‘Aza Matahotra Mitory ny Tenin’Andriamanitra’
1 Misalasala hiresaka momba ny finoanao ve ianao indraindray, any am-pianarana na any am-piasana? Sarotra aminao ve ny mitory amin’ny havanao na ny mpiara-monina aminao, na angamba olon-kafa tsy fantatrao? Inona no hanampy antsika rehetra ‘tsy hatahotra hitory ny tenin’Andriamanitra’, rehefa afaka manao izany isika?—Fil. 1:14.
2 Aza misalasala: Hisalasala hiaro ny namanao akaiky na ny havanao ve ianao, raha nisy nanendrikendrika azy? Tena noharatsina nandritra ny taonjato maro koa i Jehovah, ilay Namantsika akaiky indrindra. Manana tombontsoa miavaka isika, satria afaka mijoro ho vavolombelona hiaro an’ilay Andriamanitsika lehibe! (Isaia 43:10-12) Tsy hatahotra isika na hieritreritra be loatra momba ny tenantsika, raha tena tia an’i Jehovah. Izany koa no hanampy antsika ho sahy hitory ny fahamarinana.—Asa. 4:26, 29, 31.
3 Tadidio fa vaovao tsara no torintsika. Handray soa maharitra ny olona raha mankatò azy io. Ho sahy hitory isika, raha mifantoka amin’ny vokatra tsara hoentin’izany, fa tsy mieritreritra be loatra momba ny tenantsika na ny mpanohitra.
4 Modely omen’ny hafa: Afaka mampahery antsika ny fandinihana ny tantaran’ny olona nahatoky, izay tsy natahotra nitory ny tenin’Andriamanitra. Sahy nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny mpanota, ohatra, i Enoka. (Joda 14, 15) Nitory foana koa i Noa, na dia tsy niraika aza ny olona. (Matio 24:37-39) Ankoatra izany, dia nanohy nitory ireo Kristianina izay ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’, na dia teo aza ny fanenjehana mafy tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 4:13, 18-20) Matetika Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no ahitana tantaram-piainan’ireo Kristianina izay naneho finoana an’i Jehovah, ka nandresy ny tahotra olona ary lasa nazoto nitory.
5 Hahazo fampaherezana isika, raha mandinika ny fiainan’ny mpanompon’i Jehovah nahatoky fahiny, izay niatrika zava-tsarotra. (1 Mpanj. 19:2, 3; Marka 14:66-71) “Nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika” izy ireo, ka tsy natahotra nitory. Afaka ny ho toa azy ireo koa isika!—1 Tes. 2:2.