa aza, dia dinihin’ny anti-panahy kristianina tsara raha takany ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Jeren’izy ireo tsara koa raha mampihatra izany tokoa ilay olona ary manaiky rehefa anontaniana hoe: “Maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah tokoa ve ianao?”
18 Amin’ny ankapobeny, rehefa mandray anjara tsara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy milaza fa maniry hatao batisa ny olona iray, dia miara-midinika aminy ny anti-panahy. Fantarin’izy ireo tsara tokoa raha efa nanolo-tena ho an’i Jehovah ilay mpino ary mahafeno ny fepetra takin’Andriamanitra ho amin’ny batisa. (Asan’ny Apostoly 4:4; 18:8) Misy fanontaniana 100 mahery mahakasika ny fampianarana ao amin’ny Baiboly apetraka amin’ilay olona. Izany no manampy ny anti-panahy hahita raha mahafeno ny fepetra takin’ny Baiboly ho amin’ny batisa izy. Misy olona tsy ekena hatao batisa satria tsy mahafeno fepetra.
Inona no misakana anao?
19. Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy, araka ny Jaona 6:44?
19 Maro amin’ireo olona terena hatao batisa tambabe angamba no nilazana fa ho any an-danitra izy ireo rehefa maty. Izao anefa no nolazain’i Jesosy momba ireo mpanara-dia azy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:44) Nitaona olona 144 000 hanaraka an’i Kristy i Jehovah, mba hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Tsy nanamasina olona ho amin’izany toerana be voninahitra nomanin’Andriamanitra izany mihitsy ny batisa an-tery.—Romana 8:14-17; 2 Tesaloniana 2:13; Apokalypsy 14:1.
20. Inona no mety hanampy ny sasany izay mbola tsy vita batisa?
20 Olona maro be manantena ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” sy hiaina mandrakizay eto an-tany no manampy isa ny ‘ondry hafan’i Jesosy’, indrindra fa nanomboka teo antenatenan’ireo taona 1930. (Apokalypsy 7:9, 14; Jaona 10:16) Mahafeno fepetra ho amin’ny batisa izy ireo satria nampifanaraka ny fiainany tamin’ny Tenin’Andriamanitra sy tia azy ‘amin’ny fony, fanahiny sy heriny ary sainy rehetra.’ (Lioka 10:25-28) Misy olona manaiky fa ‘mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’ ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy nanahaka an’i Jesosy anefa izy ireo ary mbola tsy nampiseho ampahibemaso fa tena tia sy mifikitra amin’i Jehovah irery ihany, satria mbola tsy natao batisa. (Jaona 4:23, 24; Deoteronomia 4:24; Marka 1:9-11) Vavaka amim-pahatsorana sy voafaritra tsara angamba no mety hilaina mba handrisika sy hampahery azy ireny hanaraka tanteraka ny Tenin’Andriamanitra, sy hanolo-tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra ary hatao batisa.
21, 22. Nahoana ny sasany no miahotra ny hanolo-tena sy hatao batisa?
21 Misy miahotra hanolo-tena sy hatao batisa satria revo tanteraka amin’ny raharahan’ity tontolo ity na amin’ny fikatsahana harena, hany ka tsy manam-potoana firy hanaovana zavatra ara-panahy. (Matio 13:22; 1 Jaona 2:15-17) Ho sambatra erỳ anefa izy ireny raha manova ny fomba fijeriny sy ny tanjony! Hanankarena ara-panahy izy raha manatona an’i Jehovah. Tsy hanahy firy koa izy fa hilamin-tsaina sy ho afa-po satria manao ny sitrapon’Andriamanitra.—Salamo 16:11; 40:8; Ohabolana 10:22; Filipiana 4:6, 7.
22 Ny hafa milaza fa tia an’i Jehovah nefa tsy manolo-tena sy atao batisa satria mihevitra fa tsy ampamoahina izy amin’izay. Tsy maintsy ampamoahin’Andriamanitra anefa isika tsirairay. Mahazo andraikitra isika raha vao mahare ny tenin’i Jehovah. (Ezekiela 33:7-9; Romana 14:12) Teraka tao anatin’ny firenena nanolo-tena ho an’i Jehovah ny Isiraelita fahiny, satria ‘vahoaka voafidy.’ Adidin’izy ireo àry ny nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika tamin’ireo fitsipiny. (Deoteronomia 7:6, 11) Tsy misy olona tonga dia mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena raha vao teraka ankehitriny. Kanefa mila mampihatra ny fahamarinana ara-baiboly nampianarina antsika isika, sady hanao izany amim-pinoana.
