FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • od toko 11 p. 116-122
  • Fandaharana Momba ny Toeram-pivavahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharana Momba ny Toeram-pivavahana
  • Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • EFITRANO FANJAKANA
  • FANORENANA EFITRANO FANJAKANA
  • EFITRANO FIVORIAMBE
  • Hajao ny Trano Fivavahantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Aoka Isika Hanao ny Anjarantsika mba Hananana Trano Fivavahana Mahafinaritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Aoka Isika Hikojakoja Tsara Hatrany ny Toeram-pivavahantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Manaja ny Toerana Fanaovanao Fanompoam-pivavahana ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
od toko 11 p. 116-122

TOKO 11

Fandaharana Momba ny Toeram-pivavahana

ASAIN’I Jehovah miara-mivory ny mpanompony mba hifampahery sy hihaino ny toromarika omeny. (Heb. 10:23-25) Ny “tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana”, no toeram-pivavahana voalohany nampiasain’ny Israelita, ilay vahoaka nofidin’Andriamanitra. (Eks. 39:32, 40) Nanorina tempoly i Solomona zanak’i Davida, tatỳ aoriana, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. (1 Mpanj. 9:3) Rava tamin’ny 607 T.K. ilay tempoly, ka nivory tamin’ny trano nantsoina hoe synagoga ny Jiosy rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra. Naverina naorina ilay tempoly, rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa natao foiben’ny fivavahana marina indray. Nampianatra tany amin’ny synagoga sy tany amin’ny tempoly i Jesosy. (Lioka 4:16; Jaona 18:20) Nandamina fivoriana teo an-tendrombohitra mihitsy aza izy.​—Mat. 5:1–7:29.

2 Nivory tany amin’ny toerana fampiasan’ny besinimaro ny Kristianina, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. (Asa. 19:8, 9) Nivory tany an-tranon’olona koa izy ireo mba hianatra ny Soratra Masina sy hifampahery tamin’ny mpiray finoana taminy. (Rom. 16:3, 5; Kol. 4:15; Filem. 2) Voatery nivory tany amin’ny toerana mitokana ny Kristianina voalohany indraindray, mba tsy ho hitan’ny mpanenjika. Hita amin’izany fa tena tia niara-nivory tany amin’ny toeram-pivavahana ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika fahiny, satria te “hampianarin’i Jehovah.”​—Isaia 54:13.

3 Mivory any an-tranon’olona sy any amin’ny toerana fampiasan’ny besinimaro koa ny Kristianina ankehitriny. Matetika no atao any an-tranon’olona ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Heverin’ireo mpampiantrano ho tombontsoa izany. Maro no nilaza fa nandray soa rehefa nanome ny tranony hanaovana an’izany.

EFITRANO FANJAKANA

4 Ny Efitrano Fanjakana no toerana tena fampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivory. Tany matetika no vidina mba hanorenana Efitrano Fanjakana, na izay trano efa eo no havaozina. Efitrano Fanjakana iray indraindray no ampiasain’ny fiangonana maromaro. Mitsitsy vola kokoa izany sady hiasa tsara ilay Efitrano Fanjakana. Mila manofa trano kosa ny fiangonana any amin’ny faritra sasany. Tokanana ny Efitrano Fanjakana raha vao naorina ilay izy, na nasiana fanavaozana lehibe. Tsy ilaina kosa izany fandaharana izany, raha fanamboarana kely fotsiny no natao tamin’ilay efitrano.

5 Tsy tokony ho trano niangaliana be sy natao hampiaiky volana olona ny Efitrano Fanjakana. Mety ho samy hafa ny endrik’izy ireny, arakaraka ny toerana misy azy. Ny antony ampiasana azy anefa no tena zava-dehibe. (Asa. 17:24) Tokony ho mendrika sy hety tsara hanaovana fivoriana kristianina izy ireny, ary hifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana.

6 Ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manome vola, mba hahafahana mampiasa sy mikojakoja ny Efitrano Fanjakana ivoriany. Tsy misy fanantazan-drakitra na fangataham-bola amin’izany. Misy boaty ho an’ny fanomezana ao amin’ny efitrano, ka afaka mandrotsaka vola ao ireo manatrika fivoriana mba hisahanana an’izay lany amin’ny fampiasana an’ilay efitrano. Tsy terena hanao an’izany anefa izy ireo, fa manome an-tsitrapo.​—2 Kor. 9:7.

7 Tombontsoa lehibe ho an’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana ny manome vola hikarakarana ny Efitrano Fanjakana. Faly koa izy ireo manolo-tena an-tsitrapo mba hanadio sy hikojakoja azy io. Anti-panahy na mpikarakara fiangonana no tendrena handamina an’izany. Matetika no asesy isaky ny andia-mpitory ny fanadiovana, ka ny mpiandraikitra an’ilay andia-mpitory na ny mpanampy azy no mitarika izany. Tsy tokony hanala baraka an’i Jehovah sy ny fandaminany ny Efitrano Fanjakana, na ny ao anatiny izany na ny eo ivelany.

Tombontsoa lehibe ho an’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana ny manome vola hikarakarana ny Efitrano Fanjakana. Faly koa izy ireo manolo-tena an-tsitrapo mba hanadio sy hikojakoja azy io

8 Hanangana Komity Mikarakara ny Efitrano Fanjakana ny anti-panahy, raha fiangonana mihoatra ny iray no mivory ao amin’ilay efitrano. Io komity io no miandraikitra ny fikarakarana an’ilay trano sy ny manodidina azy. Hanendry rahalahy iray hatao mpandrindra an’ilay komity ny anti-panahin’ireo fiangonana. Tokony hifanaraka amin’ny hevitry ny anti-panahy rehetra foana ny fanapahan-kevitra sy ny zavatra ataon’io komity io. Hanara-maso ny fanadiovana an’ilay efitrano izy io, ary hijery raha ampy ny fitaovana ilaina amin’izany. Hojereny koa raha voakojakoja tsara ilay efitrano. Mila miara-miasa tsara àry ny fiangonana rehetra mampiasa an’ilay efitrano.

9 Mety hiova isan-taona ny ora fivorian’ny fiangonana, raha fiangonana maromaro no mampiasa Efitrano Fanjakana iray. Hihevitra izay hahasoa ny hafa ny anti-panahy rehefa mandamina an’izany ora izany, fa tsy ho tia tena. (Fil. 2:2-4; 1 Pet. 3:8) Tsy tokony hisy fiangonana handray fanapahan-kevitra ho an’ny fiangonana hafa. Tokony hanova ny ora fivoriany ny fiangonana hafa, rehefa misy fiangonana tsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra ao amin’ilay Efitrano Fanjakana.

10 Azo ampiasaina hanaovana lahatenim-panambadiana sy lahatenim-pandevenana ny Efitrano Fanjakana, raha manaiky izany ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana. Dinihin’io komity io tsara aloha ilay fangatahana. Avy eo dia jereny ny toromariky ny biraon’ny sampana momba an’ilay izy, ary ampifanarahiny amin’izany ny fanapahan-keviny.

11 Tsy tokony hanao zavatra tsy mety amin’ny tena Kristianina ireo nomena alalana hampiasa an’ilay Efitrano Fanjakana. Tokony hitandrina izy ireo mba tsy hanao zavatra manafintohina ny rahalahy sy anabavy, na hanala baraka an’i Jehovah sy ny fiangonana. (Fil. 2:14, 15) Mety ho azo ampiasaina hanaovana fandaharana ara-panahy hafa koa ny Efitrano Fanjakana, arakaraka ny toromarika omen’ny biraon’ny sampana. Anisan’izany ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana sy ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana.

12 Mila manaja ny toeram-pivoriany foana ny fiangonana. Tokony ho hita amin’ny fitafiana sy taovolo ary ny fihetsitsika hoe hajaintsika ilay toerana ampiasaintsika hivavahana amin’i Jehovah. (Mpito. 5:1; 1 Tim. 2:9, 10) Mankasitraka ny fivoriana kristianina isika, raha mampihatra an’izany torohevitra izany.

13 Tokony hiezaka isika mba hanao izay hisian’ny filaminana rehefa ao am-pivoriana. Tsara raha miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Tsy tokony hipetraka any anatiny loatra ny ray aman-dreny mitaiza kely. Tsy hanelingelina be izy ireo amin’izay, raha tsy maintsy mivoaka mba hanitsy ny zanany na hikarakara izay ilainy.

14 Tendrena hikarakara ny mpanatrika izay rahalahy mahafeno fepetra hanao izany. Tokony ho mailamailaka izy ireo, ho sariaka, ary hahay handanjalanja. Andraikitr’izy ireo ny mandray an’ireo vaovao sy manampy azy ireny tsy ho sadaikatra, manome toerana ho an’ny tara, mandray an-tsoratra ny isan’ny mpanatrika, ary manao zavatra raha mafana loatra na mangatsiaka loatra ao amin’ilay efitrano. Raha ilaina, dia tokony hampahatsiahivin’ny mpikarakara ny mpanatrika ny ray aman-dreny mba hanara-maso tsara ny zanany. Amin’izay ny ankizy tsy hihazakazaka eran’ilay efitrano na ny manodidina azy io, aloha sy aorian’ny fivoriana, sady tsy hilalao eny ambony lampihazo. Ahoana raha misy zaza maditra? Mety hiangavy ny ray aman-drenin’ilay zaza ny mpikarakara ny mpanatrika mba hitondra azy io hivoaka, amin’izay tsy ho voahelingelina ny mpanatrika. Tokony ho tsara fanahy sy hahay handanjalanja anefa izy ireo rehefa manao an’izany. Anisan’ny tena manampy ny olona handray soa amin’ny fivoriana ny asan’ny mpikarakara ny mpanatrika. Tsara kokoa ny mpikarakara ny mpanatrika raha anti-panahy sy mpikarakara fiangonana.