23, 24. Inona avy ireo fanahiana tsy tokony hampiahotra ny olona tsy hatao batisa?
23 Mety hisy koa hiahotra ny hatao batisa satria manahy hoe tsy ampy fahalalana. Be dia be anefa ny zavatra tsy maintsy mbola ianarantsika rehetra, satria ‘tsy ho hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.’ (Mpitoriteny 3:11) Jereo, ohatra, ilay tandapa etiopianina. Nahalala ny Soratra Masina ihany izy satria proselyta, kanefa nisy zavatra tsy fantany momba ny fikasan’Andriamanitra. Tsy nisalasala ny hatao batisa anefa izy, rehefa avy nianatra ny fandaharam-pamonjena nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 8:26-38.
24 Misy koa miahotra ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra satria matahotra sao tsy ho afaka ny hiaina mifanaraka amin’izy io. Hoy i Monique, 17 taona: “Niahotra ny hatao batisa aho satria natahotra sao tsy ho vitako akory ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenako.” ‘Handamina ny lalantsika’ anefa i Jehovah raha matoky azy amin’ny fontsika rehetra isika. Hanampy antsika mpanompony mahatoky vita fanoloran-tena izy mba ‘handeha araka ny fahamarinana.’—Ohabolana 3:5, 6; 3 Jaona 4.
25. Inona avy izao ireo fanontaniana mendrika ny hodinihina?
25 Olona an’arivo isan-taona no voatosika hanolo-tena sy hatao batisa satria matoky tanteraka an’i Jehovah sy tena tia azy. Azo antoka koa fa tsy misy maniry hivadika amin’Andriamanitra ireo mpanompony vita fanoloran-tena. Miaina amin’ny fotoan-tsarotra anefa isika ka miatrika fitsapam-pinoana samihafa. (2 Timoty 3:1-5) Inona no azontsika atao mba hiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
-
-
Manompoa Hatrany An’i Jehovah Amin’ny Fo Tsy MiovaovaNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Aprily
-
-
Manompoa Hatrany An’i Jehovah Amin’ny Fo Tsy Miovaova
“Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko.”—SALAMO 57:7.
1. Nahoana isika no afaka miaiky sahala amin’i Davida?
AFAKA manampy antsika mpanompony vita fanoloran-tena i Jehovah, mba hiorina mafy ao amin’ny finoana sy hifikitra amin’ny Kristianisma marina. (Romana 14:4) Miaiky sahala amin’i Davida mpanao salamo, izay voatosika hihira toy izao, àry isika: “Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko.” (Salamo 108:1) Ho voatosika hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra isika raha tafatoetra ny fontsika, izany hoe tsy miovaova. Ho tapa-kevitra mafy ny tsy hivadika isika raha mitady ny tari-dalan’Andriamanitra sy ny heriny. Tsy hiala amin’ny zavatra inoantsika koa isika amin’izay ka ‘hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.’—1 Korintiana 15:58.
2, 3. Inona no hevitry ny fananaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 16:13?
2 Azo antoka fa mihatra amin’ny Kristianina ankehitriny koa, ny fampirisihan’ny apostoly Paoly ny mpanara-dia an’i Jesosy tany Korinto fahiny. Hoy izy: “Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.” (1 Korintiana 16:13) Mampirisika ny hanaovan-javatra mitohy ireo didy ireo satria matoanteny samy milaza ny ankehitriny, amin’ny teny grika. Inona no hevitr’io fananarana io?
3 ‘Miambina’ amin’ny lafiny ara-panahy isika rehefa manohitra ny Devoly sy mitoetra ho akaiky an’Andriamanitra. (Jakoba 4:7, 8) Afaka ny ho tafaray hatrany sy ‘hitoetra tsara amin’ny finoana kristianina’ isika rehefa matoky an’i Jehovah. ‘Mitomban-dahy’ isika, anisan’izany ireo vehivavy maro be eo anivontsika, rehefa manompo an’Andriamanitra amin-kerim-po ka mitory ilay Fanjakana. (Salamo 68:11) Ary ‘mahery’ isika rehefa miantehitra hatrany amin’ilay Raintsika any an-danitra mba hahazoana hery hanaovana ny sitrapony.—Filipiana 4:13.
-