FANORENANA EFITRANO FANJAKANA

15 Nanan-karena ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka hoy ny apostoly Paoly: “Tiako ... raha mba misy fitoviana eo aminareo ka hameno izay tsy ampy eo amin’izy ireo ny ambim-bavanareo. Amin’izay dia mba hameno ny tsy ampy eo aminareo koa ny ambim-bavan’izy ireo ka hisy fitoviana.” (2 Kor. 8:14) Ataontsika koa izay hisian’ny “fitoviana” toy izany ankehitriny. Atambatra ny vola omen’ny fiangonana rehetra eran-tany, mba hahafahana manorina sy manavao Efitrano Fanjakana. Tena malala-tanana ny rahalahy sy anabavy maneran-tany, ka tena mankasitraka izany ny fandaminana. Faly koa ireo fiangonana mandray soa amin’ireny fanomezana ireny.

16 Ny biraon’ny sampana no manendry izay efitrano hivorian’ny fiangonana tsirairay, arakaraka ny toerana misy an’ilay efitrano sy ny misy an’ireo mpitory. Ny biraon’ny sampana koa no mamaritra ny daty sy ny toerana hanorenana na hanavaozana Efitrano Fanjakana, ao amin’ny tany iandraiketany. Misy fandaharana atao rehefa misy loza, mba hanamboarana an’izay simba amin’ny Efitrano Fanjakana. Mety hamboarina koa ny tranon’ireo rahalahy.

17 Maka mpiasa an-tsitrapo ny biraon’ny sampana mba hanampy hividy tany, hanao planina ny efitrano, haka ny fahazoan-dalana hanorina, hanao ny fanorenana, ary hikojakoja an’ilay efitrano. Tena ilaina ny Efitrano Fanjakana any amin’ny tany maro, ka mitady mpiasa an-tsitrapo be dia be ny fandaminana. Afaka mameno fangatahana ny mpitory vita batisa rehetra raha mahafeno fepetra sy te hanampy amin’io karazana fanompoana io. Omeny ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana ilay fangatahana avy eo. Mahazo manampy koa na dia ny mpitory tsy vita batisa aza, rehefa aorina na havaozina ny Efitrano Fanjakana any amin’izy ireo.

EFITRANO FIVORIAMBE

18 Kristianina vitsivitsy matetika no niara-nivory, tamin’ny taonjato voalohany. “Olona maro be” anefa no niara-nivory indraindray. (Asa. 11:26) Maro be koa ankehitriny ny mpanompon’i Jehovah miara-mivory rehefa fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra. Manofa trano izy ireo matetika mba hanaovana an’izany. Rehefa tsy misy anefa ny toerana mety sy azo hofana, dia mety hilaina ny Efitrano Fivoriambe.

19 Trano indraindray no vidina sy havaozina mba hatao Efitrano Fivoriambe. Tany anefa matetika no vidina mba hanorenana efitrano vaovao. Tsy mitovy ny haben’ny Efitrano Fivoriambe, fa arakaraka izay ilaina eo an-toerana. Ny biraon’ny sampana no manapa-kevitra raha trano no hovidina hatao Efitrano Fivoriambe na vao hanorina. Dinihin’izy ireo tsara anefa aloha hoe ohatrinona ny vola ho lany ary impiry isan-taona no hampiasaina ilay efitrano.

20 Ny biraon’ny sampana no manendry an’ireo rahalahy hikarakara sy hikojakoja ny Efitrano Fivoriambe. Misy fandaharana atao mba hanadiovana sy hikojakojana azy io. Ankoatra ny fanadiovana mahazatra dia misy koa ny fanadiovana atao isaky ny enim-bolana ary ny fiangonana ao amin’ireo faritra no manao izany. Mandray soa ny rahalahy sy anabavy raha mandray anjara amin’izany. Ampirisihina àry ny fiangonana mba hanohana an’ireny fandaharana ireny amin’ny fo manontolo.​—Sal. 110:3; Mal. 1:10.

21 Mety hampiasaina amin’ny fandaharana ara-panahy hafa koa ny Efitrano Fivoriambe, toy ireo sekoly ara-baiboly sy ny fivoriana manokana ho an’ny mpiandraikitra ny faritra. Toerana natokana hivavahana amin’i Jehovah ny Efitrano Fivoriambe, toy ny Efitrano Fanjakana ihany. Tokony ho mendrika àry ny fitafiana sy taovolontsika ary ny fihetsitsika rehefa mivory any.

22 Hita hoe tena mitahy antsika i Jehovah Andriamanitra, satria maro be ny olona vaovao manatona ny fandaminany amin’izao andro farany izao. (Isaia 60:8, 10, 11, 22) Tokony hotohanantsika foana àry izay fandaharana rehetra atao mba hanorenana na hanadiovana an’ireny toeram-pivavahana ireny. Asehontsika amin’izany fa faly isika manana azy ireny. Naorina mantsy izy ireny mba hahafahantsika hifampahery, indrindra amin’izao andron’i Jehovah efa mihantomotra izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara